Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Lioka 14


DJS, Lioka 14:35–37. Ampitahao amin’ny Lioka 14:34

Ireo izay mahafantatra an’i Mosesy sy ireo mpaminany dia mino an’i Jesoa.

35 Dia nisy vitsivitsy tamin’izy ireo nanatona azy nanao hoe: Ry Mpampianatra Tsara ô! Manana an’i Mosesy sy ireo mpaminany izahay ary na iza na iza miaina araka ny tenin’izy ireo, moa va tsy hanana ny fiainana izy?

36 Ary i Jesoa namaly hoe: Tsy fantatrareo na i Mosesy na ny mpaminany; fa raha nahafantatra azy ireo ianareo dia ho nino ahy, satria izay no antony nanoratana azy ireny. Fa nirahina Aho mba hanananareo fiainana. Noho izany dia hohariko amin’ny sira izay tsara izany;

37 Fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no haha-sira azy?