2012
Fitahiana Roa Avo Heny
Ôktôbra 2012


Fitahiana Roa Avo Heny

Fantaro i Sophie sy Elodie A. avy any Antananarivo, Madagasikara.

I Sophie sy i Elodie kambana roa vavy izay folo taona dia mipetraka any Madagasikara. Nosy lehibe iray any afovoan-dranomasin’ ny morontsirak’ i Afrika izany. Manana tantara marina tena tiany ny fianakavian’ izy ireo. “Raha vao nihaona vao voalohany tamin’ ny misiônera ny raiko dia nahafantatra fa marina ny Fiangonana,” hoy i Elodie. “Olona niova fo vetivety izy.” Natao batisa volana vitsivitsy taty aoriana ny reniko.

Talohan’ ny nahaterahan’ ireo ankizivavy ireo dia nifady hanina ny ray aman-dreniny ary nivavaka mba hahazo vavikely iray. “Ary dia nahazo vavikely roa i Mama fa tsy iray,” hoy i Sophie.

Dia fitahiana avo roa heny no nisy nanomboka tamin’ izay!

Ny fianakavian’ i Sophie sy i Elodie dia nanangom-bola nandritra ny telo taona mba handehanana any amin’ ny Tempolin’ i Johannesburg, Afrika Atsimo mba hofehezina miaraka. Tsy maintsy manao dia eo amin’ ny 2100 km izy ireo ary miampita ny Ranomasimbe Indiana mba hahatongavana any.

Manana toeram-pitsaboana eo akaikin’ ny tranony ny renin’ izy roa vavy. Izy ireo dia manampy amin’ ny alalan’ ny famafana sy ny fihazonana izany mba hadio.

Eo amin’ ny sainan’ i Madagasikara, ny fotsy dia maneho ny fahadiovana, ny mena dia maneho fahaleovan-tena ary ny maitso dia maneho fanantenana.

Manana saka roa i Sophie sy i Elodie ary tian’ izy ireo ny misafosafo azy.

Ny gidro sy ny tanalahy dia biby roa hita any Madagasikara.

Sarin’ ny fianakaviana nalain’ i Richard M. Romney; sary hafa nalain’ i Craig Dimond © IRI; iStockphoto.com/GlobalP; iStockphoto.com/Lipowski