2012
Fanalahidy Iray Hananana Fianakaviana Sambatra
Ôktôbra 2012


Hafatra avy amin’ ny Fiadidiana Voalohany

Fanalahidy Iray Hananana Fianakaviana Sambatra

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Ilay boky mifono tantara noforonina mitondra ny lohateny hoe Anna Karenina dia natombok’ ilay mpanoratra Rosiana lehibe tamin’ ireto teny ireto: “Mitovy daholo ny fianakaviana sambatra fa ny fianakaviana tsy sambatra dia samy manana ny lafiny manokana tsy mahasambatra azy.”1 Raha mbola tsy ananako ilay fahatokian’ i Tolstoy hoe mitovy daholo ny fianakaviana sambatra, dia nahita zavatra iray kosa aho izay iombonan’ ny ankamaroan’ izy ireo: Manana fomba hamelana sy hanadinoana ny tsy fahalavorarian’ ny hafa izy ireo ary fomba hitadiavana ilay tsara.

Ireo ao anatin’ ny fianakaviana tsy sambatra kosa etsy ankilany dia matetika mahita zavatra tsy mety sy mihazona lolom-po ary toa tsy afaka ny hanadino izay zavatra nanafintohina taloha.

“Eny e! saingy …” hoy ny fanombohan’ ireo izay tsy sambatra azy. “Eny e! saingy raha mba fantatrao mantsy fa tena nanafintohina ahy izy,” hoy ny filazan’ ny anankiray. “Eny e! saingy raha mba fantatrao mantsy fa tena mahatsiravina izy iny.” Hoy ny filazan’ ny anankiray hafa.

Mety samy marina ny an’ izy roa ireo na mety tsy marina koa.

Misy karazany maro ny halehiben’ ny fanafintohinana. Misy karazany maro ny halehiben’ ny ratram-po. Saingy nahatsikaritra aho fa matetika isika dia manamarina ny hatezerantsika ary manome fahafaham-po ny eritrerintsika amin’ ny alalan’ ny filazantsika tantara momba ny tanjon’ ny hafa izay manameloka ny zavatra nataon’ izy ireo ho toy ny tsy azo avela sy feno fitiavan-tena, ary ao anatin’ izay fotoana izay koa dia ahindrahindrantsika ho toy ny madio sy tsy manan-tsiny ny tanjontsika manokana.

Ilay Alikan’ ny Zanakalahin’ ny Mpanjaka

Misy tantara fahiny iray niseho tany amin’ ny Pays de Galles tamin’ ny taonjato faha-13 mikasika ny zanakalahin’ ny mpanjaka iray izay raha nody tany an-tranony dia nahita ny tarehin’ ny alikany feno ra. Nihazakazaka niditra tao an-trano ilay lehilahy ary nivarahontsana rehefa nahita fa tsy teo ilay zanany lahy kely ary nihohoka ny fandrian-jaza nisy azy. Tao anatin’ ny fahatezerana no namoahan’ ilay zanakalahin’ ny mpanjaka ny sabany ary namonoany ilay alikany. Fotoana fohy taorian’ izay dia henony ny tomanin’ ilay zanany lahy—velona ilay zazakely. Nisy amboadia nitsirara teo akaikin’ ilay zazakely. Raha ny marina, ilay alika dia niaro an’ ilay zazakelin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka teo anatrehan’ ilay amboadia mpamono olona.

Na dia mampivarahontsana aza izany tantara izany dia manasongadina lafin-javatra iray izany. Izany dia mety hanamarina fa ny tantara izay lazaintsika mikasika ny antony mahatonga ny hafa maneho fihetsika sasantsasany dia tsy voatery hifanaraka foana amin’ ny zava-miseho—indraindray aza isika tsy te-hahafantatra ny zava-miseho akory. Fa aleontsika manamarin-tena ao anatin’ ny hatezerantsika amin’ ny alalan’ ny fihazonana ny alahelo sy lolom-po. Mety maharitra amam-bolana na aman-taonany maro ireo lolom-po ireo indraindray. Mety maharitra mandritra ny fiainana izany indraindray.

Fianakaviana Misaratsaraka

Nisy raim-pianakaviana iray tsy nety namela ny zanany lahy noho ny nandaozany an’ ilay lalana nampianarina azy. Nanana namana izay tsy nankasitrahan’ ilay raim-pianakaviana ity tovolahy ity ary nanao zavatra maro izay nifanohitra tamin’ ny zavatra noeritreretin’ ny rainy fa tokony hataony. Niteraka fisaraham-bazana teo amin’ ilay ray sy ny zanany izany ary niala tao an-tranony ilay tovolahy vao afaka nanao izany, dia tsy niverina intsony. Mahalana vao nifampiresaka izy ireo.

Moa ve mahatsapa ho manana ny rariny ilay raim-pianakaviana? Angamba.

Moa ve mahatsapa ho manana ny rariny ilay tovolahy? Angamba.

Ny hany fantatro dia nisaratsaraka ilay fianakaviana ary tsy sambatra satria na ilay ray na ilay zanaka dia samy tsy afaka namela ilay anankiray hafa. Tsy mba afaka nanana fomba fijery nihoatra ireo fahatsiarovana nampalahelo mikasika azy izy ireo. Nofenoin’ izy ireo hatezerana ny fony fa tsy fitiavana sy famelan-keloka. Samy nanaisotra ilay fahafahana mba hitondra zavatra tsara eo amin’ ny izy samy izy izy ireo. Toa tena lalina sy goavana ilay fisarahana nisy teo amin’ izy ireo ka samy lasa gadra ara-panahy tao amin’ ilay nosin’ ny fihetseham-pony manokana izy ireo.

Soa ihany fa nanome fomba handresena izany lavaky ny avonavona izany ilay Raintsika any an-danitra izay be fitiavana sy hendry. Ilay Sorompanavotana lehibe sy tsy manam-petra dia fanehoana famelana sy fampihavanana faratampony. Tsy takatry ny saiko ny halehiben’ ny heriny saingy mijoro ho vavolombelona amin’ ny foko sy fanahiko iray mantolo aho fa misy sy faran’ izay lehibe izany hery izany. Nanolotra ny tenany mba hanonerana ny fahotantsika ny Mpamonjy. Mahazo famelan-keloka isika amin’ ny alalany.

Tsy misy Fianakaviana Tonga Lafatra

Tsy misy amintsika izay tsy manota. Manao fahadisoana isika tsirairay ary tafiditra ao anatin’ izany izaho sy ianao. Efa samy voaratra isika rehetra. Efa samy nandratra ny hafa isika rehetra.

Amin’ ny alalan’ ny sorona nataon’ ny Mpamonjy antsika no ahafahantsika mahazo fisandratana sy fiainana mandrakizay. Rehefa manaiky ny fombany isika ary mandresy ny avonavontsika amin’ ny alalan’ ny fanalefahana ny fontsika dia afaka mitondra ny fampihavanana sy ny famelana eo amin’ ny fianakaviantsika sy ny fiainantsika manokana. Andriamanitra dia hanampy antsika hahay hamela bebe kokoa, ho vonona kokoa handeha maily iray, haneho fialan-tsiny voalohany na dia tsy fahadisoanao aza ilay izy, hanaisotra ireo lolom-po ary tsy hampihombo izany intsony. Isaorana Andriamanitra izay nanome ny Zanany Lahitokana ary isaorana ny Zanaka izay nanome ny ainy ho antsika.

Afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika isan’ andro. Moa ve isika tsy tokony hanolotra zavatra kely bebe kokoa avy amintsika ho an’ ireo namantsika araka ny nampianarin’ ilay fihirana tena tsara “Seigneur j’ ai tant reçu”?2 Nosokafan’ ny Tompo ny varavarana mba hahazoantsika famelan-keloka. Moa ve tsy mba rariny raha toa ka esorintsika ny fitiavan-tenantsika sy ny avonavontsika ary atombontsika ny fanokafana ilay varavarana tena tsaran’ ny famelana ho an’ ireo olona manahirana antsika—indrindra ho an’ ny fianakaviantsika manokana rehetra.

Farany, ny fahasambarana dia tsy tonga avy amin’ ny fahalavorariana fa avy amin’ ny fampiharana ireo fitsipika masina, na dia amin’ ny alalan’ ny fanaovana dingana kely maromaro aza. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe: “Ny fahasambarana ao amin’ ny fiainam-pianakaviana dia ho tratra rehefa miorina amin’ ny fampianaran’ i Jesoa Kristy Tompo. Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby dia aorina sy kolokoloina araka ny fitsipiky ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy.3

Ny famelan-keloka dia napetraka tena eo afovoan’ ireo fahamarinana tsotra ireo izay miorina eo amin’ ny drafitry ny fahasambarana an’ ny Raintsika any an-danitra. Noho ny famelan-keloka mampifandray ireo fitsipika dia mampifandray ny olona koa izany. Fanalahidy iray izany izay manokatra ireo varavarana mihidy. Fanombohan’ ny fandraisana lalana marina izany ary iray amin’ ireo fanantenana tsara indrindra ho an’ ny fianakaviantsika.

Enga anie Andriamanitra hanampy antsika hahay hamela heloka kokoa eo amin’ ny fianakaviantsika sy eo amintsika samy isika ary angamba hahay hamela heloka kokoa ny tenantsika mihitsy aza. Mivavaka aho mba hiaina ny famelan-keloka ho toy ny fomba tena tsara iray itovian’ ny ankamaroan’ ireo fianakaviana isika.

Fanamarihana

  1. Leo Tolstoy, Anna Karenina, trans. Constance Garnett (2008), 2.

  2. “Seigneur j’ ai tant reçu,” Cantiques, no. 139.

  3. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ izao tontolo izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129; nampiana fanamafisana.

Fampianarana avy amin’ ity Hafatra ity

“Rehefa manomana ny lesona tsirairay ianao dia manontania tena hoe ahoana no mahatonga ilay fitsipika ho toy ny zavatra izay efa niainan’ ny olona ao amin’ ny fianakaviana teo amin’ ny fiainany manokana” (Teaching, No Greater Call [1999], 171). Manasà olona ao amin’ ny fianakaviana mba hizara zavatra tsara niainany na hitany mikasika ny famelan-keloka. Ifanakalozy hevitra ireo zavatra niainana ka hamafiso ireo fitahiana avy amin’ ny famelan-keloka. Farano amin’ ny alalan’ ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny fifamelana izany.

Sary nataon’ i David Stoker