2012
Moa Ve Aho Tsy Mba Azo Atao Batisa Koa?
Ôktôbra 2012


Moa Ve Aho Tsy Mba Azo Atao Batisa Koa?

“Ary ny zanany dia hatao batisa ho famelana ny fahotany rehefa feno valo taona ary handray ny fametrahan-tanana” (F&F 68:27).

“Ry Nuno sy Miriam, moa ve ianareo vonona ny hanaraka ny ohatra nasehon’ i Jesoa Kristy ary hatao batisa amin’ ny Asabotsy ho avy izao? Hoy ny fanontanian-drahavavy Silva.

Tsy nino ny zavatra henony i Paulo. Vao avy nanasa ilay rahalahiny sy anabaviny 10 taona mba hatao batisa ireo rahavavy misiônera!

“Eny!” “Eny!” hoy ireto kambana namaly tamim-pifaliana.

Tsy nitsahatra nitsiky i Miriam. Nokapohan’ i Nuno ny felatanan-drahavavy Lopes anankiray ho mariky ny fiarahabana. Nitsikitsiky avy eo amin’ ilay seza lehibeny menamena i Bebe.

Nampianatra an’ i Paulo sy ny iray tampo aminy tao amin’ ny tranon-drenibeny ireo misiônera rahavavy nandritra ny herinandro vitsivitsy. Izany dia any amin’ny nosy Sao Miguel izay maitso mavana sy misy tsio-drivotra-1600 km miala eo amin’ny tanin’i Portugal. I Paulo dia tia manokatra ny tapany ambonin’ ny varavarana fidirana ao amin’ ny renibeny ary maka ilay tsio-drivotry ny ranomasina sady mitazana ny Rahavavy Lopes sy Rahavavy Silva miakatra ny lalana mba hampianatra azy ny filazantsara.

Nilaza ireo rahavavy misiônera ireo hoe ho lesona miavaka ny androany. Fantatr’ i Paulo tamin’ izay ny antony. I Nuno sy i Miriam dia hatao batisa toy ny nampianaran’ i Jesoa mihitsy! Te-hanaraka ny ohatra nasehon’ ny Mpamonjy koa i Paulo.

“Ry Rahavavy, moa ve aho azo atao batisa koa amin’ ny Sabotsy ho avy izao?” hoy izy nanontany tamim-paniriana mafy, ary nihazona ilay Bokin’ i Môrmôna aseho an-tsary izay teo akaikiny.

Nitsiky Rahavavy Silva saingy naneho fandavana tamin’ ny lohany. “Miala tsiny ry Paulo. Nilaza tamintsika ny Tompo fa mila atao batisa daholo isika rehetra saingy aorian’ ny fahafenoantsika valo taona ihany. Satria vao enin-taona monja ianao dia tsy mbola tompon’ andraikitra amin’ ny safidinao.”

“Kanefa anie ry rahavavy,” hoy i Paulo nanohitra, “Efa niaraka nivavaka sy namaky ny Bokin’ i Môrmôna tamin’ ny fianakaviako aho toy ny nampanarinareo ahy.” Mandeha any amin’ ny Kilonga isan-kerinandro miaraka amin’ i Bebe sy Dadatoa Mário aho. Fantatro fa marina ny Fiangonana! Moa ve aho tsy mba azo atao batisa miaraka amin’ i Nuno sy i Miriam?”

“Nanao ezaka tsara ianao mba hiainana ireo didy sy hianarana momba ny filazantsara,” hoy Rahavavy Lopes. “Saingy mbola mila miandry roa taona ianao vao azo atao batisa.”

Nanomboka namaivay ny tendan’ i Paulo ary nirotsaka ny ranomasony. Nitsambikina izy ary lasa nihazakazaka tany aminy tany amin’ ny rihan-trano ambany tafo izay fatorian’ izy sy ny iray tampo aminy.

Rehefa avy nitomany teo amin’ ny ondany nandritra ny minitra vitsy izy ireo dia naheno olona niakatra ny tohatra mankany amin’ ny rihan-trano ambany tafo i Paulo. Nipetraka teo amin’ ny fandrianan’ i Paulo i Dadatoa.

“Inona no olana ry Paulo?” hoy i Dadatoa Mário nanontany.

“Nilaza Rahavavy Silva sy Rahavavy Lopes fa tsy azo atao batisa aho, kanefa i Nuno sy i Miriam azo atao,” hoy i Paulo. “Te ho mpikamban’ ny Fiangonana aho! Tiako ny mihira ny hira ao amin’ ny fihirana mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo ary mianatra momba ny soratra masina any amin’ ny Kilonga. Tsy te ho avela irery aho.”

“Ry Paulo, afaka ny ho anisan’ ny ao amin’ ny Fiangonana ianao na dia mbola tsy tonga amin’ ny taona tokony hanaovana batisa anao aza,” hoy i Dadatoa Mário taminy tamim-pitiavana.

“Amin’ ny fomba ahoana e?” hoy i Paulo nitomany teo amin’ ny ondany.

“Eny ary! Fantatrao fa manomana fandaharana mandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo ny Kilonga,” hoy i Dadatoa Mário. “Nilaza tamiko ny mpampianatra anao ao amin’ ny Kilonga fa mitady mpilatsaka an-tsitrapo hijoro ho vavolombelona izy mandritra ilay fandaharana.” Anisan’ ny fomba iray ahafahanao mandray anjara ao amin’ ny fiangonana izany,” hoy ny fanazavan’ i Dadatoa Mário.

“Marina ve?” Nipetraka i Paulo ary nanatrika ny dadatoany. Nieritreritra nandritra ny minitra vitsy izy. “Angamba afaka mijoro ho vavolombelona koa aho mandritra ny batisan’ i Nuno sy i Miriam!”

“Hevitra tena tsara izany!” hoy i Dadatoa Mário. “Na dia mbola kely aza ianao ka tsy azo atao batisa dia afaka manana fijoroana ho vavolombelona.”

Nitsambikina avy eo amin’ ny fandrianany i Paulo dia nihazakazaka nidina ny tohatra.

“Ho aiza ianao ry Paulo?” hoy i Dadatoa Mário niantsoantso.

“Handeha hanao fanazaran-tena hijoro ho vavolombelona amin’ ireo misiônera aho!” hoy ny navalin’ i Paulo tamim-pifaliana. “Handeha hizara izany aho mandritra ny fiandrasako ny hanaovana batisa ahy!”

Sary nataon’ i Jared Beckstrand