Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mampiorina lalina ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Mampiorina lalina ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy

Fanomezana ny soratra masina sy ny fahafantarantsika an’ Andriamanitra—fanomezana izay matetika tsinontsinoavintsika. Tokony hankamamy ireo fitahiana ireo isika.

Misaotra betsaka Loholona Nielson tamin’ireo hafatra mahafinaritra nozarainao. Tena nilainay izany.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, nampianatra antsika izao manaraka izao vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson: “Mitaky ezaka ny fahombiazana amin’ny zava-drehetra. Tsy maningana amin’izany ny fahalasana ho mpianatra marina an’i Jesoa Kristy. Mitaky ezaka ny fampitomboana ny finoanao sy ny fahatokianao Azy.” Isan’ireo torohevitra omeny antsika mba hampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ny mba hahatongavantsika ho mpianatra tena milofo, ny mba hanolorantsika tena tanteraka amin’ny fandalinana soratra masina mba hahatakatra kokoa ny asa nanirahana an’i Kristy sy ny fanompoana nataony. (Jereo ny “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 103.)

Mianatra isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ampahany nanan-danja tamin’ny fianakavian’i Lehia ny soratra masina—manan-danja tokoa ka nahatonga an’i Nefia sy ireo rahalahany niverina tany Jerosalema mba haka ireo takela-baharahina (Jereo ny 1 Nefia 3–4).

Manambara amintsika ny sitrapon’ Andriamanitra ny soratra masina, saika tahaka ny nanaovan’ny Liahona izany mihitsy tamin’i Nefia sy ny rainy. Rehefa tapaka ny tsipìkany dia nila nahafantatra ny toerana tokony halehany mba hahazoana hanina i Nefia. Nijery ilay Liahona i Lehia rainy dia nahita ireo zavatra voasoratra tao. Hitan’i Nefia fa ireo sahaza dia nihetsika arakaraka ny finoana sy ny faharisihana ary ny fitandremana naseho azy ireo. Ary nahita soratra mora vakina koa izy izay nanome azy ireo fahatakarana mikasika ny lalan’ny Tompo. Nanjary fantany fa manatanteraka zava-dehibe amin’ny alalan’ny zava-madinika ny Tompo. Nankatò ireo toromarika nomen’ilay Liahona izy. Niakatra teny an-tendrombohitra izy dia nahazo hanina ho an’ny fianakaviany, izay nijaly noho ny tsy fisian’ny sakafo. (Jereo ny 1 Nefia 16:23–31.)

Amiko dia toy ny mpianatra nanolo-tena tamin’ny fandalinana soratra masina i Nefia. Mamaky isika fa finaritra tamin’ny soratra masina i Nefia, nisaintsaina azy ireny tao am-pony, ary nanoratra izany mba ho fianarana sy ho tombontsoan’ny zanany (jereo ny 2 Nefia 4:15–16).

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Raha -mibosesika handroso [isika] ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany … [dia] hahazo ny fiainana mandrakizay [isika]- [2 Nefia 31:20].

“Mihoatra ny hoe manandrana ny mivoky. Ny atao hoe mivoky dia mankafy. Mankafy ny soratra masina isika amin’ny alalan’ny fandalinana azy ao anatin’ny toe-tsaina mikaroka amim-pifaliana sy mankatò amim-pahatokiana. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia tafalentika ao anatin’ny -vato fisaka nofo, dia ny fo- izany [2 Korintiana 3:3]. Lasa tafiditra tanteraka ao anatin’ny toetrantsika izany” (“Living by Scriptural Guidance,” Liahona, Jan. 2001, 21).

Inona avy ireo zavatra sasantsasany ho ataontsika raha toa ka finaritra amin’ny soratra masina ny fanahintsika?

Hitombo ny faniriantsika mba handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely ao amin’ny lafy roan’ny voaly. Ho zavatra mahazatra sy mandeha ho azy amintsika ny manasa ny fianakaviantsika sy ny namantsika hihaino ireo misiônera. Ho mendrika isika ary hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manankery mba handehanana any amin’ny tempoly matetika araka izay azo atao. Hiasa isika mba hitady sy hanomana ary handefa ny anaran’ireo razambentsika any amin’ny tempoly. Hahatoky isika amin’ny fitandremana ny andro Sabata, ny fankanesana any am-piangonana isaky ny alahady mba hanavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo rehefa mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo. Hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika, hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:44).

Midika inona aminao ny hoe finaritra amin’ny zavatry ny Tompo?

Ny hoe finaritra amin’ny soratra masina dia mihoatra lavitra ny hoe mangetaheta ny hahazo fahalalana. Nahatsapa fifaliana lehibe i Nefia nandritra ny fiainany. Kanefa dia niaina zava-tsarotra sy alahelo ihany koa izy (jereo ny 2 Nefia 4:12–13). “Kanefa,” hoy izy dia “fantatro izay efa nitokiako” (2 Nefia 4:19). Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana, ary hitoky amin’ireo fampanantenana izay nataony tamintsika ao amin’ny soratra masina, ary ihany koa amin’ireo fampanantenana sy fitahiana avy amin’ireo mpaminany maoderina.

Sary
Davida sy Goliata

Indray tolakandro dia nasaina ho any an-tokantranon’ny namana iray izahay mivady. Tsy mbola nahare ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba an’i Davida sy i Goliata mihitsy i David zanak’izy ireo lahy fito taona, ka te handre izany izy. Rehefa nanomboka nitantara ilay tantara aho dia nampihetsi-po azy ny fomba nandratran’i Davida sy namonoany, tamin’ny finoany sy tamin’ny anaran’ny Andriamanitry ny Isiraely, an’ilay Filistina tamin’ny antsamotady sy vato iray, kanefa tsy nanana sabatra teny an-tanany (jereo ny 1 Samoela 17).

Sady nijery ahy tamin’ny masony mainty baribary izy no nanontany ahy tamim-pahamatorana hoe: “Fa iza Andriamanitra?” Nohazavaiko taminy fa Raintsika any An-danitra Andriamanitra ary mianatra momba azy isika ao amin’ny soratra masina.

Dia nanontany ahy izy hoe: “Inona izany soratra masina izany?” Nolazaiko azy fa tenin’ Andriamanitra ny soratra masina ary hahita tantara mahafinaritra ao anatin’izany izy izay hanampy azy hahafantatra kokoa an’ Andriamanitra. Niangaviako ny reniny mba hampiasa ny Baiboly izay ananany ao an-tranony ka tsy hamela an’i David handeha hatory izy raha tsy efa novakiny taminy manontolo ilay tantara. Faly ery izy teo am-pihainoany izany. Fanomezana ny soratra masina sy ny fahafantarantsika an’ Andriamanitra—fanomezana izay matetika tsinontsinoavintsika. Tokony hankamamy ireo fitahiana ireo isika.

Nandritra ny fotoana nanaovako asa fitoriana fony aho tovolahy dia tsikaritro fa fiainan’olona maro no niova rehefa nampianatra tamin’ny alalan’ny soratra masina izahay. Nanjary fantatro ny hery tao anatin’izy ireny sy ny fomba ahafahan’izy ireny manova ny fiainantsika. Ny olona tsirairay nampianarinay ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia olona niavaka ary samy hafa ny zavatra nilainy. Ny soratra masina, eny, ireo faminaniana nosoratan’ireo mpaminany masina dia nitondra azy ireo ho amin’ny finoana ny Tompo sy ny fibebahana ary nampiova fo azy ireo.

Nameno azy ireo tamin’ny fifaliana ny soratra masina rehefa nahazo fitaomam-panahy, fitarihana, fampiononana, tanjaka ary valin’ny zavatra nilain’izy ireo izy ireo. Maro tamin’izy ireo no nanapa-kevitra ny hanova zavatra teo amin’ny fiainany ary nanomboka nitandrina ny didin’ Andriamanitra.

Namporisika antsika i Nefia mba hivoky amin’ny tenin’i Kristy, satria ny tenin’i Kristy no hilaza amintsika ny zavatra rehetra tokony hataontsika (jereo ny 2 Nefia 32:3).

Sary
Fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina

Manasa anareo aho mba hanana drafitra maharitra mba handalina ny soratra masina. NyAvia, hanaraka Ahy dia boky tena tsara izay ananantsika mba hampianarana sy hianarana ny filazantsara, hampiorenana lalina ny fiovam-pontsika ho an’i Jesoa Kristy, ary hanampiana antsika ho tonga tahaka Azy. Rehefa mandalina ny filazantsara isika dia tsy vitan’ny hoe mitady fampahalalana vaovao fotsiny, fa mikatsaka ny ho tonga “olom-baovao” ihany koa (2 Korintiana 5:17).

Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika amin’ny fahamarinana ary mijoro ho vavolombelona amintsika momba ilay fahamarinana (jereo ny Jaona 16:13). Manazava ny saintsika Izy, manavao ny fahatakarantsika ary mikasika ny fontsika amin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra, ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra. Manadio ny fontsika ny Fanahy Masina. Mampisy ao anatintsika ny faniriana mba hiaina araka ny fahamarinana Izy ary mibitsika amintsika ny fomba hanaovana izany. “Ny Fanahy Masina […] no hampianatra anareo ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

Raha niresaka ireo teny nambarany tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Mpamonjintsika dia nilaza hoe:

“Ireto teny ireto dia tsy avy amin’olona na avy amin’ny olona fa avy Amiko; …

“Satria ny feoko no miteny ireto aminareo; satria omena anareo amin’ny alalan’ny Fanahiko ireto … ;

“Koa afaka mijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko sy mahafantatra ny teniko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36).

Tokony hikatsaka ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika isika. Io tanjona io no tokony hitantana ny fanapahan-kevitsika sy hitarika ny eritreritsika sy ny asantsika. Tsy maintsy mikatsaka ny zavatra rehetra manasa ny fitaoman’ny Fanahy isika ary mandà izay zavatra manakana antsika tsy hahatsapa izany fitaomana izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Zanaka malalan’ny Raintsika any An-danitra. Tiako ny Mpamonjy ahy. Feno fankasitrahana aho noho ny soratra masiny sy ireo mpaminaniny velona. Ny Filoha Nelson no mpaminaniny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.