Institiota
Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fahitana Voalohany


“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fahitana Voalohany” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (2019)

“Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Lesona 2, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Fahitana Voalohany

Sary
Ny Fahitana Voalohany

Ny Filoha Joseph F. Smith dia namariparitra ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith ho “ny zava-nitranga lehibe indrindra … hatramin’ny nitsanganan’ny Zanakalahin’ Andriamanitra tamin’ny maty” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 14). Eo am-pandalinanao ny Fahitana Voalohany dia eritrereto ny lanjan’izany tranga masina izany sy ny vokatra nentiny teo amin’ny fiainanao sy teo amin’izao tontolo izao.

Fizarana 1

Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith?

Raha niresaka mikasika ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith ny Loholona Richard J. Maynes ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Tena zavatra mahavariana sy mitondra fahatakarana ny misaintsaina lalina ny zavatra ianarantsika avy amin’io tranga masina sy mahatalanjona io … mikasika ny toetra mandrakizay ananan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny; ny fisian’i Satana; ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy; ary lafiny manan-danja hafa ao amin’ilay drafitra lehiben’ny famonjena. …

Ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith no manampy antsika hahatakatra fahamarinana maro izay nafenina nandritra ny taon-jato maro. Aoka isika tsy hanadino na hanao tsinontsinona ireo fahamarinana sarobidy maro izay nianarantsika avy amin’ny Fahitana Voalohany. (Richard J. Maynes, “La Première Vision: la clé de la vérité,” Liahona, juin 2017, 64, 65)

Nihalehibe tao anatin’ny fotoan’ny fifanjevoana ara-pivavahana lehibe i Joseph Smith. Ireo fiangonana Kristiana isan-karazany tao amin’ny faritra nisy azy dia nifaninana mba hahazo mpiangona ary nifanditra mafy momba ny fotopampianarana sy ireo fombafomba ara-pivavahana. Eo am-pandalinanao ity fitantarana ny Fahitana Voalohany manaraka ity, izay noraketina tamin’ny 1838 ary nampidirina ho ao amin’ny soratra masina nankatoavina ankehitriny mba ho ny Joseph Smith—Tantara, dia raiso an-tsoratra ireo hevi-baovao azonao ary asio marika ireo fahamarinan’ny filazantsara izay manan-danja manokana ho anao.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 11–19.

Sary
Ny fanirian’ny foko (Fahitana Voalohany), Walter Rane
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Raketo ao amina diary na eo amin’ilay toerana natokana ho amin’izany eo ambany ireo fahamarinana izay hitanao avy amin’ilay fitantarana tamin’ny 1838 ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith. Soraty ihany koa ny antony izay heverinao fa maha-zava-dehibe ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo. Miomàna hizara ny zavatra nosoratanao ao an-dakilasy.

Fizarana 2

Ahoana no hitondran’ireo fitantarana maro nataon’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany fahatakarana lehibe kokoa an’io tranga masina io?

Sary
lahatsoratra avy amin’ny Joseph Smith Papers (Antontan-taratasy momba an’i Joseph Smith)

Soratanan’i Joseph Smith avy amin’ny fitantarany tamin’ny 1832 ny Fahitana Voalohany.

Ilay fitantarana tamin’ny 1838 ny Fahitana Voalohany izay voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara dia notononin’i Joseph nandritra ny vanim-potoana nisian’ny fanoherana mba hahafahan’ireo “mpikatsaka ny fahamarinana rehetra hahalala ny zava-misy araka izay fitrangany” (Joseph Smith—Tantara 1:1). Io no fitantarana ny Fahitana Voalohany be mpahafantatra indrindra ary noraketina ho ampahan’ny tantaran’ny Fiangonana ôfisialy avy amin’i Joseph Smith. Nankatoavina ho lasa ôfisialy izany niaraka tamin’ny ambin’ny Voahangy Lafo Vidy tamin’ny 1880 ary lasa anisan’ny soratra masina nankatoavina an’ny Fiangonana tamin’izany fotoana.

Ankoatra ilay fitantarana tamin’ny 1838 dia nirakitra sy nanonona fitantarana telo hafa momba ny zavatra niainany ny Mpaminany Joseph Smith. Misy ihany koa fitantarana nataon’olona momba ny Fahitana Voalohany miisa dimy izay noraketin’olona niaina tamin’ny vanim-potoan’i Joseph Smith.

Ireo fitantarana isan-karazany ny Fahitana Voalohany dia milaza zavatra iray ihany, na dia samy hafa aza ny zavatra hamafisiny sy ny antsipiriany. Ny zavatra andrasan’ireo mpahay tantara dia ny hoe rehefa tantarain’ny olona iray amin’ny sehatra samy hafa sy amin’ny mpihaino samy hafa ny zava-nitranga iray, dia hanantitrantitra lafiny isan-karazany mikasika an’ilay zava-nitranga sy hahitana antsipiriany miavaka ny fitantarana tsirairay. Eny tokoa, misy tsy fitoviana toy ny amin’ireo izay hita ao amin’ny fitantarana ny Fahitana Voalohany ny fitantarana momba ny fahitan’i Paoly tany amin’ny lalana nankany Damaskosy sy ny zavatra niainan’ny Apôstôly tany amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy. Na dia eo aza anefa ireo fahasamihafana, dia misy fototra iray izay tsy miova mitoetra manerana ireo fitantarana ny Fahitana Voalohany. Ny olona sasany dia milaza am-pahadisoan-kevitra fa ny fiovana rehetra mety ho hita amin’ny famerenana mitantara ilay tantara dia manaporofo fa zavatra noforomporonina fotsiny ilay izy. Mifanohitra amin’izany, ny fisian’ny rakitsoratra ara-tantara isan-karazany dia afaka mampianatra antsika bebe kokoa momba an’io zava-nitranga manan-danja io mihoatra izay nahafahantsika nanao izany raha tsy dia nanana tahirin-kevitra firy momba izany isika. (“First Vision Accounts,” Gospel Topics, topics.ChurchofJesusChrist.org)

Eo am-pamakianao ireto sombiny manaraka ireto avy amin’ny fitantarana mivantana fanampiny ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith, dia azonao asiana marika ireo antsipirian-javatra sy fahamarinana izay manan-danja indrindra aminao. Azonao raketina ihany koa izay fanontaniana anananao ary hoentina ao an-dakilasy izany.

Fanamarihana: Ny firaketana feno ny fitantarana tsirairay avy dia azo jerena ao amin’ny “Joseph Smith’s Accounts of the First Vision” ao amin’ny josephsmithpapers.org.

Fitantarana tamin’ny 1832

Ity fitantarana ity dia nosoratana tao amin’ny fiandohan’ny boky taratasin’i Joseph Smith ary ity no hany fitantarana mirakitra ny ampahan’ny soratanany. Ny sasany amin’izany dia ahitana ihany koa ny soratanan’ny mpitantsoratr’i Joseph.

Teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonako dia [lasa] voasarika lalina ny saiko ny amin’ireo fahasahiranana tena manan-danja mikasika izay hahasoa ny fanahiko mandrakizay. …

… Lasa nanahy izaitsizy ny saiko, satria nahatsapa ho meloka noho ireo fahotako aho. … Nahatsapa aho fa tokony halahelo noho ireo fahotako manokana sy noho ny fahotan’izao tontolo izao. …

Noho izany dia nitalaho famindrampo tamin’ny Tompo aho, satria tsy nisy olon-kafa azoko nandehanana mba hahazoana famindrampo. Ary ny Tompo dia nahare ny fitomaniako tao an’efitra, ary raha teo am-piantsoana ny Tompo aho, teo amin’ny faha-enina ambin’ny folo taonako, dia nidina teo amboniko ary nitoetra tamiko ny andrim-pahazavana izay nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro amin’ny mitataovovonana. Heniky ny fanahin’ Andriamanitra aho, ary ny Tompo dia nanokatra ny lanitra teo amiko ary nahita ny Tompo aho.

Ary niteny tamiko izy, nanao hoe: “Ry Joseph zanako, voavela ny helokao”. Mandehana, araho ny lalàko, ary tandremo ny didiko. Indro, izaho no Tompon’ny voninahitra. Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana ho an’izao tontolo izao aho, mba hahazoan’izay rehetra mino ny anarako ny fiainana mandrakizay. Indro, mitoetra ao amin’ny fahotana izao tontolo izao amin’izao fotoana izao, ary tsy misy manao ny tsara, na iray aza. Niala tamin’ny filazantsara izy ireo ary tsy nitandrina ny didiko. Manatona Ahy amin’ny molony izy ireo nefa lavitra Ahy ny fony. Ary ny fahatezerako dia midedadeda amin’ireo mponin’ny tany, ka hitsidika azy ireo araka ny tsy fahamasinany ary hanatanteraka izay efa voalazan’ny vavan’ireo mpaminany sy apôstôly. Indro avy faingana Aho, araka ny efa voasoratra momba Ahy, eny amin’ny rahona, mitafy ny voninahitry ny Raiko.”

Heniky ny fitiavana ny fanahiko, ary afaka nifaly tamin’ny fifaliana lehibe tokoa aho nandritra ny andro maro. Niaraka tamiko ny Tompo, saingy tsy nisy anefa olona nino ny fahitana masina hitako. Na izany aza anefa dia nisaintsaina ireo zavatra ireo tao am-poko aho.

Fitantarana tamin’ny 1835

Ity fitantarana ity dia firaketan’i Joseph ny famariparitany ny Fahitana Voalohany tamin’olona iray izay nitsidika ny tokantranony. Voasoratry ny mpitantsoratr’i Joseph tao amin’ny diarin’i Joseph ilay izy.

Nitalaho tamin’ny Tompo tamin’ny vavaka tamin-kafanam-po aho. Nisy andry afo niseho teo ambonin’ny lohako. Nitoetra avy hatrany teo amboniko izany ary nahatonga ahy ho heniky ny fifaliana tsy hay lazaina. Nisy olona iray nipoitra teo afovoan’izany andry afo izany izay niparitaka teo amin’ny manodidina kanefa tsy nandoro na inona na inona. Nisy olona iray hafa nipoitra avy eo, tahaka ilay olona voalohany. Hoy Izy tamiko: “Voavela ny helokao.” Nijoro ho vavolombelona tamiko Izy fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra. Dia nahita anjely maro aho tao amin’izany fahitana izany. Teo amin’ny faha-efatra ambin’ny folo taonako aho tamin’ny fotoana nahazoako izany fifandraisana voalohany izany.

Fitantarana tamin’ny 1842

Ity fitantarana ity dia avy amin’ny taratasy iray izay nosoratana mba hamaliana fanontaniana avy amin’ny mpamoaka lahatsoratra an-gazety iray avy ao Chicago izay nantsoina hoe John Wentworth.

Nitokana tao amin’ny toerana tsy misy mahalala tao amina alakely iray aho ary nanomboka niantso ny Tompo. Raha mbola iny nitalaho mafy iny aho dia tsy nieritreritra ireo zavatra nanodidina ahy intsony ny saiko, dia voarakotra tao anaty fahitana masina aho ary nahita olona feno voninahitra anankiroa tena mitovy tsy misy valaka na tamin’ny toetoetra izany na tamin’ny fitovian’ny endrika ivelany, izay voahodidina hazavana mamirapiratra izay mazava kokoa noho ny an’ny masoandro amin’ny mitataovovonana. Nilaza tamiko Izy Ireo fa ireo antokom-pivavahana rehetra dia mino fotopampianarana diso ary tsy misy amin’izy ireo na dia iray aza ankatoavin’ Andriamanitra ho ny fiangonany sy fanjakany. Dia nodidiana mazava tsara aho “tsy hilatsaka ho mpikambana ao amin’izy ireo,” ary nahazo fampanantenana ihany koa aho niaraka tamin’izany fa ny fahafenoan’ny filazantsara dia tokony hampahafantarina ahy amin’ny fotoana ho avy.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fitantarana fanampiny ireo ny fahatakaranao sy ny fankasitrahanao ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith? Inona no fahamarinana fanampiny azonao ampiana ao amin’ilay lisitrao avy tao amin’ny fizarana 1 an’ity tahirin-kevitra ity? Ahoana no nanovan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba io zava-nitranga masina ny fiainanao?