Institiota
Lesona 4: Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy


4

Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Fampidirana

Ny misiônera mahomby dia mahatakatra “fa rehefa miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny olona iray, ny herin’ ny Fanahy Masina dia mitondra izany hankany am-pon’ ny zanak’ olombelona” (2 Nefia 33:1). Raha avy amin’ny tenany manokana dia tsy afa-mitondra ireo fitahiana avy amin’ny fanana fijoroana ho vavolombelona sy ny fiovampo amin’ny olona hafa ireo misiônera, na manao ahoana na manao ahoana ny fahaizany sy ny traikefany. Ny Fanahy Masina ihany no hany afaka mitondra ny tena fiovampo. Rehefa mahatspa ny Fanahy miasa ao aminy ny naman’ny Fiangonana, na rehefa mahita ny porofon’ny fitiavan’ny Tompo sy ny famindrampony eo amin’ny fiainany izy ireo, dia mahazo hery sy mafy orina ara-panahy, mitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy, ary ho mora kokoa ny fiovampony.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Hazavao amin’ny mpianatra fa indray mandeha ny Filoha Brigham Young dia niresaka momba ny fiovampony tamin’ny filazantsara sy momba ilay misiônera nanampy azy hahazo fijoroana ho vavolombelona. Dia asehoy ilay horonantsary “A Man without Eloquence” (6:06). Asao ireo mpianatra mba hifantoka amin’ny fomba nitaoman’ny Fanahy ny Filoha Brigham Young sy ny nanampiany azy hiova fo.

Aorian’ny fijerena ilay horonantsary dia apetraho ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no nahafahan’ny fihainoana an’ilay lehilahy tsotra izay nizara ny fijoroany ho vavolombelona nanampy an’i Brigham Young ho lasa tena niova fo marina?

  • Avy amin’ny zavatra niainan’i Brigham Young, dia inona ireo fitsipika izay nianaranao mikasika ny hoe mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy? (Mety hahita ireto fitsipika ireto ny mpianatra: Mety hitarika fiovampo ho an’ny hafa ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy; rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika, dia tsy maintsy mahitsy fo sy miteny avy amin’ny fo; tsy maintsy manetry tena isika [jereo ny F&F 136:33].)

Omeo fotoana ireo mpianatra mba handalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14; 50:13–14 sy 17–23, ka hitady ireo toromarika nomen’ny Tompo ho an’ireo izay mampianatra ny filazantsarany. Manontania avy eo hoe:

  • Fitsipika inona momba ny fampianarana ny filazantsara no omena ao amin’ireo fanambarana ireo? (Ireto misy valiny marina maromaro izay mety homen’ny mpianatra. Mety hahitana izao fitsipika manaraka izao ireo valinteny: Nandidy ny Tompo fa ny filazantsara dia natao ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy ary tsy misy fomba hafa ankoatra izany.)

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22, inona no mitranga rehefa mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ny misiônera iray? (“Mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly” ilay misiônera sy ilay naman’ny Fiangonana. Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa eo ihany ny Fanahy Masina ary tsapan’ilay mpampianatra na ilay mpianatra na izy roa vao mitranga ny hoe mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe .)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy voatery amin’ny alalan’ny fihetsehampo sy ranomaso foana no isehoan’ny fanatrehan’ny Fanahy. Raha ilaina izany dia vakio amin’ny mpianatra izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha Howard W. Hunter:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Mamelà ahy ianareo hanolotra teny fampitandremana mikasika ity lohahevitra ity. … Lasa miahiahy aho rehefa ampitoviana amin’ny fanatrehan’ny Fanahy ny fisehoan’ny fientanam-po mahery vaika na ny fitomaniana be. Marina fa afaka mitondra fahatsapana mahery vaika ny Fanahin’ny Tompo, isan’izany ny ranomaso, kanefa izany fisehoana ivelany izany dia tsy tokony hafangaro amin’ny fanatrehan’ny Fanahy mivantana.

“Efa nijery ny marobe tamin’ireo rahalahiko aho nandritra ny taona maro ary efa nizara traikefa ara-panahy sasany izay tsy dia fahita sy tsy hay lazaina niaraka tamin’izy ireo. Samihafa avokoa ireo traikefa ireo, samy manana ny mampiavaka azy amin’ny fombany avy, ary ny fotoana saro-pady toy izany dia mety ho arahin’ny ranomaso na tsia. Matetika tokoa izany dia arahin’ny ranomaso, saingy indraindray izany dia arahina fahanginana tanteraka. Amin’ny fotoana hafa izany dia arahin’ny fifaliana. Arahin’ny fanehoana lehibe ny fahamarinana sy ny fanambarana mankany amin’ny fo foana izany” (“Eternal Investments” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra filazantsara an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana 10 feb 1989], 3; si.lds.org).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mitaona ireo mpampianatra sy mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto na zarao amin’ny mpianatra amin’ny taratasy fizara izany. (Fanamarihana: ny andinin-tsoratra masina ihany no omena ny mpianatra. Ireo fampahafantarana anaty fononteny dia natao ho an’ny mpampianatra):

Tendreo handalina tsiroadroa ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba hitady ireo fomba mety hitaoman’ny Fanahy Masina ny mpampianatra ny filazantsara iray ary ilay mpianatra iray hafa mba hitady ireo fomba mety hitaoman’ny Fanahy Masina ny olona iray izay ampianarina. Avy eo dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay nianarany. Rehefa samy nahazo fotoana ampy hifanakalozana hevitra momba ny zavatra nianarany ny ekipa tsirairay, dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hamakafaka bebe kokoa ny zavatra izay vakiny:

  • Araka ireo andininy izay nohalalininao, dia inona avy ireo fomba sasany izay itaoman’ny Fanahy ireo mpampianatra? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao anontaniana azy ireo ny andinin-tsoratra masina nahitany ny valinteniny)

  • Amin’ny fomba ahoana no itaoman’ny Fanahy ny hafa mba hiova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no anehoan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny antony maha-manan-danja ho an’ny misiônera ny mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

Manasa ny Fanahy rehefa mampianatra

Lazao ny kilasinao fa ny Torio ny Filazantsarako dia ahitana fizarana maromaro izay manazava ny hoe inona no azon’ny misiônera atao mba hanasana ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampianatra izy ireo. Zarao ho vondrona kely misy mpianatra tsy mihoatra ny efatra ny kilasinao. Tendreo handalina ny iray amin’ireto fizarana ao amin’ny Torio ny Filazantsarako manaraka ireto ny vondrona tsirairay:

  1. “Ahoana no fomba hanombohana ny Fampianarana,” pejy 210–12 (tsy tafiditra amin’izany ilay faritra misy Asa Atao)

  2. “Ataovy Mifanaraka amin’izay ilaina ny Fampianaranao,” pejy 212–13 (tsy tafiditra amin’izany ireo faritra misy Asa Atao sy Fandalinana Soratra Masina)

  3. “Mampianatra mba hitondra fahatakarana,” pejy 217–18 (tsy tafiditra amin’izany ilay faritra misy Fandalinana Soratra Masina)

  4. “Miahinoa,” pejy 221–22 (tsy tafiditra amin’izany ilay faritra misy Asa Atao)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto torolalana manaraka ireto mba hahafantaran’ireo vondrona ny zavatra tokony hataony:

Vakio ilay fizarana ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay nomena anao.

Ifanakalozy hevitra ao amin’ireo vondrona ireo fitsipika novakinao izay hahatonga ireo misiônera ho mpampianatra mahomby kokoa sy hanana ny Fanahy rehefa mampianatra.

Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpianatra iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay mba hamintina ny fomba mety handraisan’ny fahaiza-manao izay novakiny anjara amin’ny fahafahan’ny misiônera iray hampianatra miaraka amin’ny Fanahy Masina. Manendre mpianatra iray hamintina ireo hevitra manan-danja eny amin’ny solaitrabe. Eo am-pamintinan’ireo vondrona ny heviny dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no anasan’ny fanombohana ny lesona amin’ny fomba tokony hanombohana izany Fanahy Masina hiaraka amin’ny fampianarana ilay lesona?

  • Ahoana no ahafahan’ny fitazonana ilay hafatry ny filazantsara ho tsotra manasa ny Fanahy Masina hampianatra sy hanamafy orina ny naman’ny Fiangonana?

  • Amin’ny fomba ahoana no anasan’ny fitazonana ny lesona mba hifantoka amin’ny zavatra ilain’ny naman’ny Fiangonana ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fihainoana ny zavatra izay lazain’ny naman’ny Fiangonana mandray anjara amin’ny fahafahan’ny misiônera iray mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

Mba hanampiana ny mpianatra hahita hoe tahaka ny ahoana ny sasany amin’ireo fahaiza-mampianatra etsy ambony dia asehoy ny horonantsary “Teach People, Not Lessons: Jynx” (6:34). Amporisiho ireo mpianatra mba hitady porofo manambara fa nampianatra tamin’ny alalan’ny Fanahy ireo misiônera. Mety hijery manokana ny fomba nampiasan’ireo misiônera ireo fahaiza-manao nianaran’ny mpianatra tao amin’ny Torio ny Filazantsarako sy ny fomba nanasan’ny fampiasana ireo fahaiza-manao ireo ny Fanahy ho ao amin’ny fampianaran’ny misiônera ireo mpianatra.

Aorian’ny fijerena ilay horonantsary dia ifanakalozy hevitra ireto manaraka ireto:

  • Inona no nataon’ireo misiônera tao amin’ny fampianarany izay nanome fahafahana azy ireo hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

  • Inona no porofo hitanao fa nianatra tamin’ny alalan’ny Fanahy i Jynx?

Mialoha ny anohizana, dia omeo fotoana ny mpianatra mba hanoratra valiny iray ho an’izao fanontaniana manaraka izao:

  • Ahoana no hampiharanao ireo fitsipika izay noresahintsika hatreto tato amin’ity lesona ity?

Manampy ny naman’ny Fiangonana hamantatra ny Fanahy

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny fizarana hoe “Ny herin’ny Fanahy eo amin’ny Fiovam-po” ao amin’ny pejy 109–10 amin’ny Torio ny Filazantsarako (tsy tafiditra amin’izany ilay faritra misy Asa Atao sy Fandalinana Soratra Masina). Asaivo manaraka ny vakiteny ny ambin’ny kilasy ka hanisy marika ireo andian-teny izay manoritsoritra ny zavatra tsy maintsy tsapan’ny naman’ny Fiangonana mba hampisy ny fiovam-po. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no ilaina ho tsapan’ireo naman’ny Fiangonana mba hampisy ny fiovampo? (Alaivo antoka ny hahitan’ireo mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka mahatsapa ny Fanahy miasa miaraka aminy ny naman’ny Fiangonana, dia ho mora kokoa ny hiovany fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.)

  • Ahoana no hilazanao fa mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny naman’ny Fiangonana? (Ny mety ho valiny: mahatsapa ny Fanahy Masina ireo misiônera; mahazo aina hametraka fanontaniana sy te hianatra bebe kokoa ary vonona ny hanao sy hitandrina ireo fanoloran-tena ilay naman’ny Fiangonana; misy ny fahatakarana sy ny fahatsapana fifaliana ary ny fanakaikezana an’ Andriamanitra; ary misy finamanana mafy kokoa amin’ilay misiônera sy ilay naman’ny Fiangonana.)

  • Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard hoe: “Manaraka ho azy ny traikefa miaraka amin’ny Fanahy rehefa vonona hanandrana ny teny ny olona iray” (“Now Is the Time,” Ensign, nôv. 2000, 75). Inona no azon’ny misiônera atao mba hamporisihana ny naman’ny Fiangonana hanandrana ny teny?

Hazavao amin’ny mpianatra fa iray amin’ireo andraikitra hanahirana azy ireo amin’ny maha-misiônera dia ny manampy ireo naman’ny Fiangonana hamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina ary avy eo manampy azy ireo hanao zavatra araka izany eritreritra sy fahatsapana izany. Amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina ny misiônera dia afaka mahafantatra ny hoe inona avy ireo bitsika izay tokony ho azon’ny naman’ny Fiangonana mba hahatonga azy hiova fo, ary afaka manamora ny toe-javatra izay mety hisehoan’izany bitsika izany izy ireo.

Mba hanehoana ny fomba mety hanaovana izany dia asehoy ny horonantsary “Teaching about the Holy Ghost and Prayer: John” (5:00). Asao ny iray kilasy mba hitady ny fomba nanampian’ireo misiônera an’i John mba hianatra mamantatra ny Fanahy.

Aorian’ilay horonantsary dia apetraho ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no nanampian’ireo misiônera an’i John mba hamantatra ny Fanahy?

  • Inona no nataon’ireo misiônera mba hanampiana an’i John hahafantatra ny fomba hahazoana valim-bavaka avy amin’ny Tompo?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12, ary avy eo dia asao mifanakalo hevitra tsiroaroa momba izao fanontaniana manaraka izao izy ireo:

Manao zavatra araka ny bitsiky ny Fanahy

Asehoy izao manaraka izao, ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Tsy hoe zavatra tsy manan-danja ny fifandraisana amin’ny Ray any an-danitra. Tombontsoa masina izany. Mifototra amin’ ny fitsipika mandrakizay ary tsy miova izany. Mahazo fanampiana avy amin’ ny Raintsika any an-danitra isika ho valin’ ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ary ny fampiasantsika araka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy” (Richard G. Scott, “Ahoana no Fomba Ahafahana Mahazo Fanambarana sy Fanentanam-panahy ho an’ ny Fiainanao Manokana ,” Ensign na Liahona, mey 2012, 47).

Manontania avy eo hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra ho lasa tsy manan-danja? Inona no azontsika atao mba hitazonana ireo vavaka ataontsika ho misy dikany?

  • Midika inona aminao ny hoe “mahazo fanampiana avy amin’ ny Raintsika any An-danitra isika ho valin’ ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ary ny fampiasantsika araka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy”? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia mety hanome valinteny tahaka ireto manaraka ireto izy ireo: Mahazo fanampiana avy amin’ ny Raintsika any An-danitra isika rehefa mifantoka amin’ny fampitomboana ny finoantsika sy ny fankatoavantsika ary ny fampiasantsika araka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra an’io fitsipika io dia asehoy ireto teny nambara anankiroa ireto, izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy azy ireo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Miteny moramora io feo izay an’ny Fanahy io, mibitsika aminao ny zavatra tokony hatao na tokony ho tenenina, na mety hampitandrina anao izany.

“Aza raharahiana na aza ankatoavina ireo bitsika ireo dia hiala aminao ny Fanahy. Safidinao izany—fahafahanao misafidy” (“Personal Revelation: The Gift, the Test, and the Promise,” Ensign, nôv. 1994, 60).

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny Fanahy dia tsy misarika ny saintsika amin’ny alalan’ny hikiaka na amin’ny alalan’ny famehezana mafy ny tanantsika. Fa mibitsibitsika kosa. Manafosafo moramora izany ka raha variana isika dia mety tsy hahatsapa izany mihitsy. …

“Indraindray Izy dia hanery mafy antsika mba hahafahantsika mitandrina. Fa mazàna, rehefa tsy mitandrina ilay feo malefaka isika dia hiala ny Fanahy ary hiandry antsika ambara-pahatonga antsika hanatona hitady sy hihaino” (“The Candle of the Lord,” Ensign, jan. 1983, 53).

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo fampianaran’ny Filoha Packer ireo?

  • Satria miteny moramora ny Fanahy Masina, inona avy ireo karazan-javatra mety hanasarotra ny fihainoana sy ny fahafantarana ny Fanahy amin’izao tontolo misy antsika amin’izao fotoana izao?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia ifanakalozy hevitra ny hoe ahoana no mety hanasarotra ny fahafantarana ny Fanahy ny fampiasana be loatra ny fitaovana elektrônika? (Ho fampahalalana bebe kokoa momba io lohahevitra io, dia jereo ny Loholona M. Russell Ballard, “Mitonia, ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” [fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 4 mey 2014].)

Avy eo dia vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Tena ilaina ny fanetrentena amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny hoe manetry tena dia azo ampianarina. Ny fanetrentena dia manome fahafahana anao ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy sy ho ampianarina avy amin’ireo loharano avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra, tahaka ny soratra masina. Eo amin’ny tany lemaky ny fanetrentena no mitsimoka sy maniry ny voan’ny fivoarana sy ny fahatakaran’ny tena manokana. Fahalalana ara-panahy hitarika anao eto sy amin’ny hoavy no vokany.

“Tsy afaka mahafantatra ireo zavatry ny Fanahy ny olona iray miavonavona. Nampianatra izao fahamarinana izao i Paoly nanao hoe:

“‘Tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany. …

“‘Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany’ (1 Kor. 2:11, 14)” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, nôv. 1993, 87).

  • Inona no anjara asan’ny fanetrentena amin’ny fahafahantsika mandray sy mamantatra ireo bitsiky ny Fanahy?

  • Efa nisy fotoana ve ianao notarihin’ny Fanahy? Toy ny ahoana no fahatsapanao izany? Ahoana no nahafantaranao fa ny Fanahy izany? (Jereo ny Môrônia 7:13.)

Raha mbola ampy ny fotoana dia zarao ho vondrona roa ny mpianatrao. Hazavao amin’ny mpianatrao fa hijery toe-javatra roa ao amin’ny soratra masina izay ho halalinina izy ireo mba hahitana ny fomba itarihan’ny Fanahin’ny Tompo ny asan’ireo mpanompony. Asaivo vakin’ny antsasaky ny kilasy ny Asan’ny Apostoly 4:5–13. Lazao amin’io antsasaky ny kilasy io fa ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3 i Petera sy i Jaona dia nanasitrana lehilahy iray. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4 izy ireo dia nosamborina ka nentina teo anatrehan’ny mpitarika Jiosy mba hatao famotorana mikasika ilay fanasitranana. Asaivo vakin’ny antsasaky ny kilasy iray hafa ny Asan’ny Apostoly 16:6–15. Lazao io antsasaky ny kilasy io fa ireo andininy ireo dia mikasika an’i Paoly nandritra ny iray tamin’ireo dia fitoriana ny filazantsara nataony. Asaivo mitady ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’i Petera sy i Paoly hitory ny filazantsara ireo antsasaky ny kilasy anankiroa. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia angataho izy ireo hilaza ny fomba nitarihan’ny Fanahy Masina an’i Petera sy i Paoly. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no nampiasan’i Petera sy i Paoly ny fahafahany misafidy mba hanaraka ny fitarihana avy amin’ny Fanahy?

  • Inona no porofo manambara fa nanaraka ny Fanahy i Petera sy i Paoly?

  • Inona no zava-nitranga manokana tamin’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4 sy tamin’i Paoly ao amin’ny Asan’i Apostoly 16 noho ny fanarahan’izy ireo ny fitarihan’ny Fanahy?

  • Ahoana no efa nitahiana anao tamin’ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

Farano ny lesona amin’ny fanasana ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo tamin’ny alalan’ny Fanahiny. Asao izy ireo hieritreritra ny hoe amin’ny fomba ahoana ny fianarana bebe kokoa mikasika ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy no efa nisy fiantraikany teo amin’ny faniriany hanasa ny hafa ho amin’i Kristy. Omeo toky izy ireo fa rehefa mikatsaka ny Fanahy izy ireo amin’ny fiainany, dia hitombo ny fahafahany mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy.

Fanasana mba hanao asa

Asao ny mpianatra mba hiomana hampianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy amin’ny fanatanterahana ny iray na mihoatra amin’ireto asa atolotra hatao ireto:

  • Mijery sombin-tantara vitsivitsy ao amin’ny The District (hita ao amin’ny LDS.org) eo am-panomananao hanao asa fitoriana.

  • Mizatra amin’ny fampiasana ireo fomba hanombohana ny fampianarana lesona iray amin’ny alalan’ny fampiasana ny vitsivitsy amin’ireo andian-teny mahery vaika izay manasa ny Fanahy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 211.

  • Misaintsaina ary mivavaka ny amin’ny olona iray izay tianao ho hamafisina orina ao amin’ny filazantsara. Mivavaka mikasika ny hafatra momba ny filazantsara iray izay mety hozarainao amin’io olona io. Zarao amin’ilay olona ilay hafatra sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao, na mifanatrika mivantana aminy izany na amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana.