Institiota
Lesona 15: Asao Atao any amin’ny Tempoly sy Fanaovana Tantaram-pianakaviana


15

Asao Atao any amin’ny Tempoly sy Fanaovana Tantaram-pianakaviana

Fampidirana

Afaka mampandroso ny asa famonjena ny misiônera miomana hanao asa fitoriana sy ny misiônera amin’ny fotoana feno amin’ny alalan’ny fianarana momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana sy amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa hiaina ireo fahatsapana ny Fanahy miaraka amin’izany asa izany. Ny tantaram-pianakaviana dia afaka ny ho fitaovana mahery vaika amin’ny fitadiavana olona hampianarina sy amin’ny fanamafisana orina ny finoan’ireo vao niova fo sy ireo mpikambana malaindaina. Ny fandraisana anjara amin’ny asan’ny tantaram-pianakaviana dia mampitodika ny fon’ny olona amin’ireo razambeny sy amin’ny Tompo. Ny tantaram-pianakaviana dia fitaovana iray izay azon’ny misiônera ampiasaina mba hanasana ny olona hanatona an’i Kristy sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny maha-zava-dehibe ny Fanafiana Masina atao any amin’ny Tempoly

Asehoy ny sarin’ny tempoly izay akaiky, avy eo dia vakio izao teny nambaran’ny Filoha Howard W. Hunter manaraka izao:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Aoka isika hanomana ny misiônera rehetra mba handeha amim-pahamendrehana any amin’ny tempoly sy hanao izany traikefa izany ho manan-danja bebe kokoa noho ny fahazoana ny antso hitory” (“Follow the Son of God,” Ensign, nôv. 1994, 88).

Ho fanamafisana dia azonao vakiana indray ilay teny nambara ka hanontany avy eo hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana ny fandehanana any amin’ny tempoly no “manan-danja bebe kokoa” noho ny fahazoana ny antso hitory? (Mety hahitana ireto manaraka ireto ny valiny azo omena: tsy maharitra ny asa fitoriana, fa ireo fanekempihavanana ataontsika any amin’ny tempoly kosa dia mandrakizay; mitondra hery ho an’ny misiônera mendrika ireo fitahiana avy amin’ny tempoly.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ny andalana voalohany eo ambanin’ny “Ny Tempoly sy ny Tetiarana” ao amin’ny pejy 101–02 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo fitahiana sasany izay azontsika avy amin’ny tempoly?

  • Ahoana no mety hitahian’ireo fitahiana ireo ny olona iray izay miezaka ny hanatona an’i Kristy?

Mba hahitana ny fomba hitahiana ny misiônera rehefa mandeha any amin’ny tempoly mialoha ny handehanany mitory dia asao ny kilasy hijery ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–23, ary hazavao fa ireo andininy ireo dia anisan’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo eo am-panarahan’ny mpianatra rehetra ka hitadiavan’izy ireo ny fitahiana avy amin’ny tempoly izay azon’ny mpanompon’ny Tompo. Avy eo dia ampio ireo mpianatra hahita fitsipika iray izay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo amin’ny fanontaniana hoe:

  • Ahoana no hanampian’ireo andininy ireo anao hahatakatra ny antony maha-tena manan-danja ny fahazoana ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ho an’ny misiônera mialoha ny hiaingany handeha hitory? (Azonao fintinina amin’izao fitsipika manaraka izao ny valintenin’ireo mpianatra: Ny fandraisana ireo fitahian’ny tempoly dia manome fahafahana ny misiônera handeha amin’izao tontolo izao miaraka amin’ny fanampiana sy hery avy amin’ Andriamanitra. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe .)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Tena zava-dehibe ho anareo ny mahatakatra fa ny fandehanana any amin’ny tempoly hanafiana ny tenanareo … [dia] tafiditra ao anatin’ny fiomananareo hanao asa fitoriana. … [Ianareo dia tokony] hahatakatra ny lanjan’ireo fanekempihavanan’ny tempoly ireo [sy] ny fifandraisana tsy mety rava misy eo amin’ny fanafiana masina izay azonareo tao sy ny fahombiazan’ny asa fitorianareo. Marina tokoa fa ilay teny hoe fanafiana masina dia mampita ny foto-kevitr’izany fifandraisana lehibe izany. Fanomezana iray ny fanafiana masina. …

“Fantatrareo fa tsy afaka manao ity asa ity irery ianareo. Tsy maintsy mahazo ny fanampian’ny lanitra isika, tsy maintsy manana an’ilay fanomezana avy amin’ Andriamanitra isika. … Tena lehibe ity asa ity ary ny fanoherana ataon’ny fahavalo aminy dia tena lehibe tokoa ka mila ny herin’ Andriamanitra rehetra isika hanatsarana ny ezaka ataontsika sy hampandroso tsara ny Fiangonana” (“Keeping Covenants: A Message for Those Who Will Serve a Mission,” New Era, jan. 2012, 3–4).

Anontanio hoe:

Hazavao fa mialoha ny handraisana ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana hiditra ny tempoly avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ao an-toerana ny mpikambana mendrika. Avy eo dia asehoy ity fanambarana manaraka ity ka asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy :

“Ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly dia midika fa hita mendrika isika tamin’ny alalan’ny dinidinika niarahana tamin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpa na ny fiadidian’ny sampana ary koa dinidinika niarahana tamin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na misiôna. Ny dinidinika mba hahazoana ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly dia fahafahana ho antsika handinihana ny fahamendrehantsika. Hanontany mikasika ny fomba fiainanantsika manokana sy ny finoantsika ireo mpitarika antsika ao amin’ny fisoronana isaky ny dinidinidika. Mihazona izay miseho ao anatin’ireo dinidinika ireo ho azy irery sy ho tsiambaratelo ireo mpitarika antsika ao amin’ny fisoronana izay manao izany. …

“Ireto manaraka ireto ny sasany amin’ireo foto-kevitra izay hanontanian’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana antsika:

  1. Ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina.

  2. Raha toa ka manohana ny Filohan’ny Fiangonana ianao.

  3. Raha toa ka miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, mandoa ny fahafolonkarena, marin-toetra amin’ny hafa, ary mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena.

  4. Raha toa ka miezaka mandeha any am-piangonana sy mitandrina ireo fanekempihavanana izay nataonao ary mitandrina ny fiainanao hifanaraka amin’ireo didin’ny filazantsara” (“Being Worthy to Enter the Temple,” Ensign, aôg. 2010, 8–9; na Liahona, aôg. 2010, 12–13).

  • Amin’ny fomba ahoana ireo fepetra takiana amin’ny fahamendrehana no manampy anao hahatakatra ny toetoetra masin’ny tempoly sy ny antsonao amin’ny maha-misiônera anao?

  • Raha tsy saro-pady na manokana loatra dia inona no traikefa azonao zaraina izay nanampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny tempoly sy ny asa izay atao any?

Asao ireo mpianatra handinika ny zavatra izay hilainy mba hahazoan’izy ireo amim-pahamendrehana ny fanafiana masina.

Mialoha ny hanohizana dia azonao hamafisina amin’ny mpianatrao fa amin’ny maha-misiônera azy dia tokony hanao izay vitany izy ireo mba hamporisihana ireo vao niova fo mba hiomana handeha any amin’ny tempoly. Ny olona vao niova fo izay mandeha any amin’ny tempoly mba hanatanteraka batisa isoloana tena ho an’ny razambeny dia mety hijanona ho mahatoky ka handeha any amin’ny tempoly any aoriana mba handray ny fanafiana masina sy ny famehezana. Farano ity ampahan-desona ity amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny tempoly sy ny hery ara-panahy azonao avy tamin’ny fitsaohanao tany.

Ny Drafitr’ Andriamanitra ho fanavotana ny maty

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nitsidika ny tontolon’ny fanahy Izy (jereo ny 1 Petera 3:18–20; 4:6). Avy eo dia asao ny mpianatra mba hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–35. Hazavao fa ity fizarana ity dia ahitana ny tantaran’ny fahitan’ny Filoha Joseph F. Smith momba ny tontolon’ny Fanahy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireo andininy ireo. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no nataon’ny Mpamonjy mba handaminana ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo maty any amin’ny tontolon’ny fanahy?

  • Ahoana no ahafahan’ireo andininy 33–35 manampy antsika hahatakatra ireo fomba ahafahan’ireo izay manaiky ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena? (Ireo izay manaiky ny filazantsara dia afaka mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena tanterahana ho azy ireo amin’ny alalan’ny fisoloana tena.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireo andalana roa farany ao amin’ny fizarana “Ny Tempoly sy ny Tetiarana” ao amin’ny pejy 102 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny drafitry ny Tompo mitahy ny olona izay maty tsy nahazo ireo ôrdonansin’ny filazantsara izay ilainy? (Afaka manatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo izay efa maty ny velona.)

Ny Asa Nanirahana an’ i Elia

Hazavao fa i Elia dia mpaminanin’ny Testamenta Taloha izay niaina tokony ho 900 talohan’i J.K. Naminany ny mpaminany Malakia fa hiverina eto an-tany indray i Elia (jereo ny Malakia 4:5–6), ary rehefa niseho tamin’i Joseph i Môrônia tamin’ny 1823 dia nohamafisiny indray fa hiverina indray i Elia. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:38–39 eo am-panarahan’ny rehetra ka hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Môrônia momba an’i Elia. Anontanio hoe:

  • Inona no nianaran’i Joseph Smith momba an’i Elia? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra, dia tokony hahatakatra izy ireo fa mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hiverina indray eto an-teny i Elia ka hampitodika ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy.)

  • Inona no dikan’ny hoe ny fon’ny zanaka dia hitodika ho amin’ny rainy? (Hanomboka ho liana sy ho voakasiky ny mahasoa ny fianakaviany taloha sy ankehitriny ary amin’ny ho avy ny olona. Izany no anisan’ireo zavatra hanosika ny olona hitady ny tantaran’ireo havany efa maty ka handray anjara amin’ireo ôrdônansy isoloana tena ho azy ireo.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa herinandro taorian’ny nanokanana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 1836 dia nisy tranga niavaka izay niseho ka noraketina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 eo am-panarahan’ny iray kilasy ny vakiteny hitadiavana ny zavatra izay naverin’i Elia tamin’ny laoniny teto an-tany. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona avy ireo fanalahidy naverin’i Elia tamin’ny laoniny ka nomeny an’i Joseph Smith? (Raha ilaina, dia asao ireo mpianatra hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:16 ka ampio izy ireo hahatakatra fa i Elia dia namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny famehezana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hitahiana ireo fianakaviana amin’ny alalan’ny fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny famehezana dia asaivo vakian’ny mpianatra iray ny andalana voalohany amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fanambadiana Mandrakizay” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 100. Manontania avy eo hoe:

  • Araka io andalana io dia inona no tanjon’ireo fanalahidin’ny famehezana izay naverin’i Elia tamin’ny laoniny teto an-tany? (Mety hanome valinteny samihafa ny mpianatra, saingy tokony hahita izao fotopampianarana manaraka izao izy ireo: Amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana ho an’ny famehezana no ahafahan’ireo ôrdônansy masina ho tanterahina ao amin’ny tempoly izay mamatotra mandrakizay ny fianakaviana.)

  • Ahoana no efa nitahian’ireo fanalahidy ireo anao na ny fianakavianao na ny havanao na ny mpiray tampo aminao na ny namanao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe “Ny fanahin’i Elia.” Asehoy ireto teny nambara manaraka ireto ary manasà mpianara vitsivitsy hamaky mafy izany amin’ny iray kilasy:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ny fanahin’ i Elia ho “fisehoan’ ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-masina ny fianakaviana” (“A New Harvest Time,” Ensign, mey 1998, 34).

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome hevi-baovao fanampiny momba ny fomba hanentanan’ny fanahin’i Elia ny olona: “Izany hery mitarika miavaky ny Fanahy Masina izany dia mamporisika ireo olona hamantatra ireo razambeny sy hanangona antontan-taratasy-taratasy mikasika azy ireo ary haneho fitiavana amin’ izy ireo sy ireo olona ao amin’ ny fianakaviany—na ireo izay niaina taloha na ireo izay miaina amin’ izao fotoana izao.

“Misy fiantraikany amin’ ny olona ao anatiny sy any ivelan’ ny Fiangonana ny Fanahin’ i Elia. Na izany aza, amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonan’ i Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny antsika dia andraikitsika araky ny fanekempihavanana ny mikaroka ny momba ireo razambentsika ary manatanteraka ho azy ireo ny ôrdônansin’ ny famonjena ao amin’ ny filazantsara. …

“Noho ireo antony ireo no hanaovantsika fikarohana ny tantaram-pianakaviana, hananganantsika tempoly ary hanatanterahantsika ireo ôrdônansy isoloana tena. Noho ireo antony ireo no nandefasana an’ i Elia hamerina ny fahefana mamehy izay mamatotra eto an-tany sy any an-danitra” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Ensign na Liahona, Nov. 2011, 26).

Ampio ireo mpianatra hamantatra sy hahatakatra tsara ireo fotopampianarana nampianarin’ny Loholona Bednar amin’ny fanontaniana hoe:

  • Inona no tiantsika lazaina rehefa miresaka momba ny “fanahin’i Elia” isika?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manentana ny zavatra tsapantsika mikasika ny fianakaviana? (Ny fanahin’ny Elia, izay miavaka amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia mijoro ho vavolombelona mikasika ny toetra araka an’ Andriamanitra ananan’ny fianakaviana ary manampy antsika ho tia ny mpikambana ao amin’ny fianakaviantsika, na ny efa niaina teo aloha na ny ankehitriny. Mampisy faniriana ao amintsika ny hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ny razambentsika koa izany.)

  • Efa nahatsapa ny fonao nitodika tamin’ny razanao ve ianao? Raha eny, inona nasaina nataonao? (Raha ilaina, dia ampahatsiahivo ny mpianatra ireo lesona teo aloha momba ny fomba ifandraisan’ny Fanahy Masina amintsika.)

Fandraisana anjara amin’ny fanaovana asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Asehoy amin’ny mpianatra ny tabilaon’ny tetiarana nofenoina iray izay misy taranaka efatra na tabilao miendrika fikopahana natonta avy tao amin’ny FamilySearch.org. Asao ireo mpianatra mba hanazava hoe inona no zavatra hita ao amin’ireo antotan-taratasy ireo.

Zarao tabilaon’ny tetiarana foana misy taranaka efatra iray ny mpianatra tsirairay. Omeo fotoana ireo mpianatra handinihana ilay tabilaon’ny tetiarana ka hameno izany amin’ny anaran’ireo razambeny araka izay fahaizany.

Sary
Taratasy fizara: tabilaon’ny tetiarana

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Aiza no mety hahafahanao mahita ireo fampahalalana izay ilaina mba hamenoana ny tabilaon’ny tetiaranao na ny tabilao miendrika fikopahana? (Ampahatsihivo ireo mpianatra fa tokony hikatsaka fanampiana amin’ny ray aman-dreny na ny ray aman-drenibe na mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviany aloha izy ireo. Afaka manampy tsara ihany koa ny mpanorohevitra momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy na ny sampana amin’ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana. Ankoatra izany dia tokony ho fantatry ny mpianatra ny tranokalan’ny Fiangonana ho an’ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana, dia ny FamilySearch.org.)

Anontanio raha toa misy amin’ireo mpianatra te hizara ny traikefany amin’ny fampiasana ny FamilySearch hianarana mikasika ny razambeny. Raha mbola tsy nampiasa ny FamilySearch ny mpianatra dia omeo topimaso kely mikasika ny zavatra mety ho hitan’izy ireo ao izy ireo. Azonao atao mihitsy ny manokatra ny FamilySearch.org amin’ny solosaina ary manao fikarohana ny anaran’ny iray amin’ireo razamben’ny mpianatra izay efa maty. Hamafiso fa ny FamilySearch dia fitaovana iray izay manampy antsika hahafantatra ireo razambentsika sy hanomana ny fampahalalana momba azy ireo mba ho ampidirina any amin’ny tempoly mba hanaovana ny ôrdônansy isoloana tena.

Hazavao amin’ny mpianatra fa fomba iray hanaovana ny tantaram-pianakaviana ny manangona ireo tantara mikasika ny razambeny sy ny havany. Ireo tantara amin’ny tantaram-pianakaviana dia afaka manampy antsika hahatsapa ny fanahin’i Elia sy hampitombo ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika ho an’ireo havantsika izay efa lasa talohantsika. Mizarà tantara iray momba ny iray amin’ireo razambenao. Manontania avy eo hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ireo tantara amin’ny tantaram-pianakaviana manentana ny zavatra tsapanao ho an’ny mpikambana ao amin’ny fianakavianao?

  • Ahoana no hanampian’izy ireny anao hahatakatra tsara kokoa ny hoe iza ianao afaka tonga toa inona ianao?

Asehoy ny horonantsary “The Time Is Now” (3:20). Rehefa mijery ilay resadresaka ifanaovana amin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba handinika ireo antony nahatonga azy ireo nanomboka na mety manana faniriana hanomboka handray anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Inona no nianaranao mikasika ny asa momba ny tantaram-pianakaviana avy amin’ny Loholona Bednar sy ireo tanora ao amin’ilay horonantsary?

  • Inona no fahatsapana nananan’ireo tanora ireo rehefa nandray anjara tamin’ny tantaram-pianakaviana?

Lazao ireo mpianatra fa nanome fampanantenana an’ireo tanora izay mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ny Loholona Bednar. Asehoy ity teny manaraka ity ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Raha toa ka manaiky amim-pinoana izany fanasana izany ianareo [mandray anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy manatanteraka batisa isoloana tena ho an’ny razambenao], dia hitodika any amin’ny ray ny fonareo. Hitoetra ao am-ponareo ny fampanantenana natao tamin’ i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba. Ilay tsodranon’ ny patriarika voarainareo izay ahitana fanambarana momba ny rohim-pirazanana dia hampifandray anareo amin’ ireo rainareo ireo ary ho lasa manan-danja bebe kokoa aminareo. Hitombo ny fitiavanareo sy ny fankasitrahanareo ireo razambenareo. Hiorim-paka sy hitoetra maharitra ny fijoroanareo ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy sy ny fiovam-ponareo ao Aminy. Ary mampanantena anareo aho fa ho voaro amin’ ny fisarihana mahery vaika ataon’ ny fahavalo ianareo. Ho voaro ianareo ao anatin’ny fahatanoranareo sy mandritra ny fiainanareo rehefa mandray anjara ao anatin’izany asa masina izany ary mitia izany” (“Hitodika ny Fon’ny Zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 26–27).

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Fitahiana inona amin’ireo voalazan’ny Loholona Bednar ireo no tianao ho azo, ary nahoana? (Ny valinteny dia mety hahitana ilay fitsipika hoe ny fandraisana anjara amin’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana dia manamafy orina ny fiovampo amin’ny Mpamonjy sy mitondra fiarovana ara-panahy hanoherana ny fitaoman’ny fahavalo.)

Azonao ampiana ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany manokana izay mifandray amin’ny tantaram-pianakaviana amin’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no efa niainanao ny iray na mihoatra amin’ireo fitahiana nampanantenaina ireo tamin’ny fiainanao?

  • Efa nisy ve taminareo na mpikamban’ny fianakavianareo nahita anarana razambe iray ary avy eo dia nandeha tany amin’ny tempoly mba hatao batisa ho eo amin’ny toeran’ilay olona? Inona no nampiavaka izany traikefa izany amin’ny fanaovana batisa ho amin’ny toeran’olona izay tsy havanao?

  • Raha tsy nisy mpianatra nanana izany traikefa izany dia anontanio hoe: Ahoana no efa niainanao an’ireo fitahiana nampanantenaina amin’ny fanaovana ny batisa ho an’ny maty?

Raha toa ka mandritra ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy ianao no lasa mahatsikaritra mpianatra iray na mihoatra izay nandray anjara na manana fahatsapana mahery vaika momba ny tantaram-pianakaviana dia azonao anontaniana izy ireo hoe inona no torohevitra homeny ny olona iray mitovy taona aminy izay mbola tsy nanomboka nanao ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

Mampiasa ny tantaram-pianakaviana mba hanasana ny olona hanatona an’i Kristy

Lazao ireo mpianatra fa lasa zavatra atao tena malaza amin’izao tontolo izao ankehitriny ny fikarohana fampahalalana mikasika ny tantaram-pianakaviana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley izao.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Ankehitriny ny olona an’arivony maro manerana izao tontolo izao no miasa amin’ny firaketana ny tantaram-pianakaviana. Nahoana? Nahoana izy ireo no manao izany? Mino aho fa ny antony dia satria voakasiky ny fanahin’izany asa izany izy ireo, zavatra izay antsointsika hoe ny fanahin’i Elia. Izany dia ny fitodihan’ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy. Maro amin’izy ireo no tsy mahatakatra ny tena tanjona amin’izy ity, ankoatra ny faniriana mafy sy mamporisika te hahafanta-javatra angamba.

“Tsy maintsy ahitana tanjona ity fandaniana fotoana sy vola be ity. Izany tanjona izany, izay ijoroanay ho vavolombelona am-pahibemaso, dia ny hamantatra ireo razambe efa maty mba hahafahana manao ôrdônansy ho azy ireo ho an’ny fitahiana azy ireo mandrakizay sy ho an’ny fivoarany mandrakizay ” (“A Century of Family History Service,” Ensign, mar. 1995, 62).

Anontanio hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny misiônera mampiasa ny hoe ireo olona maneran-tany dia lasa liana hatrany amin’ny tantaram-pianakaviana amin’ny fampahafantarana ny filazantsara amin’ny hafa?

Asao ireo mpianatra mba hamaky mafy ireo andalana telo voalohany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Tantaram-pianakaviana” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 194–95. Asao izy ireo hijery ny hoe nahoana ny firesahana mikasika ny tantaram-pianakaviana amin’olona tsy mpikambana no fomba mandeha ho azy sy tsy mampatahotra ho an’ny misiônera mba hanombohana resaka. Aoriana ny famakiana an’ireo andalana ireo dia anontanio hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny firesahana amin’ny hafa momba ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho lohararano ahitana fahombiazana amin’ny fitadiavana olona hampianarina? (Tokony ho takatry ny mpianatra fa ny tantaram-pianakaviana dia mety ho loharano mahery vaika azo ampiasaina mba hitadiavana ireo izay omanin’ny Tompo handray ny filazantsara.)

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia asehoy ny horonantsary “Family History and Missionary Work—Finding” (3:53). Eo am-pijerevany izany dia asao ireo mpianatra handinika ny fomba mety hampiasany ny lohahevitry ny tantaram-pianakaviana mba hanombohana resaka amin’ny hafa.

Rehefa tapitra ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Inona no nataon’ireo misiônera tao amin’ilay horonantsary mba hanombohana resaka amin’ny hafa momba ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana?

  • Inona no vokatry ny resaka momba ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana tamin’ireo naman’ny Fiangonana?

Lazao ireo mpianatra fa hanao fanazaran-tena izy ireo izao amin’ny fampiasana taratasin-tetiarana iray hanasana olona mba hianatra bebe kokoa momba ny Fiangonana. (Na koa, azonao asaina ireo mpianatra mba hieritreritra ny mety hampiasany tantara iray momba ny iray amin’ireo razambeny mba hanombohana resaka momba ny filazantsara). Mba hanampiana ny mpianatra hahomby amin’io asa atao io dia angataho ny hevitr’ireo mpianatra momba ny fomba fampiasana tabilaon’ny tetiarana (na tantara iray momba ny razambeny) mba hanombohana resaka momba ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny fomba mety hahafahan’izany hitarika amin’ny hafatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny. Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hevitr’izy ireo.

Raiso ny sasany amin’ny hevitr’izy ireo ka asehoy amin’ny kilasy ny fomba hampiasana ilay tabilaon’ny tetiarana mba hanombohana resaka momba ny filazantsara amin’ny olona iray. Avy eo dia asaivo miara-miasa tsiroaroa amin’ny mpianatra iray hafa ny mpianatra ka asaivo manao toy izany izy ireo. Rehefa samy avy nanana fahafahana hampianatra mpianatra iray hafa ny mpianatra tsirairay dia mametraha fanontaniana ho fanaraha-maso tahaka ny hoe:

  • Inona no heverinao fa nety tao amin’ity fampianarana ity?

  • Inona no tianao ho hatsaraina?

Raha ampy ny fotoana dia hazavao amin’ny mpianatra fa any amin’ny faritra maro izay hanompoany, dia ho angatahina ireo misiônera mba hanampy amin’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny fanoloran-tenan’ireo mpikamban’ny Fiangonana malaindaina. Afaka ny ho fitaovana sarobidy ny tantaram-pianakaviana mba hanampiana ny olona hahatsapa ny Fanahy Masina sy hanatona an’i Kristy. Avy eo dia asehoy ny horonantsary “Family History and Missionary Work—Activation” (3:05), ka asao ireo mpianatra hitady ireo fomba izay hahafahan’ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho ampiasaina mba hampiverina ireo mpikambana malaindaina:

Rehefa tapitra ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny firesahana momba ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ny fotopampianaran’ny fianakaviana mandrakizay manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoan’ireo mpikambana malaindaina?

Omeo fotoana ireo mpianatra handinihana ny zavatra azony atao ankehitriny sy ny zavatra mety ho azony atao rehefa mitory mba hampiasa ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ho fitaovana hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy. (Araka ny hitaoman’ny Fanahy anao dia mety hanasa mpianatra vitsivitsy ianao mba hizara ny valinteniny amin’ny mpianatra rehetra.) Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay nampianarina tato amin’ity lesona ity.

Fanasana mba hanao asa:

Asao ireo mpianatra mba handray anjara amin’ny asan’ny famonjena amin’ny fanaovana ny iray na mihoatra amin’ireto asa atao manaraka ireto:

  • Manokafa compte SDJ mba hahahafanao miditra ao amin’ny FamilySearch.org. Raha azo atao dia manaova tabilaon’ny tetiarana misy taranaka efatra mifandimby na tabilao miendrika fikopahana iray miaraka amin’ny fampahalalana momba ny fianakavianao ary avoahy printy izany.

  • Asehoy amin’ny namana iray na mpifanolobodirindrina aminao ny tabilaon’ny tetiaranao misy taranaka efatra mifandimby ka asao izy mba hianatra bebe kokoa momba ny tantaram-pianakaviana. Mametraha daty iray itondranao namana iray ho any amin’ny mpanorohevitra momba ny tantaram-pianakaviana na hitsidika ny tranombokin’ny tantaram-pianakaviana.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny FamilySearch.org dia fantaro ny iray na mihoatra amin’ireo razambenao izay mila hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly isoloana tena. Raha azo atao dia omano ireo fampahalalana ho an’ny asa atao any amin’ny tempoly mba ho tanterahina ho azy ireo ary vitao ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho azy ireo.