2012
Lazalazao Anay ny momba ny Fiangonanao
Ôktôbra 2012


Lazalazao Anay ny momba ny Fiangonanao

Shauna Moore, Virginie, Etazonia

Raha nanao dia hamangy ny anadahiko aho, dia nipetraka tany amin’ ny sezan’ ny fiaramanidina tany aoriana izay nipetrahan’ ireo mpiasa mikarakara ny mpandeha ao anaty fiaramanidina. Mifanatrika ireo laharan-tseza roa tao amin’ izany faritra izany.

Nampahafantatra ny tenako tamin’ ireo olona nipetraka nanodidina ahy aho, dia nilaza fa handeha hianatra ao amin’ ny Oniversiten’ i Brigham Young. Nilaza ilay lehilahy nipetraka teo am-pitako fa ny zanany vavy dia nanana namana akaiky azy izay vao nandeha nanao asa fitoriana amin’ ny fotoana maharitra. Nahafantatra kely momba ny Fiangonana ny zanany vavy saingy izy dia tsy nahalala na inona na inona. Tonga dia nanambara ilay mpiasa mikarakara ny mpandeha ao anaty fiaramanidina fa tsy te ho mpikamban’ izany “fiangonana” izany izy satria tsy manome toerana ho an’ ny vehivavy izany. Nilaza ilay lehilahy fa naheno zavatra mitovy amin’ izany koa izy—hoe ny vehivavy Olomasin’ ny Andro Farany dia raisina ho ambany kokoa noho ny lehilahy ary tsy afaka mihazona ny fisoronana na miahy fivoriana ary anjakan’ ny lehilahy ny Fiangonana.

Dia nitodika tany amiko izy ary nanontany hoe: “Inona no hevi trao mikasika izany?” Nitodika tany amiko daholo ireo olona fito ary niandry.

Nanomboka nidobodoboka ny foko. Fony aho ankizy dia nianatra tsianjery ny Fanekem-pinoana mba ho an’ ny fihaonana aman’ olona toy izany ary rehefa lasa zatovo sy tanora mpitovo aho dia nanao fanazaran-tena nijoro ho vavolombelona momba ny fahitan’ i Joseph Smith sy ny Bokin’ i Môrmôna. Saingy tsy nanana hevitra na dia kely aza mba hamaliana ny fanontanian’ ilay lehilahy. Nivavaka tamim-pahanginana tamin’ ny Ray any an-danitra aho mba hitarika ahy.

Dia nolazaiko ny teny voalohany tonga tao an-tsaiko: “Tsy fantatrareo fotsiny ny momba ny Fikambanana Ifanampiana.” Ny fijerin’ izy ireo dia naneho fa tsy nahafantatra momba izany izy ireo.

“Ny fisoronana dia miasa amin’ ny alalan’ ny fifandraisany amin’ ny vehivavy, izay mpikambana ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana daholo,” hoy aho nanazava. “Manana vehivavy iray filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana izahay izay mitarika ireo fiaraha-mientana ataon’ ny vehivavy ao amin’ ny Fiangonana manerana an’ izao tontolo izao. Ny andraikitry ny vehivavy dia ny maneho fitiavana sy fiantrana eo amin’ ny fiainan’ ireo mpikambana ary indrindra eo amin’ ny fiainan’ ireo fianakaviany.”

Nihaino ahy tsara ireo olona nanodidina ahy.

“Miaina ao anatin’ ny fotoana hafahafa iray isika izay ahitana vehivavy sasantsasany te hanao fihetsika sy te hieritreritra toy ny lehilahy. Saingy mino izahay fa mizara andraikitra Andriamanitra. Izahay dia manantena ny vehivavy ho mpitarika eo anivon’ ireo vehivavy ary vehivavy mifampizara andraikitra amin’ ny hafa ao amin’ ny tokantranony. Miankina be dia be aminay ny lehilahy mba hahazo hevitra mikasika ireo lafin-javatra ireo. Fifandanjana ara-drariny izany. Miteraka fahombiazana eo amin’ ireo rafitry ny Fiangonanay izany ary eo amin’ ny tokantranonay. Ary izahay dia mino marina fa tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy, ary tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy ao amin’ ny Tompo (jereo ny 1 Korintiana 11:11). Izahay dia mino fa tsy feno izahay raha tsy eo ny andaniny sy ny ankilany. Izahay dia tsy mino fa nohariana mba hifaninana isika fa mba hifameno.”

Nahatsiaro ho voatahy aho rehefa nahavita niteny an’ izany. Fantatro fa ireo teny izay nolazaiko dia avy amin’ ny Fanahy. Toa samy afa-po tamin’ ny fanazavako daholo ny olona tsirairay. Dia nilaza ilay lehilahy hoe: “Lazalazao aminay bebe kokoa ny momba ny fiangonanao.”

Dia nanana fahafahana nahafinaritra niresahana momba ny Famerenana tamin’ ny laoniny, sy namaliana fanontaniana ary nijoroana ho vavolombelona momba ilay filazantsara izay tiako aho tao anatin’ ny adiny roa manaraka.