2012
Afaka Mahazo Anjara amin’ ireo Fitahiana avy amin’ ny Fisoronana ny Rehetra
Ôktôbra 2012


Mitondra ny Kilonga Mody

Afaka Mahazo Anjara amin’ ireo Fitahiana avy amin’ ny Fisoronana ny Rehetra

Azonao ampiasaina ity lesona sy asa atao ity hianarana bebe kokoa mikasika ny tarigetran’ ny Kilonga amin’ ity volana ity.

Rehefa nandika ny Bokin’ i Môrmôna i Joseph Smith dia nanana fanontaniana izy sy i Oliver Cowdery mpitantsorany. Nandeha nivavaka mikasika izany tany an’ ala izy ireo. Rehefa nivavaka izy ireo, “dia nidina teo amin’ ny rahon’ ny hazavana ny iraka iray avy any an-danitra.” I Jaona Mpanao Batisa io iraka io. Napetrany teo amin’ ny lohan’ i Joseph sy i Oliver ny tanany ary nomeny ny Fisoronana Aharôna izy ireo. Dia nodidian’ i Jaona Mpanao Batisa i Joseph sy i Oliver mba hifampanao batisa. Fotoana fohy taorian’ izay dia tonga teto an-tany ny Apôstôly Petera, Jakôba ary Jaona ary nanome ny Fisoronana Melkizedeka an’ i Joseph sy i Oliver. Teto an-tany indray ny fisoronan’ Andriamanitra. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72.)

Afaka mahazo tsodrano sy ôrdônansy lehibe isika amin’ ny alalan’ ny fisoronana. Tafiditra ao anatin’ ireo tsodrano ireo ny tsodrano omena ny zazakely vao teraka, ny tsodrano omena ny marary ary ny tsodrano omena ny zanaka amin’ ny alalan’ ny rainy na ireo mpihazona ny fisoronana mendrika hafa. Tsy maintsy mandray ôrdônansin’ ny fisoronana vitsivitsy isika mba hiverenana any amin’ ny Ray any an-danitra. Ny sasany amin’ ireo ôrdônansy ireo dia ahitana ny batisa asitrika, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ireo ôrdônansy masin’ ny tempoly izay afaka mamehy ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. Any amin’ ny tempoly koa dia azo atao ny manatanteraka ôrdônansy ho an’ ireo olona izay efa nodimandry nefa tsy nahazo ireo fitahian’ ny filazantsara. Afaka mahazo anjara amin’ ireo fitahiana avy amin’ ny fisoronana ny rehetra!

Ankavia: Ny Famerenana tamin’ ny Laoniny ny Fisoronana Melkizedeka, nataon’ i Kenneth Riley © 1965 IRI; etsy amin’ ny zorony: sary nataon’ i Phyllis Luch © 1988 IRI; Omeo Tsodrano amin’ ny Anarany Izy Ireo, nataon’ i Walter Rane © IRI; ankavanana: sary nataon’ i Rebecca Miller