Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema

Rehefa mahatsapa ho tsy nahomby imbetsaka loatra ianao ka tsy te hanohy hiezaka intsony, dia tsarovy fa tena misy ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny fahasoavana aterak’izany.

Indray mandeha aho nandefa hafatra ho an’ny zanako vavy sy ny vinantolahiko tamin’ny fampiasana ny fitaovana famadihana feo ho lasa hafatra an-tsoratra ao amin’ny findaiko. Niteny aho hoe: “E! ianareo roa. Tena tiako ianareo.” Ny voarain’izy ireo dia hoe: “Halako ianareo roa. Tokony ho tiako ianareo.” Moa ve tsy mahagaga fa toa mora ery ny handraisana amin’ny heviny diso ny hafatra iray izay tsara sy natao noho ny fikasana tsara? Izany no mitranga indraindray amin’ny hafatr’ Andriamanitra momba ny fibebahana sy ny fahamendrehana.

Misy ireo izay diso hevitra mandray ilay hafatra fa hoe tsy ilaina ny fibebahana sy ny fiovana. Ny hafatr’ Andriamanitra dia hoe tena manan-danja izy ireny.1 Saingy moa ve tsy tia antsika Andriamanitra na dia eo aza ireo tsy fahatanterahantsika? Mazava ho azy! Tonga lafatra ny fitiavany antsika. Tiako ireo zafikeliko na dia eo aza ny tsy fahatanterahan’izy ireo, saingy tsy midika akory izany fa hoe tsy tiako izy ireo hivoatra sy ho lasa ireo olona izay tokony hahatongavany. Tian’ Andriamanitra isika araka ny toetoetrantsika amin’izao, kanefa tia antsika loatra ihany koa Izy ka tsy afaka hamela antsika amin’izao.2 Ny fivoarana ara-panahy ho an’ny Tompo no tanjon’ny fiainana an-tany.3 Hanamora ny fiovana no tena tanjon’ny Sorompanavotan’i Kristy. Tsy vitan’ny hoe afaka mampitsangana antsika amin’ny maty sy mampionona ary manasitrana antsika fotsiny i Kristy, fa afaka manova antsika Izy mba hitovy kokoa Aminy.4

Misy ireo izay diso hevitra mandray ilay hafatra fa hoe zavatra atao indray mandeha monja ny fibebahana. Izao no hafatr’ Andriamanitra, araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, hoe “Ny fibebahana … dia dingana arahina.”5 Mety mila fotoana sy ezaka miverimberina ny fibebahana,6 ka ny famoizana ny fahotana7 sy ny “tsy [fananana] fironana hanao ratsy intsony … fa ny hanao soa lalandava”8 dia fikasana mandritra ny androm-piainana.9

Ny fiainana dia sahala amina dia amin’ny fiarakodia mamakivaky firenena. Tsy afaka ho tonga any amin’ny toerana tiantsika haleha isika amin’ny famenoana lasantsy indray mandeha monja. Tsy maintsy mamerina mameno lasantsy hatrany hatrany isika. Sahala amin’ny fijanonana eny amin’ny tobim-dasantsy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mibebaka sy manavao ny fanekempihavanana nataontsika isika dia mianiana fa vonona hitandrina ny didy, ary manome antsika ny Fanahy Masina Andriamanitra sy i Kristy.10 Raha fintinina, dia mampanantena isika fa handroso hatrany eo amin’ny diantsika, ary Andriamanitra sy i Kristy dia mampanantena fa hameno ny fitoeran-dasantsy.

Ao ireo diso fihevitra mandray ilay hafatra fa izy ireo dia tsy mendrika ny handray anjara tanteraka amin’ny filazantsara noho izy ireo mbola tsy afaka tanteraka amin’ny fahazaran-dratsy. Ny hafatr’ Andriamanitra dia hoe ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy misy kilema.11 Ny fahamendrehana dia ny marin-toetra sy ny miezaka. Mila marin-toetra amin’ Andriamanitra isika, amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary amin’ireo olona hafa izay tia antsika,12 ary mila miezaka mitandrina ny didin’ Andriamanitra ka tsy hilavo lefona mihitsy raha toa ka solafaka.13 Nilaza ny Loholona Bruce C. Hafen fa ny fananana toetra tahaka ny an’i Kristy “dia mitaky faharetana sy filofosana kokoa noho ny fitakiany tsy fisiana kilema.”14 Nilaza ny Tompo fa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia “omena […] ho tombontsoan’ireo izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko rehetra, ary izay mikatsaka ny hanao izany.”15

Nisy tanora lahy iray izay hantsoiko hoe Damon, nanoratra hoe: “Rehefa nihalehibe aho dia nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia. Nahatsapa ho menatra tokoa aho ka tsy afaka nahavita zavatra tsara.” Isaky ny solafaka i Damon dia nihamafy tokoa ilay fangirifirian’ny nenina ka nitsara mafy ny tenany ho tsy mendriky ny handray izay mety ho karazana fahasoavana na famelan-keloka na fahafahana fanampiny avy amin’ Andriamanitra. Hoy izy: “Nanapa-kevitra aho fa ny mendrika ho ahy dia ny hahatsiaro ny tenako ho mahatsiravina foana. Nihevitra aho fa angamba mankahala ahy Andriamanitra noho izaho tsy vonona ny hiezaka mafimafy kokoa ka handresy tanteraka azy ity indray mandeha tsy miverina. Misy fotoana aho mahavita herinandro ary indraindray iray volana, kanefa aorian’izay dia miverina lavo indray ary mihevitra hoe, -tsy ho resiko mihitsy ity, ka inona no antony tokony hiezahako?-”

Tamin’ny fotoana iray naha trotraka an’i Damon tahaka izany no nilazan’i Damon tamin’ny mpitarika azy tao amin’ny fisoronana hoe, “Angamba tokony tsy handeha aty am-piangonana intsony aho. Leo mihatsaravelatsihy aho.”

Namaly ny mpitarika azy hoe: “Tsy mpihatsaravelatsihy ianao noho ianao hoe manana fahazaran-dratsy izay ezahinao hialana. Mpihatsaravelatsihy ianao raha toa ka manafina izany, na mandainga momba izany, na miezaka ny mandresy lahatra ny tenanao fa manana olana ny Fiangonana noho izy mihazona fenitra ambony toy izany. Tsy fihatsaram-belatsihy ny mitsotra ny marina momba ny zavatra nataonao sy ny mandray dingana handrosoana hatrany. Fa izany no atao hoe mpanara-dia.”16 Io mpitarika io dia nindrana ny tenin’ny Loholona Richard G. Scott, izay nampianatra hoe, “Tsy mitovy ny fijerin’ny Tompo ny fahalemena sy ny fikomiana. … Feno famindram-po mandrakariva kosa Izy rehefa miresaka mikasika ny fahalemena.”17

Nanome fanantenana an’i Damon izany fomba fijery izany. Tsapany fa tsy milaza akory Andriamanitra ao ambony ao hoe: “Io fa namerina indray i Damon.” Fa mety ho izao kosa no lazainy, “Jereo anie hatraiza no efa nivoaran’i Damon e!” Tamin’ny farany dia tsy nitanondrika tamim-pahamenarana intsony ity tovolahy ity na nijery ny manodidina nitady fialan-tsiny sy fanamarinantena. Nitraka izy niandrandra fanampiana avy any an-danitra, ary dia nahita.18

Hoy i Damon, “Ny hany fotoana nitodihako tamin’ Andriamanitra teo aloha dia rehefa hangataka famelan-keloka, ankehitriny kosa aho dia mangataka ihany koa fahasoavana—ilay -her[iny] mampahatanjaka.- [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, Fahasoavana”] Tsy mbola nanao izany aho hatramin’izay. Amin’izao fotoana izao aho dia mandany fotoana kely kokoa amin’ny fankahalana ny tenako noho ny zavatra vitako ary mandany fotoana betsaka lavitra kokoa amin’ny fitiavana an’i Jesoa noho ny zavatra nataony.”

Raha dinihina ny faharetan’ny fotoana nitoloman’i Damon dia tsy nanampy sy tsy nifanaraka tamin’ny zava-nisy ny ilazan’ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika manampy azy haingana loatra hoe “aza mamerina intsony” na ny ametrahana fenitra hoe tsy nanao ilay fahadisoana nandritra ny fe-potoana voafaritra izay vao heverina hoe “mendrika.” Fa nanomboka kosa tamin’ny tanjona kely sy azo tratrarina izy ireo. Nesorin’izy ireo ny toe-tsaina manantena fahombiazana tanteraka na tsy fahombiazana mihitsy dia nifantoka tamin’ny fivoarana mitohy tsikelikely izy ireo, izay nahafahan’i Damon hanorina ny fiainany tamina fahombiazana nifanesisesy fa tsy tamin’ny tsy fahombiazana.19 Nianatra izy, tahaka ireo vahoakan’i Limia izay nandevozina, fa azony atao ny “[m]iroborobo [m]iandalana.”20

Nanoro hevitra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Mba hiatrehana zavatra tena goavana, dia mila isika manao zavatra tsikelikely, isan’andro. … Matetika ny fampidirana fahazarana vaovao sy tsara ao amin’ny toetrantsika na ny fandresena fahazaran-dratsy na zava-mampiankin-doha dia midika ezaka atao anio arahana ezaka hafa rahampitso ary hafa indray avy eo, mety ho mandritra ny andro maro, na volana sy taona maro mihitsy. … Saingy vitantsika izany satria afaka miantso an’ Andriamanitra isika … mba hahazoana ny fanampiana ilaintsika isan’andro.”21

Ry rahalahy sy ranabavy, tsy mora ho an’ny rehetra ny valanaretina COVID-19, saingy ny fitokana-monina naterak’ireo fepetra fihibohana dia nahatonga ny fiainana ho tena sarotra tokoa, indrindra ho an’ireo izay miady amin’ny fahazaran-dratsy. Tsarovy fa azo atao tsara ny miova, ny fibebahana dia dingana arahina, ary ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema. Fa ny zava-dehibe indrindra dia izao, tsarovy fa Andriamanitra sy i Kristy dia vonona hanampy antsika izao dieny izao.22

Ao ireo diso fihevitra mandray ilay hafatra hoe Andriamanitra dia tsy hanampy raha tsy aorian’ ny fibebahantsika. Ny hafatr’ Andriamanitra dia hoe hanampy antsika Izy rehefa mibebaka isika. Afaka misitraka ny fahasoavany isika “na aiza na aiza misy antsika ao amin’ilay lalan’ny fankatoavana.”23 Hoy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf: “Andriamanitra dia tsy mitady olona tsy manana fahalemena. Fa mitady ireo izay vonona hanolotra ‘fo sy saina marisika’ [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34], ary izy ireo dia hataony ‘tanteraka ao amin’i Kristy’ [Môrônia 10:32–33].”24

Maro dia maro tokoa no efa voaratra noho ny fifandraisana izay mihenjana sy tapaka hany ka sarotra ho azy ireo ny hino ny fangorahan’ Andriamanitra sy ny fahari-pony. Sarotra amin’izy ireo ny mahita an’ Andriamanitra araka ny maha-Izy Azy—Ray be fitiavana izay manampy antsika amin’izay tena ilaintsika25 ary mahafantatra ny fomba “hanome[zana] zavatra tsara ho an’ireo izay mangataka Aminy.”26 Tsy loka fotsiny ho an’ireo izay mendrika ny fahasoavany. Fa “fanampiana masina” izay omeny ka manampy antsika ho lasa mendrika. Tsy valisoa fotsiny ho an’ny olo-marina izany. Fa “fanafiana tanjaka” omeny ka manampy antsika ho lasa olo-marina.27 Tsy hoe mandeha mankany amin’ Andriamanitra sy i Kristy fotsiny isika. Fa miara-mandeha amin’ Izy ireo.28

Manerana ny Fiangonana dia manao tsianjery ny teny filamatry ny Zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ireo zatovo. Manomboka any Nouvelle Zélande ka hatrany Espana, sy Etiopia ary Japana, dia milaza ireo zatovovavy hoe, “mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho.” Manomboka any Chili ka hatrany Goatemalà, sy Moroni, Utah, dia milaza ireo zatovolahy hoe: “Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana aho mba hanompo, sy hampihatra finoana, sy hibebaka, ary hivoatra isan’andro dia ho mendrika ny handray ireo fitahian’ny tempoly sy ny fifaliana maharitra avy amin’ny filazantsara.”

Mampanantena aho fa tena misy ireo fitahiana ireo sy io fifaliana io ary azo tratrarina ho an’ireo izay mitandrina ny didy rehetra ary “izay mikatsaka ny hanao izany.”29 Rehefa mahatsapa ho tsy nahomby imbetsaka loatra ianao ka tsy te hanohy hiezaka intsony, dia tsarovy fa tena misy ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny fahasoavana aterak’izany.30 “[M]itsotra [aminao] ny sandrin’ny famindram-po.”31 Tiana ianao—anio, afaka 20 taona, ary mandrakizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.