Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Lioka 12


DJS, Lioka 12:9–12. Ampitahao amin’ny Lioka 12:9–10; jereo koa ny DJS, Matio 12:37–38 sy F&F 132:26–27

Nanazava i Jesoa fa tsy ho voavela heloka izay manevateva ny Fanahy Masina.

9 Fa izay mandà Ahy eo anoloan’ny olona dia holavina eo anoloan’ireo anjelin’ Andriamanitra.

10 Ankehitriny dia fantatry ny mpianany fa niteny izany Izy satria efa nanevateva Azy teo anoloan’ny vahoaka izy ireo; fa natahorany ny hanaiky Azy eo anoloan’ny vahoaka.

11 Ary nifandahatra izy ireo, nanao hoe: Mahalala ny ao am-pontsika Izy ary miteny ho fanamelohana antsika, ka tsy ho voavela heloka isika. Fa Izy namaly azy ireo, nanao taminy hoe:

12 Na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’olona nefa mibebaka, dia ho voavela heloka izy; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy ho voavela heloka.

DJS, Lioka 12:41–57. Ampitahao amin’ny Lioka 12:37–48

Nampianatra i Jesoa fa ny mpanompony dia tsy maintsy vonona mandrakariva ho amin’ny fiavian’ny Tompo.

41 Fa indro, avy Izy amin’ny fiambenana voalohany amin’ny alina, ary ho avy koa Izy amin’ny fiambenana faharoa, ary ho avy indray Izy amin’ny fiambenana fahatelo.

42 Ary lazaiko aminareo marina tokoa fa efa tonga sahady Izy araka izay voasoratra momba Azy; ary rehefa ho avy indray amin’ny fiambenana faharoa Izy, na ho avy amin’ny fiambenana fahatelo, dia sambatra ireo mpanompo izay hitany manao izany rehefa avy Izy;

43 Fa ny Tompon’ireo mpanompo ireo dia hisikina ary hampipetraka azy ireo ka hampihinana sy handroso ary hanompo azy ireo.

44 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo marina tokoa ireo zavatra ireo mba hahafantaranareo izao, fa ny fiavian’ny Tompo dia toy ny mpangalatra amin’ny alina.

45 Ary izany dia tahaka ny lehilahy izay tompon-trano, izay raha tsy miambina ny fananany dia tonga ny mpangalatra, amin’ny ora izay tsy ampoiziny, maka ny fananany ary mizara izany amin’ny namany.

46 Ary nifampiresaka izy ireo hoe: Raha nahafantatra ny ora hiavian’ny mpangalatra ilay tompon-trano dia ho niambina izy ka tsy ho namela ny tranony hotamin’ny ary tsy ho namela ny fahaverezan’ny fananany.

47 Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa, aoka koa ianareo ho vonona; fa ny Zanak’olona dia avy amin’ny ora izay tsy ampoizinareo.

48 Dia hoy i Petera taminy: Tompoko, milaza izany fanoharana izany aminy va Ianao sa amin’ny rehetra?

49 Ary hoy ny Tompo; Miteny amin’ireo izay hataon’ny Tompo ho mpanapaka amin’ny ankohonany Aho, mba hanome ny zanany ny anjara haniny ara-potoana.

50 Dia hoy izy ireo: iza ary io mpanompo mahatoky sady hendry io?

51 Ary hoy ny Tompo taminy: Io ilay mpanompo izay miambina ka mizara ny anjara haniny ara-potoana.

52 Sambatra io mpanompo io izay ho hitan’ny Tompony manao izany rehefa avy Izy.

53 Lazaiko aminareo marina tokoa fa hataony mpanapaka amin’izay ananany rehetra izy.

54 Fa ny mpanompo ratsy kosa dia ilay tsy hita miambina. Ary raha tsy hita miambina ity mpanompo ity dia hiteny anakampo hoe: Mampitaredretra ny fiaviany ny Tompoko; ka hanomboka hikapoka ny mpanompolahiny sy mpanompovaviny izy ary hihinana sy hisotro ary ho mamo.

55 Ho avy ny Tompon’ity mpanompo ity amin’ny andro izay tsy ampoiziny ary amin’ny ora izay tsy fantany, ka hanafay azy ary hanome ny anjarany any amin’ny tsy mpino.

56 Ary ity mpanompo, izay nahalala ny sitrapon’ny Tompony ity saingy tsy niomana ho amin’ny fiavian’ny Tompony sady tsy nanao araka ny sitrapony, dia hahazo kapoka be.

57 Fa ilay tsy nahafantatra ny sitrapon’ny Tompony kosa ka nahavita zavatra izay tokony hikapohana azy dia hahazo kapoka kely. Fa izay nomena be dia be no hotakina be; ary izay efa nanankinan’ny Tompo be dia ho bebe kokoa no hangatahin’ny olona aminy.