2012
Aoka Ianao ho Hendry ary ho Namana
Ôktôbra 2012


Aoka Ianao ho Hendry ary ho Namana

Sary
Loholona Robert D. Hales

Mianara ary mikatsaha fahalalana sy fahendrena ao anatin’ ny fahatanoranao. Ary ampaherezo sy ampahatanjaho ireo manodidina anao.

Raha tena tianao ny ho afaka hanana fiainana tsara, dia haniry ny hanaraka ilay torohevitra hita ao amin’ ny soratra masina ianao: “Mianara fahendrena amin’ ny fahatanoranao, eny mianara ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra amin’ ny fahatanoranao” (Almà 37:35). Azo fehezina araka izao manaraka izao ilay dingan’ ny fianarana:

Manomboka amin’ ny alalan’ ny fahalalana fototra daholo isika rehetra. Ampiantsika fahalalana izany miaraka amin’ ilay fianarana azo avy any am-pianarana sy avy amin’ ny famakiana. Ampiantsika an’ ireo zavatra niainantsika izany. Ary dia tonga eo amin’ ny dingana fahaefatra isika: fahendrena. Eo izao tontolo izao no mijanona. Saingy manana zavatra izay tsy ananan’ izao tontolo izao isika. Tao anatin’ ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia nomena ny fanomezana ny Fanahy Masina isika. Ny fananana lalandava ny fanomezana ny Fanahy Masina mba hampianatra sy hitarika antsika dia mifototra amin’ ny fanehoantsika fahatokiana amin’ ireo lalàna, sy ôrdônansy ary fanekempihavanana izay ataontsika mandritra ny batisa, ary mifototra amin’ ny fanoloran-tena ataontsika matetika mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo sy amin’ ireo fanekempihavanan’ ny fisoronana sy tempoly. Ny Fanahy dia mitarika antsika mba hanao asa sy hanao zavatra. Manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy sy talenta daholo isika rehetra (jereo ny F&F 46).

Ny fahendrena ampiana fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia mitondra fahatakarana ao am-po. “Ny voaloham-pahendrena dia izao; mahazoa fahendrena; eny lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara” (Ohabolana 4:7). Zava-dehibe ny mamboly fahendrena sy fahatakarana ao anatin’ ny fahatanoranareo.

Nisy zavatra niainana iray nandritra ny fahatanorako izay nampianatra ahy mikasika ny fahendrena. Izaho dia ankizilahy niaina tany an-tanan-dehibe. Noho izany dia nalefan’ ny raiko niasa tany amin’ ny toeram-pambolena sy fiompian’ ny dadatoako tany amin’ ny faritra andrefan’ i Utah aho. Rehefa tany aho dia tsy takatro velively hoe nahoana ireo omby ompiana izay manana safidy handehanana ao anatin’ ilay tany mirefy an’ arivony hektara no manatsofoka ny lohany eo anelanelan’ ireo tariby miranirany mba hihinana ny vilona any amin’ ny faritra ilan’ ilay fefy. Efa mba nieritreritra ve ianao hatramin’ izay hoe tena mitovy amin’ izany isika? Isika dia misisika ny handeha foana mba hahitana ny toerana ivelan’ ny faritra farany azo aleha, indrindra mandritra ny fahatanorantsika. Amin’ ny maha olombelona antsika—ilay olona araka ny nofo—dia mirona amin’ ny fisisihana ny handeha hatreny amin’ ilay tariby miranirany ary mampiditra ny lohantsika eo anelanelany. Nahoana no manao izany isika?

Afaka mahazo fifaliana lehibe tokoa isika na dia tsy misisika mandeha mihoatra ny faritra farany azo aleha aza. Tsarovy, “Ny fahendrena no zava-dehibe voalohany,” ary amin’ ny alalan’ izay fahendrena izay dia “aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy. Manalavira azy, aza mandalo eo akory, mivilia azy, ka mizora (Ohabolana 4:14–15). Aza manakaiky izany. Aza atsofoka eo anelanelan’ ny fefy tariby miranirany ny lohanao.

Manana Namana Tsara Ve Ianao?

Hahatsikaritra ianao fa ao anatin’ ireo fampianarana mikasika ny fahendrena ireo dia mampianatra koa mikasika ny fisafidianana namana tsara ny bokin’ ny Ohabolana: “Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy (Ohabolana 4:14). “Anaka, aza miara-dalana aminy ianao; arovy ny tongotrao tsy hankamin’ ny alehany: fa ny tongony mihazakazaka ho amin’ ny ratsy” (Ohabolana 1:15–16).

Sary
youth studying together

Sary nataon’ i Keith Larson

Ahoana no ahafantaranao fa manana namana tsara ianao? Homeko fitsapana roa ianao. Raha mampihatra ireto fitsapana ireto ianao dia tsy handeha amin’ ny lalana hafahafa velively sy tsy ho tafala amin’ ilay “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 31:18).

  1. Ny namana tsara dia manamora ny fiainana ny didy rehefa miaraka amin’ izy ireo ianao. Ny tena namana dia manome hery sy manampy anao mba hiaina ireo fitsipiky ny filazantsara izay hanampy haharitra hatramin’ ny farany.

  2. Ny tena namana dia tsy hanery anao hifidy hoe, na ny fombany na ny fomban’ ny Tompo izay hanala anao eo amin’ ny lalana ety sy tery. Ny fahavalo dia mirenireny eto an-tany ary maniry mafy ny hahalavo antsika tsirairay. Raha toa ka mitondra anao eo amin’ ny lalan’ ny ratsy ny namanao dia ialao izao ankehitriny izao izy ireo. Fidio amim-pahendrena ny namanao.

Karazana Namana Manao Ahoana Ianao?

Hametraka fanontaniana sarotra iray aho: karazana namana manao ahoana ianao?

Ny fiainana dia mihoatra lavitra noho ny famonjena ny tenantsika. Nirahina mba hampitraka sy hampahery an’ ireo rehetra manodidina antsika isika. Ny Tompo dia maniry ny hiverenantsika rehetra miaraka any Aminy.

Ianao dia jiro mpitsilo lalana ary tsy misy zavatra mampidi-doza kokoa noho ny hoe simba ilay jiro mpitsilo lalana. Tsarovy hoe izany ianao: ianao dia hazavana ho an’ izao tontolo izao, ho an’ ny namanao ary ho an’ ny anadahinao na rahalahinao na ny anabavinao na ny rahalahinao. Ianao no ianteheran’ izy ireo.

Ny Ohabolana 4 dia manohy hoe:

“Fa ny làlan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.

“Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito: tsy fantany akory izay manafintohina azy” (andininy 18–19).

Tsy fantany marina ny antony mahatafintohina azy ireo. Tsy manana hazavana sy fitarihana izy ireo.

Moa ve fantatrao hoe manao ahoana izany hoe miantehitra amin’ ny jiro mpitsilo lalana izany rehefa tsy eo ilay jiro? Tonga ny haizina ary very isika.

Rehefa tsy manana herinaratra ny mpanamory fiaramanidina iray dia tsy manana mpanondro izy afa-tsy ireo zavatra izay tsy mandeha amin’ ny herinaratra. Tena mahatsapa ho tsy manan-kery tanteraka izy rehefa ao anatin’ ilay fiaramanidina tsy ahitana afa-tsy seza tokana eny amin’ ny 12.200 m eny ana habakabaka ka atopaton’ ny rahona sy ny sisa eny. Tsy manana lalana mari-pototra aleha izy. Efa niaina zavatra toy izany aho ary faly fa eto. Zavatra niainana izay tsy hohadinoiko velively izany. Mety ho hiaina toe-javatra toy izany koa ianao indray andro any. Tsy misy zavatra mampidi-doza kokoa noho ny jiro mpitsilo lalana simba, indrindra fa rehefa miantehitra amin’ ilay hazavana ianao.

Moa ve misy olona miantehitra amin’ ny hazavanao mba hitarika azy? Aoka ianao ho ohatra tsara. Aoka ianao ho hazavana ho an’ izao tontolo izao ary hitarika an’ ireo manodidina anao eo amin’ ny lalan’ ny fahamarinana. Izy ireo dia miantehitra aminao toy ireny hoe mpitsilo lalana mahatoky ireny ianao. Aoka ianao ho eo rehefa mila anao ny olona iray.

Ny Fanahy no jiro mpitari-dalana izay mitondra hafaliana. Enga anie mba tsy handa hiaraka amintsika ny Fanahy noho ny fitondrantenantsika. Tena mivavaka aho mba tsy ho irery velively isika ary tsy halahelo ao anatin’ ity izao tontolo izao izay “maizina sy mahonena” (1 Nefia 8:4).

Enga anie ny fitahian’ ny Tompo hirotsaka aminareo rehefa miezaka mianatra sy mikatsaka fahalalana ary fahendrena ao anatin’ ny fahatanoranareo ianareo. Enga anie koa ianareo hahazo fahendrena sy fahatakarana ao am-ponareo mikasika ny fahamarinan’ ny filazantsara amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ary koa amin’ ny alalan’ ny hazavan’ ny Fanahy, ny Fanahy Masina. Aoka ianao ho namana tsara. Ampitrakao sy ampatanjaho ireo izay manodidina anao. Ataovy ho toerana tsara kokoa ity izao tontolo izao ity satria tety ianao. Ampio ireo namana hijanona ao amin’ ilay lalana ety sy tery, haharitra hatramin’ ny farany ary hiverina amim-boninahitra.

Aoka ianao ho hazavana ho an’ izao tontolo izao ary hitarika an’ ireo manodidina anao eo amin’ ny lalan’ ny fahamarinana. Izy ireo dia miantehitra aminao toy ireny hoe mpitsilo lalana mahatoky ireny ianao.