Institiota
Lesona 2: Ny Antony Ilantsika ny Sorompanavotana


2

Ny Antony Ilantsika ny Sorompanavotana

Fampidirana

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ivon’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana dia nanatanteraka ny tanjon’ny Rainy i Jesoa Kristy tamin’ny fanavotana antsika amin’ny fahafatesan’ny fanahy sy ny vatana, ka nanefa ny fitakian’ny fahamarinana, sy nanadio antsika amin’ny fahotan’ny tenantsika manokana raha toa ka mibebaka isika. Ny Mpamonjy ihany koa dia mankahery antsika ao anatin’ny fahalementsika sy manome hery antsika hanatanterahana ireo zavatra tsy vitantsika irery ary manome fanantenana antsika fa isika dia ho afaka miverina hiaina miaraka Aminy sy ny Ray any An-danitra. Mandray anjara amin’ny asan’ny famonjena ny misiônera amin’ny fotoana feno amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa hianatra ny fomba hahazoana ireo fitahian’ny Sorompanavotana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ary ny faharetana hatramin’ny farany.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Nahoana isika no mila ny Sorompanavotana?

Atombohy amin’ny fametrahana amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto ny lesona:

  • Ahoana no mahatonga ny olona hahatakatra fa mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo eo amin’ny fiainany?

Avy eo dia asehoy ity fanambarana manaraka ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Raha toa ny olona iray ka tsy tena maniry hisakafo raha tsy hoe noana, dia tsy maniry ny famonjen’i Kristy koa izy raha tsy efa fantany ny antony ilany an’i Kristy.

“Tsy misy olona tena mahay tsara sy araka ny tokony ho izy ny antony ilàny an’i Kristy raha tsy efa takany sy nekeny ny fotopampianaran’ny Fahalavoana sy ny vokatr’izany amin’ny olombelona rehetra” (Filoha Ezra Taft Benson, A Witness and a Warning [1988], 33).

Manontania avy eo hoe:

  • Inona no tiantsika hambara rehefa miresaka momba ny Fahalavoan’i Adama isika?

Asehoy ireto teny nambara manaraka ireto ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy amin’ny iray kilasy:

“Noho i Adama sy i Eva … nihinana ny voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia noroahina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo izy ireo (jereo ny FF 29:40–41). Amin’ny teny hafa dia hoe niharan’ny fahafatesana ara-panahy izy ireo. Lasa olona mety maty koa izy ireo—tsy maintsy handalo ny fahafatesana ara-batana. Antsoina hoe fahalavoana izany fahafatesana ara-panahy sy ara-batana izany. …

“Amin’ny maha-taranak’i Adama sy i Eva antsika dia mandova ny toetra ny fahalavoana isika mandritra izao fiainana eto an-tany izao (jereo ny Almà 42:5–9, 14). Nosarahina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo isika ary tsy maintsy iharan’ny fahafatesan’ny vatana. Apetraka ao anatin’ny toe-javatra ahitana ny fifanoherana koa isika, izay hizahana ny toetrantsika manoloana ireo olan’ny fiainana sy ireo fakam-panahin’ny fahavalo (jereo ny 2 Nefia 2:11–14; F&F 29:39; Mosesy 6:48–49)” (Miorim-paka amin’ny finoana [2004], 56).

Ampio ireo mpianatra hamantatra ireo fotopampianarana izay ampianarina ao anatin’io teny nambara io amin’ny fanontaniana hoe:

  • Inona no fiantraikan’ny Fahalavoan’i Adama amintsika tsirairay amin’ny maha-taranak’i Adama sy Eva antsika? (Tahaka an’i Adama sy Eva, isika koa dia iharan’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fanahy. Miaina ao anatin’ny tontolo lavo isika ary iharan’ny fahasarotan’ny fiainana sy ny fakam-panahin’ny fahavalo. Nesorina hiala teo anatrehan’ny Ray isika ka mila ny fanampian’ny Mpamonjy mba ho afaka ny hiverina any Aminy.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra handalinana izany:

Romana 3:23

2 Nefia 9:6–10

Almà 42:9–11, 14

Eo am-pandalinan’izy ireo izany dia amporisiho ny mpianatra mba hitady ny hoe amin’ny fomba ahoana ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva no miantraika amintsika tsirairay.

  • Ahoana no hanazavan’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny fomba iantefan’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva amintsika tsirairay? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo. Na dia mety ho samihafa aza ny valintenin’izy ireodia mety hitovy amin’izao manaraka izao izany: Manota avokoa isika rehetra ka lasa tsy madio eo imason’ Andriamanitra; satria manota isika, dia esorina hiala eo anatrehan’ Andriamanitra; hiaina ny fiainana mety maty isika; miaina ao anatin’ny tontolo lavo isika ka tsy maintsy mandresy ny “olona araka ny nofo” [Mosià 3:19].)

Anontanio ireo mpianatra hoe inona avy ireo fanontaniana ananan’izy ireo mikasika ireo fotopampianarana sy ireo teny izay hitan’izy ireo. Avelao hifanakalo hevitra ny iray kilasy mba hitrandraka ireo fanontaniana ireo. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ireo soratra masina ireo manazava ny antony ilàntsika rehetra an’i Jesoa Kristy? (Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manavotra antsika amin’ny Fahalavoan’i Adama sy amin’ny tsy fankatoavan’ny tenantsika manokana.

Hazavao fa ao anatin’ny drafitra feno famindrampon’ Andriamanitra, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mamela antsika hitsoaka an’ilay “bibin’” ny fahafatesana sy ny helo (jereo ny 2 Nefia 9:10), izay maneho ny fahafatesan’ny vatana sy ny fanahy. Hitsangana amin’ ny maty avokoa isika rehetra. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika isika raha toa ka mibebaka. Raha tsy teo i Jesoa Kristy dia tsy hoe very fotsiny isika fa ho andevon’ny devoly mandrakizay isika.

Mizarà fijoroana ho vavolombelona momba ny fahendrena sy ny famindrampon’ Andriamanitra. Omeo toky ny mpianatra fa ny vokatry ny Fahalavoana rehetra dia azo resena amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ny Sorompanavotana

Hevero ny hamaky na hampiseho ny rakitsary misy an’ity teny nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity. Asao ny mpianatra mba hitady ny antony maha-zava-dehibe ho antsika ny mampitombo ny fahatakarantsika ny Sorompanavotana.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Rehefa mahatsiaro ny fitsanganana amin’ny maty sy ny sarany naloa ary ny fanomezana natolotra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana ianao dia mandiniha izay ampianarin’ny soratra masina mikasika ireo toe-javatra masina ireo. Ny fijoroanao ho vavolombelona manokana amin’ny fahamarinan’izy ireo dia hihamafy orina. Tokony mihoatra noho ny fitsipika izay tadidiana fotsiny izy ireo. Tokony ho lasa ampahany amin’ny tenanao izy ireo toy ny fiarovana mahery vaika amin’ny fitomboan’ny faharatsiana izay manimba ny tontolontsika. …

“Raha tsy nisy ny Sorompanavotana, dia tsy ho azo napetraka tanteraka ho manan-kery ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra. Ny Sorompanavotana dia manome ny fahafahana rehetra hihoatra ny vokatry ny fahadisoana natao nandritra ny fiainana. Rehefa mitandrina ny lalàna isika dia mandray fitahiana. Rehefa mandika lalàna isika dia tsy misy tavela ny vokatra tamin’ny fankatoavana teo aloha mba hanoezana fahafaha-po ny fitakian’ny fahamarinana ho an’izany lalàna nodikaina izany. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mamela antsika hibebaka noho ny karazana tsy fankatoavantsika rehetra ary miaraka amin’izany dia miala amin’ireo sazy izay ho notakian’ny fahamarinana.

“Ny fanajako sy fankasitrahako noho ny Sorompanavotan’ilay Iray Masin’Isiraely, ilay Printsin’ny fiadanana sy Mpanavotra antsika dia miitatra rehefa mitolona aho mba hahatakatra kokoa momba izany. Mahatsapa aho fa tsy misy saina mety maty afaka mahazo tsara an-tsaina, na lelan’olombelona afaka manambara feno ny fahafenoan’ny dikan’ireo zavatra rehetra nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny zanaky ny Ray any an-danitra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Kanefa dia tena ilaina ny ianarantsika tsirairay izay azontsika ianarana mikasika izany. Ny Sorompanavotana dia ilay singa iray ilain’ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any an-danitra ary raha tsy nisy izany dia tsy ho nanan-kery izany drafitra izany. Ny fahatakaranao ny Sorompanavotana sy ny fahatakarana atolony ho an’ny fiainanao dia hampitombo tokoa ny fampiasanao ny fahalalana, ny traikefa sy ny fahaiza-manao rehetra azonao mandritra ny fiainana mety maty. …

“Isika tsirairay avy dia tsy maintsy manamafy ny fahatakarantsika ny dikan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hahatonga izany ho fototra tsy azo hozongozonina hanorenantsika ny fiainantsika. …

“ Ny fandinihana lalina manokana ny soratra masina arahina fikarohana sy vavaka atao amin’ny fo dia hanamafy orina ny fahatakarantsika sy ny fahafantarantsika ny Sorompanavotany tsy voavidy vola.” (“Velona Izy! Ny voninahitra rehetra anie ho an’ny Anarany!” Ensign na Liahona, mey 2010, 75–76.

Ampio ireo mpianatra hamakafaka ny teny nataon’ny Loholona Scott amin’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Aiza ho aiza amin’ny lahatenin’ny Loholona Scott no manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny Sorompanavotana? (Alaivo antoka ny hahitan’ny mpianatra fehezanteny tahaka ireto manaraka ireto: ny fijalian’ny Mpamonjy dia “tsy hahakasika antsika mandritra ity fiainana ity fotsiny ihany fa mandritra ny mandrakizay manontolo”; “Ny Sorompanavotany dia nahatonga ny drafitry ny fahasambaran’ny Rainy any an-danitra ho miasa feno”; “I Jesoa dia mampifandanja ny fahamarinana sy ny famindrampo ho antsika ary ny fepetra dia ny fankatoavantsika”; “ny Sorompanavotana dia manome ny fahafahana rehetra hihoatra ny vokatry ny fahadisoana natao nandritra ny fiainana”; ary “ny fahatakaranao ny Sorompanavotana sy ny fahatakarana atolony ho an’ny fiainanao dia hampitombo tokoa ny fampiasanao ny fahalalana, ny traikefa sy ny fahaiza-manao rehetra azonao mandritra ny fiainana mety maty.”)

  • Nilaza ny Loholona Scott fa ny fitsipiky ny Sorompanavotana dia “tokony mihoatra noho ny fitsipika izay tadidiana fotsiny. Tokony ho lasa ampahany amin’ny tenanao izy ireo.” Ahoana no ahafahan’ny misiônera miomana hanao asa fitoriana hanao izay hampitranga izany?

Maro ireo tanora izay tsy mahatakatra ireo fitahiana, ankoatra ny famelana ny fahotana, izay tonga ao amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Mba hanampiana amin’ny fampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra ireo fitahiana hafa ireo dia omeo minitra vitsy ny iray kilasy handalinana ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hitadiavany ireo fitahiana izay azo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: Mosià 3:19; 4:3; 24:12–15; Almà 5:12–13; 7:11–13. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia angataho izy ireo hanazava ny sasany amin’ireo fitahian’ny Sorompanavotana. Fintino eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

Asehoy ity teny nambara manaraka ity ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany:

“Hitombo ny fanirianao hizara ny filazantsara, rehefa mitombo ny fahazoanao an-tsaina ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (Torio ny Filazantsarako, 2).

Ampio ireo mpianatrao hahatakatra tsara kokoa io fitsipika io amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe:

  • Nahoana no mitombo ny fanirian’ny olona iray hizara ny filazantsara rehefa mahatakatra ny Sorompanavotana izy?

Asaivo miara-miasa amin’ny mpiara-mianatra iray ireo mpianatra ka hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 8:10–12; Enôsa 1:5–9; ary ny Môsià 27:34–36 sy 28:1–4. Asaivo mitady dingana iray hita ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hanazava ny dingana hitany. (Rehefa avy niaina ny fitahian’ny Sorompanavotana i Lehia sy i Enôsa ary ireo zanakalahin’i Môsià dia nahatsapa faniriana hizara ny filazantsara sy hanampy ny hafa hahazo fitahiana mitovy amin’izany koa izy ireo.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fitsipika izay nosoratanao eny amin’ny solaitrabe dia anontanio ireto manaraka ireto:

  • Raha tsy mahakasika loatra ny tena manokana dia inona no zavatra efa niainanao mikasika ny Sorompanavotana ka nanosika anao hizara ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahalalanao sy ireo fahatsapana anananao momba ny Sorompanavotana no manosika anao hitondra ny hafa hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainana raha toa ka anisan’ny antony nanosika azy ireo hanao asa fitoriana ny fahatakarany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy hisaintsainany ny zavatra azony atao mba hampitomboana ny haben’ny fankasitrahan’izy ireo noho ny zavatra izay nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

Manampy ireo naman’ny Fiangonana handray ireo fitahian’ny Sorompanavotana

Lazao ireo mpianatra fa tsy misy fotopampianarana ankoatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay hampianarin’izy ireo amin’ny maha-misiônera azy ireo ka sady hanan-danja kokoa ho an’ny naman’ny Fiangonana no hanan-danja ho an’ny misiônera ny hahatakatra sy hanaiky izany .

Asao ireo mpianatra hamaky ny 2 Nefia 2:6–8 ka hitady ny zavatra nampianarin’i Lehia fa tokony ho ataontsika amin’ny fahalalantsika ny Sorompanavotana. Rehefa avy namaly ny mpianatra vitsivitsy dia ampio izy ireo hahatakatra ny ilàn’ny naman’ny Fiangonana mahatakatra sy manaiky ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny fanehoana sy ny famakiana ity teny nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mandritra ireo fivoriam-paritra, izay anisan’ireo fotoana lehibe fampianarana izay anananay amin’ny maha-Manampahefana Ambony anay hiarahana amin’ireo misiônera tanora ireo, dia efa nanontany an’ireo misiônera aho hoe inona no tian’izy ireo ho ataon’ny naman’ny Fiangonana ho vokatry ny firesahan’izy ireo taminy.

“‘Atao batisa!’ no niaraka navalin’izy ireo tamin’ny feo miaraka.

“‘Eny,’ hoy aho, ‘tena tiantsika ho vita batisa izy ireo, saingy inona no tokony hialoha an’izay?’ …

“… Zavatra saika tsy mba vitan’ireo misiônera mihitsy ny mahita ireo zavatra roa manan-danja indrindra izay tiantsika hataon’ireo naman’ny Fiangonana mialoha ny batisa, dia: ny manana finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny mibebaka amin’ny fahotany. Kanefa dia ‘mino isika fa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny Fibebahana; [ary] fahatelo, ny Batisa asitrika ho famelana ny fahotana; fahefatra, ny Fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina’ (Ireo Fanekem-pinoana 1:4; nampiana fanamafisana).

“Ny fiainana vaovaon’ny olona niova fo dia tokony hiorina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany—finoana tanteraka fa Izy marina no ilay Zanak’ Andriamanitra, fa velona Izy amin’izao fotoana izao indrindra, fa Izy marina no varavaran’ilay valan’ondry, fa Izy irery no mihazona ny fanalahidin’ny famonjena sy ny fisandratantsika. Izany finoana izany dia tokony ho arahin’ny tena fibebahana marina, fibebahana izay maneho ny faniriantsika ny ho madio sy ho vaovao ary tsy mizarazara, fibebahana izay ahazoantsika mandray ireo fitahiana fenon’ny Sorompanavotana” (“Missionary Work and the Atonement,” Ensign, mar. 2001, 10–11).

Manontania avy eo hoe:

  • Inona no tsy maintsy ataon’ny naman’ny Fiangonana mba handraisany ireo fitahiana fenon’ny Sorompanavotana? (Mino an’i Jesoa Kristy sy mibebaka ary atao batisa.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 dia manoritsoritra ireo fepetra takiana ho an’ny batisa. Asao ireo mpianatra mba hamaky ilay andininy ka hitady ny zavatra tokony ho ataon’ny naman’ny Fiangonana alohan’ny fanaovana batisa azy. Anontanio hoe:

  • Inona avy ny zavatra sasany izay tokony ho ataon’ny naman’ny Fiangonana mba hanehoany fa mampitombo finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo? (Manetry ny tenany, mibebaka amin’ny fahotany, maneho asa tsara, sy ny sisa.)

  • Inona no andraikitra sahanin’ny misiônera amin’ny fanampiana ny naman’ny Fiangonana hahafeno ireo fepetra takiana amin’ny batisa? Inona no ifandraisan’izany amin’ilay tanjona amin’ny maha-misiônera anao? (Raha ilaina dia ampahatsiahivo ny mpianatra ireo fitsipika tao amin’ny lesona farany.)

Didiana hampianatra fibebahana ny misiônera

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao:

Inona ny zavatra manan-danja indrindra azon’ny misiônera atao mba hanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hanatona an’i Kristy?

Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11–14 ka hitady ny valin’ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Mifanakaloza hevitra momba ny valintenin’ny mpianatra ka manontania avy eo hoe:

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity valin’ilay fanontaniana izay efa naseho ity:

Ny misiônera dia didiana mba hampianatra fibebahana mba hahafahan’ireo izay ampianariny hahazo ireo fitahiana fenon’ny Sorompanavotana ka hanomboka fiainana vaovao ao amin’i Kristy.

Zarao roa ny kilasy. Ny antsasaky ny kilasy dia handalina ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Sorompanavotana” ao amin’ny pejy 60–61 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Ny antsasany iray hafa dia handalina ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Afaka Ho Voadio amin’ny Otantsika Isika amin’ny Alalan’i Kristy” ao amin’ny pejy 70–71 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Omeo minitra maromaro ireo mpianatra mba hamaky sy hiomana hampianatra famintinana roa minitra mikasika ny zavatra izay novakiany. Ho anisan’ny famintinan’izy ireo, dia amporisiho ny mpianatra mba (1) hamantatra sy hanazava ireo teboka manan-danja ao amin’ilay fotopampianarana, (2) hizara traikefa manokana na soratra masina izay manohana an’ilay fotopampianarana, ary (3) hizara ny fijoroana ho vavolombelona izay ananany momba ny zavatra izay ampianariny. Fintino eny amin’ny solaitrabe ireo dingana telo ireo.

Rehefa nahazo fotoana ampy tsara mba hiomanana ireo mpianatra dia azonao ampiarahina amin’ny olona iray ao amin’ilay vondrona faharoa ireo mpianatra ao amin’ny vondrona voalohany ka hiasa tsiroaroa hifandimby mifampianatra. Rehefa nahazo fahafahana hampianatra mpiara-mianatra iray ny mpianatra tsirairay dia azonao asaina ny mpianatra iray mba hanolo-tena ho eny anoloan’ny kilasy ka hampianatra ny famintinany amin’ny iray kilasy. Rehefa vita ilay fampianarana, dia dokafy ilay mpianatra izay nanao izany ary anontanio ireo mpianatra raha misy manana fanamarihana mikasika izany. Anontanio izy ireo raha toa ka manana fanontaniana, dia anontanio avy eo hoe:

  • Ahoana no fahatsapanareo ny mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo zavatra sasany hitanao izay mety hanampy rehefa mampianatra ny naman’ny Fiangonana mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao?

  • Nahoana ianao no te hampianatra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?

Mampiasa ny Soratra Masina

Hazavao amin’ny mpianatra fa amin’ny maha misiônera azy ireo dia afaka mampianatra amin-kery bebe kokoa izy ireo rehefa mampiasa ny soratra masina. Asaivo mikaroka ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Sorompanavotana” ao amin’ny pejy 60–61 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny antsasaky ny kilasy. Asaivo mikaroka ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny faritra misy lohateny hoe Fandalinana Soratra Masina ao amin’ny pejy 71 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny antsasany iray hafa. Amporisiho ireo mpianatra mba hisafidy andinin-tsoratra masina momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay takany sy hampahazo aina azy ireo ny hizara fijoroana ho vaolombelona momba izany. Rehefa nanome fotoana ampy azy ireo ianao dia anontanio hoe:

  • Ahoana no mety hampiasanao an’ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidinao mba hanampiana ny hafa hahatakatra bebe kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Amporisiho ny mpianatra vitsivitsy mba hamaly.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny misiônera ny mampiasa ny soratra masina rehefa mampianatra?

Asaivo mijery ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ampiasao ny Soratra Masina” ao amin’ny pejy 215 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny andinin-tsoratra voalohany, miaraka amin’ireo teboka efatra, ka asao ireo mpianatra mba handinika ny mampitovy ny heviny momba ny maha-zava-dehibe ny fampiasana soratra masina sy ny zavatra voalaza ao amin’ny Torio ny Filazantsarako.

Lazao ny mpianatrao fa afaka minitra vitsy dia hampianatra mpianatra iray hafa izy ireo, amin’ny fampiasana ny andinin-tsoratra masina momba ny Sorompanavotana izay vao nofidiny. Hazavao fa misy fitsipika telo ao amin’ny Torio ny FIlazantsarako izay hanampy azy ireo rehefa mampianatra izy ireo. Asaivo mamaky mafy ilay zana-pizarana mitondra ny lohateny hoe “Ampahafantaro ny soratra masina” ao amin’ny pejy 215–16 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatra iray. Anontanio raha misy mpianatra manana fanontaniana momba io dingana io, ka omeo fotoana izy ireo handinihany ny fomba hampidirany ny soratra masina izay nosafidiny.

Avy eo dia asaivo mamaky mafy ilay zana-pizarana mitondra ny lohateny hoe “Vakio ny andininy” ao amin’ny pejy 216 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatra iray hafa. Omeo fotoana ireo mpianatra hamakina amim-pahanginana ny andinin-tsoratra masina izay nosafidiny ka hamantatra ireo teny na andian-teny izay mety ho ilainy hazavaina amin’ny naman’ny Fiangonana. Ary avy eo dia asaivo mamaky mafy ilay zana-pizarana mitondra ny lohateny hoe “Ampiharo ny soratra masina” ao amin’ny pejy 216–17 ny mpianatra iray fahatelo. Dia anontanio indray sao misy manana fanontaniana ireo mpianatra.

Mba hanampiana ireo mpianatra hanana fahombiazana amin’ny fampianarana avy amin’ny soratra masina dia tokony hasehonao azy ireo izany fahaiza-manao izany. Misafidiana andininy iray na roa amin’ny Môsià 3:7–11 sy 16-19 ho ampianarina mba tsy hahatonga anao hampiasa ny andinin-tsoratra masina izay nosafidin’ny mpianatra. Ataovy tsotra sy fohy rehefa mampiseho ireo dingana telo ianao: mampiditra, mamaky ary mampihatra ilay soratra masina. Hanampy ireo mpianatra tsy hahatsapa ho tototry ny zavatra tokony ho ataony izany fanehoana izany. Rehefa vita izany dia anontanio raha misy manana fanontaniana ireo mpianatra.

Omeo fotoana fohy ireo mpianatra mba hiomana hampianatra ny andinin-tsoratra masina izay nosafidiny amin’ny alalan’ny fampiasana ireo dingana telo hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Avy eo dia asaivo miara-miasa tsiroaroa amin’ny mpianatra iray hafa ny mpianatra tsirairay ka asaivo mifampianatra izy ireo. Rehefa avy mampianatra ireo mpianatra dia omeo toky izy ireo fa rehefa mandalina ny soratra masina sy ny Torio ny filazantsarako izy ireo dia hitombo ny fahaizany sy ny fahatokiany mampianatra ny filazantsara.

Ho famaranana ny lesona androany dia anontanio ny mpianatrao raha misy te hizara ny fahatsapany momba an’i Jesoa Kristy, indrindra fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Fanasana mba hanao asa

Asao ireo mpianatrao mba hanao ny iray na mihoatra izany amin’ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny Sorompanavitan’i Jesoa Kristy:

  • Mandritra ny fandalinanao manokana ny soratra masina, dia manamarika na manisy loko ireo andininy izay manampy anao hahatakatra an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Mizara amin’ny olona any an-trano na ao am-piangonana na en ligne ny mikasika ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Sorompanavotana.

  • Raha manana fahafahana manao izany ianao dia mizarà fijoroana ho vavolombelona mandritra ny fotoam-pampianarana miaraka amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno.

  • Maka fotoana isan’andro handalinana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina.