Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio

Aoka ity fihaonambe ity mba ho fotoana hivokisana an’ireo hafatra avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, tonga soa eto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany! Tena fifaliana ny tafaraka aminareo! Saika tao an-tsaiko tsy tapaka ianareo nandritra izay enim-bolana lasa izay. Nivavaka momba anareo sy ho anareo aho. Tao anatin’ny herinandro vitsy lasa izay dia nivavaka mafy aho mba ho fotoana handraisana fanambarana sy ho fotoam-pandinihana ho an’ireo rehetra izay mikatsaka izany fitahiana izany ity fihaonambe ity.

Fifaliana ho anay ny hiresaka aminareo indray avy eto amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonambe. Mbola banga ny ankamaroan’ireo seza saingy ny fanatrehan’ireo mpikambanana sasantsasany ao amin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely dia efa fivoarana tena tsara. Miarahaba anareo rehetra ao anatin’ity fihaonambe virtoaly lehibe ity izahay, na aiza na aiza misy anareo.

Mbola miatrika ny fandringanana ataon’ny COVID-19 sy ireo karazany hafa avy amin’izany isika. Misaotra anareo izahay noho ny fanarahanareo ny torohevitra sy torolalana avy amin’ireo mpitsabo sy ireo manampahefana any amin’ny fiarahamonina misy anareo.

Arindranay araka izay fitarihan’ny Tompo ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.1 Niovaova ny endriny tao anatin’ireo taona nifandimby. Fony aho mbola tanora dia naharitra telo na efatra andro ny fihaonambe. Taty aoriana dia nahena roa andro ny fihaonambe. Ny hafatra rehetra, hatrizay ka hatramin’izao, dia vokatry ny vavaka natao tamin-kafanam-po sy ny fiomanana ara-panahy lehibe.

Ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana dia hampifantoka ny hafatr’izy ireo amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny famindrampony ary ilay heriny manavotra tsy misy fetra. Tsy mbola nisy velively fotoana teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao ka nahatonga ilay fahalalana ny Mpamonjintsika ho manan-danja manokana sy zava-dehibe ho an’ny olombelona tsirairay mihoatra noho ny amin’izao fotoana izao. Alaivo sary an-tsaina ny ho nampivaha haingana ireo ady mandravarava manerana an’izao tontolo izao, ary ireo ady atrehantsika eo amin’ny fiainantsika manokana, raha toa ka nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ny olona rehetra.

Araka izany dia manasa anareo aho mba hihaino zavatra anankitelo mandritra ity fihaonambe ity: fahamarinana madio, ny fotopampianarana madion’i Kristy, ary fanambarana madio. Tsy araka ny fiahiahian’ny olona sasany, fa tena misy izany hoe marina sy diso izany. Tena misy ilay fahamarinana tanteraka, dia ny fahamarinana mandrakizay izany. Isan’ireo zava-doza amin’izao androntsika izao ny hoe vitsy loatra ny olona mahafantatra izay tokony haleha mba hahitana ny fahamarinana.2 Manome toky anareo aho fa ny zavatra ho henonareo androany sy rahampitso dia maneho fahamarinana madio.

Mahery vaika ny fotopampianarana madion’i Kristy. Izany dia manova ny fiainan’ny olona tsirairay izay mahatakatra izany sy mikatsaka ny hampihatra izany eo amin’ny fiainany. Ny fotopampianaran’i Kristy dia manampy antsika hahita ny lalan’ny fanekempihavanana sy hijanona eo amin’izany. Ny fijanonantsika eo amin’ilay lalana ety nefa voasoritra tsara dia hahamendrika antsika handray izay rehetra ananan’ Andriamanitra amin’ny farany.3 Tsy misy zavatra hafa manan-danja kokoa noho izay rehetra ananan’ny Raintsika!

Farany, ny fanambarana madio ho an’ireo fanontaniana ao am-ponao dia hahatonga ity fihaonambe ity hitondra fahafaham-po sy ho tsy hay hadinoina. Raha toa ianao ka mbola tsy nikatsaka ny fanompoan’ny anjely mba hanampy anao haheno ny zavatra tian’ny Tompo ho henonao mandritra ireo roa andro ireo, dia manasa anao aho mba hanao izany amin’izao fotoana izao. Aoka ity fihaonambe ity mba ho fotoana hivokisana an’ireo hafatra avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony. Fantaro ny fomba hampiharana azy ireo eo amin’ny fiainanao.

Ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Isika dia vahoakan’ny fanekempihavanany. Nanambara ny Tompo fa hohafainganiny amin’ny fotoany ny asany,4 ary mitombo mihoatra noho ny hatramin’izay ny hafainganan’ny fanaovany izany. Voninahitra ho antsika ny fandraisana anjara ao amin’ny asany masina.

Mitsodrano anareo rehetra izay mikatsaka fahazavana sy fahalalana ary fahamarinana lehibe kokoa aho. Maneho ny fitiavako anareo tsirairay aho, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.