2012
Valim-panontaniana ao amin’ ny Sekoly Alahady
Ôktôbra 2012


Manompo ao amin’ ny Fiangonana

Valim-panontaniana ao amin’ ny Sekoly Alahady

Izaho dia manana fironana ny mba hahita valiny lehibe mikasika ireo olako—amin’ ny fangatahana ny Tompo mba hanampy ahy hahita ilay zavatra iray izay handamina ny zava-drehetra. Nianatra aho fa mety vao mainka hanasaro-javatra izany fomba izany.

Raha nampianatra ny tao amin’ ny kilasin’ ny Fotopampianaran’ ny Filazantsara tao amin’ ny paroasiko aho dia vonona ny hametraka fanontaniana lalina izay hitaky fandinihana sy valiny lehibe sy vaovao ary mampitombo fahalalana. Amin’ ny teny hafa dia te hisoroka ilay “valim-panontaniana ao amin’ ny Sekoly Alahady” miverimberina foana sy vita tsianjery aho izay toa ambaran’ ireo mpikambana ao amin’ ny paroasy isan-kerinandro.

Rehefa nandinika ny Testamenta Vaovao aho tao anatin’ ny fanomanana, dia variana tamin’ ny fampiasana ilay teny hoe mitoetra, izay toa niverimberina. Ohatra, ny Jaona 15:10 dia milaza hoe: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy itoerako amin’ ny fitiavany” (nampiana fanamafisana).

Tao anatin’ ilay Vavaka Nataony ho an’ ny Mpianany dia nivavaka ho an’ ny mpianany ny Mpamonjy hoe “mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy” ary “Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy” (Jaona 17:21, 23).

Ny ankamaroan’ ny zavatra notadiaviko dia ny hoe ahoana no ahafahako ho iray ao amin’ ny Tompo ary ahoana no ahafahako hitoetra ao amin’ ny fitiavany sy ahoana vokatr’ izany no ahafahako manana faharetana fanampiny—faharetana izay tena nilaiko mafy mba hanovana ireo zavatra niainako izay nandreraka ahy amin’ ireo zavatra izay namelombelona aina ahy sy nanamasina ahy.

Nahagaga fa rehefa sady nikaroka ny dikan’ ny teny hoe mitoetra aho no nikaroka ny valin’ ireo olana sarotra izay natrehako isan’ andro dia voatarika ihany tamin’ ny farany niverina tany amin’ ireo valim-panontaniana mari-pototra ao amin’ ny Sekoly Alahady izay efa nezahako nialana. Nahita ny valin’ ireo olako aho tamin’ ny alalan’ ny famakiana ny soratra masina, fanaovana vavaka isan’ andro, fanompoana ny fianakaviana sy ny hafa, ary fandehanana any amin’ ny tempoly sy fanatrehana ireo fivoriana Alahady. Nianatra aho fa ireo zavatra tsotra ireo dia maneho ny fahasamihafana misy eo amin’ ny hoe maharitra sy ny hoe maharitra tsara sy amim-paharetana.

Ireo valim-panontaniana ao amin’ ny Sekoly Alahady no valiny tena tsara.