Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny ilàna Fiangonana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ny ilàna Fiangonana

Ny soratra masina dia mampianatra mazava tsara ny niandohana sy ny ilàna Fiangonana iray izay tarihin’ny Tompontsika Jesoa Kristy sy amin’ny fahefany.

Taona maro lasa izay, ny Loholona Mark E. Petersen, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanomboka lahateny iray tamin’izao ohatra izao:

“Olona mahafinaritra sy marin-toetra ary mahitsy i Kenneth sy Lucille vadiny. Na izany aza anefa, izy ireo dia tsy mandeha any am-piangonana, ary izy ireo dia mahatsapa fa mandeha tsara ny fiainany na tsy miangona aza. Mampianatra ny zanany fahamarinan-toetra sy hatsaran-toetra izy ireo ary dia milaza amin’ny tenan’izy ireo fa izany ihany no zavatra azony any am-piangonana.

“Ary ankoatr’izany, manizingizina izy ireo fa ilainy ny faran’ny herinandrony mba hanaovana fialamboly iarahana amin’ny fianakaviana … [ary] dia tena hanembatsembana azy ireo ny fandehanana any am-piangonana.”1

Anio, ny hafatro dia mahakasika ny olona mahafinaritra sy mpivavaka toy izany izay tsy manatrika na mandray anjara any am-piangonan’izy ireo intsony.2 Rehefa miteny hoe “fiangonana” aho dia tafiditra anatin’izany ny synagoga sy ny moske ary ny rafitra ara-pivavahana hafa. Mampiahiahy antsika fa nihena izaitsizy tokoa ny fanatrehana any amin’ireo toerana ireo, manerana ny firenena.3 Raha mitsahatra manome lanja ny fiangonantsika isika na inona na inona antony dia tandindomin-doza ny fiainantsika ara-panahy, ary ny maro an’isa izay manasaraka ny tenany amin’ Andriamanitra dia mampihena ny fitahiany ho an’ny firenentsika.

Manampy antsika ho lasa olona tsara kokoa sy ho fitaomana tsara kokoa eo amin’ny fiainan’ny hafa ny fanatrehana sy ny fahazotoana ao amin’ny fiangonana iray. Ampianarina antsika ao am-piangonana ny fomba fampiharana fitsipika ara-pivavahana. Mianatra avy amin’ny olona tsirairay isika. Mahery vaika kokoa noho ny toriteny ny ohatra asehon’ny olona iray. Mankahery antsika ny fiarahana amin’olon-kafa izay mitovy fomba fisainana amintsika. Araka ny voalazan’ny Baiboly, rehefa manatrika sy mandray anjara any am-piangonana isika, ny fontsika dia “ampiraisana […] amin’ny fitiavana.”4

I.

Mampianatra mazava tsara ny ilàna fiangonana ireo soratra masina izay nomen’ Andriamanitra ny Kristianina ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny fanambarana maoderina. Samy mampiseho izy roa fa nanorina fiangonana i Jesoa Kristy ary niandrandra hoe hisy fiangonana hanohy ny asany aoriany. Niantso Apôstôly roa ambin’ny folo Izy ary nanome azy ireo fahefana sy fanalahidy hitarihana izany. Ny Baiboly dia mampianatra fa i Kristy no “lohan’ny fiangonana”5 ary ireo mpiandraikitra ao dia nomena “ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy.”6 Tena azo antoka araka ny Baiboly fa mazava ny niandohan’ny fiangonana iray sy ny ilàna izany ankehitriny.

Misy milaza fa tsy manampy azy ireo ny fanatrehana fivoriam-bavaka any am-piangonana. Misy milaza hoe: “Tsy nianatra na inona na inona aho anio” na “Tsy nisy olona tsara fanahy tamiko” na “Nisy olona nanafintohina ahy.” Ny fahadisoam-panantenan’ny tena manokana dia tsy tokony hanalavitra antsika amin’ny fotopampianaran’i Kristy velively, izay nampianatra antsika hanompo fa tsy hotompoina.7 Tsy esorintsika an-tsaina ihany izany, nisy mpikambana iray namariparitra ny fifantohany amin’ny fanatrehana ny Fiangonana:

“Taona maro lasa izay dia nanova ny fihetsiko mikasika ny fandehanana any am-piangonana aho. Tsy mankany am-piangonana mba ho an’ny tenako intsony aho fa ho an’ny hafa. Nanapa-kevitra aho ny hiarahaba ireo olona mipetra-drery, sy handray ireo vahiny, … ary hanolo-tena hanao asa. …

“Raha fintinina dia mankany am-piangonana isan-kerinandro aho miaraka amin’ny fikasana mba handray anjara fa tsy hitaza-potsiny ary hanova zavatra ho tsara eo amin’ny fiainan’ny olona.”8

Sary
Mandray olona ho tonga soa ao am-piangonana

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra fa “tsy mandeha any amin’ny fivorian’ny Sabata isika mba hahazo fahafinaretana na hoe hahazo fampianarana fotsiny ihany. Mandeha mitsaoka ny Tompo isika. Andraikitry ny tsirairay izany. … Raha toa ka tsy mahomby aminao ny fotoam-bavaka, dia tsy nahomby ianao izay. Tsy misy afaka mitsaoka eo amin’ny toeranao. Tsy maintsy mametraka ny fanantenantsika izay antsika manokana amin’ny Tompo isika”9

Afaka hanokatra ny fontsika sy hanamasina ny fanahintsika ny fandehanana any am-piangonana.

Sary
fivoriana filankevitry ny paroasy

Tsy manompo samirery fotsiny ihany na araka ny safidintsika manokana na izay metimety amintsika isika any am-piangonana. Matetika isika no manompo miaraka amina vondron’olona. Rehefa manao asa fanompoana isika dia mahita fahafahana avy amin’ Andriamanitra mba handresy ny fizahozahoana amin’izao vanim-potoana izao. Ny asa fanompoana tarihin’ny Fiangonana dia afaka hanampy antsika handresy ny fitiavan-tena manokana izay mety hampiadana ny fivoarantsika ara-panahy.

Misy tombontsoa manan-danja hafa izay mila resahina, na dia fohifohy aza. Miaraka amina olona mahafinaritra izay miezaka ny hanompo an’ Andriamanitra isika ao am-piangonana. Izany dia mampahatsiahy antsika fa tsy irery isika amin’ny hetsika ara-pivavahana izay ataontsika. Isika rehetra dia mila ny fiarahana amin’ny hafa, ary ny fikambanana ao am-piangonana no isan’ny tsara indrindra izay azontsika iainana, ho antsika sy ho an’ireo namantsika ary ny zanantsika. Ny fikarohana dia mampiseho fahasarotana tsy mitsaha-mitombo ho an’ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanany ao amin’ny finoan’izy ireo, raha tsy eo ireo fiarahana ireo, indrindra fa eo amin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny mahatoky.10

II.

Hatreto aho dia niresaka momba ana fiangonana amin’ny ankapobeny. Izao aho dia hiresaka ny antony manokana tokony hidirana ho mpikambana sy hanatrehana ary handraisana anjara ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny.

Sary
Tempolin’i Salt Lake

Mazava ho azy, izahay dia manamafy fa ny soratra masina, taloha sy ankehitriny dia mampianatra mazava tsara ny niandohana sy ny ilana Fiangonana iray izay tarihin’ny Tompontsika Jesoa Kristy sy amin’ny fahefany. Mijoro ho vavolombelona ihany koa izahay fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia naorina mba hampianatra ny fahafenoan’ny fotopampianarany ary hanatanterahana fotoam-bavaka miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronany entina hanatontosana ôrdônansy ilaina mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.11 Ny mpikambana izay tsy miangona any am-piangonana fa miankina fotsiny amin’ny ara-panahin’ny tena manokana dia manasaraka ny tenan’izy ireo amin’ireo zavatra tena manan-danja ao amin’ny filazantsara: ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana, ny fahafenoan’ny fotopampianarana naverina amin’ny laoniny, ary ireo antony sy fahafahana tokony hampiharana izany fotopampianarana izany. Narian’izy ireo ny fahafahany ho mendrika ny hanohy ny fianakaviana ho maharitra mandrakizay.

Tombontsoa lehibe iray hafa ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ny fanampian’izany antsika hivoatra ara-panahy. Midika hoe fiovana ny fivoarana. Amin’ny resaka ara-panahy, ny dikan’izany dia hoe mibebaka sy mikatsaka ny hanakaiky kokoa ny Tompo. Manana fotopampianarana sy lamina arahina ary mpanampy nentanim-panahy izay manampy antsika hibebaka isika ao amin’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny. Ny tanjon’izy ireo dia tsy hanasazy, eny fa na dia anatina filankevitra mandinika ny maha-mpikambana aza, toy ny voka-pitsarana any amina fitsarana ady heloka bevava. Ny filankevitra mandinika ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia mikatsaka amim-pitiavana ny hanampy antsika ho mendrika ny famindram-pon’ny famelan-keloka izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sary
Misiônera mpivady zokiolona
Sary
Manatona ny Tempoly

Ny fiainana ara-panahy ataon’ny tena manokana dia tsy afaka hanolotra na oviana na oviana ny hery manosika sy ny firafitra ho an’ny asa fanompoana tsy misy fitiavan-tena izay atolotry ny Fiangonana tafaverina amin’ny laoniny. Ohatra lehibe amin’izany ireo zatovolahy sy zatovovavy ary zokiolona izay mampiato ny fianaran’izy ireo na ireo zavatra atao rehefa misotro ronono mba hanekena antso hitory ny filazantsara. Izy ireo dia manao asa misiônera amina olona vahiny sy any amina toerana tsy mahazatra izay tsy nofinidin’izy ireo. Mitovy amin’izany koa ireo mpikambana mahatoky mandray anjara amin’ny asa fanompoana tsy misy fitiavan-tena izay antsointsika hoe “asa atao any amin’ny tempoly.” Tsy misy ho tanteraka ny asa fanompoana rehetra toy izany raha tsy teo ny Fiangonana izay manohana sy mandrindra ary mitarika izany.

Ny finoana ara-pivavahan’ny mpikambana ao amintsika sy ny fotoam-bavaka dia nampianatra azy ireo hiasa ao anatina ezaka itambarana mba hanasoavana vondrom-piarahamonina lehibe kokoa. Tsy azo ao amin’ny fizahozahoana izay tena manjaka amin’ny fanao eo amin’ny fiarahamonina misy antsika amin’izao ny karazana traikefa sy fampandrosoana tahaka izany. Ao amin’ny rafitra ara-jeôgrafikan’ny paroasintsika eny an-toerana, isika dia mikambana sy miara-miasa amina olona izay mety tsy ho nosafidiantsika raha tsy noho ilay rafitra, olona izay mampianatra sy mitondra fitsapana ho antsika.

Ankoatra ny fanampiana antsika hianatra toetra ara-panahy toy ny fitiavana, fangorahana, famelan-keloka, sy faharetana, izany dia manome antsika ny fahafahana hianatra ny fomba fiasana miaraka amina olona avy amin’ny fiaviana sy fahalinana samihafa. Izany tombontsoa izany dia efa nanampy ny maro amin’ny mpikambana ao amintsika sy fikambanana maro izay voatahy noho ny fandraisan’izy ireo anjara. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia fanta-daza amin’ny fahaizan’izy ireo mitarika sy mampiray ao anatina ezaka iombonana. Izany fomba amam-panao izany dia niainga tamin’ireo mpisava lalana mahery fo antsika izay nanjanaka ny Anelanelan-tendrombohitra Andrefana any Etazonia sy nanorina ny fomba amam-panao lalaintsika amin’ny fiaraha-miasa tsy misy fitiavan-tena ho tombontsoan’ny rehetra.

Sary
Tetikasa manome tanana

Ny ankabeazan’ny ezaka fanasoavana sy fanampiana olona dia mila tanterahina amin’ny fampivondronana sy fitantanana loharanom-pitaovana avy amin’ny isam-batan’olona amina ambaratonga lehibe. Ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia manao izany ao amin’ny ezaka goavana fanasoavana sy fanampiana olona maneran-tany ataony. Tafiditra ao anatin’ireo ny fizaràna famatsiana ara-panabeazana sy ara-pitsaboana, ny fanomezana sakafo ny noana, ny fikarakarana ireo mpitsoa-ponenana, ny fanampiana amin’ny fanarenana ny vokatry ny fiankinan-doha, ary ny maro hafa. Ny mpikamban’ny Fiangonantsika dia fanta-daza amin’ny tetik’asa Manome Tanana mandritra ny loza voajanahary. Ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonana dia mamela antsika handray anjara amin’ny ezaka anatina ambaratonga lehibe toy izany. Mandoa fanatitra amin’ny fifadian-kanina ihany koa ny mpikambana mba hanampiana ireo mahantra eo anivon’izy ireo.

Sary
Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

Ankoatra ny fahatsapana fiadanam-po sy fifaliana amin’ny alalan’ny fiarahana amin’ny Fanahy, ny mpikambana manatrika fotoam-bavaka any am-piangonana ao amintsika dia misitraka ny voan’ny fiainana ny filazantsara, toy ny fitahiana avy amin’ny fiainana ny Tenin’ny Fahendrena sy ny fanambinana ara-materialy sy ara-panahy nampanantenaina noho ny fiainana ny lalàn’ny fahafolonkarena. Isika ihany koa dia manana ny fitahiana handray torohevitra avy amin’ny mpitarika nentanim-panahy.

Manan-danja indrindra amin’izany rehetra izany ireo ôrdônansy ilaina mandrakizay, anisan’izany ny fanasan’ny Tompo izay raisintsika isaky ny andro Sabata. Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ny fanambadiana no ôrdônansy faratampony ao amin’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny, izay hahafahan’ny fifandraisana be voninahitra ao amin’ny fianakaviana haharitra. Nampianatra izao fitsipika izao tamin’ny fomba mora tadidiana ny Filoha Russell M. Nelson. Hoy izy: “Tsy ny faniriana no hahafahantsika miverina any amin’Andriamanitra. Mila mankatò ny lalàna izay ifotoran[’ilay fitahiana] isika.”12

Iray amin’ireo lalàna ireo ny fitsaohana any am-piangonana isaky ny andro Sabata.13 Mampanakaiky antsika kokoa amin’ Andriamanitra sy manatsara ny fahafahantsika mitia ny fitsaohantsika sy fampiharantsika ireo fitsipika mandrakizay. I Parley P. Pratt, iray tamin’ireo Apôstôly voalohany amin’izao fotoampitantanana izao dia namaritra ny fahatsapana nananany rehefa nanazava ireo fitsipika ireo ny Mpaminany Joseph Smith: “Nahatsapa aho fa Andriamanitra no tena Raiko any An-danitra; ary i Jesoa dia rahalahiko, ary ny vady malalako dia mpiara-dia amiko tsy mety maty sy mandrakizay; anjely manompo tsara fanahy izay nomena ahy ho fampiononana sy satro-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Raha afohezina, dia afaka mitia amin’ny fanahy sy ny fahatakarana ihany koa aho ankehitriny.”14

Eto am-pamaranana dia ampahatsiahiviko ny rehetra fa isika dia tsy mino hoe amin’ny alalan’ny fiangonana ihany no hahavitana zavatra tsara. Mahita olona an-tapitrisany tsy miankina amina fiangonana, manohana sy manao asa soa tsy voatanisa isika. Misy Olomasin’ny Andro Farany mandeha samirery mandray anjara amin’ny maro amin’izy ireny. Amintsika ireny asa ireny dia fomba fisehoan’ilay fahamarinana mandrakizay fa “ny Fanahy dia manome fahazavana ho an’ny olona rehetra izay tonga eo amin’ izao tontolo izao.”15

Na dia eo aza ireo asa soa izay azo tontosaina tsy miankina amina fiangonana, ny fahafenoan’ny fotopampianarana sy ny ôrdônansiny mitondra fanavotana sy fisandratana dia hita ao amin’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny irery ihany. Ho fanampin’izany, ny fanatrehana fotoam-bavaka any am-piangonana dia manome antsika ny tanjaka sy fanatsarana ny finoana izay tonga avy amin’ny fiarahana amin’ny mpino hafa sy ny fiarahana mitsaoka amin’ireo izay miezaka koa ny hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ka ho lasa mpanara-dia tsaratsara kokoa an’i Kristy. Mivavaka aho mba hiorina mafy avokoa isika ao anatin’ireo zavatra iainana any am-piangonana ireo rehefa eo am-pikatsahana fiainana mandrakizay, ny lehibe indrindra amin’ny fanomezana rehetra avy amin’ Andriamanitra, amin’ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Mark E. Petersen, “Eternal Togetherness,” Ensign, Nov. 1974, 48.

  2. Jereo ny D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2015, 108–11.

  3. Jereo ny ,“U.S. Church Membership Falls below Majority for First Time,” GallupMar. 29, 2021, news.gallup.com/poll/341963/church-membership-falls-below-majority-first-time.aspx.

  4. Kolosiana 2:2.

  5. Jereo ny Efesiana 5:23–24.

  6. Efesiana 4:12.

  7. Jereo ny Jakoba 1:27.

  8. Mark Skousen ho an’i Dallin H. Oaks, tamin’ny 23 Feb 2009.

  9. Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball (2006), 173–74.

  10. Jereo ny E. W. Ozotak, “Social and Cognitive Influences on the Development of Religious Belief and Commitment in Adolescence,” Journal for the Scientific Study of Religion, vol. 28, no. 4 (Dec. 1989), 448–63.

  11. Jereo ny Jaona 3:5.

  12. Russell M. Nelson, “Now Is the Time to Prepare,” LiahonaMay 2005, 18.

  13. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9.

  14. Autobiography of Parley P. Pratted. Parley P. Pratt Zanany (1938), 298.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:46; nampiana fanamafisana; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28.