2012
Fahadiovam-pitondrantena ao anatin’ ilay Izao Tontolo Izao Maloto Ara-pitondrantena
Ôktôbra 2012


Fahadiovam-pitondrantena ao anatin’ ilay Izao Tontolo Izao Maloto Ara-pitondrantena

Nihaona tamin’ ny vondron’ ny tanora mpitovo sy mpivady vao avy amin’ ny faritra samihafa eto amin’ izao tontolo izao ny gazetibokin’ ny Fiangonana mba hifanakalo hevitra momba ireo olana sy fitahiana avy amin’ ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena ao anatin’ ilay izao tontolo izao izay tsy manome lanja—ary manarabiraby ny fahadiovam-pitondrantena mihitsy aza. Hitanay fa nanome hery sy nanentana ny fanahy ny fifanakalozan-kevitra izay malalaka sy ara-drariny sy tamin-kitsimpo nataon’ izy ireo ary manantena izahay fa ianareo koa dia mba hahita avy amin’ ireo fanehoan-keviny zavatra izay hanampy anareo hanome lanja ny fahamasinan’ ny fanambadiana sy ny firaisana ara-nofo.

Inona avy ireo fahamarinan’ ny filazantsara izay manampy hitoetra ho madio ara-pitondrantena eo anatrehan’ ireo olona maro izay miezaka manamarina ny fahalotoam-pitondrantena.

Martin Isaksen, Norvège: Ny soratra masina dia milaza hoe tokony hadio ara-pitondrantena. Izay dia ampy ahy.

Lizzie Jenkins, Californie, Etazonia: Fahadiovam-pitondrantena. Miaina mifanaraka amin’ izany ianao. Fomba fiainana izany.

Liz West, Angleterre: Ny fahatakarana hoe iza moa aho ary ny fahatakarana hoe misy zavatra hafa bebe kokoa eo amin’ ny fiainana noho izao ankehitriny izao ary noho iny indray alina iny fotsiny, dia nanampy ahy be tokoa. Ny drafitry ny famonjena—dia tena manampy—na dia tsy afaka nanazava izany mazava tsara aza aho fony mbola zatovo. Zavatra tena tsara ilay foto-kevitra ijoroan’ ny fanambadiana mandrakizay. Rehefa takatry ny olona izany fanoloran-tena izany dia tsapany fa tena mahagaga ilay hoe napetrak’ Andriamanitra ho ao anatin’ ny fianakaviana isika ary nomeny didy isika tsy hoe mba hiarovana antsika fotsiny fa mba hahasambatra antsika koa. Rehefa miaina ireo fitsipika ireo aho ary mizara izany amin’ ny namako amin’ ny alalan’ ny filazana hoe: “Tsy hisotro aho” na “tsy handeha ho any amin’ izany fety izany aho” na “tsy hanao izany zavatra izay aho”, dia hajain’ izy ireo. Farany dia lasa miaro ahy indray izy ireo. Hery lehibe ny fahatakarana fa manan-danja aho amin’ ny maha zanak’ Andriamanitra ahy ary ny Ray any an-danitra dia mahafantatra hoe iza aho ary mikarakara ahy izy raha ny marina.

Anna (Anya) Vlasova, Russie: Manampy be dia be ahy ny fieritreretana fa tadifitra ao anatin’ ny fianakavian’ ny lanitra iray aho. Tiako ary hajaiko Andriamanitra ary tsy tiako ho menatra Izy noho ireo safidy izay ataoko.

Kaylie Whittemore, Floride, Etazonia: Izaho dia mihevitra tanteraka fa ny fahatakarana ny maha-masina ny fianakaviana dia nanome ahy fahavononana hiaina ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena. Ny zavatra anankiray hafa dia ny fahatsapana fa rehefa mandika didy iray isika dia misy vokany ratsy izay tsy tiako hiainana.

Falande (Fae) Thomas, Haiti: Izaho dia nieritreritra mafy ilay zavatra lazain’ ny olona manao hoe: “Nahoana ianao no hiandry rehefa afaka mahazo ny zava-drehetra ankehitriny?” Saingy nanontany tena aho hoe hafiriana moa ny faharetan’ izany karazana fifaliana izany. Aleoko miaina ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena ary hahazo fiadanana amin’ ny farany.

Hippolyte (Hip) Kouadio, Côte d’ Ivoire: Ny iray amin’ ireo zavatra izay manampy ahy be tokoa dia ny fanambarana ho an’ ny fianakaviana: “Ambaranay … fa Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ ny fananahana.”1

Ny zavatra iray hafa izay manampy dia ny fomba fampianaran’ ny Rahalahy antsika ny fahadiovam-pitondrantena. Mampitandrina antsika mikasika ny fomba fiantombohan’ ny tsy fahadiovam-pitondrantena izy ary mampianatra antsika fa rehefa manararaotra ny vatana isika dia manararaotra ny fanahy. Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra fa ny Mpamonjy dia nanonitra ilay sarany mba hahazoantsika indray andro any vatana nitsangana tamin’ ny maty. Ny fomba hanehoantsika fankasitrahana noho ny fanonerany izany dia amin’ ny alalan’ ny fihazonana ny vatantsika mba hadio.2

Liz: Mahatsiaro resaka manokana izay nifanaovako tamin’ ny olona iray aho fony teo amin’ ny faha-15 taonako teo. Niresaka momba ny tsy finoako ny tokony hisian’ ny firaisana ara-nofo alohan’ ny fanambadiana izahay ary tsaroako izy nilaza hoe: “Eny e! Saingy ahoana raha miseho fotsiny izany? Ahoana raha toa ao anatin’ ilay alina iray ianao, mba te … fotsiny?” Saingy fantatro fa nanana safidy aho. Tsy misy zavatra “mitranga” fotsiny izany.

Tena mahagaga ho ahy ny fanomezan’ ny Ray any an-danitra antsika ny fahafahana misafidy sy ny didy mba hanafahana antsika ary i Satana dia manao izay azony atao mba hamatorana sy hameperana antsika. Ireo fotoana izay noresahan’ ny namako eto dia mikasika ny hoe mety hisian’ ny zavatra “hitranga” any amin’ ny fety rehefa nisotro ny olona dia mandeha tsiroaroa avy eo. Noho izany dia tsy mirotsaka ao anatin’ ireny toe-javatra ireny aho. Ny safidy dia tsy tokony hatao any amin’ ny farany rehefa hiteny hoe eny na tsia ianao. Efa vitaina aloha ny safidy rehefa manontany ny tenanao ianao hoe: “Handeha ho any amin’ ilay fety ve aho?”

Maro ny olona izay rehefa tsy mieritreritra ilay zavatra mialoha ary tsy mieritreritra ny vokany no hanao izay tiany hatao ao anatin’ ilay fotoana. Saingy raha toa ianao milaza hoe, “Izao no tiako ho vokany amin’ ny farany, noho izany dia hanao ireto safidy ireto aho,” dia tsy ho tratran’ ny olana maro ianao.

Niresaka momba ny fahafahana misafidy sy ny didy ianao. Saingy moa ve ireo fanekempihavanana—fanekempihavanan’ ny batisa na fanekempihavanan’ ny tempoly—manampy anao hiaina ireo fitsipikao?

Fae: Mieritreritra ny fiainako talohan’ ny nanaovana batisa ahy aho sy ny fahatakarana bebe kokoa ny fiainana ankehitriny rehefa nanao fanekempihavanana aho. Tena mahavariana ny fomba ahafahantsika ho voavela heloka noho ny Sorompanavotana. Rehefa mahatsiaro ny fanekempihavanako aho dia mieritreritra ny fomba ahafahako mibebaka sy ho lasa tsara kokoa ary handroso hatrany.

Anya: Any amin’ ny tempoly indrindra indrindra no ahitanao ilay tanjona mandrakizay. Ny tempoly dia manampy anao hieritreritra momba ny mandrakizainao fa tsy ny androany fotsiny, dia manao safidy tsara ianao.

Lizzie: Isika dia mino ny ankamaroan’ ny fotoana fa ny firaisana ara-nofo dia ratsy, nefa tsy izany mihitsy. Tsy maintsy ankatoavin’ ny fahefana marina fotsiny izany, sy atao amin’ ny fotoana tokony hanaovana azy ary miaraka amin’ ilay olona tena izy. Izany no votoatin’ ny fanekempihavanana. Manao fanoloran-tena ianao. Milaza ianao hoe: “Tena vonona handray ity dingana ity aho eo amin’ ny fiainako.” Manampy ahy ny fanekempihavanana satria fantatro fa manao zavatra mifanaraka amin’ izay tokony hataoko aho. Ary fantatro fa raha manao izay tian’ ny Ray any an-danitra hatao aho dia ho faly kokoa Izy.

Jonathan Tomasini, France: Ho toy ny tsy mahatoky eo anatrehan’ ny tenako sy eo anatrehan’ Andriamanitra aho raha toa ka mandika ny fanekempihavanana. Ny fanekempihavanan’ ny fanambadiana dia manampy ahy hahita fa izaho dia te hanolotra ho an’ ilay vehivavy vadiko olona iray izay manana fifehezan-tena, sy nanoman-tena mba ho vady tsara ary nitandrina ny tenany ho madio.

Maro ireo fanehoan-kevitra eto amin’ izao tontolo izao—izay ny ankamaroan’ izy ireo dia toa mandresy lahatra sy sarotra tsikeraina—mikasika ny maha lany andro ny fahadiovam-pitondrantena. Inona avy ireo fanehoan-kevitra henonao ary inona no fihetsika nasehonao tamin’ ireo izay mihantsy ny fitsipikao?

Lizzie: Nandritra ny taona farany nianarako tao amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa dia tsaroako ny mpampianatra iray izay nanome “torohevitra” ho anay. Vao nahavita ny sekoly ambaratonga faharoa izy dia tonga dia nanambady ary ratsy fiafarana izany, saingy nolazainy marina taminay fa “maro ireo trondro ao an-dranomasina.” Ny tiany holazaina dia hoe maro ireo zavatra azontsika andramana, ary maro ireo olona azo andramana iarahana. Tsaroako fa tafintohina aho satria nahateny izany ilay mpampianatra ahy. Nanomboka tamin’ izay fotoana izay dia nieritreritra aho hoe, eny tena maro tokoa ny olona saingy tsy mila olona maro aho.

Jonathan: Nisy olona iray fantatro nilaza fa rehefa miaraka aman’ olona izy dia te hahafantatra raha toa ka fa mifandanja tsara amin’ izany olona izany izy eo amin’ ny lafin’ ny firaisana ara-nofo. Ny ohatra iray nozarainy dia ilay fiarahany tamin’ ny lehilahy iray izay tiany ary rehefa lasa mpisakaiza izy ireo dia tsy tsapany hoe afaka miaraka izy ireo ary tsy nahomby ny fiarahan’ izy ireo. Nampiasainy izany zavatra niainany izany mba hanohanany ny heviny ary toa saika nampino izany. Tamin’ ny farany dia nohazavaiko taminy hoe afaka mifankafantatra tsara amin’ ny fomba hafa ianareo ary raha manao izany ianareo ary manorina fahatokiana rehefa miaina ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena dia hisy fahafaha-miaraka bebe kokoa rehefa mivady ianareo.

Anya: Ny hevitra tena iraisan’ ny ankamaroan’ ny olona izay henoko foana dia ny hoe rehefa mifankatia fotsiny ny olona roa dia ekena! Ny firaisana ara-nofo dia fanehoam-pitiavana fotsiny ihany.

Martin: Ny tenin’ ny Filoha Spencer W. Kimball no zavatra tonga ao an-tsaiko rehefa maheno ilay fialan-tsiny hoe, “Mifankatia izahay” aho. Nilaza izy fa matetika mihitsy ilay faniriana mafy te hanao firaisana ara-nofo no miditra an-tsokosoko ao an-tsaina rehefa mieritreritra ny olona fa mifankatia lalina izy ireo.3 Izay no zava-mitranga ho an’ ny olona maro rehefa manao firaisana ara-nofo alohan’ ny fanambadiana izy ireo: Misy faniriana mafy te hanao firaisana ara-nofo ao na dia mieritreritra aza izy ireo fa mifankatia. Raha toa ka tena nifankatia tokoa izy ireo dia tokony ho nifanaja sy nifanohana ary nahatakatra fa misy ny fotoana hanaovana firaisana ara-nofo. Ary ho ahy ny firaisana ara-nofo alohan’ ny fanambadiana dia mampiseho fa tsy tena hifanohana mafy araka ilay fieritreretanareo azy ianareo. Satria raha tsy afaka mifanampy mba hiaina ny fitsipikareo ianareo ankehitriny, dia ahoana moa no fomba hifanohananareo any aoriana?

Kaylie: Ny olona sasany izay tsy mino an’ Andriamanitra dia mahatsapa fa ny Baiboly sy ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena dia nilaozan’ ny toetr’ andro. Tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa aho dia nanana namana izay tena tsy nino an’ Andriamanitra na mihevitra fa ny olona dia tsy afaka mamantatra hoe misy Andriamanitra na tsy misy—ary nanana namana iray aho izay tsy tena nino loatra ireo fampianarana avy ao amin’ ny finoany. Niaina fotsiny araka izay nitiavany azy izy sy izay tsapany fa nety taminy. Ny firaisana ara-nofo araka ny heviny dia fahafinaretana ho an’ ny tena ary izay zavatra mametra izany fahafinaretana izany dia tsy ilaina.

Taitra ilay namako araka ny eritreritro fa nino ny Baiboly sy ny didin’ Andriamanitra aho, saingy niezaka aho nanampy azy hahatakatra fa tsy zavatra mifono famerana ny didy. Iainako izy ireo satria mitondra fifaliana ho ahy. Na dia tsy nitovy hevitra aza izahay dia najainy aho ary nijanona ho mpinamana be izahay.

Liz: Ireo fanehoan-kevitra rehetra ireo dia misy valiny ao amin’ ny fitsipika fototry ny filazantsara. Rehefa mino ianao fa misy Andriamanitra, rehefa mino ianao fa misy drafitra lehibe, rehefa mino ianao fa misy ny fahatsapana ho tompon’ andraikitra, rehefa mino ianao fa misy olona tia anao any ary mieritreritra ny momba anao, ary rehefa mino ianao fa manana lanjany anaty satria zanak’ Andriamanitra—dia tena handray ny tenanao ho manan-danja ianao ary hanaja ny vatanao. Rehefa tsy mahafantatra na mino ireo fitsipika ireo ny olona dia mandeha any amin’ olon-kafa sy any amin’ ny toerana hafa izy ireo mba hamantarany ny maha izy azy.

Inona avy ireo hery nitarika na ohatra izay nanampy anao hanolo-tena hiaina ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena?

Hip: Nanana namana iray nifampizara efitrano iray tamiko aho ary efa nifamofo tamin’ olona izy. Indray andro dia niresaka momba ilay fanambadiany atsy ho atsy izahay ary nisy olona iray nanontany hoe: “Inona avy ireo fanoloran-tena izay eritreretinareo roa fa hanampy anareo ho matanjaka?” Ny valinteniny dia hoe: “Mety hanimba ny fiarahanay ny tsy fanajana ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena.” Noho izany dia nanapa-kevitra izahay fa tsy hanao zavatra izay mety tsy hahazoanay aina ny fanaovana azy eo anoloan’ ny eveka na ny ray aman-dreninay.” Mbola misy fiantraikany amiko izany hatramin’ izao.

Jonathan: Noho izaho efa tanora mpitovo ankehitriny dia mora kokoa ny mihaino ireo mpaminany sy misaintsaina mikasika ireo zavatra izay lazain’ ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana. Alohan’ izany anefa dia mihevitra aho fa misy andraikitra maro izay tokony hiantsorohan’ ny ray aman-drenintsika sy fianakaviantsika. Ny Fiangonana dia afaka manome fampahalalana sy zavatra lehibe hafa, saingy ireo ohatra avy amin’ ny fianakaviako dia tena nanampy ahy hahatsapa fa ny filazantsara dia zavatra tsara ary mitondra hafaliana ho antsika.

Liz: Rehefa nihalehibe aho, ny mpikamban’ ny Fiangonana nitovy taona tamiko izay mba akaiky indrindra dia nipetraka adiny iray sasany avy teo amin’ ny nisy ahy. Saingy ny zavatra tena ankasitrahako dia ny hoe, na dia tsy nisy afa-tsy izaho irery aza, dia tonga tamin’ ny fiaraha-mientana ifampizarana ireo mpitarika ahy. Tonga nanatrika ny seminera foana izy ireo ary tonga nampianatra ahy foana—isaky ny tonga ny fotoana. Tsy mbola niteny velively izy ireo hoe: “Eny ary! Tsy manana afa-tsy mpianatra iray isika ka dia tsy hianatra isika androany.” Mazava ho azy fa nianatra zavatra maro aho, saingy ny zavatra tena tsaroako dia ny tsy fanapahan’ ireo mpitarika ahy ireo ny fanaovana izany. Ary noho izy ireo dia nanana fahafahana nahatsapa ny Fanahy aho.

Mihevitra aho fa tsy ho vitantsika velively ny haneho fankasitrahana tanteraka ny fanomezana ny Fanahy Masina. Na dia nanana ny ray aman-dreniko sy ny fianakaviako ary ireo mpitarika ahy aza aho, dia irery aho tany an-tsekoly. Saingy niaraka tamiko ny Fanahy. Noho izany na inona na inona mihazona ny Fanahy eo amin’ ny fiainan’ ny olona iray dia ho hery mitarika lehibe mba hanampiana ilay olona hanaja ny lalàn’ ny fahadiovam-pitondrantena izany.

Lizzie: Ny iray amin’ ireo hery mitarika lehibe indrindra nananako dia ny fahazoako fijoroana ho vavolombelona manokana. Raha tsy mifototra mafy tsara ao amin’ ny filazantsara ianao dia tena mora ny mandray lalana hafa. Saingy rehefa manomboka manao izay ananana fototra mafy orina iorenan’ ny filazantsara ianao dia hanaraka ny zavatra hafa rehetra.

Hip: Rehefa te-hatanjaka ara-batana ianao dia manao fanazaran-tena ary rehefa manao fanazaran-tena ianao dia mahazo vokany. Raha ampiharintsika eo amin’ ny lafiny ara-panahy izany dia mila manao fanazaran-tena ara-panahy isika. Maro ireo zavatra izay tsy maintsy ataontsika ao anatin’ ny fanazaran-tena ara-panahy, toy ny famakiana ny soratra masina sy ny fanaovana izay rehetra vitantsika mba hananana ny Fanahy. Mila mametraka tanjona tsara koa isika ary manao asa hanatratrarana ireo tanjona ireo. Saingy tsy afaka miasa irery isika mba hanatratrarana ireo tanjona ireo. Manana ny Tompo izay miaraka amintsika isika. Mahazo hery sy Fanahy avy Aminy isika mba handresena ireo olana. Dia afaka manaraka ny fiangaviana nataon’ ny Filoha Thomas S. Monson isika:

“Aza avela hanimba ny nofinofinao ireo zavatra mitondra firehetampo. Tohero ny fakam-panahy.

“Tsarovy ireo teny avy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna hoe: ‘Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.’”4

Fanamarihana

  1. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Ensign, Nôv. 2010, 129.

  2. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Of Souls, Symbols, and Sacraments,” ao amin’ ny Brigham Young University 1987–88 Devotional and Fireside Speeches (1988), 77–79.

  3. “Ao anatin’ ilay fotoana hanotana dia hadino ilay fitiavana madio ary miditra an-tsokosoko ny faniriana mafy hanao firaisana ara-nofo. Ilay fitiavana dia nosoloina fanirian’ ny nofo sy firehetampo tsy voafehy. Lasa nekena ilay fotopampianarana izay tadiavin’ ny devoly mafy ho apetraka, dia ny hoe voamarina ny firaisana ara-nofo alohan’ ny fanambadiana” (Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982], 279).

  4. Filoha Thomas S. Monson, “Be Thou an Example,” Liahona, Mey 2005, 113.

Sary nalain’ i Craig Dimond