Institiota
Lesona 9: Mampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy


9

Mampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy

Fampidirana

Ny misiônera dia tokony hiezaka ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy hatrany rehefa miasa mba hanasa ny hafa hanatona Azy. Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho antsika ary Izy dia nampianatra antsika mba ho tonga tahaka Azy (jereo ny 3 Nefia 27:27), ary ny Sorompanavotany no ahafahantsika ho tonga hatrany tahaka Azy sy ny Raintsika any An-danitra. Anisan’ny dingana manan-danja amin’ny fahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy ny fianarana mikasika ny fomba fiainany, sy ny fomba fitondrany ny tenany ary ny fomba fampianarany. Rehefa mampivoatra bebe kokoa hatrany ireo toetra tahaka ny an’i Kristy isika dia ho vonona tsara kokoa hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa mandritra ny asa fitoriana izay ataontsika ary mandritra ny fiainantsika.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny maha-zava-dehibe ny toetra tahaka ny an’i Kristy

Asao ny mpianatra hanokatra ny Torio ny Filazantsarako ao amin’ny pejy 149 ka hijery ilay sarin’ny famantaran’anarana eo amin’ny tratran’ilay misiônera. Anontanio hoe:

  • Inona avy ireo zavatra tena misongadina eo amin’ny famantarana anarana eo amin’ny tratran’ilay misiônera? (Ny anaran’ilay misiônera sy ny anaran’ny Mpamonjy.)

  • Nahoana no manan-danja ho anao sy ho an’ny hafa ny mampiaraka ny anaranao sy ny anaran’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra hifandimby hamaky ny andalana dimy ao amin’ny pejy 139–140 amin’ny Torio ny Filazantsarako eo am-panarahan’ny iray kilasy ny vakitenyhitadiavana ny fomba hahafahantsika manaiky ny fanasana nomen’ny Tompo mba hanaraka Azy. Rehefa avy mamaky izy ireo dia anontanio hoe:

  • Ahoana no anekentsika ny fanasa nomen’i Jesoa Kristy hanaraka Azy? (Tokony hahita izao fitsipika izao ny mpianatra: Manaiky ny fanasa nomen’i Jesoa Kristy hanaraka Azy isika amin’ny fahatongavana tahaka Azy sy amin’ny fampivoarana ireo toetra tahaka ny Azy.

  • Ahoana no ahafahan’ny fampivoarana ny toetra tahaka ny an’i Kristy hahatonga anao ho mpanompo matanjaka sy mahomby kokoa amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra mba samy hisafidy iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny faritra hoe Fandalinana Soratra masina ao amin’ny pejy 140 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao ireo mpianatra mba hamaky ny soratra masina izay nosafidiny ka hitady ny zavatra lazain’izany mikasika ny fanarahana ny ohatr’i Kristy. Asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany. Rehefa avy mamaky ny mpianatra maromaro dia manontania hoe:

  • Inona avy ireo toetra sasany izay ampitovianao amin’ny an’i Kristy?

Asehoy ny horonantsary “Christlike Attributes” (2:54), izay mampiseho ny sasany amin’ireo toetran’ny Mpamonjy. Asao ireo mpianatra hijery ny fomba ahitana taratra ireo toetra araka an’ Andriamanitra izay nananan’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny zavatra nataony—indrindra fa amin’ny fomba fifaneraserany amin’ny olona.

Aorian’ny fijerena ilay horonantsary dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto, ka omeo fotoana ampy ny mpianatra hisaintsainany ny valinteniny:

  • Ahoana no nahitana taratra ny toetra araka an’ Andriamanitra izay ananan’ny Mpamonjy tamin’ny zavatra nataony, indrindra fa tamin’ny fomba nifaneraserany tamin’ny hafa?

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’ny hafa?

Asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ny trangan-javatra iray nahatonga ny toetra tahaka ny an’i Kristy nananan’ny olona iray hisy fiantraikany teo aminy. Avy eo dia omeo fotoana izy ireo hisaintsainana izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona no toetran’i Kristy izay naseho tao amin’ilay horonantsary ka tianao ho kolokoloina bebe kokoa?

Mampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–7.

  • Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6 dia inona no ifandraisan’ny toetra tahaka ny an’i Kristy sy ny fepetra takiana amin’ny fiantsoana ho amin’ilay asa? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony ho hitan’izy ireo izao fitsipika izao: Ny olona izay manana ny toetra tahaka ny an’i Kristy no mahafeno ny fepetra takiana hanompo ao amin’ny asan’ny Tompo.)

Asao ny mpianatra hijery ny Fampiharana momba ny toetra ao amin’ny pejy 152 amin’ny Torio ny FIlazantsarako. Rehefa avy nanazava ny torolalana hita eo ambony ao amin’ilay pejy dia asao ireo mpianatra mba hameno ilay asa atao. Mety hanampy ny milaza amin’ny mpianatra ny fotoana hananany ho laniana amin’ny fanatanterahana ilay asa atao. Omeo tahadikan’ilay asa atao ny mpianatra. Raha misafidy ny hameno an’ilay asa atao ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay ananany ny mpianatra dia entano izy mba hanao izany amin’ny pensilihazo. Omeo ny fotoana izay ilaina ny mpianatra rehetra mba hamitana ilay asa atao. Avy eo dia asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay nianarany sy tsapany rehefa nanao io tomban’ezaky ny tena io. Raha ilaina dia mametraha fanontaniana tahaka ireto:

  • Toetra inona ao amin’ilay asa atao no tena manan-danja aminao, ary nahoana?

  • Inona no nianaranao avy amin’io asa atao io?

Ampio ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany ny toetra tahaka ny an’i Kristy amin’ny fanasana azy ireo hisafidy toetra iray izay tiany hianarana bebe kokoa sy hampivoarina bebe kokoa amin’ny fiainany. Asao ny mpianatra mba hijery ny fizarana izay manazava ny toetra izay nosafidiny ao amin’ny pejy 140–48 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Avy eo dia omeo fotoana izy ireo handalinana ny fizarany, miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina miaraka amin’izany. Mety hanampy ny mampahafantatra ny mpianatra ny fotoana hananany handalinana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto mba hodinihin’ny mpianatra eo am-pamakiany.

  • Inona no hevi-baovao azonao mikasika io toetra io?

  • Inona no tsy maintsy miova ao amin’ny fonao sy ny sainao ary ny fihetsikao mba hampivoatra io toetra io?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fampiovarana io toetra io no mety hampitombo ny fahombiazanao amin’ny maha-misiônera anao?

Mandehandehana ao amin’ny efitrano fianarana mba hijery hoe manao ahoana ny mpianatra sy mba hamaly ireo fanontaniana izay mety hananany. Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ireo mpianatra mba hizara ny valinteniny ho an’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity ary asao ny mpianatra mba hitady ny zavatra lazain’ny Filoha Uchtdorf fa tsy maintsy ataontsika mba hampivoatra ny toetra tahaka ny an’i Kristy:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Manoritsoritra toetra tahaka ny an’i Kristy be dia be ny soratra masina izay ilaintsika hivoatra mandritra ny fiainantsika. … Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Tsy afaka hivoatra izany raha tsisy ny fanampiany. Ny fanampiana iray izay ilaintsika rehetra dia nomena antsika maimaimpoana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka—fahatokiana ny heriny, ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. Tonga eo amin’ny fiainantsika ny toetra tahaka ny an’i Kristy rehefa mampihatra ny fahafahantsika misafidy amim-pahamarinana isika. … Rehefa mikatsaka ny ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa isika dia mila manao tomban’ezaka tsy tapaka ny fianantsika sy miantehitra amin’ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany, amin’ny alalan’ny dingan’ny tena fibebahana” (“Christlike Attributes—the Wind beneath Our Wings,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 102–103).

  • Midika inona aminao ny hoe “fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny toetra tahaka ny an’i Kristy”? (Fanomezana izay tsy afaka mivoatra tanteraka izany raha tsisy ny fanampian’ Andriamanitra.)

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Uchtdorf, inona no azontsika atao mba hampiasana ny fanampiana’ Andriamanitra amin’ny fampivoarana ireo toetra ireo? (Azonao fintinina ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny fanoratana izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe: Afaka mampivoatra ny toetra tahaka ny an’i Kristy isika rehefa mibebaka sy mino an’i Jesoa Kristy ary miantehitra amin’ny Sorompanavotany.)

  • Ahoana no hanampian’ny fibebahana sy ny finoana ny Sorompanavotana antsika mba hampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy? (Amin’ny alalan’ny finoana sy ny fibebahana dia manasa ny Tompo mba hanome antsika ireo toetra tahaka ny an’i Kristy isika. Rehefa mibebaka isika dia maneho ny faniriantsika ny ho tonga tahaka an’i Kristy kokoa, ary manasa bebe kokoa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fiainantsika.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany amin’ny iray kilasy:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Rehefa nampianatra ny Nefita ny Mpamonjy dia niresaka momba ny toetra tsy maintsy hahatongavany. Nanome fanamby ho azy ireo Izy mba hibebaka sy hatao batisa ary hanamasina ny tenany amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina, ‘mba hahazoanareo mijoro tsisy pentina eo anoloako amin’ny andro farany’ (3 Ne. 27:20). Nofaranany izany hoe: ‘Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.’ (3 Ne. 27:27).

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no drafitra izay ahafahantsika ho lasa eo amin’ny toerana izay noheverina fa hahatongavan’ny zanak’ Andriamanitra. Io toetra tsisy pentina sy tonga lafatra io dia vokatry ny fifandimbiasana tsy miovaova teo amin’ny fifanekempihavanana, ôrdônansy, sy asa atao, fitambaran’ny safidy marina, sy avy amin’ny fibebahana mitohy. ‘Izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra’ (Almà 34:32)” (“The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 33).

Anontanio hoe:

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Oaks, inona no tsy maintsy ataontsika mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa? (Tsy maintsy manao sy mitandrina fanekempihavanana masina isika, mandray amim-pahamendrehana ireo ôrdônansy, manao safidy tsara, ary mibebaka.)

Asao hijery ny Môrônia 7:47–48 ireo mpianatra. Hazavao fa na dia miresaka momba ny fiantrana aza ireo andininy ireo dia mampianatra fitsipika ankapobeny kokoa momba ny fahazoana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Manasà mpianatra iray hamaky ireo andininy ireo eo am-panarahan’ny iray kilasy sady hitadiavan’izy ireo ny zavatra azontsika atao mba hanasana ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny fahatongavana tahaka ny Zanany (tokony hifantoka amin’ny maha-zava-dehibe ny fangatahana amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy antsika sy ny fahatongavana ho “tena mpanara-dia” an’i Kristy ny valinteny). Hamafiso fa satria fanomezana avy amin’ Andriamanitra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ireo dia tokony hangataka Aminy isika mba hanampy antsika amin’ny fampivoarana azy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra handinika ny fomba mety hampiharany ny zavatra nianarany dia azonao asaina ireo mpianatra mba hizara ohatra mikasika ny asa izay tokony hataon’ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana rehefa mikatsaka ny hampivoatra ny toetra izay halalininy. Avy eo dia omeo minitra vitsy ireo mpianatra hanoratana drafitra, izay misy safidy marina sy matotra izay azony atao, mba hanampiana azy ireo hampivoatra tsara kokoa izany toetra izany. Entano izy ireo mba hizara ny drafiny amin’ny ray aman-dreniny na amin’ny namana atokisana iray. Amporisiho ihany koa ireo mpianatra mba tsy hanemotra ny fanarahany ny drafiny. Ny ezaka izay atao amin’izao dia mety hanana fiantraikany lehibe any amin’ny sehatry ny misiônany.

Farano ny ampahan-desona amin’ny fanomezana toky ny mpianatra fa hitahy azy ireo ny Tompo rehefa mampihatra finoana ny Sorompanavotana sy mikatsaka ny ho tonga tahaka an’i Kristy izy ireo.

Ireo toetra tahaka ny an’i Kristy amin’ny asa fitoriana

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, izay nizara teny notsongaina izay matetika lazaina fa an’i Saint François d’Assise. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana:

“Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara ary raha ilaina dia mampiasà teny” (“Waiting on the Road to Damascus,” Ensign na Liahona, mey 2011, 77).

Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafantsika mitory ny filazantsara raha tsy mampiasa teny?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahazoantsika ireo toetra tahaka ny an’i Kristy no manome fahafahana antsika hitory tsara kokoa ny filazantsara, na mampiasa teny na tsia?

  • Inona no mitranga amin’ny fon’ny olona raha raisina amin’ny fomban’ny Kristy izy ireo? (Malefaka ny fony ary ho mora mandray kokoa izy ireo rehefa mihaino ny hafatry ny filazantsara).

  • Nahoana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay ananan’i misiônera iray no tena manan-danja amin’ny fahombiazan’ny asa fitoriana? (Mety hahitana izao fahamarinana izao ny valintenin’ny mpianatra: Ny toetra tahaka ny an’i Kristy dia mety ho hery mitarika mahery vaika amin’ny fitondrana ny olona hanatona ny Mpamonjy.)

Asehoy ny horonantsary “Impressions of Missionaries” (4:32). Asao ireo mpianatra handray naoty an’ireo toetra izay nodinihin’ireo naman’ny Fiangonana tamin’ireo misiônera sy ny fiantraikan’ireo toetra ireo tamin’ireo naman’ny Fiangonana.

Rehefa tapitra ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Inona avy ny sasany tamin’ireo toetra tsaran’ireo misiônera izay hitan’ny naman’ny Fiangonana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao ireo toetra ireo no niteraka vokany tsara tamin’ireo naman’ny Fiangonana?

  • Nisy sasany tamin’ireo naman’ny Fiangonana izay nilaza toetra tsy dia tsara. Inona no fiantraikan’ireo toetra ireo tamin’ireo naman’ny Fiangonana?

  • Ahoana no mety hahafahan’ireo misiônera miala amin’ny fanehoana ireo toetra tsy dia tsara ireo?

Mba hanehoana bebe kokoa ny fomba ahafahan’ireo toetra sy fitondrantena tahaka ny an’i Kristy manampy ny misiônera hanomana ny olona izay ampianariny mba handray ny filazantsara, dia asao ny mpianatra iray mba hamintina ny tantaran’ny ezaka nataon’i Amôna mba hitory ny filazantsara teo anivon’ny Lamanita. Zarao ho vondrona efatra ny kilasy, ary omeo ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny vondrona tsirairay Asao ireo mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny andinin-tsoratra masina nomena azy ka hamantatra ireo toetra tahaka ny an’i Krsity izay nasehon’i Amôna.

Almà 17:22–25

Almà 17:28–31

Almà 17:33–37

Almà 18:1–3, 8–10

Rehefa nahazo fotoana hamakiana ireo mpianatra dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny iray kilasy ireto manaraka ireto:

  • Inona no toetra tahaka ny an’i Kristy nasehon’i Amôna tao amin’ireo andininy izay novakianareo?

  • Ahoana no fiantraikan’ireo toetran’i Amôna tamin’ireo olona izay nampianariny?

  • Inona avy ireo fomba sasany izay ahafahan’ny misiônera manaraka ny ohatr’i Amôna?

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray izay hitany fa naneho ohatra ny amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Anontanio hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana io olona io no nahataona anareo tamin’ny alalan’ny fitondrantena tahaka ny an’i Kristy izay nasehony?

Fanompoana miaraka amin’ny mpiara-mitory

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny misiônera dia tendrena foana hiara-manompo amin’ny namana iray. Asao ireo mpianatra mba hilaza fanamby izay mety hitranga rehefa mira-miasa amin’ny namana mpiara-mitory iray. Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny misiônera no manompo miaraka amin’ny mpiara-mitory?

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:6 sy ny 2 Korintiana 13:1 mba hanampiana ny mpianatra hahita fa manompo miaraka amin’ny mpiara-mitory ny misiônera satria izany no fomba fanao nomen’ny Tompo. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no maha-zava-dehibe ny fanehoan’ny misiônera an’ireo toetra sy fihetsika tahaka ny an’i Kristy amin’ny mpiara-mitory aminy? (Jereo ny F&F 38:24–25, 27.)

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary mangataha mpianatra iray mba hamaky mafy izany amin’ny iray kilasy:

Sary
Filoha James E. Faust

“Aza ekena mihitsy ny hisian’ny fifandirana eo aminao sy ny mpiara-mitory aminao. Ny sasany amin’ireo namana mpiara-mitory aminao no ho namanao malala indrindra amin’ny fiainanao. Aoka ianao hanana toetra tahaka ny mpiara-mitory izay tianao hiaraka aminao. Aoka ianao tsy ho tia tena amin’ny fifandraisanao amin’ny mpiara-mitory aminao. Rehefa misy ny fifandirana dia hiala ny Fanahin’ny Tompo, na iza na iza no diso. Ny tsirairay amintsika dia samy manana tanjaka sy talenta miavaka izay tsy mitovy amin’iza na iza amin’izao tontolo izao. Samy manana ny fahalemeny ny tsirairay amintsika. Ao amin’ny finamanana izay mirindra, dia misy fiaraha-miasa—amin’izay mampalemy ny iray dia mampatanjaka ny iray” (“What I Want My Son to Know before He Leaves on His Mission,” Ensign, mey 1996, 41).

  • Inona no nolazain’ny Filoha Faust fa hitranga raha toa ka misy fifandirana eo anivon’ny mpiara-mitory? (Jereo koa ny 3 Nefia 11:29.)

  • Ahoana no hanampian’ireo toetra izay nianarantsika an’ireo mpiara-mitory mba hisoroka ny fifandirana sy hanana fifandraisana mirindra? (Ampio ireo mpianatra hahita ilay fitsipika hoe rehefa maneho fihetsika sy fitodrantena tahaka ny an’i Kristy amin’ny mpiara-mitory aminy ny misiônera, dia hanana ny Fanahy.)

  • Nahoana ny fananana fifandraisana mirindra no mety hahatonga ny mpiara-mitory hahomby kokoa rehefa mitory ny filazantsara?

Vakio mafy ireo andalana dimy voalohany eo ambanin’ny zana-pizarana hoe “Ny mpiara-mitory aminao” (ao amin’ny fizarana hoe “Fifandraisana amin’ny hafa”) ao amin’ny Torolalana ho an’ny Misiônera (pejy 39–41). Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no efa nampiasanao ny fitsipika iray ao amin’ireo andalana ireo mba hanamafy orina ny fifandraisanao amin’ny havana na namana iray?

Farano ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatrao mba hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny maha-zava-dehibe ny ho tonga tahaka Azy.

Fanasana mba hanao asa

Ampio ireo mpianatra hahafantatra fa ny dingana hampivoarana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy dia mitaky ny fanampian’ny Tompo sy ezaka be avy amin’ny tena manokana. Amporisiho ireo mpianatra mba hanao ny iray na mihoatra amin’ireto asa natolotra hatao manaraka ireto ho anisan’ny ezaka ataony mba ho tonga tahaka an’ny Mpamonjy kokoa:

  • Misafidy iray amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy avy ao amin’ny toko 6 amin’ny Torio ny Filazantsarako ka handalina bebe kokoa izany amin’ny fampiasana ny soratra masina, tafiditra amin’izany ny Torolalana ho an’ny soratra masina sy ny sisa. Mamorona drafitra iray mba hampivoatra bebe kokoa izany toetra izany amin’ny fiainanao. Mizara ilay drafitrao amin’ny ray aman-dreninao na namana iray azo atokisana.

  • Mieritreritra izay zavatra azonao atao mba ho tahaka an’i Kristy kokoa amin’ny fianakavianao sy ny namanao (na mpikambana na tsy mpikambana), ary amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Soraty ireo hevitra manokana izay anananao ary manaova zavatra araka izany mandritra ity herinandro ity.

  • Mametraha tanjona ny amin’ny fomba mety hiomananao mba hisorohana ny fifandirana amin’ny misiônera mpiara-mitory aminao amin’ny hoavy.

  • Mitady fomba hanehoana fitiavana amin’ny fianakaviana na namana sy hanompo azy ireo amim-paharetana sy amim-panetrentena.