Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Lioka 3


DJS, Lioka 3:4–11. Ampitahao amin’ny Lioka 3:4–6

Ho avy i Kristy araka ny faminaniana mba hitondra famonjena ho an’i Isiraely sy ny Jentilisa. Ho avy indray Izy amin’ny fotoam-pahafenoana mba hitsara izao tontolo izao.

4 Araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Isaia mpaminany, ary izao no teny, manao hoe: Ny feon’ilay miantso any an’efitra: Omanonareo ny lalan’ny Tompo ary ataovy mahitsy ny lalany.

5 Fa indro, ka jereo, ho avy Izy, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ireo mpaminany, hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao sy hitondra famonjena ho an’ireo firenena mpanompo sampy, hanangona ireo izay very, izay avy amin’ny valan’ondrin’i Isiraely;

6 Eny, dia ny miely patrana sy ny mijaly; ary koa hanomana ny lalana sy hanao izay hahazoana mitory ny filazantsara amin’ny Jentilisa.

7 Ary ho fahazavana ho an’ireo rehetra izay mipetraka ao amin’ny haizina, hatrany amin’ny faran’ny tany; hanatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, ary hiakatra any amin’ny avo ka hipetraka eo an-tanana ankavanan’ny Ray,

8 Mandra-pahatongan’ny fahafenoan’ny fotoana, ary ny lalàna sy ny tenivavolombelona dia hofehezina, ary ireo fanalahidin’ny fanjakana dia hatolotra ny Ray indray;

9 Hampihatra fahamarinana amin’ny rehetra; hidina amin’ny fitsarana eo amin’ny rehetra ary handresy lahatra ny rehetra tsy araka an’ Andriamanitra amin’ny ataon’izy ireo tsy araka an’ Andriamanitra, izay efa vitan’izy ireo; ary izany rehetra izany dia amin’ny andro izay hiaviany;

10 Fa izany dia andron’ny hery; eny, ny lohasaha rehetra dia hototofana ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra dia haetry; ny meloka hahitsy ary ny mikitoantoana hatao marin-tampona;

11 Dia hahita ny famonjen’ Andriamanitra ny nofo rehetra.

DJS, Lioka 3:19–20. Ampitahao amin’ny Lioka 3:10–13

Karakaraina avy amin’ny vola ao amin’ny trano fitehirizam-bola ny mahantra. Ny mpamory hetra dia tsy tokony haka mihoatra noho ny voatondron’ny lalàna.

19 Fantatrao tsara ry Teofilo, araka ny fomban’ny Jiosy sy araka ny fomba fanao ao amin’ny lalàny eo amin’ny fandraisana vola ao amin’ny trano fitehirizam-bola, fa amin’ny vola izay voaray dia misy atokana ho an’ny mahantra, ny olona tsirairay araka ny anjarany avy;

20 Dia nanao araka izany fomba izany koa ny mpamory hetra, ka hoy i Jaona tamin’izy ireo: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.