Institiota
Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay


“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 21, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 21: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay

Sary
mpivady eo ivelan’ny tempoly

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny tanjon’ny fiainana an-tany sy ny asa hanirahana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hanomana ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ho amin’ny anjarany mandrakizay, dia ny ho lasa tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra” (“Same-Gender Attraction,” Ensign, Oct. 1995, 7). Rehefa mandalina ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana mandrakizay ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manampy anao hahatakatra ny fomba hanampian’ny fanambadiana sy ny fianakaviana antsika ho tonga tahaka ireo Ray aman-dRenintsika any An-danitra bebe kokoa.

Fizarana 1

Inona avy no tanjon’ny fanambadiana ao anatin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra?

Tamin’ny 1831 dia nitsidika ny Mpaminany Joseph Smith ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay vao vita batisa nantsoina hoe Leman Copley. I Leman dia mpikambana tao amin’ny Shakers taloha, izay antokom-pinoana sekta nandà ny fanambadiana ary nino fa ny fijanonana tanteraka ho mpitovo (tsy manao firaisana ara-nofo mihitsy) no endriky ny fanolorantena Kristianina faran’izay ambony indrindra. Taorian’ny fitsidihan’i Leman dia nanontany ny Tompo momba ny fampianaran’ny Shakers ny Mpaminany Joseph Smith, ary nahazo ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49 ankehitriny. (Mety ho hitanao hoe manampy ny mamaky ny sasin-tenin’izany fizarana izany.) Hevero ny hanisy marika ireo teny sy andian-teny ato amin’ity soratra masina manaraka ity izay mampianatra ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 (jereo koa ny Jakôba 2:27–30).

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony maha tendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana. Hevero ny hanisy marika ny zavatra manan-danja indrindra aminao avy amin’izay nolazainy.

Misy antony ara-potopampianarana roa miavaka izay manampy antsika hahatakatra hoe nahoana ny fanambadiana mandrakizay no ilaina amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Antony voalohany: Ny toetoetran’ny fanahin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifameno sady tonga lafatra rehefa miaraka, noho izany ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiara-hivoatra mankany amin’ny fisandratana. …

… Nilaina ny fikambanan’ny hery miavaka ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetsehampo ananan’ny lahy sy ny vavy mba hampiharana ny drafitry ny fahasambarana. Raha ny lehilahy irery na ny vehivavy irery dia tsy ho afaka hanatanteraka ireo tanjona nahariana azy ireo. …

Antony faharoa: Ao anatin’ilay drafitra masina ny lehilahy sy ny vehivavy dia ilaina mba hitondra zanaka eto an-tany ary hanolotra tontolo faran’izay tsara mba hitaizana sy hikolokoloana ny zanaka.

Mbola manan-kery ankehitriny ireo didy izay nomena an’i Adama sy i Eva fahiny mba hihabetsaka sy hameno ny tany. … Noho izany, ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray no fomba iray nahazoana lalana izay hidiran’ireo fanahy any amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana amin’ny fiainana an-tany. …

Ny tokantrano misy mpivady mifankatia sy mifanaja no toerana faran’izay tsara indrindra ahafahana mitaiza ny zanaka amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary ahafahana manolotra ny zavatra ilain’ny zanaka ara-panahy sy ara-nofo. Raha mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fahalavorarian’ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana ireo toetra miavaka ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena zava-dehibe koa ireo toetra ireo eo amin’ny fitaizana sy fikolokoloana ary fampianarana ny zanaka. (David A. Bednar, “Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, June 2006, 83–84)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no hanazavanao ny antony maha tena ilaina eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray?

Fizarana 2

Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fanambadiana mandrakizay?

Nanomboka nampianatra ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay tamin’ny olona betsaka kokoa tao Nauvoo i Joseph Smith. Fotopampianarana vaovao sy tsy nampoizina ho an’ny Olomasina izany. Ny ankamaroan’izy ireo dia nino fa mifarana hatreo amin’ny fahafatesana ny fanambadiana.

Sary
Joseph sy Emma Smith

Sary maneho an’i Joseph sy Emma Smith, izay nofehezina mba hiaraka mandrakizay tamin’ny mey 1843.

Ny Loholona Parley P. Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara ny zavatra tsapany rehefa nampianatra azy momba ny fahafahana manao fanambadiana mandrakizay ny Mpaminany.

Avy tamin’i [Joseph Smith] no nianarako fa ny vady andefimandriko dia afaka ny ankinina amiko mandritra ny fotoana sy ny mandrakizay manontolo. … Avy aminy no nahalalako fa azonay atao ny mamboly ireny fitiavana ireny sy mampitombo azy haharitra mandrakizay. Ka ny vokatry ny fikambananay ho iray tsy misy fetra dia taranaka tsy ho tambo isaina tahaka ny isan’ireo kintan’ny lanitra, na ny fasi-dranomasina. …

Efa nitia aho teo aloha, fa tsy fantatro hoe nahoana. Kanefa ankehitriny aho dia mitia, amin’ny fahadiovana, amin’ny fahatsapana lehibe sy misandratra izay mahery vaika tokoa.. (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [2007], 260)

Tamin’ny taona 1843 no nanononan’ny Mpaminany ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132 amin’izao fotoana izao, izay ahitana ny fotopampianaran’ny fanambadiana mandrakizay.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20.

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Mba ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy manao fanekempihavanana maharitra mandrakizay amin’ny Raintsika any An-danitra isika [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19]. Midika izany fa tsy ho an’ny mpivady ihany ny fanambadiana any amin’ny tempoly fa tafiditra ao anatin’izany koa ny fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra [jereo ny Matio 19:6]. …

… Rehefa fehezina any amin’ny tempoly ny fianakaviana iray dia afaka ho lasa mandrakizay toy ny fanjakan’ Andriamanitra mihitsy izany fianakaviana izany” [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20]. (Russell M. Nelson, “Fanambadiana mandrakizay,” Liahona, nôv. 2008, 92–93)

Tsy ho amin’ny fiainana aorian’izao fiainana izao fotsiny ny fitahiana avy amin’ny fanambadiana mandrakizay. Ireo izay miezaka ny mitandrina amim-pahatokiana ny fanekempihavanany dia afaka mianoka ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana mandrakizay eto amin’ity fiainana ity ihany koa. Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Raha misafidy amim-pahendrena ianareo, ary raha toa ka manolo-tena hahita fahombiazana eo amin’ny fanambadianareo, dia tsy hisy zavatra eto amin’ity fiainana ity ka hitondra fahasambarana lehibe mihoatra izany ho anareo. (“Ny herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2011, 67)

Misy mpikamban’ny Fiangonana sasany manana fanontaniana momba ireo toe-javatra iainana izay tsy mamela ny olona hahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Niresaka io olana io ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ny fanambarana ny fahamarinana fototra mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia tsy midika akory hoe tsy miraharaha na manambany ny fahafoizantena sy ny fahombiazana asehon’ireo izay tsy mbola afaka miaina io rafitra tena tsara io amin’izao fotoana izao. Ny sasany aminareo dia tsy afaka mahazo ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana noho ny antony maro ka tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisian’ny olona mendrika azo alaina ho vady, ny fironana any amin’ny fiarahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, ny fahasembanana ara-batana na ara-tsaina, na fahatahorana tsotra ny tsy fahombiazana izay manarona ny finoana na amin’izao fotoana izao fotsiny aza. Na mety efa nanambady ianao fa nitsahatra izany fanambadiana izany ary lasa ianao irery no misahana zavatra izay na olon-droa miaraka aza zara raha mahavita izany. Ny sasany aminareo izay manambady dia tsy afaka mahazo zaza na dia manam-paniriana lehibe sy mitalaho amim-bavaka aza.

… Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary, amin’ny farany, honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany. (D. Todd Christofferson, “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?,” Liahona, mey 2015, 52)

Sary
sary famantarana, fifanakalozan-kevitra

Hifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ny fanambadiana rehetra, indrindra fa ny fanambadiana mandrakizay, dia mitaky ezaka sy fanolorantena avy amin’ny tsirairay amin’ireo mpivady. Miresaha amin’ny mpivady fantatrao izay manana fiainam-panambadiana matanjaka sy feno fitiavana, ary anontanio azy ireo ny zavatra nataony mba hanorenana izany. Anontanio azy ireo ihany koa ny fomba nanatsaran’ny fanambadian’izy ireo ny fiainany vokatr’izany. Mivonòna hizara ny zavatra nianaranao ao an-dakilasy.

Fizarana 3

Nahoana aho no tokony hiaro ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

Eo am-pitohizan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia nanome fitaomam-panahy an’ireo mpaminaniny ny Tompo mba hanamafy ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Tao amin’ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny septambra 1995 dia novakin’ny Filoha Gordon B. Hinckley “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Ny famaranana ilay fanambarana dia mampianatra ny antony tsy maintsy hiarovantsika ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

Mampitandrina izahay fa ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiarahamonina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny.

Manainga ireo olom-pirenena rehetra mahatsiaro ny adidiny sy ireo olona ao amin’ny fitondram-panjakana na aiza na aiza misy azy izahay mba hampandroso ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiaraha-monina. (“Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org)

Ny Rahavavy Julie B. Beck, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo aloha, dia nanazava ny antony ilana ny fandalinana ny fotopampianaran’ny fianakaviana izay hita ao amin’ “Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao.”

Hotakiana amin’ity taranaka ity amin’ny fomba izay tsy mbola fahita teo aloha ny hiaro ny fotopampianaran’ny fianakaviana. Raha tsy mahafantatra izany izy ireo dia tsy afaka ny hiaro izany. …

Hoy ny Filoha [Spencer W.] Kimball:

“Maro amin’ireo famerana nisy teo anivon’ny fiarahamonina izay nanampy tamin’ny fampatanjahana sy ny fiarovana ny fianakaviana teo aloha no mihalevona sy mihamanjavona. Ho avy ny fotoana izay ireo manana finoana lalina sy tsy tapaka momba ny fianakaviana ihany no ho afaka hiaro ny fianakaviany eo anivon’ny faharatsiana mivondrona manodidina antsika” [Spencer W. Kimball, “Families Can Be Eternal,” Ensign, Nov. 1980, 4]. (Julie B. Beck, “Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, Mar. 2011, 17)

Nampianatra Rahavavy Bonnie L. Oscarson izay Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha hoe:

[Mila arovantsika] amim-pahasahiana ireo fotopampianaran’ny Tompo izay nambara, izay mamariparitra ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ny lanjan’ny tokantrano amin’ny maha-toerana masina izany—eny fa na dia rehefa mitabataba ao an-tsofitsika aza izao tontolo izao hoe efa lany andro sy mametra antsika ary tsy mitombina intsony ireo fitsipika ireo. Ny olona tsirairay, na manambady na tsy manambady na manan-janaka na tsia, dia afaka ny ho tonga mpiaro ny drafitry ny Tompo izay voafaritra ao anatin’ny fanambarana momba ny fianakaviana. Raha io no drafitry ny Tompo dia io ihany koa no tokony ho drafitsika! …

… Aoka isika mba ho mpiaro ny fanambadiana araka ny fomba namaritan’ny Tompo izany sady manohy maneho fitiavana sy fangorahana amin’ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika. (Bonnie L. Oscarson, “Mpiaro ilay Fanambarana momba ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 15)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Soraty ao anatin’ny diarinao na eo amin’ny faritra natokana hanaovana izany ny eritreritrao momba ny fomba ahafahan’ny tanora iray ho tonga mpiaro ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Efa nisy fotoana niarovanao ny fotopampianaran’ny fanambadiana ve? Nanao ahoana ny zavatra niainanao?