2012
Dan Jones (1810–62)
Ôktôbra 2012


Fahatsiarovana ireo Olona Nanana ny Naha-izy Azy

Dan Jones (1810–62)

Misiônera mihoatra ny iray tapitrisa no efa nantsoina hatramin’ ny nanorenana ny Fiangonana, saingy mihoatra noho ny hoe iray fotsiny ao anatin’ ilay iray tapitrisa i Dan Jones. Raha niresaka momba ilay misiônera avy any amin’ ny Pays de Galles ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia hoy izy hoe: “Raha eo amin’ ny lafin’ ny isan’ ny olona niova fo, i Dan Jones dia tena azo antoka fa tafiditra ao anatin’ ny ireo misiônera enina na any ho any izay nitondra vokatra be indrindra teo amin’ ny tantaran’ ny Fiangonana.”1

Talohan’ ny naha-misiônera azy dia niala tany Pays de Galles i Dan ary nifindra monina ho any Etazonia, dia niasa tany amin’ ny Reniranon’ i Mississippi ka kapitenin’ ny sambo sitimo iray nantsoina hoe Maid of Iowa, izay nitondra Olomasin’ ny Andro Farany maro ho any Nauvoo, Illinois. Niditra ho mpikamban’ ny Fiangonana izy tamin’ ny 1843 ary lasa namana akaikin’ ny Mpaminany Joseph Smith.

Ireo asa fitoriana nataon’ i Dan dia nahatanteraka ny faminanian’ i Joseph Smith voarakitra farany. Ny alina talohan’ ny namonoana ny Mpaminany Joseph Smith, dia nandre poa-basy tany ivelan’ ny varavarankelin’ ny Fonjan’ i Carthage izy, ka dia nisafidy ny hatory teo amin’ ny tany. Teo akaikiny i Dan Jones. Nanontanian’ ny Mpaminany i Dan raha toa ka matahotra ny ho faty. Namaly izy hoe: “Tonga angaha izany fotoana izany araka ny eritreritrao? Rehefa nirotsaka tao anatin’ izao asa manan-danja toy izao aho dia heveriko fa tsy hampatahotra firy ny fahafatesana.” Dia naminany i Joseph hoe: “Mbola hahita an’ i Pays de Galles ianao ary hanatanteraka ny asa fitoriana asaina ataonao alohan’ ny hahafatesanao.”2

Tanteraka ny fampanantenan’ ny Mpaminany tamin’ ny 1845 rehefa voantso hanompo tany Pays de Galles i Dan sy i Jane vadiny. Nampiasa ny fananany talenta teo amin’ ny fahaizana miresaka i Dan mba hampianarana ny filazantsara amim-pinoana lehibe. Nahay niteny tsara ny teny Galoà sy ny teny Anglisy izy ary ireo vavolombelona nanatri-maso dia nirakitra fa tena maharevo ny fomba firesany ka afaka nisarika ny sain’ ny mpanatrika nandritra ny ora maro izy tamin’ ireo fiteny roa samihafa ireo.

Rehefa tany Pays de Galles i Dan dia namoaka gazety mivoaka isaky ny fotoana voafetra, taratasy kely fampielezan-kevitra ary boky an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany tamin’ ny fiteny Galoà. Ireo misiônera tany Pays de Galles dia nanorina sampana 29 teo ambany fitarihan’ i Dan Jones ary nanao batisa olona 1000 isan-taona tao amin’ ilay asa nanirahana azy voalohany. Voantso hanao asa fitoriana fanindroany tany Pays de Galles izy tamin’ ny 1852, ary na dia teo aza ny fitomboan’ ny fanenjehana ny Fiangonana dia nisy olona teo amin’ ny 2000 teo no vita batisa tao anatin’ ny efa-taona.

Rehefa niverina tany Utah i Dan dia nanampy tamin’ ny fitondrana olona Galoà niova fo maro ho any Utah. Rehefa maty teo amin’ ny faha-51 taonany izy dia notombantombanana fa olona teo amin’ ny 5000 teo no nampiany handeha ho any amin’ ny faritra andrefan’ i Etazonia.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “The Thing of Most Worth,” Tambuli, Mar. 1994, 8; Ensign, Sept. 1993, 7.

  2. Joseph Smith, ao amin’ ny History of the Church, 6:601.

Avy eo ankavia: Sarin’ i Dan Jones, ilay misiônera avy any Pays de Galles. Sambo sitima iray, izay toa an’ ilay notarihan’ i Dan Jones, manatona ny fiantsonana ao Nauvoo, Illinois. Manampy ireo mpifindra monina avy any Pays de Galles i Dan Jones.