Institiota
Lesona 12: Mitady olona hampianarina


12

Mitady olona hampianarina

Fampidirana

Tsy afaka mizara ny filazantsara ny misiônera raha tsy mahita olona hampianarina. Mitaky finoana ny fitadiavana olona—finoana mba hiresahana amin’ny olona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, finoana hitadiavana ireo fahafahana mampianatra, ary finoana fa hitarika azy ireo amin’ny olona izay vonona hihaino Andriamanitra. Ny fomba tena mahomby hahitana olona hampianarina dia amin’ny alalan’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra, anisan’izany ireo misiônera miomana hanao hanao asa fitoriana, dia manana andraikitra hanampy amin’ny fitadiavana ireo olona izay efa vonona ny handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Afaka miomana ho amin’ny asa fanompoana amin’ny fotoana feno ny zatovo ankehitriny amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, na mivantana na amin’ny alalan’ny internet.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Mampitombo ny finoana hahita olona hampianarina

Hazavao fa ny Filoha Wilford Woodruff dia nanao asa fitoriana tany Angletera taoriana kelin’ny nanendrena azy ho Apôstôly. Asehoy ary asao ireo mpianatra hifandimby hamaky mafy izao tantara manaraka izao mba hampidirana ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fanampian’ny Tompo amin’ny fitadiavana olona hampianarina. Asaivo mitady ny zavatra nataon’ny Loholona Woodruff ny mpianatra mba hitadiavana olona hampianarina:

Sary
Ny filoha Wilford Woodruff

“Nikatsaka ny Tompo tamim-bavaka ny Loholona Woodruff … , nangataka ny toerana tokony halehany. Hoy izy nitantara: ‘Noho ny finoako fa tombontsoa sy andraikitra ho ahy ny mahafantatra ny sitrapon’ny Tompo momba io zavatra io, dia nangataka tamin’ny Raiko any An-danitra aho noho izany tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba hampianatra ahy ny sitrapony amin’io zavatra io, ary rehefa nangataka aho dia nanome ahy sy nanoro ahy ny Tompo fa sitrapony ny tokony handehanako avy hatrany tany atsimon’i Angletera. Niresaka momba an’io zavatra io tamin’ny rahalahy William Benbow aho, izay efa nipetraka tao Herefordshire sy nanana namana izay mbola nipetraka tao ary naniry mafy ny hitsidihako izany faritany izany, ary nanolo-tena an-tsitrapo ny hanaraka ahy ho ao amin’ny tranon’ny rahalahiny sy handoa ny saran-dalako [izy], izay nekeko avy hatrany.’

“Tamin’ny 4 martsa 1840 ny Loholona Woodruff sy i William Benbow dia tonga tao an-tranon’i John, rahalahin’i William. ‘Tao anatin’ny ora iray taorian’ny nahatongavanay tao an-tranony,’ hoy ny Filoha Woodruff, ‘dia fantatro ny antony nanirahan’ny Tompo ahy hankeo. … Nahita andian’olona, lahy sy vavy aho, tokony ho eninjato, izay niara-nivondrona tamin’ny anarana hoe Mpirahalahy Mitambatra, izay nikatsaka ny filaminan’ny zavatra taloha. Nitady ilay Filazantsara araka ny nampianarin’ireo mpaminany sy ny apôstôly izy ireo, tahaka ny nataoko tamin’ny fahatanorako.’

“Tamin’ny alalan’ny fandalinana am-pahazotoana ny Baiboly dia nanomana ny tenany hanaiky ny filazantsara naverina amin’ny laoniny i John Benbow sy ny fianakaviany ary ireo namany.

“Vetivety dia nanaiky ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny fianakaviana Benbow ‘rehefa avy nanana ny fahafahana mahafinaritra ny nahita an’ny rahalahy John Benbow, sy ny ankohonany iray manontolo … natao batisa ho ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay.’ Nijanona tao amin’ilay faritra nandritra ny valo volana teo ho eo ny Loholona Woodruff. Nitantara izy taty aoriana hoe: ‘Ny telopolo andro voalohany taorian’ny nahatongavako tao Herefordshire dia nanao batisa mpitory miisa dimy amby efapolo aho ary mpikambana an-jatony maro. … Nitondra olona roa arivo izahay tao anatin’ny valo volana niasana teo ho eo.’

“Raha niresaka io zavatra niainany io ny Filoha Woodruff dia nanoratra hoe: ‘Ny tantara manontolo an’ity asa fitoriana natao tany Herefordshire ity dia maneho ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ilay feo tony sy malefaka an’ Andriamanitra ary ireo fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina. Manana vahoaka tao ny Tompo izay vonona ho an’ny Filazantsara. Nivavaka izy ireo mba hahazo fahazavana sy fahamarinana, ary ny Tompo dia naniraka ahy ho any aminy’” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 90–91).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no nataon’ny Loholona Woodruff mba hahafantarana ny toerana hahitana olona izay vonona ny handray ny filazantsara?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo ny Loholona Woodruff? (Azonao hamafisina amin’ny mpianatra fa tsy hoe nanome aingam-panahy an’ny Loholona Woodruff mba handeha any atsimon’i Angletera fotsiny ny Tompo, fa nanokatra ny lalana ho an’ny Loholona Woodriff koa Izy mba hampianatra tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompin’i John Benbow, izay nisy olona an-jatony maro efa vonona ny handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.)

  • Fitsipika inona momba ny fitadiavana olona hampianarina no hita ao amin’ny tantaran’ny Loholona Woodruff? (Azo fintinina amin’ny fanoratana izao manaraka izao ny valintenin’ireo mpianatra: Afaka manampy antsika ny Tompo hahita ireo olona izay efa vonona hanaiky ny filazantsara raha toa ka mivavaka isika mba hahazo fanampiana, mihaino ny Fanahy ary manao zavatra am-pinoana.)

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny ao amin’ny pejy 185 amin’ny Torio ny Filazantsarako, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana voalohany eo ambanin’ny lohateny hoe “Fampitomboana ny Finoana mba hahitana Olona.” Manontania avy eo hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana hoe “ny Tompo dia manomana olona handray anao sy ny filazantsara naverina amin’ny laoniny” no misarika anao hanao asa fitoriana?

Asao ireo mpianatra hamaky ny andalana manaraka ao amin’ny pejy 185 amin’ny Torio ny Filazantsarako, eo ambanin’ny lohateny kely hoe “Ny Fianakavian’ Andriamanitra.” Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no fiantraikan’ilay fotopampianarana hoe ny olona rehetra dia anisan’ny fianakavian’ Andriamanitra amin’ny fahatsapanao momba ny fitadiavana olona hampianarina?

  • Ao amin’ilay teny ao amin’ny Almà 31:34–35, dia inona no nivavahan’i Almà rehefa niomana hitory tamin’ny Zôramita izy?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny vavaka nataon’i Almà?

Asehoy ny horonantsary “Developing the Faith to Find” (2:55), ka asao ireo mpianatra mba hitady ireo hevitra momba ny fitadiavana olona hampianarina. Amporisiho ireo mpianatra handray naoty ny zavatra ianarany.

Anontanio hoe:

  • Inona avy ireo hevitra momba ny fitadiavana olona hampianarina izay nomen’ireo misiônera ao amin’io horonantsary io? (Mety hanome valim-panontaniana tahaka ireto manaraka ireto ny mpianatra: Ny misiônera dia tokony hivavaka mba hanana fahafana mahita olona, ho tia ny hafa sy hahita azy ireo tahaka ny fahitan’ Andriamanitra azy, ary hahatsiaro fa ny Tompo dia manomana ny zanany handray ny filazantsara sy mitarika ireo misiônerany mba hahita azy ireny. Satria tia ny zanany Andriamanitra, dia tiany hanana ny fahafahana hihaino sy hanaiky ny filazantsara ny olona rehetra.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny manao zavatra araka ny fahatsapana rehefa manatona ny hafa ka manasa azy ireo mba hianatra momba ny filazantsara?

Asao ireo mpianatra hamaky ny andalana telo ao amin’ny fizarana kely mitondra ny lohateny hoe “Tadiavo Ireo Izay Handray Anareo” ao amin’ny pejy 186 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo fanamby sasany izay mety hatrehintsika rehefa mitady olona mba hampianarina? (Matetika isika dia tsy mahafantatra ny hoe iza no vonona handray ny filazantsara. Mety tsy tonga dia fantatry ny olona avy hatrany isika hoe mpanompon’ny Tompo. Mety tsy tsapany hoe mitady ny filazantsara naverina amin’ny laoniny izy ireo.)

  • Ahoana no hanampian’ny Tompo antsika amin’ny fitadiavana olona hampianarina? (Nandefa ny Fanahy Masina Izy mba hitarika antsika.)

  • Inona araka ny eritreritrao no hampanaovin’ny Tompo ny misiônera rehefa tsy mahita vokany vetivety amin’ny ezaka izay ataony amin’ny fitadiavana olona hampianarina izy ireo?

Raha misy mpianatra ao amin’ny kilasy izay olona niova fo tamin’ny Fiangonana, dia asao ny iray na mihoatra amin’izy ireo mba hizara ny fomba nahitany ny Fiangonana sy ny fomba nahafantarany fa ireo misiônera dia nampianatra azy ireo ny fahamarinana. Raha tsy misy olona niova fo ao amin’ny kilasy, dia asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray niova fo ao amin’ny fianakaviany na ao amin’ny paroasy misy azy izay fantatr’izy ireo tsara. Asao izy ireo hizara ny fomba naneken’izany olona izany ny filazantsara.

Ny maha-zava-dehibe ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy :

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Izao no fotoana tokony hiarahan’ireo mpikambana sy ireo mpitory ny filazantsara mifanome tanana, miara-miasa, miasa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo mba hitondrana fanahy ho eo Aminy. Efa nomaniny ireo fitaovana ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’ny fomba maro, ary hanampy antsika Izy eo amin’ny asa ataontsika raha miasa amim-pinoana isika mba hanatanterahana ny Asany” (“Faith in the Work of Salvation” [lahateny natao nandritra ny fampitana ho an’ny mpitarika maneran-tany momba ny Asan’ny Famonjena, 23 jona 2013]).

Azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto amin’ny mpianatra:

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa nanasa antsika mba handray anjara amin’ny asa fitoriana ny mpaminanin’ Andriamanitra iray? (Mety hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81 ianao, izay manamafy ny zavatra andrasan’ny Tompo amin’ireo izay nandray ny filazantsara.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny Filoha Monson no nilaza hoe “izao no fotoana” hiarahan’ny mpikambana sy ny mpitory miasa?

Asao ireo mpianatra mba hijery ao amin’ny pejy 191 amin’ny Torio ny Filazantsarako, ary manasà mpianatra telo hifandimby hamaky mafy ny andalana telo voalohany eo ambanin’ny lohateny hoe “Ny maha-zava-dehibe ny mpikambana.” Manontania avy eo hoe:

  • Inona no mety ho vokatra azo rehefa miara-miasa mba hitory ny filazantsara ny mpikambana sy ny misiônera ? (Mety hahitana izao fitsipika izao ny valintenin’ny mpianatra: Rehefa manasa ny hafa mba ho ampianarina sy manatrika ilay fampianarana ny mpikambana dia hisy olona maro kokoa hatao batisa sy hijanona ho mahatoky ao amin’ny Fiangonana.)

Asehoy ny horonantsary “The Lord of the Harvest: The Adams Family” (4:41), ka asao ny mpianatra mba hifantoka amin’ny zavatra nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanampiana ny fianakaviana Adams handray ireo fitahian’ny filazantsara.

Anontanio hoe:

  • Inona avy ny sasany amin’ireo ezaka izay nitarika tamin’ny fandraisan’ny fianakaviana Adams ireo fitahian’ny filazantsara?

  • Inona araka ny eritreritrao no nanosika ireo mpikambana tao amin’ilay horonantsary mba hizara ny filazantsara tamin’ny fianakaviana Adams?

Asao ireo mpianatra hamaky mafy ireo andalana roa ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Tsy Misy Ezaka Very Maina” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 203. Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Na dia tsy manaiky ny fanasana hianatra ny filazantsara naverina amin’ny laoniny aza ny olona, nahoana no tsy misy very maina ny ezaka hanompo sy hampianatra?

  • Ahoana no hitazonan’ny misiônera fihetsika tsara rehefa misafidy ny tsy hianatra ny filazantsara ny olona?

Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay efa vitany taloha mba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny mpikambana. Asao izy ireo mba hanazava ny zavatra tsapany rehefa niezaka nizara ny filazantsara tamin’ny hafa.

Fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny mpikambana

Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireto soratra masina manaraka ireto, ary avy eo dia asao ny mpianatra tsirairay mba hamaky amim-pahanginana ny iray amin’izany andinin-tsoratra masina izany ka hitady ireo fitahiana nampanantenaina ireo izay misafidy ny handray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.

F&F 18:10, 14–16

F&F 33:6–11

F&F 100:5–6

Rehefa avy namela fotoana kely ho an’ny mpianatra mba hijery ilay andinin-tsoratra masina nosafidiny ianao, dia asao ireo mpianatra mba hanazava ireo andininy izay novakiny ka hizara ny fomba mety hamporisihan’ireo fitahiana nampanantenaina azy ireo amin’ny fitadiavana olona handray ny hafatry ny filazantsara. Entano ny mpianatra rehetra handray anjara amin’ity fifanakalozan-kevitra ity. Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra, eo akaikin’ny soratra masina mifandray amin’izany.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Amin’ny maha-mpikambana izay manao asa fitoriana antsika, dia afaka manomboka hitady olona ho ampianarin’ireo misiônera isika ankehitriny.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahany mandray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny mpikambana, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny nambaran’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao. Asao ireo mpianatra mba hihaino ny torohevitra amin’ny fomba hahazoana fahatokian-tena sy herimpo hanatona ny hafa:

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Ry rahalahy sy anabavy, hiova ho finoana sy fahatokiana ny tahotra rehefa mandohalika mivavaka sy mangataka amin’ny Tompo ireo mpikambana sy ireo misiônera amin’ny fotoana feno mba hanome azy ireo fahafahana mitory ny filazantsara. Avy eo dia tokony hampiasa ny finoantsika isika, sy mitady izay ahafahana mampahafantatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra, ary azo antoka fa ho tonga amintsika tokoa ireo fahafahana ireo. Ny fahafahana mitory ny filazantsara dia tsy mitaky na oviana na oviana vokany an-katerena na sarintsariny. Handeha ho azy izany satria vokatr’ilay fitiavantsika ny rahalahintsika sy anabavintsika. Manana fotsiny fisainana tsara, dia ho tsapan’ireo olona iresahanao ny fitiavanao. Tsy ho hadinon’izy ireo mihitsy izany fahatsapana izany na dia toa tsy mbola io aza no fotoana natao hanekeny ny filazantsara. Izany koa dia mety hiova any aoriana rehefa miova ny toe-javatra iainan’izy ireo.

“Tsy afaka ny tsy hahomby isika raha toa manao izay tsara indrindra vitantsika rehefa manao ny iraky ny Tompo. Raha toa ny vokatra azo dia miankina amin’ny fampiasana ny fahafahana misafidin’ny tena, dia andraikitsika kosa ny fizarana ny filazantsara.

“Matokia ny Tompo. Izy no ilay Mpiandry Tsara. Mahalala ny ondriny Izy, ary ny ondriny mahalala ny feony, ary ankehitriny dia ny feonareo sy ny feoko no feon’ilay Mpiandry Tsara. Ary raha tsy mirotsaka an-tsehatra isika, dia maro ireo olona tokony ho nandre ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny kanefa dia holalovana fotsiny. Raha tsorina dia ny finoantsika sy ny asa ataontsika no mitondra izany. Tsotra ihany ireo fitsipika—mivavaha, mitokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, mba hanana fahafahana hitory ny filazantsara. …

“Tsy voatery ho olona mahay mifandray amin’ny hafa ianareo na mahay mandaha-teny na mpampianatra mahay mandresy lahatra. Raha toa ka manana fitiavana sy fanantenana mitoetra ao anatinareo ianareo, dia nampanantena ny Tompo fa raha toa ianareo ka ‘[manandratra] amin’ity vahoaka ity ny feonareo [sy miteny] ny eritreritra izay hapetra[ny] ao am-ponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan’ny olona ianareo;

“‘[Ary] homena anareo … amin’izany fotoana izany indrindra izay holazainareo’ (F&F 100:5–6)” (“Matokia an’i Jehovah,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 44).

Anontanio hoe:

  • Inona no torohevitra nomen’ny Loholona Ballard izay azon’ny mpikambana atao mba hananana fahatokian-tena bebe kokoa ny hampahafantatra ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fitadiavana olona hampianarina no fanehoana finoana?

Asao ireo mpianatra haka fotoana fohy hijery ao amin’ny lisitry ny “Hevitra ho Fanampiana ireo Mpikambana” ao amin’ny pejy 194 amin’ny Torio ny Filazantsarako ka hitady ireo fomba manokana izay ahafahan’ny mpikambana mandray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Asao ireo mpianatra mba hisafidy hevitra iray na roa izay azony ampiasaina ankehitriny ho fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny mpikambana. Manontania avy eo hoe:

  • Inona amin’ireo hevitra ireo no azonao atao ankehitriny mba hanasana ny hafa hihaino ny hafatry ny filazantsara?

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny mpikamban’ny Fiangonana sasany no misalasala hanatona olona amin’ny fomba izay hita amin’io lisitra io?

Asao ireo mpianatra haka fotoana fohy hanoratana zavatra vitsivitsy izay hataony mba hitadiavana olona ho ampianarin’ireo misiônera. Toroy hevitra ireo mpianatra fa mety hahomby kokoa ny drafiny raha toa ka soratany ireo anaran’ny namana na havana manokana izay tsy mpikambana ka azony izarana ny hafatry ny filazantsara. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy asa toy ny hoe mivavaka tsy tapaka mba hanana fahafahana hitory ny filazantsara, manatona ka miresaka amin’ny hafa momba ny filazantsara, manasa ny hafa mba hihaino ireo lesona ampianarin’ny misiônera, manasa ny hafa hamaky ny Bokin’i Môrmôna, sy ny sisa. Araka ny hitarihan’ny Fanahy anao dia mety hanasa mpianatra vitsivitsy ianao mba hizara ny drafiny amin’ny iray kilasy.

Ampiasao ireo fitaovana rehetra izay nomanin’ Andriamanitra

Asao ireo mpianatra hamaky mafy izao fanambarana nataon’ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao, ary asa ireo mpianatra mba hihaino ny fioavana misy amin’ny dingan’ny fitadiavana olona hampianarina:

Sary
Loholona L. Tom Perry

“Fony aho mbola misiônera tanora dia afaka niresaka tamin’ny olona eny an-dalana sy nandondona varavarana izay hizarana ny filazantsara. Efa niova izao tontolo izao taorian’izany fotoana izany. Ankehitriny ny olona dia efa sahirana amin’izay zavatra manahirana azy amin’ny fiainany. Maika etsy sy eroa izy ireo, ary matetika tsy dia te hamela olona tsy fantatra mihitsy hiditra ny tranony, olona tsy nasaina, ka hizara ny hafatry ny filazantsara naverina amin’ny laoniny. Ny tena fomba hifaneraserany amin’ny hafa, na amin’ireo namany akaiky aza, dia amin’ny alalan’ny Internet. Tsy maintsy miova noho izany ny tena maha-asa fitoriana ny asa fitoriana ny filazantsara raha te hanatanteraka ny asa fanangonany an’i Isiraely ‘avy amin’ny vazan-tany efatra’ ny Tompo [2 Nefia 21:12]. Mahazo lalana izao ny misiônera hampiasa ny Internet amin’ny asa fitoriana izay ataon’izy ireo. …

“Satria miditra amin’izao vaninandro vaovao izao ny misiônera, hampiasany solosaina amin’ny asan’ny Tompo, dia manasa ny zatovo sy ny antitra, ny olon-dehibe, ny tanora ary ireo ankizy izahay na aiza na aiza mba hiaraka aminay … hizara ny hafatry ny filazantsara en ligne. …

“Tahaka ireo misiônera izay tsy maintsy mifanaraka amin’ny tontolo izay mihatra fiovana, ny mpikambana koa dia tsy mainsty manova ny fomba fijeriny ny asa fitoriana ny filazantsara. Rehefa milaza izany aho, dia tiako hazavaina fa tsy niova ny zavatra takiana hataontsika mpikambana, fa ny fomba hanatanterahana ny andraikitsika ny hizara ny filazantsara no tsy maintsy ampifanarahana amin’ny tontolo izay mandalo fiovana” (“Missionary Work in the Digital Age” [lahateny natao tao amin’ny fampitana ho an’ny mpitarika maneran-tany mikasika ny Asan’ny Famonjena, 23 jona 2013]).

Anontanio hoe:

  • Araka ny voalazan’ny loholona Perry, nahoana ny mpikambana sy ny misiônera no tsy maintsy manomboka mampiasa ireo loharano en ligne rehefa mizara ny filazantsara? Inona no tombotsoa azo amin’ny fampiasana ireo loharano ireo?

  • Inona avy ireo fitaovana en ligne na loharano sasany izay azonao ampiasaina mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara sy hanasana ny hafa mba hianatra bebe kokoa?

  • Inona avy ireo fomba voafaritra azonao hampiasana ireo fitaovana ireo mba hizarana ny hafatry ny filazantsara? (Io fifanakalozan-kevitra io dia hanampy ny mpianatra hahafantatra ilay fitsipika hoe: afaka mampiasa ny teknôlojia maoderina ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy mba hizarana amin’ny olona manerana an’izao tontolo izao ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara.)

Asehoy ireto torolalana avy amin’ny LDS.org manaraka ireto, ka asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andalana voalohany. Avy eo dia manasà mpianatra hafa mba hamaky mafy ny lisitr’ireo torolalana momba ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana. Asao ny iray kilasy mba hitady ireo fomba ahafahan’ireo torolalana ireo manampy azy ireo ho tsaratsara kokoa amin’ny fizarana ny filazantsara en ligne.

“Ny tambazotra ifaneraserana dia mety ho hery mitarika mahery vaika ao amin’ny fiainan’ireo izay mampiasa izany. Afaka manolotra fomba hanehoana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy sy manamafy orina ny fifandraisana amin’ny hafa izany. Mamporisika ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana ny Fiangonana rehefa manohana ny asan’ny Fiangonana sy mampitombo ny fifandraisana ary manamora ny fanambarana eo anivon’ireo zanaky ny Ray any An-danitra izany. Entanina ny mpikamban’ny Fiangonana mba ho ohatra tsaran’ny finoany amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, tafiditra amin’izany ny fotoana andraisany anjara amin’ireo resadresaka iombonana amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana. …

Ireto manaraka ireto dia torolalana amin’ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana amin’ny fiainantsika manokana: …

“Aoka ianao hahay manaja rehefa mifanerasera amin’ny olona en ligne. Ireo fampianaran’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mitaky ny hitondrana ny hafa amim-panajana, na inona na inona toe-javatra miseho.

“Lazao ny fijoroana ho vavolombelona ananao manokana momba ny filazantsara naverina amin’ny laoniny, araka ny hitarihan’ny Fanahy. Tokony ho an’ny tena manokana ny hafatra toy izany, aza avela hahatsapa ny olona hoe miresaka ho an’ny Fiangonana ianao, ary aza manangana vondron’olona izay toa misolo tena amin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana na tohanan’ny Fiangonana.

“Aoka ho ohatra tsaran’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy foana rehefa mifanerasera amin’ny hafa ao amin’ny tambazotra ifaneraserana. Ny ohatra tsara asehonao dia mety hitaona ny olona miaraka miasa aminao. Fahendrena ny mitsahatra miara-miasa amin’ireo izay mikatsaka foana ny hisarika ny hafa hihemotra ary indrindra ireo izay mamoaka zavatra tsy mendrika. …

“Mahaiza mandanjalanja rehefa mamoaka zavatra eny amin’ny tranokalan’ny tambazotra ifaneraserana. Tsy misy bokotra hoe ‘mamafa’ eny amin’ny Internet. Afaka mijanona mandritra ny taona maro ireo sary sy ireo zavatra avoaka ary mety hanimba anao izany rehefa mitady asa na miditra hianatra any amin’ny oniversite ianao, na amin’ny fotoana hafa izay mety hijeren’ny hafa ny zavatra navoakanao ampahibemaso tao amin’ny Internet. Ataovy izay hifanarahan’ny fifandraisanao amin’ny fanoloran-tena izay nataonao mba hitondra ny anaran’ny Mpamonjy eo aminao” (“Social Media Helps for Members” (Fanampiana ho an’ny Mpikambana momba ny Tambazotra Ifaneraserana), LDS.org).

Asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny kilasy ny eritreriny momba ny antony maha-zava-dehibe aminy ireo torolalana eo amin’io lisitra io mba ho tsaroany rehefa mizara ny filazantsara en ligne izy ireo.

Raha mbola ampy ny fotoana, dia manasà mpianatra iray haneho ny fomba fizarana rakitsary na fitaovana hafa ao amin’ny LDS.org na mormon.org amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana. Azonao asaina ny mpianatra iray hafa mba haneho ny fomba famoronana profile ao amin’ny mormon.org.

Asehoy ny horonantsary “Sharing Your Beliefs” (2:02) mba hanampiana ny mpianatra hahatoky tena amin’ny fahafahany mampiasa ny teknôlojia mba hizarana ireo zavatra tsapany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara. Mialoha ny hanehoana ilay horonantsary dia amporisiho ireo mpianatra mba hitady ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny olona iray rehefa mampiasa ny teknôlojia mba hizarana ny fahatsapany momba ny filazantsara izy.

Rehefa tapitra ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana no hampitomboan’ny teknôlojia ny ezaka izay ataon’ireo mpikambana maniry ny hizara ny hafatry ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray mba hizara ny fomba mety hampiasany ny teknôlojia mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona izay ananany amin’ny hafa. Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nampianarina tato amin’ny lesona.

Fanasana mba hanao asa

Ampio ireo mpianatra hanomboka dieny izao hitady ireo olona izay efa vonona hihaino ny hafatry ny filazantsara amin’ny fanatanterahana ny iray na mihoatra amin’ireto asa hatolotra atao manaraka ireto:

  • Vitao ireo zavatra voatanisa ao amin’ny asa atao an-tsoratra ato amin’ity lesona ity mba hitadiavana olona ho ampianarin’ny misiônera.

  • Jereo ny lisitr’ireo olona ao amin’ny findainao ka misafidiana mpikambana iray izay malaindaina na tsy mpikambana. Antsoy na andefaso hafatra izany olona izany mba hiaraka aminao ho any am-piangonana amin’ny alahady izao.

  • Tsidiho ny tranonkala mormon.org ka jereo ireo loharano ao amin’ilay tranonkala, toy ny horonantsary, lahatsoratra, ny mombamomban’ny olona izay navoakan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Mizarà horonantsary na lahatsoratra iray na pejy hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana.

  • Mamoròna pejy mirakitra ny mombamoba anao ao amin’ny mormon.org. Zarao amin’ny hafa izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana.

  • Mizarà horonantsarin’ny Hafatra Môrmôna iray sy ny fahatsapanao momba izany.