Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Kolosiana 2


DJS, Kolosiana 2:21–22. Ampitahao amin’ny Kolosiana 2:20–23

Ny didin’olombelona dia mety manana ny lanjany eo amin’ny fampianarana zavatra toy ny fifehezan-tena, saingy sady tsy manaja an’ Andriamanitra izany no tsy mamonjy ny olona.

21 Izay araka ny fotopampianarana sy ny didin’olombelona izay mampianatra anao tsy handray, na hanandrana, na hanendry, ireo zavatra rehetra izay ho levona amin’ny fampiasana azy?

22 Zavatra izay ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana haitraitra sy ny fanetrentena ary ny fampahoriana ny tena raha ny amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo, fa tsy hanajana an’ Andriamanitra.