2012
Miakanjo fa Handeha Handihy
Ôktôbra 2012


Miakanjo fa Handeha Handihy

Sary
young woman in a purple dress

SARY NATAON’I SCOTT GREER

Tratran’ ny fakam-panahy hanaraka ny fanaon’ ny rehetra aho, saingy nahatsapa avy eo fa tokony ho ohatra aza aho.

Tamin’ izaho zatovo dia matetika no sarotra ny niaina ny filazantsara. Vitsy ny mpikamban’ ny Fiangonana tao amin’ ny faritra nipetrahanay ary ireo namako izay tsy mpikamban’ ny Fiangonana dia nanasarotra ny fijanonako teo amin’ ny lalana marina indraindray.

“Tokony hanao an’ ity ianao. Hampivoaka ny lokon’ ny masonao izany.” hoy ny iray tamin’ ireo namako tamiko talohan’ ny handehanana handihy. Nihazona akanjo lava izay nokasainy hampindramina ahy izy, saingy tsy nisy tanany izany. Nanapa-kevitra ny hanao ilay akanjo lava niaraka tamin’ ny palitao aho.

Rehefa tonga tao amin’ ilay toerana handihizana aho dia tsy nisy olona nanao akanjo lava nisy tanany ary nahatsapa ho toy ny niavaka aho. Rehefa nanomboka nihanafana dia nilaza tamiko ilay namako hoe tokony hanala ilay palitao aho ary ho tsara kokoa aza ny bikako amin’ izay.

Raha iny saika hanamarin-tena amin’ ny fanalana ilay palitao iny aho dia nahatsiaro ny tsodranon’ ny patriarika nomena ahy. Nilaza tamiko ny tsodranoko fa ho maro ireo fakam-panahy handalo eo amiko ary raha lavo aho dia olona maro no hanaraka ahy. Tamin’ izay no nahatsapako fa mila mijanona amin’ ilay lalana marina aho—tsy hoe ho an’ ny tenako fotsiny fa ho an’ ny hafa izay mankasitraka ny fihetsiko. Nanapa-kevitra ny tsy hanala an’ ilay palitao aho.

Indraindray aho dia nihomehezana noho ny tsy fanavako ireo zavatra izay ataon’ ny olona hafa rehetra, saingy nitoetra ho matanjaka aho ary voatahy noho izany. Taty aoriana dia nahafantatra aho fa maro ireo olona nankasitraka ny fihetsiko. Ny namako sasany aza dia nilaza fa najain’ izy ireo aho noho ny fanarahako ny fitsipiko. Niala tsiny izy ireo noho ny filan’ izy ireo sotasota tamiko satria aho tsy nanao ireo zavatra izay nataon’ ny hafa rehetra tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa.

Satria aho nanaraka ny fitsipiky ny Fiangonana dia niezaka ny ho ohatra aho ary afaka niaina an’ izany hoe manao asa fitoriana izany ary nampianatra ny filazantsara tamin’ ny hafa. Tsy ho afaka nitarika ny hafa mihitsy aho raha toa ka tsy nijanona teo amin’ ilay lalana marina.