Institiota
Lesona 13: Mampianatra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy (Tapany 1)


13

Mampianatra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy (Tapany 1)

Fampidirana

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ahitana ireo fotopampianarana, fitsipika, lalàna, fanekempihavanana, ary ôrdonansy mandrakizay izay ilain’ny olombelona hiverenana indray eo anatrehan’ Andriamanitra sy hahazoana ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. Ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Krsity, ny fibebahana, ny batisa asitrika ary ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana dia tokony ho vonona hanampy ny naman’ny Fiangonana mba hanana finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka amin’ny fahotany mialoha ny hanaovana batisa azy ireo sy ny handraisany ny Fanahy Masina.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Afaka Ho Voadio amin’ny Otantsika Isika amin’ny Alalan’i Kristy

Mba hanampiana ny mpianatra hianatra zavatra avy amin’ny lesona dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana ity mialoha ny hanombohan’ny kilasy:

Ahoana no tsy mampitovy ny fenitr’izao tontolo izao momba ny tsara sy ny ratsy sy ny fenitry ny Ray Any an-danitra?

Rehefa manomboka ny kilasy, dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hamaly ny fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy namaly ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny faritra mitondra ny lohateny hoe “Ny Fahotana” ao amin’ny pejy 71 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Nahoana no zava-dehibe amin’ny naman’ny Fiangonana ny mahatakatra ny dikan’ny fahotana sy ny vokatr’izany mialoha ny fianarany mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao ary asao ny mpianatra mba hitady ny valiny rehefa mandalina ny fizarana “Afaka Ho Voadio amin’ny Otantsika Isika amin’ny Alalan’i Kristy” ao amin’ny pejy70–71 amin’ny Torio ny Filazantsarako izy ireo:

Inona avy ny sasany amin’ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’io fizarana io izay afaka manampy ny naman’ny Fiangonana hanana faniriana hanatona an’i Jesoa Kristy.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra hanaovana ny vakiteny dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany. Mety hahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’izy ireo:

  • Naniraka an’i Jesoa Kristy Zanany Malala teto amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hahafahantsika manana ny fahafahana ny hiverina hiaina eo anatrehany indray aorian’ny fahafatesantsika.

  • Amin’ny alalan’ny fahasoavana sy ny famindrampon’ny Mpamonjy ihany no ahafahantsika ho voadio amin’ny fahotantsika.

  • Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ny olona rehetra dia hoentina miverina eo anatrehan’nyTompo mba ho tsaraina.

  • Tsy misy zavatra tsy madio afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra.

  • Nisolo toerana antsika i Jesoa Kristy ary niaritra ny famaizana noho ny fahotantsika.

  • Mamela ny helotsika i Jesoa Kristy raha toa ka manaiky Azy sy mibebaka ary mankatò ny didiny isika.

Avy eo dia omeo minitra vitsy ireo mpianatra handalinana na hanamarihana ny maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ireo andalana vao avy novakiny na ao amin’ny faritra hoe Fandalinana Soratra masina ao amin’ny pejy 71 izay maneho ny iray amin’ireo fitsipika vao hitany. Asao ny antsasaky ny kilasy hisafidy andinin-tsoratra masina ao amin’ireo andalana vao novakiny ary ny antsany iray hafa hisafidy andinin-tsoratra masina ao amin’ilay faritra hoe Fandalinana Soratra masina. Asao ireo mpianatra mba ho vonona hanazava ny fomba mety hampiasany ny iray na mihoatra amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hanampiana ny naman’ny Fiangonana hahatakatra sy hankasitraka ny zavatra efa nataon’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy mba hanampiana antsika handresy ny vokatry ny fahotana. Rehefa afaka minitra vitsivitsy, dia asao ny mpianatra vitsivitsy hanazava ny zavatra nianarany.

Finoana an’i Jesoa Kristy

Avereno jerena miaraka amin’ny mpianatra ny fehezanteny milaza ny tanjona misiônera hita ao amin’ny faritra mitondra ny lohateny hoe “Ny tanjonao” ao amin’ny pejy 1 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Anontanio avy eo hoe:

  • Inona no tsy mampitovy ny hoe (1) manampy olona iray “hanatona an’i Kristy” ka ho lasa niova fo amin’ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny sy ny hoe (2) manampy fotsiny olona iray mba ho tonga mpikamban’ny Fiangonana?

  • Nahoana no manan-danja kokoa ho an’ny misiônera ny manampy ny olona hanatona an’i Kristy fa tsy manampy azy ireo ho tonga mpikamban’ny Fiangonana?

Asao ireo mpianatra mba handalina ny andalana voalohany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny pejy 72 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Eo am-pandalinany izany dia asao ireo mpianatra mba hitady ireo fomba izay ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy manampy ny olona iray ho lasa niova fo amin’ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny. Manontania avy eo hoe:

  • Avy amin’ny zavatra izay novakinao, inona no dikan’ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no hitarihan’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny olona iray ho lasa niova fo amin’ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Mitarika hanao zavatra ny finoana an’i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra hamaky ny ambin’ny fizarana hoe “Ny Finoana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny pejy 72 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Eo am-pamakiany dia asao izy ireo hanisy marika ireo asa izay mampiseho ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Rehefa afaka fotoana fohy dia manontania hoe:

  • Inona avy ireo asa sasany izay mety hampiseho fa mitombo finoana an’i Jesoa Kristy ny naman’ny Fiangonana iray? (Tokony hahitana ireto ny valinteny: fibebahana, fianarana mikasika an’i Jesoa Kristy sy fahatongavana tahaka Azy, fankatoavana ny didy, fisorohana ny fahotana, fivavahana mba hahazo hery hanoherana ny fakam-panahy, fianarana ny tenin’ Andriamanitra, ary fanajana ireo fanoloran-tena ny hanaraka ireo fitsipiky ny filazantsara.)

  • Araka ny zavatra izay novakinao, rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, ahona no hitahiany antsika amin’ny fiainantsika andavanandro? (Mety hahitana ireto ny valinteny: Manome hery antsika Izy hiatrehana ireo fanambin’ny fiainana. Manampy antsika hanova ny fanirian’ny fontsika Izy. Manasitrana antsika ara-nofo sy ara-panahy Izy.)

Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diarim-pianarany:

  • Ahoana no efa nanosehan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy anao hanao zavatra amin’ny fomba izay voafaritra ao amin’io fizarana io?

  • Inona koa no azonao atao mba hanehoana bebe kokoa fa mino an’i Jesoa Kristy ianao?

Zarao ho vondrona na mpiara-miasa tsiroaroa ny mpianatra. Asao ireo vondrona mba hanomana lesona mandritra ny roa na telo minitra momba ny finoana an’i Jesoa Kristy. Eo am-piomanany dia asao ireo mpianatra hampiasa ny ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 72, ka hampiditra soratra masina iray ny roa avy ao amin’ny faritra hoe Fandalinana Soratra masina. Azon’ny mpianatra ampiasaina koa ny kibokin’ny misiônera mitondra ny lohateny hoe Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa nahazo fotoana ampy hiomanana ireo mpianatra dia mandamìna vondrona mpianatra tsiefatrefatra (ekipa misy olona anankiroa isaky ny vondrona). Asaivo mampianatra ny ekipa iray hafa ny ekipa iray. Hazavao fa tokony hampiasa ny teniny manokana izy ireo ary tokony ho tsotra sy mazava rehefa mampianatra.

Rehefa mamarana ny fanazarany tena hampianatra ireo mpianatra dia asao ireo vondrona kely hifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra izay nety sy ny zavatra izay tsapany fa sarotra nampianarina ary nahoana, ary ahoana no fomba nanampian’ny fampianarana nataon’izy ireo ny olona izay nampianariny hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy.

Avy eo dia ampifamadiho ny andraikitra ka avelao ilay ekipa iray hafa mba hampianatra. Ataovy izay ahazoan’izy ireo fotoana hanaovana fanamarihana ihany koa.

Eo am-pamaranana ity fanazaran-tena ity dia anontanio ny mpianatra ny fanontaniana izay nananany na ireo hevi-baovao izay voarainy. Raha misalasala ireo mpianatra hamaly dia anontanio hoe: “Inona avy ny sasany amin’ireo zavatra izay tianao tamin’ny zavatra renao tamin’ireo izay nampianatra anao?” Anontanio raha misy mpianatra te hizara amin’ny iray kilasy ny traikefa iray avy tamin’ny zavatra izay niainany ka nitahiana azy noho ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Fibebahana

Asehoy ny sary Ny Fiovam-pon’i Almà Zanany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, 77), ka asao ny mpianatra iray hamintina fohy ny tantaranan’ny fiovam-pon’i Almà Zanany (jereo ny Almà 36:6–24). Avy eo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Almà 36:13, 17–21, ary 23-25.

Sary
anjely miaraka amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià

Manontania avy eo hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Almà ny finoany an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nitranga vokatry ny fanehoam-pinoan’i Almà?

  • Inona no vokatry ny fibebahana amin-kitsimpo izay nataon’i Almà?

Omeo minitra iray ireo mpianatra hanoratany ao amin’ny diarim-pianarany fehezanteny iray mamaritra ny hoe fibebahana. Asao ny mpianatra maromaro hamaky ny fehezanteniny. Mba hanampiana ireo mpianatra hanamafy ao an-tsainy ny famaritana tsotra ny fibebahana dia asehoy izao teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao, ary asao ny mpianatra iray mba hamaky izany mafy:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Rehefa manota isika dia miala amin’ Andriamanitra. Rehefa mibebaka isika dia miverina amin’ Andriamanitra. …

“… Ny fibebahana dia fialana amin’ny zavatra sasany toy ny tsy fahamarinan-toetra, ny avonavona, ny hatezerana, ary ny eritreritra maloto, ka mitodika mankany amin’ny zavatra hafa toy ny hatsaram-panahy, ny tsy fitiavan-tena, ny faharetana, ary ny zavatra ara-panahy. Izany dia ‘fitodihana indray’amin’ Andriamanitra” (“Repent … That I May Heal You,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 40–41).

  • Ahoana no hanampian’io famaritana tsotra io anao hanazava ny dikan’ny hoe fibebahana? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitra izao fitsipika izao: Ny fibebahana dia fitodihana indray amin’ Andriamanitra.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dingana sy ireo vokatry ny fibebahana dia asao ireo mpianatra handalina ny Môsià 3:19; 4:1–3; ary 5:2. Eo am-pandalinan’izy ireo dia asao ireo mpianatra mba hijery ireo teny na andian-teny izay manampy amin’ny famaritana ny dikan’ny hoe mibebaka. Rehefa avy nanome fotoana ampy dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanazava amin’ny iray kilasy ny zavatra hitany. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no porofo hitanao ao amin’ireo andininy ireo fa naneho finoana an’i Jesoa Kristy ireo vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina ka nahazoan’izy ireo ny famelana ny fahotany tamin’ny farany?

Zarao ny taratasy fizara misy an’izao tabilao manaraka izao, na ataovy eny amin’ny solaitrabe izany ka asaivo adikan’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany:

Sary
Taratasy fizara: Fibebahana

Inona no atao hoe fibebahana?

Ahoana no fomba ibebahantsika?

Inona avy ireo vokatra na porofon’ny fibebahana?

Fiovana ao amin’ny eritreritra, finoana, fitondrantena



Mahatsapa nenina na alahelo araka an’ Andriamanitra



Mandray ny famindrampon’ny Tompo



Asao ireo mpianatra handalina ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fibebahana” ao amin’ny pejy 73 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Eo am-pamakiany dia asao ireo mpianatra mba hameno ireo tsanganana ao amin’ny tabilaony na ny taratasy fizara nomena azy amin’ny fampiasana ireo teny na andian-teny na fehezanteny avy ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny karazan’andian-teny izay azony ampidirina ao dia misy ohatra nomena isaky ny tsanganana. Rehefa vita dia tokony hanana endrika mitovy amin’izao ny tabilaon’izy ireo:

Inona no atao hoe fibebahana?

Ahoana no fomba ibebahantsika?

Inona avy ireo vokatra na porofon’ny fibebahana?

Fiovana ao amin’ny eritreritra, finoana, fitondrantena

Fomba fijery vaovao momba ny tena sy Andriamanitra ary izao tontolo izao.

Mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra

Miala amin’ny fahotana ka tsy manao izany intsony

Miezaka tsy tapaka manitsy ireo fandikan-dalàna sy mivoatra

Mahatsapa nenina na alahelo araka an’ Andriamanitra

Tsy manao zavatra ratsy intsony

Manao zavatra tsara hatrany

Miaiky ny ota

Mibaboka ny ota

Mangataka famelan-keloka amin’ Andriamanitra

Manitsy ireo olana izay mety nateraky ny zavatra nataontsika

Manohitra ny faniriana hanota

Mampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy, mitombo fahalalana, manompo

Maneho fitiavana an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana

Mandray ny famindrampon’ny Tompo

Miova ny fomba fijery ny tena sy izao tontolo izao

Mahatakatra ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra

Mihamafy ny faniriana hanaraka an’ Andriamanitra

Mahatsapa ny famelan-kelok’ Andriamanitra

Mahatsapa ny fiadanan’ Andriamanitra

Tsisy intsony ny fahatsapana ny heloka sy ny alahelo

Mahatsapa bebe kokoa ny Fanahy

Vonona kokoa ny hiaraka hiaina amin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy

Lasa tahaka an’i Jesoa kokoa

Mahatsapa fifaliana

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra hamenoana ny tabilaony dia asao ireo mpianatra mba hifampiresaka amin’ny mpianatra iray hafa momba ireo andian-teny na teny nampiasany hamenoana ny tabilaony. Apetraho amin’ny mpianatra ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra momba ireo fotopampianarana na fitsipika izay novakiny:

  • Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika hitanao tao amin’ny tsanganana voalohany sy faharoa manampy anao hahafantatra fa tena mibebaka marina ny naman’ny Fiangonana iray?

  • Araka ny zavatra izay nosoratanao tao amin’ny tsanganana fahatelo, inona avy ireo fitahiana azo amin’ny alalan’ny fibebahana, ankoatra ny fahazoana ny famelana ny fahotana?

  • Diniho ireo teny ao amin’ny tsanganana voalohany sy fahatelo. Nahoana isika no tsy maintsy manana finoana an’i Kristy mba hahafahan’ireo zavatra ireo hitranga tokoa?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao hazavaina fa ny misiônera dia mampianatra ny filazantsara mba hanampiana ny olona hampiorina ny finoany an’i Jesoa Kristy sy hanosika azy ireo hibebaka. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana no fepetra ahazoana ireo fitahian’ny Sorompanavotana. Ny fibebahana dia hanampy ihany koa an’ireo naman’ny Fiangonana hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mba hanomanana ny mpianatra hanao fampiharana ny fampianarana momba ny fibebahana dia zarao izao tantara manaraka izao:

Nampianatra mpiray trano roa ianao sy ny mpiara-mitory aminao nandritra ny telo herinandro eo ho eo. Ny iray tamin’izy ireo dia efa tena nandroso tsara. Ilay mpiray trano aminy dia toa tsy liana intsony ary ankehitriny izy dia miala amin’ny efitrano rehefa manomboka ny lesonareo. Rehefa manana fahafahana ihany ianao nony farany hanontaniana ilay mpiray trano izay tsy liana dia manazava izy fa fantany fa tsy mbola miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izy amin’izao, saingy efa niaina toy izany izy nandritra ny fiainany manontolo ary efa nieritreritra hoe izany no maha-izy azy, ary tsy misy zavatra firy azo atao momba izany.

Zarao ho vondrona na mpiara-miasa tsiroaroa ny mpianatra. Omeo fotoana ampy ireo vondrona hiomanana ny fomba hiarahany miasa mba hampianatra vondrona iray hafa lesona telo ka hatramin’ny efatra minitra momba ny fibebahana. Amporisiho ireo mpianatra mba hanao tantara an-tsehatra ny amin’ny fampianarana ireo mpiray trano roa ao amin’ilay tantara. Hazavao fa tokony ho tsotra sy mazava ary hifantoka amin’ny filàn’ireo mpiray trano ny fampianarany. Tokony ho eritreretiny ny fomba hanampiany ilay mpiray trano tsy liana mba hahatakatra ny antony mahatonga azy ho mila miova sy ny fomba hanampiana azy hahita fa rehefa ampian’ny Mpamonjy dia azo atao ny mibebaka. Asao ireo mpianatra hampiasa ny Torio ny Filazantsarako, pejy 73, na ny kibokin’ny misiônera mitondra ny lohateny hoe Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Entano izy ireo mba hampiditra andinin-tsoratra masina iray na roa mba hanehoana ny maha-zava-dehibe ny fibebahana.

Asaivo miara-miasa ao amina vondrona kelikely ireo mpianatra , ka ahitana mpiara-miasa tsiroaroa avy ny vondrona tsirairay. Asao ny ekipa iray mba hampianatra ny ekipa iray hafa, izay haka ny anjara asan’ireo mpiray trano voalaza ao amin’ilay tantara. Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa maka ny anjara asan’ny naman’ny Fiangonana izy ireo dia tsy tokony hisalasala haneho amin-kitsimpo ireo olana izay mety ho misy marina saingy tsy tokony hiezaka ny hanome endrika mampalahelo an’ilay tantara na manohitra an’ilay mpianatra izay mampianatra izy ireo.

Rehefa mamarana ny fanazarany tena hampianatra ireo mpianatra dia asao ny vondrona hifampiresaka ny zavatra nety sy ny zavatra azon’ireo izay nampianatra ho nohatsaraina.

Avy eo dia asaivo mifamadika ireo mpianatra mba hahafahan’ilay ekipa iray hafa mampianatra. Alaivo antoka fa misy fotoana hahafahan’izy ireo handray fanamarihana.

Rehefa vita ny fanaovana tantara an-tsehatra dia anontanio ireo mpianatra hoe inona no zavatra na hevi-baovao izay noraisiny tamin’ilay fotoana nahafahany nampianatra.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fibebahana amin’ny maha-lalana mampiverina ny olona amin’ Andriamanitra izany dia asehoy ny horonantsary “Jesus Christ Is the Way” (5:02).

Rehefa tapitra ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Inona no porofo hitanao tao amin’ilay horonantsary fa tena niova marina io rahavavy io tamin’ny alalan’ny fibebahana ary efa niverina tamin’ Andriamanitra izy?

  • Inona avy ny fahatsapana nanananao rehefa nahita ny fomba nanampian’ny hafatry ny filazantsara an’io rahavavy io mba hiova sy hitodika amin’ Andriamanitra ianao?

Farano ny lesona amin’ny fanontaniana ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo te hizara ny fijoroana ho vavolombelona izay ananany momba ny herin’ny finoana sy ny fibebahana sy hizara ny antony mahatonga azy ireo haniry hizara ny filazantsara. Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona ihany koa.

Fanasana mba hanao asa

Asao ny mpianatra mba hianatra bebe kokoa mikasika ireo fitahiana azo avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fahazoana famelan-keloka ary ny fifaliana avy amin’ny fibebahana amin’ny fanaovana ny iray na mihoatra amin’ireto asa natolotra ho atao manaraka ireto:

  • Mampianara lesona iray momba ny maha-zava-dehibe ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny takarivam-pianakaviana ho avy izao.

  • Mandalina ireo adinin-tsoratra masina momba ny finoana hita ao amin’ny faritra Fandalinana Soratra masina ao amin’ny pejy 72 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Mariho na asongadino ireo izay tianao hampiasaina mba hampianarana ny hafa rehefa any amin’ny sahan’ny misiôna.

  • Mampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany sy ny apôstôly handalinana momba ny fotopampianaran’ny fibebahana. Manoratra ao anatin’ny diary fandalinana ny zavatra izay ianaranao. Mieritreritra raha toa ka misy fijoroana ho vavolombelona izay anananao momba io fotopampianarana io izay azonao zaraina amin’ny hafa mandritra ny fitorianao ny filazantsara. Hamafiso ny finoanao ny fitsipiky ny fibebahana amin’ny fikatsahana ny hibebaka isan’andro, ary raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny traikefanao.

  • Mampiasà ireo fitaovana amin’ny Internet toy ny tambazotra ifaneraserana mba hamoahana ny horonantsary “Jesus Christ Is the Way” (na horonantsary hafa momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany) mba ho hitan’ny hafa. Ataovy ao ny fanazavana ny antony mahatonga ilay horonantsary ho manan-danja aminao