Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Lioka 6


DJS, Lioka 6:29–30. Ampitahao amin’ny Lioka 6:29–30

Nampianatra i Jesoa fa tsara kokoa ny miaritra fanenjehana toy izay hiady amin’ny fahavalo.

29 Ary raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; na, raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsara kokoa ny manolotra ilay anankiray toy izay haniratsira indray. Ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.

30 Fa tsaratsara kokoa ny mamela ny fahavalonao haka ireny zavatra ireny toy izay hiady aminy. Lazaiko marina aminareo tokoa, ilay Rainao any an-danitra izay mahita ao amin’ny mangingina dia hitondra io ratsy fanahy io ho amin’ny fitsarana.