Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Lioka 17


DJS, Lioka 17:21. Ampitahao amin’ny Lioka 17:20–21

Efa tonga sahady ny fanjakan’ Andriamanitra.

21 Tsy hiteny koa izy ireo hoe: Indro aty! na Indro ary! Fa indro, ny fanjakan’ Andriamanitra efa tonga eo aminareo sahady.

DJS, Lioka 17:36–40. Ampitahao amin’ny Lioka 17:37

Notantarain’i Jesoa ny fanoharana momba ny voromahery mba hanazavana ny fanangonana ny Olomasiny amin’ny andro farany.

36 Ary izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompo, no hoentina izy ireo?

37 Ary hoy Izy taminy: any amin’izay anangonana ny vatana; na, amin’ny teny hafa, any amin’izay anangonana ny olomasina, eo amin’izany no hiarahan’ny voromahery miangona; na, eo amin’izany no hiarahan’ireo sisa miangona.

38 Izany no noteneniny ka nampahafantarany ny fanangonana ny olomasiny; ary ny amin’ireo anjely izay midina sady manangona ny olona sisa amin’izy ireo; ny iray avy eo am-pandriana, ny iray hafa avy eo amin’ny fikosoham-bary, ary ny iray hafa avy any an-tsaha, na avy aiza na avy aiza tiany.

39 Fa marina tokoa fa hisy lanitra vaovao sy tany vaovao izay itoeran’ny fahamarinana.

40 Ary tsy hisy zavatra tsy madio; fa ny tany dia hanjary tonta, toy ny fitafiana nitombo tao amin’ny fahalovana, koa manjavona izany, ary ny fitoeran-tongony dia mijanona ho masina, voadio amin’ny fahotana rehetra.