Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Lioka 21


DJS, Lioka 21:24–26. Ampitahao amin’ny Lioka 21:25–26

Nilaza ireo famantarana sasantsasany ny amin’ny fiaviany i Jesoa.

24 Ankehitriny dia ireny zavatra ireny no noteneniny taminy momba ny fandravana an’i Jerosalema. Ary tamin’izay dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: Mpampianatra ô, lazao aminy ny momba ny fiavianao?

25 Ary Izy namaly azy ireo nanao hoe: Ao amin’ny taranaka izay hahatanterahan’ny fotoan’ny Jentilisa, dia hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy eny amin’ny volana ary eny amin’ny kintana; ary ety an-tany ny fahorian’ireo firenena noho ny fahaverezan-kevitra, toy ny ranomasina sy ny onja mirohondrohona. Hisavorovoro koa ny tany sy ny rano lalim-be;

26 Ho reraka ny fon’ny olona noho ny tahotra sy ny fiandrasana ireo zavatra izay ho tonga ety an-tany ireo. Fa ho hozongozonina ny herin’ny lanitra.

DJS, Lioka 21:32. Ampitahao amin’ny Lioka 21:32

Ho tanteraka ny zava-drehetra rehefa tanteraka ny fotoan’ny Jentilisa.

32 Lazaiko aminareo marina tokoa, ity taranaka ity, ny taranaka izay hahatanterahan’ny fotoan’ny Jentilisa dia tsy ho lany mandra-pahatanteraka ny zava-drehetra.