2012
Hevitra ho an’ ny Takarivan’ ny Mpianakavy
Ôktôbra 2012


Hevitra ho an’ ny Takarivan’ ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ ny mpianakavy. Ohatra amin’ izany ireto manaraka ireto:

“Manomana Antsika amin’ ny Hoavy ny Fiainana ao anatin’ ny Fitsitsiana,” pejy 12: Vakio ireo lafin-javatra enina voalaza ao amin’ io lahatsoratra io izay ahafahantsika ho lasa mizaka tena. Inona avy ireo voina tampoka na olana izay azontsika sorohina amin’ ny alalan’ ny fananana fizakan-tena eo amin’ ireo lafin-javatra ireo? Asao ireo olona ao amin’ ny fianakaviana mba handinika ombam-bavaka hoe inona amin’ ireo lafin-javatra ireo no ilain’ izy ireo hatsaraina sy hametrahana tanjona mba hampitomboany ny fizakan-tenany eo amin’ ireo lafin-javatra ireo.

“Fahadiovam-pitondrantena ao anatin’ ilay Izao Tontolo Izao Maloto Ara-pitondrantena,” pejy 42: Ifanakalozy hevitra amin’ ireo olona ao amin’ ny fianakaviana ireo fanontaniana napetraka ao amin’ ilay lahatsoratra. Mizarà fitsipika na zavatra niainana izay nampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fahadiovam-pitondrantena. Ifanakalozy hevitra ireo fomba ampiharana ny torohevitra avy amin’ ilay lahatsoratra.

“Aoka Ianao ho Hendry ary ho Namana,” pejy 48: Manomboha amin’ ny alalan’ ny famakiana ny fitsapana nomen’ ny Loholona Hales mba hamantarana ny hoe namana tsara. Mifanakaloza hevitra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahatongavana ho namana tsara. Asao ny olona tsirairay ao amin’ ny fianakaviana mba hieritreritra fomba telo ahafahany ho tonga namana tsara.

“Ry Amiga Malala,” pejy 60, ary “Mitsena Vanim-potoana Vaovao eo amin’ ny Fiainana,” pejy 61: Vakio ny mikasika an’ ireo ankizy ao amin’ ny Kilonga ireo ary ny fomba hiomanany hiditra ao amin’ ny Zatovovavy sy Zatovolahy. Ifanakalozy hevitra amin’ ny maha-fianakaviana izay zavatra nataon’ ireo ankizy ireo mba hiomanana. Asao ireo olona ao amin’ ny fianakaviana mba hamaky ilay boky kely Mon Progrès Personnel na ny Devoirs Envers Dieu ary hitady asa atao izay mahaliana azy ireo ny hanatanteraka azy amin’ ny ho avy.

Takarivan’ ny Mpianakavy iray, Lesona Roa

Indray alina dia tonga tao aminay mba hanao takarivan’ ny mpianakavy ny ray aman-dreniko sy ny raibe sy renibeko avy any amin’ ny reniko. Tia mandray anjara ny tsirairay amin’ ireo zanako telo ary tamin’ izay alina izay dia anjaran’ ilay zanako lahy fito taona ny manao ny lesona. Nanomana zavatra kely hanaovana famelabelarana hisarihana ny maso izahay ary nanamboatra sary mikasika ny Fahariana ary nandalina sy namerina nijery ny zavatra ho ampianariny. Vonona sy nientanentana ilay zanako lahy.

Nihaino tsara ny zavatra nohazavain’ ny zanako lahy izahay rehetra nandritra ny lesona. Rehefa vita ny azy dia nanapa-kevitra i Samuel izay telo taona teo fa te hanome lesona koa izy. Ka dia nalainy ireo sary ary ireo zavatra hanaovana famelabelarana hisarihana ny maso dia nalaminy teo ambonin’ ny latabatra indray.

Nanome leson’ ny takarivan’ ny mpianakavy ho anay i Samuel tao anatin’ ilay feony malefaka ary indraindray niaraka tamin’ ireo teny izay zara raha voatonona. Na dia tsy nanomana aza izy dia tena nihaino. Nohazavainy taminay ny fomba nahariana ny tany ary nolazainy taminay ny fitiavan’ i Jesoa Kristy antsika tsirairay avy.

Variana izahay nahita fa mora taminy ny nampianatra ilay lesona—ary toy ny nataon’ ilay rahalahiny mihitsy no nataony. Variana sy faly ny ray aman-dreniko sy ireo raibeko sy renibeko. Afaka nahita ny fitiavan’ ireo ankizy kely ireo ny filazantsara izahay rehetra—ary ny fitiavan’ i Jesoa Kristy azy ireo.

Lizbeth Sánchez Fajardo, Mexique