Institiota
Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanangonana an’i Isiraely


“Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fanangonana an’i Isiraely” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 11, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny fanangonana an’i Isiraely

Sary
zatovo mandeha eo akaikin’ny tempoly

Raha niresaka tamin’ny tanoran’ny Fiangonana ny Filoha Russell M. Nelson dia nanontany hoe: “Tianao ve ny handray anjara amin’ilay fanamby lehibe indrindra, ilay tanjona lehibe indrindra, ary ilay asa lehibe indrindra eto an-tany amin’izao fotoana izao? Tianao ve ny hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely mandritra izao andro sarobidy farany izao?” (Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018, fanampin-dahatsoratra ao amin’ny New Era sy Ensign, 8, ChurchofJesusChrist.org;), efa nisy hatrany am-boalohany ireo soratra misompirana).

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ny antony nanangonan’ny Tompo ny vahoakany avy amin’ny vazan-tany rehetra, ary diniho ny fomba ahafahanao manampy Azy amin’ny fanatanterahana io asa lehibe io.

Fizarana 1

Inona no antsoina hoe fanangonana an’i Isiraely?

Ny zanak’ Isiraely dia taranaky ny mpaminany Jakoba tao amin’ny Testamenta Taloha, izay novaina ho Isiraely ny anarany. Izy ireo dia mpandray anjara amin’ilay fanekempihavanana izay nomen’ Andriamanitra an’i Isaka rain’i Jakoba sy an’i Abrahama dadabeny (jereo ny Genesisy 26: 3-4, 24; Abrahama 2: 6–11). Ireo zanakalahin’i Jakôba 12 sy ny taranak’izy ireo no “mpianakavin’i Isiraely” na ireo “foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely.” Nisy fotoana ny Tompo dia “nampiely sy nanafay ny foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely … noho ny tsy fahamarinany sy ny fikomiany. Na izany aza, dia nampiasain’ny Tompo koa izany fampielezana ny olom-boafidiny tany anivon’ireo firenena teo amin’izao tontolo izao izany hitahiana ireny firenena ireny.” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Isiraely,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Asio marika ny sasany amin’ireto faminaniana manaraka momba ny fanangonana an’i Isiraely ireto.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Isaia 11:11–12 (jereo ihany koa ny 2 Nefia 25:17; 29:1; Jakôba 6:2).

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ny Mpamonjy mihitsy no hanangona ny taranak’i Jakoba.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 3 Nefia 5:24–26.

Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao dia nisy mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana sasany izay liana mafy tamin’ilay faminaniana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ny andro farany mba hananganana an’i Ziona ho fiomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany (jereo ny 3 Nefia 21:23–26). Andro maromaro talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny volana septambra 1830 dia nanontany ny Tompo i Joseph Smith sy ny hafa mikasika io faminaniana io sy ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–2, 7.

Iray volana taorian’ny nanomezana ity fanambarana ity dia nanomboka nanao dia fitoriana i Oliver Cowdery sy ny telo hafa mba hanampy tamin’ny fanangonana ireo olom-boafidin’ny Tompo.

Sary
Mandehana any an-tany foana, nataon’i Robert T. Barrett

Ny fahombiazana lehibe indrindra niainan’ireo misiônera dia tonga rehefa nijanona tany amin’ny faritr’i Kirtland, Ohio izy ireo. Nanao batisa olona niova fo 130 izy ireo tany, izay avy tao amin’ny fiangonana Batista Nohavaozina izay nosahanin’i Sidney Rigdon ny ankamaroany, ka nisava lalana ny ho lasa toeram-piangonan’ny mpikamban’ny Fiangonana an-jatony herintaona taty aoriana. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 150)

Taorian’io ezaka voalohany amin’ny asa fitoriana io dia nanohy niantso misiônera ny Tompo mba hanao ny asa fanangonana ireo izay hihaino ny feony.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:5–7.

Sary
varim-bazaha vonona ny hojinjaina

Tamin’ny faran’ny desambra 1830, ny Tompo dia nanambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny sitrapony ho an’ny Fiangonana mikasika ny toeram-piangonana any Ohio:

“Didy iray no omeko ny fiangonana,” hoy izy, “dia ny hiarahany mivory ao Ohio.” Tokony hivory miaraka amin’ireo vao niova fo tao amin’ny faritr’i Kirtland izy ireo ary hiandry ny fiverenan’ireo misiônera avy any Andrefana. …

Ny antso mba hifindra tany Ohio dia toa nahatonga ny Olomasina ho akaiky amin’ny fanatanterahana ireo faminaniana fahiny momba ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia samy nampanantena fa ny Tompo dia hanangona ny vahoakan’ny fanekempihavanany mba hiarovana azy ireo amin’ny loza amin’ny andro farany. (Olomasina: Ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, boky 1, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846 [2018], 109)

Sary
sarintanin’ireo lalana naleha tao New York-Pennsylvanie-Ohio

Tamin’ny alalan’io sy ireo fanambarana hafa, dia nodidiana mba hiangona voalohany tany Ohio sy Missouri ny Olomasina, avy eo tany Illinois, ary avy eo nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Nandidy ny Olomasina ny Tompo mba hanorina tempoly tao amin’ny tsirairay avy tamin’ireo toerana nivondronana ireo.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ny Tompo dia manangona ny olony mba hahafahan’izy ireo mankalaza Azy, mba hananganana ny Fiangonana, mba ho toeram-piarovana ary mba handraisan’izy ireo torohevitra sy fitarihana. …

Ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza fa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fanangonana tamin’ny vanim-potoana rehetra dia ny hananganana tempoly mba hahafahan’ny zanaky ny Tompo mandray ireo ôrdônansy ambony indrindra ka hahazo ny fiainana mandrakizay noho izany [jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 416–19]. (David A. Bednar, “The Spirit and Purposes of Gathering” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young –Idaho, 31 ôkt. , 2006], byui.edu)

Sary
fianakaviana eo anoloan’ny tempoly

Ankehitriny ny Tompo dia manangona ara-batana ny olony ao amin’ny tsatòkan’i Ziona sy any amin’ireo tempoly any amin’ny firenena eran-tany.

Manangona azy ireo ara-panahy ihany koa Izy amin’ny fahalalana ny filazantsarany (jereo ny 1 Nefia 15:12–16).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo sy ny toetrany amin’ny alalan’ny fanaparitahana sy ny fanangonana ny olon’ny fanekempihavanany? Ahoana no nitahiana ny fiainanao noho ny fiarahanao miangona amin’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa any amin’ny paroasy, tsatòka ary tempoly?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako manampy ny Tompo hanangona an’i Isiraely amin’ny andro farany?

Ny olona iray isan’ny niova fo voalohany ka niditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana vao tafaverina tamin’ny laoniny nantsoina hoe Heber C. Kimball dia nantsoina ho mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo taty aoriana. Nahatsiaro ho sahiran-tsaina i Heber momba ny fahafahany mizara ny filazantsara amin’ny hafa. Hoy izy nitantara hoe:

“Teo amin’ny andro voalohan’ny volana jona 1837 teo, dia nanatona ahy ny Mpaminany Joseph Smith, nandritra ny fotoana nipetrahako … tao amin’ny tempoly, tao Kirtland, ary nibitsibitsika tamiko hoe: -Rahalahy Heber, nibitsibitsika tamiko ny Fanahin’ny Tompo hoe: “Aoka ny mpanompoko Heber handeha any Angletera sy hitory ny filazantsara ary hanokatra ny varavaran’ny famonjena ho an’io firenena io.”-” Tsy nampino ny Loholona Kimball ny fieritreretana izany adidy goavana izany: “Nahatsapa ny tenako fa isan’ny mpanompon’ Andriamanitra bitika indrindra. Nanontaniako i Joseph momba ny zavatra tokony holazaiko rehefa tonga any. Namaly izy fa tokony hanatona ny Tompo aho ary Izy no hitarika ahy, ary hiresaka amiko amin’ny alalan’ilay fanahy izay [nitarika] azy.” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 327)

Ny Loholona Kimball dia nirakitra izao manaraka izao tao amin’ny diariny:

Raha nahatsapa ny fahalemeko sy ny tsy fahamendrehako hanao izany andraikitra izany aho, dia voasarika hitalaho mafy tamin’ny Tompo mba homeny fahendrena sy fampaherezana sy fanohanana izay tena nilaiko. …

Niezaka mafy ny hametraka ny fitokisako tamin’ Andriamanitra aho, nino fa hanampy ahy amin’ny famoahana ny fahamarinana Izy, hampahafantatra ahy izay tokony holazaiko, ary hanampy ahy avy hatrany amin’ny fotoana ilana izany. (Journal of Heber C. Kimball, ed. R. B. Thompson [1840], 15)

Nitantara i Heber C. Kimball taty aoriana hoe:

Nandeha aho ary nanatanteraka ny iraka araka ny tenin’ny Mpaminanin’ Andriamanitra velona ka nandao an’i Kirtland iraika ambin’ny folo volana sy roa andro, … fotoana izay nisian’ny olona tokony ho roa arivo teo ho eo nanampy isa ny mpikamban’ny fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra. (Heber C. Kimball, “Sermon,” Deseret News, Dec. 2, 1857, 3)

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra ihany koa fa afaka miantehitra amin’ny Tompo isika rehefa manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsarany:

Tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo mba hahatonga antsika ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra ho an’ilay olona izay efa vonona amin’izao—ilay iray izay tiany ampiantsika androany. Avy eo isika dia tsy maintsy malina mba hihaino sy hanaraka ireo bitsiky ny Fanahiny amin’ny fomba hanaovantsika izany.

Ho avy ireo bitsika ireo. Fantatsika avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy tambo isaina fa manomana olona hanaiky ny filazantsara amin’ny fombany sy amin’ny fotoany ny Tompo. Efa eo am-pikarohana ireo olona ireo, ary rehefa mikatsaka ny hahafantatra azy ireo isika dia hamaly ny vavaka ataon’izy ireo ny Tompo amin’ny famaliana ny vavaka ataontsika. Hibitsika sy hitarika ireo izay maniry sy mikatsaka amin-kitsim-po ny fitarihany amin’ny fomba sy ny fotoana ary ny olona hizarana ny filazantsara Izy. (Dallin H. Oaks, “Sharing the Gospel,” Ensign, Nov. 2001, 8)

Sary
misiônera vehivavy

Nampianatra bebe kokoa ny Filoha Nelson hoe:

Izao, ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely dia hitaky fahafoizan-tena vitsivitsy avy aminareo. Mety hitaky fanovana vitsivitsy eo amin’ny fiainanareo mihitsy aza. Ary tena hitaky ny ampahan’ny fotoanareo sy ny herinareo ary ny talenta nomen’ Andriamanitra anareo mihitsy aza. Liana ve ianareo? …

… Ny tena dikan’ny fanangonana an’ Isiraely dia ny fanolorana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny lafiny roan’ny voaly izay mbola tsy nahavita ireo fanekempihavanana manan-danja amin’ Andriamanitra na nandray ireo ôrdônansy manan-danja ho an’ny tenany. …

… Nalefa tety an-tany ianareo ho amin’izao fotoana izao indrindra, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao, mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany eto amin’ity tany ity amin’izao fotoana izao. Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy.

… Izany no iraka nanirahana anareo ety an-tany. (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” 8; efa nisy hatrany am-boalohany ireo soratra misompirana)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Manaova asa araka ny zavatra nianaranao.

Inona no hataonao ato anatin’ny andro sy herinandro ho avy mba handraisana anjara mavitrika kokoa amin’ny fanangonana an’i Isiraely?