Institiota
Lesona 14: Mampianatra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy (Tapany 2)


14

Mampianatra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy (Tapany 2)

Fampidirana

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ahitana ireo fotopampianarana, fitsipika, lalàna, fanekempihavanana, ary ôrdonansy mandrakizay izay ilain’ny olombelona hiverenana indray eo anatrehan’ Andriamanitra sy hahazoana ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. Ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Krsity, ny fibebahana, ny batisa asitrika ary ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny misiônera dia manana andraikitra lehibe ny hanasa ny hafa hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ankoatra izany, raha vantany vao lasa mpikamban’ny Fiangonana ireo zanak’ Andriamanitra dia tsy maintsy maharitra hatramin’ny farany amin’ny fanarahana ireo fitsipika sy ôrdônansy hafa ary mijanona ho mpakatò ireo didin’ Andriamanitra izy ireo. Ny misiônera miomana hanao asa fitoriana dia tokony hanana fahatakarana mazava an’ireo fotopampianarana ireo sy vonona ny hanazava izany amin’ny fomba tsotra ary hijoro ho vavolombelona ny amin’izany amin-kery.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny Batisa, Fanekempihavanantsika Voalohany

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fitsipika momba ny batisa dia asehoy ny sarin’i Jaona manao batisa an’i Jesoa, ary asao ny mpianatra mba hamintina ny zavatra izay fantany momba ny batisan’i Jesoa Kristy.

Sary
I Jaona sy i Jesoa ao amin’ny renirano

Manao batisa an’i Jesoa i Jaona

Mety hisafidy ny hijery ny tantaran’ny batisan’ny Mpamonjy ianao ka hanasa mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 3:13–17. Avy eo dia asao ireo mpianatra hitodika amin’ny olona mipetraka eo akaikiny ka hamaly izao fanontaniana izao:

  • Fahamarinana manan-danja inona avy no ampianarina ao amin’ny tantaran’ny batisan’i Jesoa?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto:

Ôrdônansy   Fanekempihavanana

Asao ny antsasaky ny kilasy handalina ireo andalana efatra voalohany ao amin’ny fizarana “Ny Batisa, Fanekempihavanantsika Voalohany” ao amin’ny pejy 74 amin’ny Torio ny Filazantsarako, sady hitady ireo fomba hanazavana ny teny hoe ôrdônansy. Asao ny antsasany hafa handalina izany fizarana izany ihany koa sady hitady ireo fomba hanazavana ny teny hoe fanekempihavanana.

Rehefa nahazo fotoana ampy handalinana ny mpianatra dia mangataha mpianatra nanolo-tena mba hanome famaritana ny teny hoe ôrdônansy sy ny hoe fanekempihavanana. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no ifandraisan’ny teny hoe ôrdônansy sy fanekempihavanana amin’ny batisa? (Ampio ireo mpianatra hahita izao fahamarinana izao: Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa isika dia manao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra.)

Asaivo mifantoka amin’ny andalana fahefatra ao amin’ny fizarana “Ny Batisa, Fanekempihavanantsika Voalohany” ireo mpianatra:

  • Rehefa mandray ny ôrdônansin’ny batisa isika dia inona no fifanekana ataontsika? (Rehefa vita batisa isika, dia manao fifanekena masina ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny. Raha tsapanao fa mila fampahalalana fanampiny mikasika io hevitra io ny mpianatra dia azonao atao ny maka minitra vitsy miaraka aminy handinihana ny Fotopampianarana sy Fanekempohavanana 20:37.)

Azonao ampiana hahatakatra tsaratsara kokoa ny fanekempihavanan’ny batisany ny mpianatra amin’ny fanehoana izao teny nambaran’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Amin’ny batisa isika dia manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra fa vonona ny hiditra ao amin’ny fanjakany ka hitandrina ny didiny manomboka amin’izany fotoana izany, na dia mbola miaina eto amin’izao tontolo izao aza. Ampatsiahivina isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny batisantsika dia fanekempihavanana ny ‘hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra [sy ny Fanjakany] amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra izay mety hisy anareo na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voavotr’ Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay’ [Môsià 18:9; nampiana fanamafisana].

“Rehefa takatsika ny fanekempihavanan’ny batisantsika sy ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia hanova ny fiainantsika sy hanorina ny fanoloran-tenantsika tanteraka ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra izany. Rehefa tonga amintsika ny fakampanahy, dia hampahatsiahy antsika ny Fanahy Masina, raha toa ka hihaino isika, fa nampanantena ny hahatsiaro ny Mpamonjintsika sy hankatò ny didin’ Andriamanitra isika” (“The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, nôv. 2000, 7).

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe “hanorina ny fanoloran-tenantsika tanteraka ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra”?

  • Amin’ny fomba ahoana ny batisa no mety hanova ny fiainan’ny olona iray?

Asao ireo mpianatra hamaky ireo andalana sisa momba ny batisa ao amin’ny pejy 75 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao izy ireo hitady sy hanamarika ireo lafiny hafa amin’ny fotopampianaran’ny batisa izay mety ho manan-danja ny hizarana izany amin’ny naman’ny Fiangonana. Omeo fotona fohy izy ireo hanatanterahana ity asao atao ity, ary avy eo dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra hitany. Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka fanontaniana ho fanaraha-maso tahaka ireto manaraka ireto:

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe amin’ny naman’ny Fiangonana iray ny mahatakatra ireo fotopampianarana ireo?

  • Inona no ifandraisan’ny fanekempihavanan’ny batisa amin’ireo fitsipiky ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana, izay noresahintsika tamin’ny lesona farany?

  • Nahoana ny fanitrihana no ampahany manan-danja amin’ny ôrdônansin’ny batisa? (Tandindon’ny fahafatesana sy ny fandevenana an’i Jesoa Kristy ary ny Fitsanganany tamin’ny maty izany. Tandidon’ny fiafaran’ny fianantsika taloha ary ny fahaterahantsika indray amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika ihany koa izany. [jereo ny Romana 6:3–6].)

Hazavao fa zava-dehibe ny hiomanan’ny naman’ny Fiangonana araka ny tokony ho izy amin’ny batisa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Avy eo dia asao ireo mpianatra hitodika amin’ny mpianatra iray hafa ka hifanakalo hevitra momba izao manaraka izao:

  • Ahoana no mety hanampian’io andininy io anao hamaritra ny fotoana maha-vonona ny naman’ny Fiangonanany hatao batisa? (Raha manana fahasarotana ireo mpianatra amin’ny famaliana io fanontainana io dia asaivo mijery amin’ny faritra mitondra ny lohateny hoe “Alohan’ny Batisa” izy ireo eo ambany amin’ny pejy 75 amin’ny Torio ny Filazantsarako.)

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe “manatona amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina”?

  • Ahoana no anehoan’ny olona iray fa tena “nandray tamin’ny Fanahin’i Kristy” tokoa izy?

Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratana ao amin’ny diary fandalinany ny momba ireo fomba manokana izay hitondran’ny fitandremana ny fanekampihavanan’ny batisany fitahiana amin’ny fiainany. Rehefa nahazo fotoana ampy dia asao ny mpianatra roa na telo mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nosoratany.

Asehoy ny horonantsary “Invitation to be Baptized: German” (2:43). Rehefa mijery ilay horonantsary ny mpianatra dia asao izy ireo mba hitady ny fomba nampianaran’ireo misiônera an’i German momba ny lanjan’ny batisa.

  • Inona no nolazain’ireo misiônera mba hanampiana an’i German hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny batisa?

  • Inona no porofo nanambara fa nahatsapa ny Fanahy Masina sy nanana faniriana ny hatao batisa i German?

Zarao ho vondrona tsiroaroa ny mpianatra ka asao ny vondrona tsirairay hampiasa ny zavatra ao amin’ny pejy 74–75 amin’ny Torio ny Filazantsarako sy soratra masina iray na roa avy amin’ny faritra Fandalinana ny Soratra Masina ao amin’ny pejy 76 mba entina hanomanana lesona efatra ka hatramin’ny dimy minitra izay mifantoka amin’ny fampidirana ny batisa amin’ny naman’ny Fiangonana iray. Azon’ny mpianatra ampiasaina ihany koa ny ao amin’ny pejy 8 amin’ny kibokin’ny misiônera Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra mba hiomanany dia asaivo miasa ho vondrona kelikely izay misy mpianatra efatra ny mpianatra ka ahitana mpiara-miasa roa ny vondrona tsirairay avy. Asao ny ekipa tsirairay ao amin’ny vondrona mba hampianatra ny ekipa iray hafa momba ny batisa mandritra ny efatra ka hatramin’ny dimy minitra. Amporosiho ireo mpianatra izay maka ny toeran’ny misiônera mba hijery ny soratra masina izay nofidiny ka hamaky mafy izany ao anatin’ny fampianarany. Rehefa mamarana ny fotoana ampianarany ny mpianatra dia asao ireo vondrona kely hifampiresaka momba ireto manaraka ireto: Inona no nety? Ahoana no nanampian’ny lesona an’ireo izay nampianarina hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny batisa? Inona no azon’ireo mpampianatra novaina mba hampahomby kokoa ny fampianarany?

Avy eo dia ampifamadiho ny andraikitra ka avelao ilay vondrona izay nampianarina mba hampianatra ilay vondrona hafa. Alaivo antoka fa misy fotoana hahafahan’ilay vondrona faharoa mandray fanamarihana. Mandritra ity asa atao ity dia mandehana mivezivezy ao amin’ny efitrano fianarana mba handinika ireo mpianatra ary dokafy sy omeo sosokevitra izy ireo ny amin’ny fomba mety hampivoatra azy ireo.

Rehefa samy nahazo fahafahana hampianatra ny mpianatra rehetra dia makà minitra vitsivitsy hiarahana mifanakalo hevitra momba ilay fotoana nampianarana. Mba hitarihana ny fifanakalozan-kevitra dia mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra sasany izay nianaranao avy tamin’ny fampianarana ity fotopampianarana ity?

  • Nahoana no manan-danja ny fiomananao amin’izao fotoana hampianatra ireo fitsipika sy fahamarinana ary fotopampianarana ireo amin’ny hafa?

  • Inona no zavatra azonao atao ankehitriny mba ho vonona tsara kokoa hampianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy any amin’ny sahan’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno?

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Mba hanomanana ny mpianatra ho amin’ity ampahan-desona ity dia anontanio ireo mpianatra hoe inona no ôrdônansy tanterahina fotoana fohy aorian’ny fanaovana batisa ny olona iray (ny fandraisana ho mpikambana, izay hahatongavan’ny olona iray ho mpikamban’ny Fiangonana sy handraisany ny fanomezana ny Fanahy Masina.) Asao ireo mpianatra haka telopolo segondra handinihana ny antony mahatonga ny olona omena ny Fanahy Masina fotoana fohy aorian’ny batisany. Mialoha ny hamalian’ny mpianatra dia vakio aminy izao teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith izao:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Azonao atao ihany koa ny manao batisa kitapom-pasika ho toy ny olona raha tsy natao ho amin’ny famelana ny fahotana sy handraisana ny Fanahy Masina izany. Ny batisan’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina” ().

Anontanio hoe:

  • Inona no antony mety handraisana ny batisa ho “antsasaky ny batisa” rehefa tsy arahan’ny “batisan’ny Fanahy Masina”? (Aorian’ny valinteny maromaro dia azonao amporosihina ireo mpianatra mba hihaino valinteny fanampiny an’io fanontaniana io rehefa mandroso ny lesona.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa nisy mpitarika Jiosy anankiray izay nantsoina hoe Nikodemosy tonga mangingina tamin’ny alina mba hanontany an’i Jesoa avy any Nazareta. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 3:3, ary manontania hoe:

  • Inona no dikan’ny teny nolazain’i Mpamonjy ao amin’ny Jaona 3:3 momba ny zavatra ilaina hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Vakio amin’ny mpianatra ny Jaona 3:4–6 ka manontania hoe:

  • Inona no nanontanian’i Nikodemosy izay mampiseho fa tsy nahazo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy izy ao amin’ny andininy 3?

  • Inona no navalin’ i Jesoa ny fanontanian’i Nikodemosy? (Nampianatra fotopampianarana fototry ny filazantsara iray Izy: Tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy isika mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Nampianatra Izy fa ny hoe “ateraka indray” dia milaza fahaterahana indray ara-panahy, fa tsy ara-batana.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe:

Ateraka indray

Ateraky ny rano

Ateraky ny Fanahy

Manontania avy eo hoe:

  • Inona no dikan’ ny hoe “ateraky ny rano”? (Izany dia midika hoe atao batsia asitrika.)

  • Inona no dikan’ ny hoe “ateraky ny Fanahy”? (Midika fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina izany. Hazavao fa ny fanamarihana ambany pejy amin’ny Baibolin’ny OMF amin’ny teny anglisy dia manazava tsara fa izany dia milaza ny batisan’ny Fanahy Masina.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny teny hoe “ateraka” no ampiasaina mba hanoritsoritana ny zavatra tokony hitranga amintsika ara-panahy? Lafiny inona amin’ny fahaterahana ara-batana no azo oharina amin’ny fahaterahantsika indray ara-panahy? (Raha ilaina dia vakio ny Mosesy 6:58–59 mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io.)

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ireo andalana ao amin’ny fizarana “Ny Fanomezana ny Fanahy Masina” ao amin’ny pejy 76 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao ny mpianatra ambiny mba hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo fitahiana izay miaraka amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona avy ireo fitahiana sasany izay miaraka amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina? (Izao no iray amin’ireo fotopampianarana izay tokony ho hitan’ny mpianatra: Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia afaka mitondra vokatra manamasina sy manadio eo amin’ny olona izay mandray izany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra an’ilay fotopampianarana dia asao izy ireo handalina ny iray na roa amin’ireo andinin-tsoratra masina eo ambanin’ny lohateny hoe “Fitahiana sy Fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina” ao amin’ny faritra hoe Fandalinana ny Soratra Masina ao amin’ny pejy 77 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Eo am-pandalinany dia asao izy ireo mba hampisongadina ao amin’ny soratra masin’izy ireo ireo fitahiana sasany izay azo avy amin’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ny olona iray ny mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aorian’ny batisany?

Apetraho izao fanontaniana manaraka izao, saingy mialoha ny hamalian’ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hisaintsainana amim-pahanginana ny valinteniny. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hamaly sy hizara ny traikefany manokana amin’ny iray kilasy.

  • Inona avy ireo fitahiana efa azonao avy tamin’ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Asao ireo mpianatra mba hampiasa ny fampahalalana ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (na ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Nahoana aho no mila mandray ny Fanahy Masina?” ao amin’ny pejy 8–10 amin’ny kibokin’ny misiônera Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy) ka manomàna lesona efatra ka hatramin’ny dimy minitra momba ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ampahatsiahivo izy ireo mba hampiditra ao amin’ny lesony soratra masina iray na roa avy ao amin’ilay faritra Fandalinana Soratra Masina amin’ny farany ambony ao amin’ny pejy 76 amin’ny Torio ny FIlazantsarako.

Rehefa avy nomena fotoana ampy hiomanana ny mpianatra dia asaivo miara-miasa ao amina vondrona kely misy mpianatra efatra ny kilasy, ka ahitana mpiara-miasa roa ao amin’ny vondrona tsirairay. Asao ny ekipa iray mba hampianatra ny ekipa iray hafa. Rehefa mampianatra ny mpianatra dia mandehana mivezivezy ao amin’ny efitrano fianarana mba hanarahana maso, hidokafana sy hanomezana sosokevitra ny amin’izay mety hampivoatra azy ireo. Rehefa mamarana ny fotoana ampianarany ny mpianatra dia asao ireo vondrona kely hifampiresaka momba ireto manaraka ireto: Inona no nety? Inona no azon’ireo mpampianatra novaina mba hampahomby kokoa ny fampianarany? Ahoana no nahafahan’ny lesona nataon’izy nanampy ireo izay nampianarina hahatakatra ny fanomezana ny Fanahy Masina?

Avy eo dia ampifamadiho ny andraikitr’ireo ekipa ao amin’ny vondrona tsirairay ka avelao ilay ekipa izay nampianarina mba hampianatra ilay ekipa iray hafa. Alaivo antoka fa misy fotoana hahafahan’ilay vondrona faharoa mandray fanamarihana.

Rehefa samy nahazo fahafahana hampianatra ny ekipa tsirairay dia makà minitra vitsivitsy hanaovana tomban’ezaka an’ilay fotoana nahafahana nampianatra amin’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo zavatra sasany izay nianaranao avy tamin’ny fampianarana ity fotopampianarana ity?

  • Raha mifototra amin’io fotoana nampianarana io, dia inona no zavatra azonao atao hanatsarana ny fampianaranao amin’ny maha-misiônera?

Maharitra hatramin’ny Farany

Manaova sarina vavahady iray misy lalana ao aorinany eny amin’ny solaitrabe:

Sary
vavahady sy lalana

Manasà mpianatra iray ao amin’ny kilasy mba hamaky mafy ny 2 Nefia 31:17. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no nolazain’i Nefia ho vavahady izay mitondra antsika mankany amin’ny fiainantsika mandrakizay?

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny 2 Nefia 31:18–20 eo am-panarahan’ny mpianatra rehetra ny vakiteny ka hitadiavan’izy ireo ny zavatra tsy maintsy ataontsika aorian’ny batisantsika.

  • Inona no nolazain’i Nefia fa ao ambadik’ilay vavahady? (Ilay lalana ety sy tery mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.)

  • Araka an’i Nefia, inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray aorian’ny hanaovana batisa azy mba hahazoany ny fiainana mandrakizay?

  • Ahoana no ifandraisan’ny faharetana hatramin’ny farany amin’ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy?

Asao ireo mpianatra hamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Maharitra Hatramin’ny Farany” ao amin’ny pejy 77 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Amporisiho izy ireo hitady ny zavatra azontsika atao mba haharitra hatramin’ny farany. Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny faharetana hatramin’ny farany? (Tokony hahita izao fitsipika izao ny mpianatra: Rehefa miezaka tsara ny haharitra hatramin’ny farany isika dia ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay.)

  • Ahoana ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy no hanampy anao haharitra hatramin’ny farany?

Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny maha-zava-dehibe ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, indrindra fa ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany.

Fanasana mba hanao asa

Asao ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fanaovana ny iray na mihoatra amin’ireto asa atao manaraka ireto mandritra ny herinandro ho avy:

  • Mizatra manazava ireo fepetra takiana amin’ny batisa araka ny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Manoratra fehezanteny vitsivitsy ao amin’ny diary fandalinanao izay manoritsoritra ny zavatra izay ataonao ankehitriny mba hiainana mifanaraka amin’ny fanekempihavanan’ny batisa voafaritra ao amin’io andininy io.

  • Mamaky ireo andinin-tsoratra masina momba ny fanomezana ny Fanahy Masina hita ao amin’ny faritra Fandalinana Soratra masina ao amin’ny pejy 77 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Mamaky ihany koa ny hoe “Fanahy Masina” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Manamarika ao anatin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao ireo andininy izay tianao ho ampiasaina rehefa mampianatra olona iray momba ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Mampianatra mivantana na en ligne ireo fitsipika ao amin’ny “Lesona 3: Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy” amin’ny havana iray na namana iray (raha ny tsara dia olona iray tsy mpikamban’ny Fiangonana, na mpikambana malaindaina). Mijoro ho vavolombelona momba ireo fitsipika ireo rehefa mampianatra izany ianao.