Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Lioka 16


DJS, Lioka 16:16–23. Ampitahao amin’ny Lioka 16:16–18

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa ny lalàna sy ny mpaminany. Nikatsaka ny handrava ny fanjakana ny Fariseo. Nilaza ny fanoharana momba ilay lehilahy manan-karena sy i Lazarosy i Jesoa.

16 Ary hoy izy ireo taminy: Manana ny lalàna sy ny mpaminany izahay; fa raha ny amin’ity lehilahy ity kosa dia tsy horaisinay ho mpanapaka anay Izy; fa Izy no manao ny tenany ho mpitsara anay.

17 Dia hoy i Jesoa taminy: Ny lalàna sy ny mpaminany dia vavolombelona manambara Ahy; eny, ary ny mpaminany rehetra izay efa nanoratra, na dia hatramin’i Jaona aza, dia efa nilaza mialoha ny amin’ireo andro ireo.

18 Hatramin’izany fotoana izany no efa notoriana ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny olona tsirairay izay mikatsaka fahamarinana dia mibosesika ho amin’izany.

19 Ary mora kokoa ny hahalevona ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoana ny bitika indrindra amin’ny lalàna.

20 Ary nahoana ianareo no mampianatra ny lalàna nefa mandà izay voasoratra; ary manameloka ilay efa nirahan’ny Ray hanatanteraka ny lalàna mba hahazoana manavotra anareo rehetra?

21 Ry adala! fa ianareo efa nanao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Ary avilinareo ny lala-mahitsy; ary ny fanjakan’ny lanitra dia anaovanareo herisetra; ary enjehinareo ny malemy fanahy; ary amin’ny herisetranareo no ikatsahanareo handravana ny fanjakana; ary alainareo amin-kery ireo zanaky ny fanjakana. Lozanareo, ianareo mpanitsakitsa-bady!

22 Ary niteny ratsy azy indray izy ireo satria tezitra noho ny filazana fa mpanitsakitsa-bady izy ireo.

23 Fa nanohy Izy sady nanao hoe: Na zovy na zovy no misao-bady ary mampakatra iray hafa dia manitsakitsa-bady; ary na zovy na zovy no mampakatra ilay efa nisaoran’ny vadiny dia manitsakitsa-bady. Lazaiko aminareo marina tokoa, hohariko amin’ilay lehilahy manan-karena ianareo.