Institiota
Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mijanona ho mahatoky eo anivon’ny fanoherana sy ny fahoriana


“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mijanona ho mahatoky eo anivon’ny fanoherana sy ny fahoriana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 17, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 17: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mijanona ho mahatoky eo anivon’ny fanoherana sy ny fahoriana

Sary
Alina mamirifirin’i Missouri, nataon’i Joseph Brickey

Samy miaina zavatra izay mitsapa ny finoantsika isika. Isan’ireo fanambintsika eo amin’ny fiainana ny mijanona ho mpankatò sy mahatoky amin’ Andriamanitra rehefa miatrika ireo fotoan-tsarotra ireo isika. Eo am-pandalinanao ity tahirin-kevitra manaraka ity dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka mitarika anao mandritra ny fisedrana ny finoana.

Fizarana 1

Inona avy ireo olana niainan’ireo Olomasina tao Kirtland Ohio teo anelanelan’ny taona 1835 ka hatramin’ny 1840?

“Nihozongozona ny finoan’ny maro tamin’ireo lehilahy matanjaka indrindra tao amin’ny Fiangonana,” hoy i Brigham Young raha niresaka ilay olana izay nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny Fiangonana tamin’ny 1837 izy (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 317). Vao tamin’ny taona teo alohan’izay mihitsy ny Olomasina no nianoka fiadanana sy nahazo fanambarana nitobaka tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland. Saingy tao anatin’ireo volana taorian’ilay fanokanana dia nisy “toe-tsaina tia mampiasa vola tamim-pahasahiana lehibe” nahazo vahana teo amin’ny firenena izay nanomboka nahazo vahana teo anivon’ny olomasina ihany koa. “Toy ny hoe nandroso nankany amin’ny firoboroboana lehibe” i Kirtland, hoy i Heber C. Kimball nanoratra, “ary toa tapa-kevitra ny ho lasa mpanan-karena daholo ny rehetra. Saingy raha ny fahatsapako azy dia harena tsy tena nisy sy nofinofy ihany izany. Io sarintsarina firoboroboana io dia nitarika ny maro tamin’ny Olomasina hino fa efa tonga ny fotoana hanomezan’ny Tompo azy ireo harena avy amin’ny rakitsoan’ny tany, ary rehefa nino izany izy ireo dia nanosika azy ireo hiezaka mafy izany, niezaka mafy tokoa ka nahatonga ny roa tamin’ny Roambinifololahy, dia i Lyman E. Johnson sy John F. Boynton, hankany New York ary nividy entana mitentina $20,000, ka nanao raharaham-barotra hakana tombony, ary nindrana vola be dia be avy amin’ny Polly Voce sy ireo Olomasina hafa tao Boston ary teo amin’ireo faritra manodidina, ary tsy naverin’izy ireo mihitsy ireo vola ireo” (ao amin’ny Orson F. Whitney, The Life of Heber C. Kimball [1888], 111–12).

Nanomboka nahazo vahana teo anivon’ny maro tamin’ireo Olomasina ny fihetsika feno avonavona, fanomezan-tsiny, ary apôstazia. Nahatsiaro izao i Eliza R. Snow:

Olona maro izay nanetry tena sy nahatoky tamin’ny fanatanterahany ny andraikitra rehetra … no lasa nirehareha tao amin’ny fanahiny, ary tafasondrotra tao amin’ny avonavon’ny fony. Rehefa nanaiky tanteraka ny fitiavana sy ny fanahin’izao tontolo izao ireo Olomasina dia niala tao am-pony ny Fanahin’ny Tompo. (Ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 317)

Na dia teo aza ilay sarintsarina firoboroboana, dia mafy ny tsindry ara-bola nihatra tamin’ny Fiangonana taorian’ny fandaniana tamin’ny fananganana tempoly iray sy ny fividianana tany izay nahatonga ny Fiangonana lasa nanana trosa an’aliny dôlara. Tamin’izay, tao Kirtland sy Missouri, dia sahirana ireo Olomasina tamin’ny fanarahana ny didin’ny Tompo mba hividy tany bebe kokoa aza ary hanangana toeram-ponenana vaovao tany Far West sy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Mba hitondrana fanampiana amin’ny fanamaivanana ny tsindry ara-bola nihatra tamin’ny Fiangonana dia nanorina banky kely nantsoina hoe Kirtland Safety Society i Joseph Smith sy ny mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana. Maro ireo Olomasina no nanao petrabola tao amin’ilay banky vaovao, ka anisan’izany i Joseph. Maro ny Olomasina izay nino fa hitondra firoboroboana sy harena ny hoavy raha nahatoky izy ireo.

Sary
Ravim-bola dimy dôlara tao amin’ny bankin’i Kirtland

Saingy vokatry ny fahaketrahana ara-toekarena izay niely patrana tamin’ny fiandohan’ny taona 1837, dia maro ireo banky izay maty antoka nanerana an’i Etazonia. Ny fitotonganana ara-toekarena iray nanerana ny firenena niaraka tamin’ny fanoherana lehibe avy amin’ny olom-pirenena tsy mpikambana sasantsasany no nahatonga ny Kirtland Safety Society ho maty antoka tokotokony ho fito volana taorian’ny nisokafany. Mpametra-bola miisa roanjato tao amin’ilay banky no efa saika namoy ny volany rehetra, ary i Joseph Smith no very vola betsaka indridra raha nitaha tamin’ny hafa.

Na dia naneho finoana mba ho setrin’izany aza ny ankamaroan’ny Olomasina, ary nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany nandritra io fotoam-pisedrana io, dia nisy maro hafa, anisan’izany ny mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana, izay nanome tsiny an’i Joseph noho ny olana ara-bola nananan’izy ireo. Nilaza ny sasany fa mpaminany lavo izy ary naniry ny hanendry Filohan’ny Fiangonana vaovao hisolo azy izy ireo.

Fizarana 2

Inona no azoko atao mba hijanonana ho matanjaka sy mafy orina rehefa tsapaina ny finoako?

Sary
sarintany maneho ny faritra avaratra atsinanan’i Etazonia

Tamin’ny fiandohan’ny taona 1837 dia nanampy tamin’ny fitarihana ny Fiangonana tao Missouri i Thomas B. Marsh izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany. Rehefa avy nahafantatra i Thomas fa lasa nitsikera an’i Joseph Smith ny mpikambana sasany tao amin’ilay kôlejy ary nanomboka nifanditra teo amin’izy samy izy, dia nandeha tany Kirtland Ohio i Thomas, ary nanantena ny hampiray ny Roambinifololahy.

Teny an-dalany ho any Kirtland dia nahafantatra i Thomas fa niantso mpikambana roa tao amin’ny kôlejy ny Mpaminany mba hanao asa fitoriana tany Angletera. Nino i Thomas fa noho izy filohan’ny kôlejy dia andraikiny ny miantso azy ireo hanao asa fitoriana. Rehefa tonga tany Kirtland i Thomas dia nozarainy tamin’i Joseph Smith ny olany, ka dia nahazo fanambarana nahitana torohevitra ho an’i Thomas ny Mpaminany (jereo ny Revelations in Context [2016], 55–57).

Eo am-pamakiana ny tenin’ny Tompo ho an’i Thomas, dia diniho hoe torohevitra sy fahamarinana inona avy ao amin’io soratra masina io no afaka manampy olona iray izay tsy nitombina tsara tamin’ny finoany. Asio marika izay hitanao.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10, 12–15.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo fitsipika voarakitra ao amin’io fanambarana io izay afaka manampy anao hijanona ho matanjaka sy mafy orina mandritra ny fizahana toetra ny finoanao?

Fizarana 3

Ahoana no hanomanan’ny fahoriana antsika amin’ny sasantsasany amin’ireo fianaran-javatra manan-danja indrindra ataontsika?

Nikasa hamono an’i Joseph Smith ny vitsivitsy tamin’ireo olona tao Kirtland izay niala tao amin’ny Fiangonana. Rehefa nampitandreman’ny Tompo tao anatin’ny fanambarana iray i Joseph, dia niala tao nandritra ny alina izy sy i Sydney Rigdon ary nandeha nankany Far West Missouri, ary tonga tany tamin’ny martsa 1838. Nandritra ny fahavaratra sy ny lohataonan’izany taona izany dia nitarika ho amin’ny ady mitam-piadiana tao amin’ny faritra avaratr’i Missouri ny tsy fifankahazoan-dresaka sy ny fifandirana teo amin’ny mponina tao Missouri sy ny mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa niantehitra tamin’ny tatitra natao laza masaka momba an’io ady io ny Governora tao Missouri dia namoaka didy fandripahana mba handroahana an-keriny ny Olomasina hiala ilay faritany. Fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny nôvambra 1838, dia nosamborina ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpitarika sasany tao amin’ny Fiangonana, nampangaina tamim-panendrikendrehana ho nanohitra ilay fanjakana, ary nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty tao amin’ny Fivondronan’i Clay Missouri taty aoriana.

Sary
Sarin’ny Fonjan’i Liberty

Sary manan-tantaran’ny Fonjan’i Liberty tao Liberty, Missouri.

Nanimba an’i Joseph Smith tokoa ny fiainany tao am-ponja. Nitsikilo azy teo amin’ireo varavarankely nisy bara vy ireo mpandrabiraby mba hivandravandra azy na hivazavaza hiteny ratsy taminy. Tsy nanana afa-tsy mofo katsaka kely mba hohanina izy sy ireo voafonja hafa. Efa lasa fisaka ny mololo nampiasain’izy ireo mba hatoriana ka tsy nahazoana aina intsony. Rehefa nandrehitra afo hamindroana izy ireo dia feno setroka ilay fonja ka nanempotra azy ireo. …

Hatramin’ny nahazoany ny antsony masina dia nandroso hatrany teo anatrehan’ny fanoherana i Joseph, niezaka nankatò ny Tompo sy nampivondrona ny Olomasina. Kanefa, na dia nitombo aza ny Fiangonana tao anatin’ireo taona nifandimby, dia toa efa akaiky ho rava izany tamin’izay fotoana izay.

Noroahin’ny andiana mpihetraketraka hiala tao Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny Olomasina. Nampizarazara ny fiangonana tao Kirtland ny fifanoheran’ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana ary namela ny tempoly ho eo am-pelatanan’ireo olona nampindram-bola azy ireo. Ary taorian’ny ady mahatsiravina nataon’izy ireo tamin’ny mpiray monina taminy, dia niparitaka nanaraka ny moron’ny Reniranon’i Mississippi ny Olomasina izay kivy sy tsy nanan-kialofana. …

[Tsapan’i Joseph] fa olona tsara tia an’ Andriamanitra ny Olomasina. Tsy mendrika ny horoahina hiala ny tranony sy hampijaliana ary avela ho faty izy ireo.. (Olomasina: ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 384–85)

Sary
I Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty, nataon’i Greg K. Olsen

Nihiaka tamim-bavaka i Joseph Smith tao anatin’ny taratasy iray ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ireo Olomasina tany amin’ny toeram-ponenany hoe: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? … Mandra-pahoviana no hihazonanao ny tananao sy ny masonao, … hitazanan’ny masonao … avy eny amin’ny lanitra mandrakizay ny hadisoana natao tamin’ny vahoakanao sy ireo mpanomponao, ary handoahany ny sofinao amin’ny antsoantsony?” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–2).

Mieritrereta fotoana iray izay nitolomanao tao anaty fahoriana sy niantsoanao an’ Andriamanitra mba hanampy anao. Rehefa mandalina ireto teny izay nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph tao amin’ny Fonjan’i Liberty ireto ianao dia alaivo sary an-tsaina ny Tompo miteny izany aminao. Hevero ny hanisy marika ireo andian-teny sy fitsipika manan-danja indrindra aminao.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7–9.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Soraty ao anatin’ny diarinao na eo amin’ny faritra natokana hanaovana izany ireo teny sy fitsipika nanaitra anao avy amin’ireo soratra masina etsy ambony. Miomàna hizara ao an-dakilasy ny zavatra nianaranao. Ahoana no nahatsapanao manokana ny fahamarinan’ireo fitsipika izay nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty?