2012
Fanehoan-kevitra
Ôktôbra 2012


Fanehoan-kevitra

Manorina ny Fijoroako ho Vavolombelona izany

Izaho dia namaky sy nandalina tamim-pahavitrihana ny Liahona nanomboka tamin’ ny 1967 ary nanampy ahy hivoatra ara-panahy izany. Miandry an’ ilay gazetiboky aho isam-bolana mba hahazoako hery sy hahatsapako ny bitsiky ny Fanahin’ ny Tompo ary hanorenako ny fijoroako ho vavolombelona momba ny filazantsara. Tiako manokana ilay hoe “Imiter et Honorer Notre Famille Céleste” (Liahona, Feb. 2012, 80). Afaka namantatra ny tenako aho tamin’ ny alalan’ ny zavatra nolazain’ ilay mpanoratra satria izaho koa dia mpanao sary.

Fabio Fajardo, Colombie

Mpampianatra sy Namana

Tiako ny Liahona—mampianatra ahy sy manohana ahy ary manitsy ny fiainako izany. Rehefa mamaky zavatra tsara aho amin’ ny maraina dia miezaka ny ho tsara kokoa mandritra ny tontolo andro. Matanjaka kokoa ny fitiavako sy ny finoako rehefa mamaky ny gazetiboky aho. Omeko ny namako ho toy ny fanomezana koa ny Liahona. Misaotra betsaka noho ny maha-mpampianatra sy namana azy!

Anastasia Naprasnikova, Ukraine