2012
Newel K. Whitney (1795–1850)
Ôktôbra 2012


Fahatsiarovana ireo Olona Nanana ny Naha-izy Azy

Newel K. Whitney (1795–1850)

I Newel Kimball Whitney dia teraka tany Vermont, Etazonia, tamin’ ny 5 Febroary 1795. Izy dia lehilahy mpandraharaha nanan-talenta ary nanomboka ninamana tamin’ i Sidney Gilbert sy niara-niasa taminy teo amin’ ny lafiny fandraharahana. Nanao dia matetika izy ireo tamin’ ny fiantombohan’ ny asa fandraharahana nataony. Nandritra ny iray tamin’ ireo dia fandraharahana ireo no nifankahitan’ i Newel tamin’ i Elizabeth Ann Smith tany Kirtland, Ohio. Nifanerasera nandritra ny telo taona izy ireo ary nivady tamin’ ny 1823.

Samy nitady ny fahamarinana i Newel sy i Ann ary nisy fotoana nandray anjara tao amin’ ny antokom-pivavahana Campbellite izay nitory fa izy ireo no namerina tamin’ ny laoniny ny fomba Kristiana fahiny. Indray alina i Newel sy i Ann dia nivavaka “mba hahafantarana avy amin’ ny Tompo ny fomba ahafahan’ [izy ireo] mahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina.” Toy izao no namaritan’ i Ann ny fahitana izay azon’ izy ireo ho valin’ ny vavaka nataony: “Nitoetra teo aminay ny Fanahy ary nisy rahona nanarona ny trano. … Dia naheno feo avy tao amin’ ilay rahona izahay nanao hoe: ‘Miomana handray ny tenin’ ny Tompo fa ho avy izany.’”1

Fotoana fohy taorian’ izany valim-bavaka izany, tamin’ ny Ôktôbra 1830, dia tonga tao Kirtland ireo misiônera Olomasin’ ny Andro Farany. Natao batisa i Newel sy i Ann ny volana Nôvambra. Volana vitsivitsy monja taty aoriana no tonga nandondona ny varavaran-dry Whitney i Joseph sy Emma Smith. Rehefa niarahaba an’ i Newel tamin’ ny anarany i Joseph dia tsy afaka nilaza i Newel hoe efa nahafantatra ny anaran’ ny Mpaminany, noho izany dia namaly i Joseph hoe: “Izaho no Joseph ilay Mpaminany. Nivavaka momba ahy ianareo taty ka dia inona no ilainareo ahy ankehitriny?”2 Dia nampiantranoan-dry Whitney mivady nandritra ny herinandro maro ry Smith mivady ary nanolotra trano ho azy ireo ny volana Septambra 1832.

Ankoatry ny fanomezana toerana hipetrahana ho an-dry Smith mivady, dia navelan’ i Newel ho ampiasain’ ny Fiangonana tanteraka koa ny rihana tany ambony tao amin’ ny trano fivarotany. Tao amin’ ny trano fivarotan-dry Whitney no notanterahan’ ireo mpitarika tao amin’ ny Fiangonana ireo fivoriana sy ny Sekolin’ ny Mpaminany.

Tamin’ ny desambra 1831 dia voantso ho eveka faharoa tao amin’ ny Fiangonana i Newel ary taty aoriana dia lasa mpitantana ny fandehan’ ny volan’ ny Fiangonana ary nanampy ny Fiangonana hitantana ny tahirim-bolany sy hiala amin’ ny trosa. Ny fararanon’ ny taona 1838 dia nifindra tany Far West, Missouri, ry Whitney ka voantso ho eveka indray izy ary 10 taona taty aoriana dia namakivaky ireo lohasaha nankany Salt Lake City izy sy ny fianakaviany ary lasa Eveka Mpiahy tao amin’ ny Fiangonana izy tany.

Maty tamin’ ny 24 Septambra 1850 tany Salt Lake City i Newel noho ny aretin’ ny taova-pisefoana.

Fanamarihana

  1. Elizabeth Ann Whitney, voalaza tao amin’ ny Edward Tullidge, The Women of Mormondom (1877), 41–42.

  2. Joseph Smith, voalaza tao amin’ ny Elizabeth Ann Whitney, “A Leaf from an Autobiography,” Woman’ s Expon–ent, Aog. 15, 1878, 51.

Etsy ambany, eo amin’ ny zorony ankavia: sarin’ i Newel vita sokitra. Etsy ambany, eo amin’ ny zorony ankavanana: Ilay ambony rihana tao amin’ ny trano fivarotan’ i Newel K. Whitney tany Kirtland, Ohio, izay nanatanterahana ny Sekolin’ ny Mpaminany sy ireo fivoriam-piangonana. Farany ambany: Ny Trano fivarotan-dry Whitney.