Institiota
Lesona 11: Mampianatra ny drafitry ny famonjena (Tapany 2)


11

Mampianatra ny drafitry ny famonjena (Tapany 2)

Fampidirana

Ny drafitry ny famonjena dia nanolotra Mpamonjy iray mba handresy ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka mandresy ny fahafatesana sy ny fahotana ary ny fahoriana isika. Ankoatra izany dia hitsangana amin’ny maty isika ary ny olo-marina dia hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra ka ho tonga tahaka Azy. Ny misiônera miomana hanao asa fitoriana dia tokony hanana fahatakarana mazava ny fotopampianaran’ny drafitry ny famonjena sy ho vonona hanazava izany amin’ny fomba tsotra ary hijoro ho vavolombelona mikasika izany amin-kery.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy

Mialoha ny hanombohan’ny kilasy dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

“Ny [Jaona 3:16] dia mamintina ny drafitry ny famonjena iray manontolo” (Loholona Bruce R. McConkie).

Rehefa manomboka ny kilasy dia asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Jaona 3:16 ka handinika ny fomba izay hahatonga io andininy io “[hamintina] ny drafitry ny famonjena iray manontolo.”

Rehefa nahazo fotoana fohy hamakiana sy handinihana ny mpianatra dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny fomba hamintinan’io andinin-tsoratra masina io ny drafitry ny famonjena. Raha ilaina dia azonao vakina ilay fanambarana feno izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny Jaona 3:16:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ito angamba no andinin-tsoratra masina tokana malaza sy mahery vaika indrindra izay efa notononina. Izany dia mamintina ny drafitry ny famonjena iray manontolo, mampifamatotra ny Ray, ny Zanaka, ny Sorompanavotany, ilay finoana izay mitaky asa marina, ary ny fisandratana mandrakizay ho an’ny mahatoky” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:144).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana voalohany amin’ny fizarana “Ny Sorompanavotana” ao amin’ny pejy 60 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Ahoana no mety hilazanao, ao anatin’ny fehezanteny tokana, ny antony tena maha-zava-dehibe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho an’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay? (Ny valintenin’ny mpianatra dia tokony hahitana ilay fotopampianarana manao hoe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no mahatonga antsika ho afaka mandresy ny vokatry ny Fahalavoana.)

  • Inona avy ireo vokatry ny Fahalavoana izay iainantsika rehetra? (Ny vokany lehibe indrindra dia [1] ny fahafatesan’ny vatana, [2] ny fahotana sy ny fahafatesana ara-panahy [fisarahana amin’ Andriamanitra] ary [3] ny fijaliana sy ny fahoriana.)

Rehefa mamaly ny mpianatra dia tanisao amin’ny tsanganana iray eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny lohateny hoe “Ireo vokatry ny Fahalavoana” ny valintenin’izy ireo. Avy eo dia ataovy ao amin’ny tsanganana iray amin’ny ankavia ny lohateny hoe: “Ny fomba nandresen’ny Sorompanavotana ireo vokatry ny Fahalavoana” (na asehoy ity tabilao ity amin’ny fampiasana fomba hafa):

Ireo vokatry ny Fahalavoana

Ny fomba nandresen’ny Sorompanavotana ireo vokatry ny Fahalavoana

Fahafatesan’ny vatana

1 Korintiana 15:20–22

Almà 11:42–45

Torio ny Filazantsarako, 60, “Ny Sorompanavotana,” andalana 2

Fahotana sy Fahafatesana ara-panahy

Almà 34:8–9

F&F 19:15–19

Torio ny Filazantsarako, 60–61, “Ny Sorompanavotana,” andalana 3–5

Fijaliana sy Fahoriana

Isaia 53:3–5

Almà 7:11–13

Torio ny Filazantsarako, 60–61, “Ny Sorompanavotana,” andalana 6

Zarao tsitelotelo ny kilasy, ka asao ny ekipa tsirairay handalina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny iray amin’ireo sokajy telo eo amin’ilay tabilao. Asao ireo mpianatra hiomana hizara ny fomba hanazavan’ny andinin-tsoratra masina izay nohalalininy hoe ahoana no fomba handresen’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo vokatry ny Fahalavoana. Lazao ireo mpianatra fa ny soratra masina ao amin’io tabilao io dia misolo tena ireo andinin-tsoratra maro izay azo ampiasaina mba hanehoana ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana ary tokony handalina andinin-tsoratra masina fanampiny izy ireo hahatakarana io fotopampianarana io bebe kokoa. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo handalinana dia asao ny mpianatra vitsivitsy avy amin’ny ekipa tsirairay ao amin’ny kilasy mba hanazava ny zavatra izay nianarany sy ny fomba hanampian’izany antsika hahatakatra ny fomba hanampian’ny Sorompanavotana antsika.

Omeo fotoana fohy ny mpianatra mba hanoratra fehezanteny maromaro izay mamintina na manoritra ny zavatra izay tiany hampianarina ny naman’ny Fiangonana iray mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Rehefa afaka minitra vitsy dia hevero ny hangataka mpianatra vitsivitsy hamaky amin’ny iray kilasy ny zavatra izay nosoratany.

Asao ny Fanahy mba hanampy ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanehoana ny horonantsary “For God So Loved the World” (4:48). Asao ireo mpianatra hitady ireo fomba izay nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany an’izao tontolo izao.

Aorian’ny fanehoana ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo fomba sasany izay nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany ny hafa?

  • Ahoana no hanampian’io horonantsary io anao hankasitraka ny asa fanompoana sy ny asa famonjena izay nataon’ny Mpamonjy?

Asao ireo mpianatra hijery todika ny zavatra izay nosoratany momba ireo zavatra mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay tiany ho ampianarina ny naman’ny Fiangonana iray. Omeo minitra vitsivitsy fanampiny izy ireo hanoratana fehezanteny fanampiny izay mamintina ny zavatra izay inoany sy afaka ijoroany ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Rehefa afaka minitra vitsivitsy dia tendreo ireo mpianatra hiara-hiasa amin’ny mpianatra iray hafa ka hanao tantara an-tsehatra mikasika ny fomba ijoroany ho vavolombelona amin’ny naman’ny Fiangonana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Rehefa samy nahazo fahafahana hanao tantara an-tsehatra ny mpianatra tsirairay dia farano ity ampahan-desona ity amin’ny fanontaniana hoe:

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ny misiônera ny mijoro ho vavolombelona tsy tapaka momba an’i Jesoa Kristy amin’ny olona izay ampianariny? (Azonao atao ny manamafy amin’ny mpianatra fa iray amin’ireo andraikitry ny Fanahy Masina ny mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy [jereo ny Jaona 15:26; 3 Nefia 11:32]; noho izany, rehefa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa isika, dia manasa ny Fanahy Masina mba hanamafy ny fijoroantsika ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay ampianarintsika.)

Amporisiho ireo mpianatra handinika ny zavatra azony atao mba hampitomboana ny fankasitrahany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Omeo toky ny mpianatra fa amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy dia ho vonona tsara kokoa izy ireo hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy.

Ny anjarantsika mandrakizay

Asaivo mijery ilay sary hita ao amin’ny faritra hoe “Drafitry ny Famonjena” ao amin’ny pejy 63 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatra. Asao ny mpianatra mba handalina ilay sary aloha ary avy eo hanao ny sariny manokana ka tsy hijery ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Mety hanana endrika isan-karazany ny sary ataon’izy ireo, fa tokony hampiditra ireo ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny famonjena izy ireo. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny misiônera dia tokony ho afaka manazava amin’ny fomba tsotra amin’ny naman’ny Fiangonana ireo singa fototry ny drafitry ny famonjena.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra hita ao amin’ny fizarana telo ambiny ao amin’ny lesona 2 amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 61–63), dia asao ireo mpianatra haka minitra vitsy hamakiana ireo fizarana ireo ka hamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ary hevitra izay tokony ho fantatry ny naman’ny Fiangonana. Eo am-pamakian’ny mpianatra dia asehoy ny lohatenin’ireo fizarana ireo ao anatin’ny tabilao iray eny amin’ny solaitrabe:

Inona no tokony ho fantatry ny naman’ny Fiangonana?

Ny tontolon’ny fanahy

Ny Fitsanganana amin’ny maty, ny Fitsarana sy ny Tsy fahafatesana

Ireo Fanjakam-boninahitra

Mety hanampy ny manasa ireo mpianatra mba handalina ireo fizarana tsirairay ka hizara ireo fotopampianarana na fitsipika na hevitra izay hitany mialoha ny hamakiana ny fizarana manaraka. Azonao asaina ny mpianatra iray mba hanoratra ireo valinteny eo ambanin’ny lohateny mifandray amin’izany. Hangataho ireo mpianatra mba handika ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany ka hameno izany rehefa mifanakalo hevitra momba ny fizarana tsirairay ny iray kilasy.

Mety hanampy ny mpianatra hamakafaka ny zavatra izay novakiny ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Inona no fiantraikan’ireo fanapahan-kevitra noraisintsika teto an-tany eo amintsika rehefa maty isika?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarantsika ny Fitsarana hisy fiantraikany amin’ireo fanapahan-kevitra raisintsika ankehitriny?

  • Ahoana no isian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fiantraikany eo amin’nydingana tsirairain’ny fisiantsika (talohan’ny nahaterahana, eto an-tany, aorian’ny fahafatesana)?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mampahafantatra an’ireo fahamarinana ireo amin’ny hafa amin’ny fomba mazava sy tsotra?

Hazavao amin’ny mpianatra fa iray amin’ireo fotopampianarana manan-danja an’ny Famerenana amin’ny laoniny ny hoe manana ny fahafahana ny ho tonga tahaka Azy ny zanak’ Andriamanitra. Ny fahatakarantsika momba an’ny Ray any An-danitra dia manome fanantenana antsika fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia afaka mivoatra sy mandray ny fitahian’ny fisandratana (jereo ny hoe “Fisandratana,” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 58). Na dia ho tonga tahaka an’ Andriamanitra aza isika indray andro any dia mbola hitsaoka Azy hatrany. Tsy hanova ny maha-Izy Azy amin’ny maha-Raintsika sy Andriamanitsika Azy mihitsy ny fivoarantsika. (Ho fampahalalana bebe kokoa momba an’io lohahevitra io dia jereo ny lahatsoratra ao amin’ny Gospel Topics izay mitondra ny lohateny hoe “Becoming Like God” ao amin’ny lds.org/topics.)

Zarao tsiroaroa ny mpianatra ka asao ny ekipa tsirairay mba hiomana hampianatra amin’ny olona iray mikasika ny tanjon’ny fiainana sy ny zavatra mitranga amintsika aorian’ny fahafatesantsika. Eo am-piomanany dia tokony hijery ao amin’ny pejy 60–63 amin’ny Torio ny Filazantsarako na ny pejy 10–15 ao amin’ny kibokin’ny misiônera Ny Drafiry ny Famonjena ny mpianatra, raha misy izany. Entano ireo mpianatra mba hampiasa farafahakeliny andinin-tsoratra masina iray rehefa mampianatra. Amporisiho ihany koa izy ireo mba hampiasa sarin’ny drafitry ny famonjena izay noforoniny na ilay sary ao amin’ny pejy 63 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Hazavao fa tokony ho tsotra sy mazava ny fampianarany ary tokony hofaranany amin’ny fijoroana ho vavolombelona izany. Omeo fotoana ampy ny ekipa tsirairay hiomanana mampianatra, ary avy eo dia asao ny ekipa tsirairay mba hiara-hiasa amin’ny ekipa iray hafa. Tendreo hampianatra ireo mpianatra roa hafa ny ekipa iray.

Rehefa mamarana ny fotoana fampianarany ireo mpianatra mpiara-miasa dia asao ny ekipa tsirairay hifampidinika ny amin’ireto manaraka ireto: Inona no nety tao amin’ilay fampianarana? Ahoana no mety hivoaran’ireo mpianatra izay nampianatra?

Avy eo dia ampifamadiho ny andraikitra ka avelao ireo mpianatra izay nampianarina mba hampianatra ilay ekipa iray hafa. Alaivo antoka fa hisy fotoana ahafahan’izy ireo handray fanamarihana. Rehefa avy nampianatra ny ekipa tsirairay dia asao ny mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ireo hevi-baovao avy tamin’ny zavatra nataony.

Raha ampy ny fotoana dia farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny drafitry ny famonjena ny lesona na asao ireo mpianatra mba hanao izany.

Fanasana mba hanao asa

Asao ireo mpianatra hisafidy ny iray na mihoatra amin’ireto asa atao manaraka ireto mba ho ampihariny ivelan’ny kilasy ka hampitomboany ny fahatakarany mikasika ny drafitry ny famonjena:

  • Mizàra manao ilay sary ao amin’ny pejy 63 amin’ny Torio ny Filazantsarako ka hanazava ireo singa fototry ny drafitry ny famonjena, sady mampiasa andinin-tsoratra masina iray hanohanana ny singa tsirairay.

  • Diniho ny mety hampianaranao ny drafitry ny famonjena mba hanampiana olona iray izay vao avy nindaosin’ny fahafatesana ny havana na olon-tiana iray. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny famintinana fohy na ireo hevitra anananao manoloana izany.

  • Halalino ny lahateny iray mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy avy tamin’ny lahatenin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana vao tsy ela. Fantaro ireo fitsipika ao amin’ilay lahateny izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manaova lisitr’ireo fomba izay hitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy anao isan’andro.

  • Mivavaha mba hanana fahafahana hizara ny drafitry ny famonjena amin’ny olona iray izay afaka ny ho voatahy amin’ny fahatakarana tsara kokoa ny drafitry ny Ray any An-danitra. Avy eo dia mampisehoa finoana ka ampianaro izany fotopampianarana izany mba hitahiana ny fiainan’ilay olona.