Institiota
Lesona 3: Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy


3

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Fampidirana

Mba hahafahan’ny misiônera mitombo ao amin’ny filazantsara sy hijanona amin’ilay lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay dia mila mianatra mikolokolo ny fahazarana mandalina ny filazantsara izy ireo. Any amin’ny ivontoerana fanofanana ny misiônera dia mandany ora maro isan’andro ny misionera tsirairay handalinan’ny tenany manokana sy miaraka amin’ny namany. Any amin’ny sahan’ny misiôna izy ireo dia antenaina mbola hanohy ny fandalinany isan’andro ny filazantsara. Tsy maintsy mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finonana” (F&F 88:118) izy ireo mba hanorenana loharanom-pahalalana ny filazantsara sy hampitomboana ny fiovampony manokana. Zava-dehibe ho an’ny misiônera ny manana an’io loharanom-pahalalana io izay azony amin’ny alalan’ny fandalinana tarihin’ny Fanahy mba hahafahany mampianatra amin’ny hery sy hahafahany manatanteraka ny tanjony.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny filazantsara

Asehoy amin’ny mpianatra ny sarin’i Joseph Smith sy ny rahalahiny Hyrum ka asao izy ireo hanokatra ny soratra masiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11. Ampio ny mpianatra mba hahatakatra ny foto-kevitr’io fizarana io amin’ny fanazavana fa teo am-pandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna, dia lasa tena liana bebe kokoa tamin’ilay asa ny zokiny lahy Hyrum ka naniry ny hizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’ny hafa. Mba hikatsahana ny sitrapon’ny Tompo, dia nangataka an’i Joseph i Hyrum mba hangataka fanambarana ho azy. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 ny valintenin’ny Tompo. Amin’ny lafiny maro, i Hyrum dia mitovy toerana amin’ireo mpianatrao, izay miomana ny hizara ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny koa.

Asaivo mifandimby mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–17 ny mpianatra vitsivitsy ka hanaraka izany ny iray kilasy hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Hyrum. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Nahoana ny Tompo no nilaza tamin’i Hyrum hoe “mahandrasa kely” mialoha ny hizarana ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny amin’ny hafa?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21–22 sy 26, ka hitady ny torohevitra izay azon’ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana ampiharina amin’izao andro izao.

  • Inona no nitarihan’ny Tompo an’i Hyrum mba ho ataony teo am-piomanany hizara ny filazantsara amin’ny hafa? Inona no dikan’ny hoe mahazo ny tenin’ Andriamanitra? Inona no dikan’ny hoe mirakitra ao am-ponao ny tenin’ny Tompo?

  • Ahoana no mety ahafahan’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo manampy ny olona iray ankehitriny izay miomana ny hanao asa fitoriana? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony ho hitan’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Manomana ireo misiônera hitory ny filazantsara miaraka amin’ny Fanahy sy amin’ny hery ny fandalinana ny filazantsara.)

  • Inona ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay “[mikatsaka] ny hahazo ny [teniny]”?

Asaivo mijery ao amin’ny pejy 215 amin’ny Torio ny Filazantsarako ireo mpianatra ka asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana izay manomboka amin’ny hoe “Ny fahaizanao mampianatra amin-kery.” Anontanio avy eo hoe:

  • Hevitra inona ao amin’io andinin-tsoratra io no manamafy ny maha-zava-dehibe ny fandalinana isan’andro ny soratra masina ho an’ireo izay te ho lasa misiônera mahomby? (Manomana ireo misiônera hampianatra ny filazantsara amin-kery ny fandalinana ny soratra masina.)

Lazao ireo mpianatra fa hifantoka amin’ny fomba ahazoany tombontsoa bebe kokoa avy amin’ny fandalinana manokana ny soratra masina ny ambin’ny lesona. Amporisiho ny mpianatra mba hisaintsaina ao anatin’ny lesona ny fomba hampiharana ny zavatra izay ianarany mba hampitomboana ny fahombiazan’ny fandalinany ny soratra masina sy ny filazantsara.

Mampiasa Diary Fandalinana

Asaivo manokatra ny pejy x ao amin’ny teny fanolorana ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny iray kilasy. Manasà mpianatra roa mba hamaky mafy ireo andalana roa ao amin’ny zana-pizarana hoe “Diary Fandalinana.” Rehefa avy mamaky ny mpianatra dia anontanio hoe:

  • Araka ny voalaza ao amin’io fizarana io, amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampiasana diary fandalinana manampy anao rehefa mandalina ny filazantsara ianao?

  • Nahoana no ho zava-dehibe ny manoratra ireo eritreritra sy fahatsapana izay azonao mandritra ny fandalinana ny filazantsara?

Anontanio ny mpianatrao raha misy manana diary fandalinana amin’izy ireo, ka asao ireo izay manana mba hizara ny fomba nahazoan’izy ireo tombontsoa avy amin’ny diarin’izy ireo. Entano ny mpianatra mba hanomboka hampiasa diary fandalinana raha mbola tsy nanao izany izy ireo. Ny diary fandalinana dia mety ho tsotra dia tsotra toy ny diary vita boky izay tsy lafo, na kahie, na taratasy milahatra ao anaty fampiriman-taratasy iray. Afaka mampiasa ireo fitaovana fandraisana naoty sy ny diary ao amin’ny LDS.org ihany koa izy ireo na application fandraisana an-tsoratra amin’ny fitaovana elektronika. Amporisiho ny mpianatra mba hitondra diary fandalinana isaky ny fotoam-pianarana mba hanoratana ireo eritreritra sy fahatsapana ary hevi-baovao azony mandritra ny kilasy.

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo miara-miasa izy ireo hamaky ny andalana faharoa ao amin’ny pejy 19 amin’ny Torio ny Filazantsarako ary avy eo hifanakalo hevitra ny zavatra takiana mba hananana traikefam-pianarana manan-danja amin’ny soratra masina. Rehefa avy nomena fotoana hifanakalozana hevitra mikasika ilay andinin-tsoratra ireo mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny sasany amin’ireo hevi-dehibe avy tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo. Azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto:

  • Inona no dikan’ny hoe mandalina omban’ny “tena finiavana”? (Ny hoe tena finiavana dia midika hoe manana fikasana ny hankatò sy hampihatra izay ianarantsika isika.)

  • Amin’ny fomba ahoana ny fandalinana omban’ny “tena finiavana” sy “noana sy mangetaheta ny fahamarinana” no miantraika amin’ny fandalinan’ny olona iray ny filazantsara? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia mametraha fanontaniana fanampiny hamporisihana azy ireo handinika lalina kokoa ny valim-panontaniana omen’izy ireo. Ohatra, raha toa ka mamaly ireo mpianatra fa ny tena finiavana dia milaza ny fomba fivavaky ny olona iray, dia azonao anontaniana izy ireo mba hanazava ny maha samy hafa ny vavaka ataon’ny olona iray. Raha mamaly ny mpinatra iray fa hiseho eo amin’ny faniriany izany, dia asaivo mamelabelatra bebe kokoa izany hevitra izany izy ireo.)

Asao ny mpianatra telo mba hifandimby hamaky mafy ireo andalana ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina” ao amin’ny pejy 20 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asaivo manaraka ny mpianatra ambiny ka hanisy marika ireo fitahiana izay tonga amintsika rehefa manampy antsika hianatra ny filazantsara ny Fanahy. Dia manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo fitahiana mety ho tonga amintsika rehefa mitarika ny fianarantsika ny filazantsara ny Fanahy Masina? (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika izao: Rehefa mitarika ny fianarantsika ny filazantsara ny Fanahy Masina dia mahazo fahazavana sy fahatakarana bebe kokoa isika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba mety hanasany ny Fanahy Masina mba hampianatra azy mandritra ny fandalinany ny filazantsara dia vakio na asehoy izao fanambarana manaraka nataon’ny LoholonaD. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao. Asao ireo mpianatra mba hitady ny zavatra azony atao mba hahazoany tombontsoa bebe kokoa avy amin’ny fandalinany ny soratra masina.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Mba hahatonga ny filazantsara ho voasoratra ao am-ponareo dia mila mahafantatra ny dikan’izany sy mitombo ao amin’ny fahatakarana izany bebe kokoa ianareo. Midika izany fa handalina izany ianareo. Rehefa miteny aho hoe: ‘mandalina,’ dia zavatra mihoatra noho ny mamaky no tiako holazaina. Zavatra tsara indraindray ny mamaky bokin-tsoratra masina iray ao anatin’ny fotoana voafaritra mba hahafantarana ny dikan’ny hafatra entiny amin’ny ankapobeny, saingy ho an’ny fiovam-po dia tokony hiraharaha bebe kokoa mikasika ny habetsahan’ny fotoana lanianao amin’ny soratra masina ianao toy izay mikasika ny habetsahan’ny zavatra vakianao ao anatin’izany fotoana izany. Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara ianareo, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry hevitra avy amin’ny fitaomam-panahy, ary manoratra ireo hevitra sy fahatakarana izay tonga ireo mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toa izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, kanefa hanisy toerana ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy”(“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, mey 2004, 11). Ho hevitra fanampiny hoenti-mandalina dia jereo ny Loholona Richard G. Scott, “Ahoana no Fomba Ahafahana Mahazo Fanambarana sy Fanentanam-panahy ho an’ ny Fiainanao Manokana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 45–47).

Ampio ireo mpianatra hamakafaka ny teny nataon’ny Loholona Christofferson amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo zavatra atao nolazain’ny Loholona Christofferson izay afaka mitarika amin’ny fahatakarana bebe kokoa ny soratra masina?

  • Ahoana no hanomezan’ireo zavatra atao ireo fahafahana bebe kokoa ny Fanahy Masina mba hampianatra anao?

  • Ahoana no efa nanampian’ny iray na mihoatra amin’ireo zavatra atao ireo anao hampitombo ny fahatakaranao ny filazantsara?

Hazavao fa manampy ny mahatakatra ny fomba ifandraisana amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina. Zarao ho vondrona tsiroaroa ny mpianatra (mety ho ireo vondrona tsiroaroa tamin’ny asa natao teo aloha ihany). Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary asaivo adikan’ireo mpianatra ao amin’ny diarim-pianarany na taratasy iray izany: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; 9:7–8; 11:12–14; ary 138:1–2, 11.

Omeo fotoana ireo mpianatra handalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hanisy marika ireo andian-teny manoritsoritra ny fomba ifandraisan’ny Fanahy Masina amintsika. Mety hanoratra fanamarihana vitsy ao amin’ny diarim-pianarany ihany koa izy ireo mikasika ny zavatra ianarany avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny mpiara-miasa aminy amin’ny vondrona misy azy mikasika ny zavatra izay nasiany marika. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo teny na andian-teny hitanareo izay manoritsoritra ny fomba hifandraisan’ny Fanahy Masina amintsika? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Ahoana no efa nampianaran’ny Fanahy Masina anao tamin’ny iray amin’ireo fomba ireo ka nampitombo ny fahatakaranao fotopampianarana na fitsipiky ny filazantsara iray? Inona no traikefa manokana efa nanananao?

Asaivo mijery ao amin’ny pejy 25 amin’ny Torio ny Filazantsarako ireo mpianatra ka asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana efatra misy teboka eo ambanin’ny lohateny hoe “Halalino ireo Hevitra sy sosokevitra.” Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hiantefan’ireo zavatra asaina atao ireo amin’ny fahaizan’ny misiônera iray mizara ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fomba mahomby?

  • Ahoana no hampifanarahanao an’ireo hevitra ireo ka hampiharana izany amin’izao fotoana izao amin’ny maha-misiônera miomana hanao asa fitoriana anao?

  • Ahoana no mety hahatonga ny fampitomboana ny fahaizanao sy ny fahazaranao mandalina soratra masina hanampy amin’ny fahombiazanao amin’ny maha-misiônera anao? (Mety hilaza fitsipika mitovy amin’izao ireo mpianatra: Rehefa mampitombo fahazarana manao fandalinana mahomby ny filazantsara ireo mpianatra, dia ho ampianarin’ny Fanahy Masina izy ireo, hahafa-po kokoa ny traikefany, ary ho vonona tsara kokoa ny hampianatra ny filazantsara izy ireo.)

Zarao ho vondron’olona telo na efatra ireo mpianatra. Asaivo mifampizara ireo zana-pizarana enina eo ambanin’ny hoe “Halalino ireo Hevitra sy sosokevitra” ao amin’ny pejy 25–28 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny vondrona tsirairay ka asao ny mpianatra ao amin’ny vondrona mba handalina ny zana-pizarana izay nomena azy. Mety ho mila mandalina zana-pizarana mihoatra ny iray ny mpianatra sasany ao amin’ny vondrona. Manendre mpitarika iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba hitarika fifanakalozan-kevitra mikasika ny zavatra nianaran’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona sy ny zavatra azon’izy ireo atao ankehitriny mba hahatonga ny fandalinany ny filazantsara ho mahery vaika sy mahomby kokoa. Rehefa nahazo fotoana ifanakalozan-kevitra ireo vondrona dia anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Ahoana no nanampian’ireo fahaizana na fahazarana mandalina ireo anao mba handalina ny soratra masina amin’ny fomba mahomby kokoa?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra amin’ny tenany manokana ny zavatra izay nifampiresahana, dia omeo ny tahadikan’ny taratasy fizara “Ireo fahazarana amin’ny fandalinana manokana ny soratra masina” ny mpianatra tsirairay. Omeo minitra maromaro ireo mpianatra hanatanterahana ny asa ampanaovina ao amin’ilay taratasy fizara.

Sary
taratasy fizara fandalinana soratra masina

Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao ny mpianatra mba hizara izay eritreritra na hevi-baovao voarainy avy tamin’ny asa nampanaovina. Entano izy ireo hanaraka izany amin’ny fampiharana ilay fahaizana sy fahazarana mandalina soratra masina nosafidiny amin’ny fandalinany manokana. Omeo toky izy ireo fa raha manao izany, dia hanazava ny sainy sy hampitombo ny fahatakarany ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Ampio ny mpianatra mba hahatakatra fa ankoatra ny fomba fandalinan’izy ireo, dia tena manan-danja lehibe ihany koa ny fotoana sy ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny fanampiana azy ireo ho misiônera mahomby. Asao ireo mpianatra mba hamadika ao amin’ny pejy viii ao amin’ny teny fanolorana ny Torio ny Filazantsarako ka hijery eo amin’ny Fandaharam-potoanan’ny misiônera isan’andro, hita ao amin’ny fizarana “Fandalinana Manokana, Fandalinan’ny Mpiara-mitory, Fivorian’ny Distrika, Fivoriam-paritra.” Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no anehoan’ny Fandaharam-potoanan’ny misiônera isan’andro ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny filazantsara?

  • Ahoana no ahafahan’ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina amin’izao fotoana izao manomana anao amin’io fandaharam-potoana hentitra io amin’ny maha-misiônera?

Fanamarihana ny soratra masina

Raha mbola manana fotoana ampy ianao, dia asehoy ny horonantsary “Advice for Studying the Scriptures” (2:07) mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra ireo fomba ahafahany manatsara ny fomba fanamarihany ny soratra masiny.

Aorian’ny fanehoana ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny Loholona Bednar izay mety hanampy anao hanatsara ny fandalinanao ny soratra masina?

  • Inona no tanjon’ny fanamarihana ny soratra masina? (Mba hanampiana anao hahatsiaro ny zavatra nianaranao rehefa mila izany indray ianao any aoriana.)

  • Nahoana no manan-danja ny fananan’ny misiônera fomba fitadidiana mahomby ny zavatra izay nianarany?

Iaino izay ianaranao

Asao ny mpianatra iray hamaky ho an’ny iray kilasy ny andalana voalohany eo ambanin’ny lohateny hoe “Iaino izay ianaranao” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 21. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 7:17. Ampio ireo mpianatra hahita ny fitsipika iray izay ampianarina ao amin’ny Torio ny Filazantsarako sy ny Jaona 7:17 amin’ny fanontaniana hoe:

  • Inona no maha samy hafa ny hoe mahafantatra momba ny soratra masina sy ny hoe miaina ny fampianarana hita ao amin’ny soratra masina? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony ho takatr’izy ireo izao fitsipika izao: Rehefa miaina mifanaraka amin’ny fampianaran’ny filazantsara isika, dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ireo fitsipika ireo sy hanamafy orina ny finoantsika sy ny fahalalantsika ary ny fijoroana ho vavolombelonana ananantsika ny Fanahy Masina.)

Hazavao fa ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny manao zavatra araka izay ianarantsika. Asehoy ity fanambarana manaraka ity ary mangataha mpianatra iray nanolo-tena mba hamaky mafy izany amin’ny iray kilasy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Amin’ny maha-mpianatra filazantsara antsika dia tokony ‘ho mpankatò ny teny, fa [tsy] mpihaino fotsiny’ isika (Jakoba 1:22). Ny fontsika dia misokatra amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mampiasa araky ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy isika sy manao asa mifanaraka amin’ny fitsipika marina—ary amin’izay koa isika dia manasa ny Heriny izay mifono fampianarana sy mijoro ho vavolombelona” (“Miambena amin’ny Faharetana Rehetra ,” Ensign na Liahona, mey 2010, 42).

  • Inona no dikan’ny hoe mpankatò ny teny fa tsy mpihaino fotsiny?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa “mifanaraka amin’ny fitsipika marina” mampitombo ny fahatakarantsika amin’ny fomba izay tsy vita raha amin’ny fandalinana fotsiny?

  • Ahoana no efa namelan’ny fanovana asa mifanaraka amin’ny fitsipika marina anao hahazo fahatakarana sy fijoroana ho vavolombelona lalina kokoa momba ny fitsipiky ny filazantsara izay noezahinao hiainana?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny andalana faharoa ao amin’ny pejy 21 amin’ny Torio ny Filazantsarako ka hanaraka izany ny iray kilasymba hitady fomba fanampiny izay ahafahan’ny fiainana ny filazantsara ho misy fiantraikany eo amin’ny fo sy ny fahaizan’ny misiônera. Aorian’ny famakiana izany dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fitahiana fanampiny izay tonga amin’ny misiônera rehefa miaina ny fitsipiky ny filazantsara izay fantany fa marina izy ireo? (Ampio ny mpianatra mba hilaza izao fitsipika izao: Rehefa miaina ny filazantsara ny misiônera, dia hampitombo ny faniriany sy ny fahaizany mizara ny filazantsara ny Fanahy Masina.)

  • Teo am-panomananao hitory ny filazantsara, ahoana no nampitomboan’ny Fanahy Masina ny fanirianao hanompo?

Manasa ireo naman’ny Fiangonana hankany am-piangonana

Ny misiônera dia manampy ny naman’ny Fiangonana mba handroso amin’ny batisa amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hanaja ny fanoloran-tena. Ohatra, hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mankany am-piangonana ny naman’ny Fiangonana dia afaka mandray fanambarana bebe kokoa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy faniriana bebe kokoa hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra izy ireo. Afaka manampy ny naman’ny Fiangonana hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara naverina amin’ny laoniny sy hiomana amin’ny batisa ny fandehanana any am-piangonana.

Asehoy ny fomba fanasana ny olona iray mba handeha any am-piangonana. Voalohany, zarao fohifohy ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’ny fandehanana any am-piangonana. Avy eo dia ampiasao ilay kibokin’ny misiônera Ny Famerenana amin’ny Laoniny (pejy 22–23) mba hanazavana ny zavatra mitranga mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Avy eo dia asehoy ny fomba fanasana naman’ny Fiangonana iray mba hanatrika ireo fivoriana ato am-piangonana. Aorian’ny fanehoanao izany dia asao ireo mpianatra mba hanao tantara an-tsehatra ireo dingana nasehonao azy ireo miaraka amin’ny namana iray. Avelao izy ireo mba hifandimby hizara fohy ireo fitahiana azon’izy ireo amin’ny alalan’ny fandehanana any am-piangonana sy hanazava ny zavatra mitranga mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary hanasa ilay namany handeha any am-piangonana.

Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipika noresahina tato amin’ny lesona.

Fanasana mba hanao asa

Asao ireo mpianatra mba hanao ny fandalinana manokana ny filazantsara ho lohalaharana eo am-panomanany hanao asa fitoriana. Mety hanampy ireo mpianatra hifantoka amin’ny fianarana miaraka amin’ny Fanahy ireto asa asaina atao manaraka ireto:

  • Manangana fahazarana mandalina manokana ny soratra masina isan’andro , tafiditra amin’izany ny mandalina sy misaintsaina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mivavaka rehefa manomboka manao fandalinana manokana ny soratra masina hanasana ny Fanahy mba hanampy anao. Raha mbola tsy nanao izany ianao, dia manomboha mampiasa diary fandalinana mandritra ny fandalinanao manokana ny filazantsara.

  • Misafidiana iray amin’ireo hevitra sy sosokevitra handalinana ny filazantsara hita ao amin’ny pejy 25 –28 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, ka ataovy ao amin’ny fandalinanao manokana izany amin’ity herinandro ity.