2012
Mitohy ny Fahatongavan’ ireo Zavatra Tsara
Ôktôbra 2012


Mandrapihaonantsika Indray

Mitohy ny Fahatongavan’ ireo Zavatra Tsara

Amin’ ny maha olona iray ahy izay malahelo an’ ilay ankehitriny toa miverina haingana dia haingana any amin’ ny lasa dia feno fankasitrahana an’ ilay mpampahatsiahy aho izay milaza fa ifaliana fotsiny aloha izao fotoana izao ary andrandraina ny hoavy.

Zoma alina nitovitovy tamin’ ny hafa ihany tamin’ izay. Nipetraka nijery sarimehitsika tao ao amin’ ny efitrano fonenako izaho sy ireo namako akaiky ary niresaka moramora matetitetika, dia nihomehy mafy avy eo. Nameno ny tontolo nanodidina ny fahatsapana fifaliana avy amin’ ny fo ary tsy nahatana ny fitsikiako aho rehefa nihodinkodina tao an’ efitrano ireo tantara sy hevitra. Ny sasany tamin’ ireo olona ireo dia olona nihaona tamiko tamin’ ny taona lasa ary ny sasany efa fantatro nandritra ny 25 taona niainako.

Nisy fotoana izaho sy ny iray tamin’ ireo namana hatry ny ela ireo nifampizara fahatsiarovana mikasika ny sasany tamin’ ireo namanay tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa taona vitsivitsy lasa izay. Rehefa niresaka izahay dia nieritreritra aho fa tena nalahelo an’ ireo namako ireo ary tena nifaly tokoa izahay sy tena nifanakaiky tokoa. Ankehitriny dia samy nahazo mari-pahaizana izahay ary nandeha nipetraka tany amin’ ny toerana samihafa manerana an’ izao tontolo izao ary niatrika toe-javatra izay tsy noeritreretinay velively. Nisento noho ny fahatsapana alahelo nandalo aho, dia nanopy maso tany amin’ ireo endrika nihomehimehy nanodidina ahy tao an’ efitrano tamin’ izany fotoana izany ary taitra tamin’ ilay eritreritra tonga tampoka manao toy izao aho hoe: mitohy ny fahatongavan’ ireo zavatra tsara.

Izany eritreritra tsotra izany dia lasa lalina ihany ho ahy tamin’ izay, indrindra noho izaho nanana fahasahiranana foana niatrika fiovana ary misalasala hamotsotra zavatra tsara. Malahelo ny lasa aho na dia mbola toy ny ankehitriny aza izany ary maniry mafy ny hianoka tanteraka an’ ireo fotoana izay iainako ao anatin’ ny fahatsiarovan-tena sy fahavononana aho. Fantatro fa rehefa manana zavatra tsara aho ary tiako hazonina izany dia tsy havotsotra velively. Ity Zoma alina mifono hakamoana sy fifaliana ity dia iray amin’ ireo fotoana tsara ireo. Matetika rehefa mahita ireo zavatra tsara ireo aho dia tonga dia manomboka mieritreritra fa mandalo ny zava-drehetra ary ho very ao anatin’ ny fotoana sy ny toe-javatra iainana izany amin’ ny farany.

Saingy tsy niseho izay alahelo anaty izay tamin’ ity alina ity. Rehefa nipetraka nangina ary nohodidinin’ ireo olona tiako aho dia nahafantatra fa na dia tsy maintsy mifarana ho azy aza ny zavatra tsara ary tsy isalasalana fa tsy maintsy hisy ireo zavatra sarotra maro amin’ ny ho avy, dia mitohy ny fahatongavan’ ireo zavatra tsara. Ary ho tonga foana izy ireo—rehefa avelako ho tonga. Na ireo olona tiako aza dia lasa mandroso koa. Ho feno olona vaovao sy mahatalanjona ny banga ary ho feno toe-javatra hiseho izay tsy noeritreretiko velively.

Sarotra indraindray ny mandroso, saingy tsy maintsy manao izany isika. Ary ny fandrosoana dia tsy midika hoe fanadinoana ny finamanana sy fanerena ny fahatsiarovana mba hanjavona. Midika izany hoe manokatra ny fontsika handray fifaliana bebe kokoa sy zavatra bebe kokoa iainana.

Herinandro vitsivitsy taorian’ izany Zoma izany dia nisaorana ny fiadidian’ ny tanora mpitovo tao amin’ ny sampana nisy ahy. Toy ny tsapan’ izay olona rehetra avy amin’ ny sampana kely iray, dia sarotra taminay ny nierireritra ny zavatra hitranga rehefa tsy afaka miantehitra amin’ ireo lehilahy sy vehivavy izay lasa tianay sy nahatokisanay ireo ny sampanay. Saingy nakimpoko ny masoko ary naveriko tao anatiko ireo teny izay nanaitra ahy tamin’ izay Zoma izay: mitohy ny fahatongavan’ ireo zavatra tsara. Nahazo fankaherezana tamin’ ilay fiovana aho ary vonona tamin’ izany.

Lalan’ ny Tompo ny fiovana. Tiany isika ho faly sy hivoatra ary hientanentana handroso eo amin’ ny fiainantsika. Dia lavitra iray ny fiainana ary raha mbola mianoka amin’ ny ankehitriny isika sy miomana amin’ ireo fanamby tsy azo ihodivirana, dia tsy maintsy mandroso hatrany, mitoetra ao anatin’ ny fananana eritreritra tsara, ary ny fontsika misokatra amin’ ny traikefa maro sy zavatra tsara izay tsy isalasalana fa eny an-dalana.

Sary nataon’ i Matthew Reier