2012
Vavaka sy Fiadanana
Ôktôbra 2012


HO AN’NY ZATOVO

Vavaka sy Fiadanana

Nifanditra tamin’ ny reniko aho indray hariva ary nahatsapa ho tena tsy nahazo aina. Noho izany dia nanapa-kevitra aho fa hivavaka. Na dia sorena sy tsy te haneho “toetra ara-panahy” aza aho dia fantatro fa hanampy ahy hahatsapa ho faly kokoa sy tsy hila sotasota ny vavaka. Rehefa nandao ilay efitrano ny reniko dia nanomboka nivavaka aho. “Ry Ray an-danitra ô, tonga mba hanatona Anao aho izao alina izao satria …” Tsia. Nosokafako ny masoko ary novahako ny tanako. Toa hafahafa izany ireo teny ireo. Namerina nanandrana indray aho. “Ry Ray any an-danitra, izaho dia mila …” Toa hafahafa ihany koa izany. Nahatsapa aho fa namporisika ahy mba hanajanona ny vavaka fangatahako fanampiana avy amin’ ny Ray any an-danitra i Satana.

Tampoka teo nahazo bitsika aho fa tokony hisaotra! Dia nataoko izany ary nanomboka nivoaka tao an-tsaiko ireo zavatra rehetra azoko isaorana ny Raiko any an-danitra. Rehefa vitako ny fisaorana Azy dia niresaka momba ilay olana niseho tamin’ izay aho.

Nahatsapa fiadanana tena tsara tao anatiko aho taorian’ izay, fahatsapana ara-panahy tena tsara hoe fantatro fa tia ahy ny Raintsika any an-danitra sy ny ray aman-dreniko ary zanak’ Andriamanitra aho. Afaka naneho fialan-tsiny tamin’ ny reniko aho ary nanaiky ny fialan-tsiniko izy.