Institiota
Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo fanalahidin’ny Fisoronana


“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo fanalahidin’ny Fisoronana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra (2019)

“Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Sary
Miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Tompo, nataon’i Walter Rane

Lesona 16, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Tempolin’i Kirtland sy ireo fanalahidin’ny Fisoronana

Ny didin’ Andriamanitra mba hanorenana “tranon’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119) dia ampahany manan-danja amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nanaiky ny hanome izay rehetra nananany mba hahazoana ilay fitahiana nampanantenaina hoe “[hotafiana] amin-kery avy any ambony;” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32). Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fitahiana tonga noho ny fahavononan’ny Olomasina mba hanao fahafoizan-tena hananganana ny Tempolin’i Kirtland.

Fizarana 1

Inona no azoko hianarana avy amin’ny fahafoizan-tena nataon’ireo Olomasina tany am-piandohana mba hananganana ny Tempolin’i Kirtland?

Tao anatin’ny fanambarana iray voaray tamin’ny 27 sy 28 desambra 1832, ny Tompo dia nandidy ny Olomasina mba hanangana tempoly iray tao Kirtland Ohio.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119.

Raha niresaka momba an’io didy io, ny mpaminany Joseph Smith dia nanoratra hoe: “Izao no tenin’ny Tompo ho antsika, ary isika dia tsy maintsy hankatò, eny, ny Tompo no manampy antsika, hankatò isika: satria raha mankatò isika dia nampanantena zavatra lehibe ho antsika Izy; eny, na dia fitsidihana avy any an-danitra aza mba hanome voninahitra antsika amin’ny fanatrehany mihitsy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 415).

Sary
Eliza R. Snow

I Eliza R. Snow, izay nipetraka tao Kirtland nandritra ny nananganana ny tempoly, dia nitantara hoe:

Sary
Rahavavy Eliza R. Snow

Vitsy ny isan’ireo Olomasina ary tena mahantra tokoa ny ankamaroany; ary, raha tsy noho ny fahatokiana fa efa niresaka Andriamanitra, ary efa nandidy fa tokony haorina ho an’ny anarany ny trano iray, … ny fikasana hanangana io Tempoly io, tao anatin’ny toe-javatra nisy tamin’izany, ho an’ireo rehetra voakasik’izany, dia ho zava-mampihomehy ihany. …

Niaraka tamin’ny hoenti-manana kely dia kely ankoatra izay azon’izy ireo natao niaraka tamin’ny saina sy ny herim-batana, nitambatra tamin’ny fahatokiana tsy voahozongozona an’ Andriamanitra, ny lehilahy, sy ny vehivavy ary ny zaza aza, dia niasa tamin’ny heriny. … Ny tanjak’izy ireo dia notarihin’ny fanantenana fa handray anjara amin’ny fitahiana azo ao amin’ny trano iray natsangana teo ambany fitarihan’ilay Avo Indrindra sady nekeny. (Ao amin’ny Eliza R. Snow, an Immortal [1957], 54, 57)

Nisy olana iray hafa koa nampiadana ny fivoaran’ny fananganana ny tempoly:

Ny lohataona sy ny fahavaratry ny taona 1834 dia vanim-potoana sarotra tamin’ny fananganana ny tempoly satria ny ankamaroan’ny lehilahy teo amin’ny fiarahamonina dia niaraka tamin’i Joseph Smith nankany Missouri tao amin’ny tobin’i Isiraely. … Satria lasa ireo lehilahy dia ny vehivavy no nanohy ny asa. Ny sasany dia nanao ny fananganana, ny sasany nandroaka omby sy nitatitra vato, ary ny sasany kosa nanjaitra sy nandrary ary nampiasa vim-bà hanamboarana fitafiana ho an’ny mpiasa. (Lisa Olsen Tait sy Brent Rogers, “Trano iray ho an’ny Andriamanitsika,” Revelations in Context [2016], 170)

Mba hanampiana ny Olomasina tamin’ny ezaka nataon’izy ireo hanorenana tempoly iray, dia nambaran’ny Tompo tamin’i “Joseph Smith sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny fahitana iray mahavariana izay nahitan’izy ireo ireo drafitra amin’ny antsipiriany momba ny tempoly. I Frederick G. Williams, Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nitantara taty aoriana hoe:

Nandray ny tenin’ny Tompo i Joseph [Smith] mba haka ireo mpanolotsainy roa, dia i [Frederick G.] Williams sy i [Sidney] Rigdon, ary hanatona eo anatrehan’ny Tompo, dia hasehony azy ireo ny drafitra na ny maodelin’ny trano hatsangana. Nandohalika izahay, niantso ny Tompo, dia nipoitra teo akaiky teo ilay trano, izaho no nahita azy voalohany. Dia niara-nahita izany izahay rehetra avy teo. Rehefa avy nijery tsara ny teny ivelany izahay, dia toy ny tonga teo amboninay ilay trano.Teachings: Joseph Smith,271)

Sary
Ny Tempolin’i Kirtland, nataon’i Walter Rane

Ny iray tamin’ireo olona nanao fahafoizan-tena betsaka hananganana ny Tempolin’i Kirtland dia olona iray niova fo nantsoina hoe John Tanner:

I [John] dia “nahazo fahatsapana tamin’ny nofinofy na fahitana nandritra ny alina fa tsy maintsy handeha ho any amin’ny Fiangonana avy hatrany … izy” ho any Kirtland. Namidiny ny fananany—toeram-pambolena sy fiompiana nahavokatra maro, sy trano fandraisam-bahiny iray, tanim-boankazo—dia natsofony tao anaty sarety iray ny ankohonany sy ny mpiray monina maro ny marainan’ny noely, ka nanao ilay dia valon-jato kilaometatra mandrapahatongavana tao Kirtland indray alahadin’ny volana janoary 1835 izy ireo.

Tena nilaina tokoa izy. Nisy trosa iray tsy maintsy naloa tsy ho ela teo amin’ny toerana hananganana ny tempoly ary, araka ny fitantaran’ny olona sasany, dia nivavaka nangataka fanampiana ny Mpaminany Joseph sy ny sasany izay efa tsy nanan-katolotra.

Tsy nisalasala i John Tanner. Nampindraminy ny Mpaminany ny vola roa arivo dolara dia noraisiny an-tsoratra izany, nampindraminy telo alina dolara ny komitin’ny tempoly, nanao sonia taratasim-bola telo alina dolara izy hoentin’ny Mpaminany sy ny hafa mividy entana any New York, ary nanao “fanomezana malalaka” ho an’ny fananganana ilay tempoly izy. (Leonard J. Arrington, “The John Tanner Family,” Ensign, Mar. 1979, 46)

Nanazava ny antony nahatonga ny Olomasin’ny Andro Farany ho vonona hanao fahafoizan-tena mba hananganana tempoly sy hitsaoka ny Tompo ao amin’ireny trano masina ireny ny Filoha Thomas S. Monson.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Misy ambaratongam-pahafoizan-tena hatrany amin’ny fananganana tempoly sy ny fanatrehana tempoly. Tsy tambo isaina ireo mpikambana no niasa mafy sy sahirana mba hahafahan’izy ireo sy ny fianakavian’izy ireo mahazo ny fitahiana izay azo any amin’ny tempolin’ Andriamanitra.

Nahoana no maro tahaka izany no nanome zavatra maro an-tsitrapo mba handraisany ny fitahiana avy amin’ny tempoly? Ireo izay mahatakatra ny fitahiana mandrakizay azo avy amin’ny tempoly dia mahafantatra fa tsy misy izany fahafoizan-tena lehibe loatra, na sarany mavesatra loatra, na fahoriana sarotra loatra ka tsy mendrika nanaovana izany mba handraisana ireo fitahiana ireo. (Thomas S. Monson, “Ny Tempoly Masina— Fanilo ho an’izao tontolo izao,” Ensign na Liahona, mey 2011, 92)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azoko hianarana avy amin’ny ohatra sy fahafoizan-tena nataon’ireo Olomasina tany am-piandohana mba hananganana ny Tempolin’i Kirtland?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ireo fanalahidin’ny fisoronana natolotr’ireo iraka avy any an-danitra tao amin’ny Tempolin’i Kirtland mitahy ny fiainako ankehitriny?

Namaly soa ny fahafoizan-tena nataon’ireo Olomasina mba hananganana ny Tempolin’i Kirtland Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fitobahan’ny fisehoana ara-panahy tamin’ireo andro nialoha sy taorian’ny fanokanana (jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 232–35, 237–39).

Maro ny Olomasina nijoro ho vavolombelona fa nisy olon’ny lanitra tonga nanatrika ireo fivoriam-panokanana.

Nitantara i Eliza R. Snow hoe: “Mety azo haverina ireo fombafomba natao nandritra io fitokanana io, saingy tsy misy teny afaka mamariparitra ny zava-nitranga masina tamin’io andro manan-tantara io. Nisy anjely niseho tamin’ny olona sasany, raha toa ka nahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra ny rehetra nanatrika teo, ary heniky ny -fifaliana tsy hay lazaina sy feno voninahitra ny fo tsirairay-” [jereo ny 1 Petera 1:8].

Tamin’io hariva io, rehefa niangona niaraka tamin’ny mpihazona fisoronana 400 teo tao amin’ny tempoly ny Mpaminany dia “nisy feo re toy ny rivotra mahery nifofofofo, izay nameno ny Tempoly, ka niara-nitsangana ny mpiangona, netsehin’ny hery tsy hita maso.” Araka ny voalazan’ny Mpaminany dia “maro no nanomboka niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy naminany. Ny sasany kosa nahita fahitana be voninahitra. Ary hitako fa feno anjely ny Tempoly, ary nambarako tamin’ny mpiangona izany” (Teachings: Joseph Smith, 307–8).

Ny fisehoana ara-panahy tena manan-danja indrindra dia nitranga ny alahadin’ny Paska, 3 aprily 1836, herinandro taorian’ny nanokanana ny tempoly. Raha nivavaka tany amin’ny tempoly izy ireo dia nisy fahitana nisokatra tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery, ka niseho i Jesoa Kristy Tompo. Nambarany fa nanaiky ny tempoly Izy ary nampanantena ny handatsaka fitahiana amin’ny Olomasina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:1–10).

Sary
Fahitana tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, nataon’i Gary E. Smith

Izany fitsidihana izany dia narahin’ny fisehoan’ireo iraka avy any an-danitra izay nanolotra ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Azonareo marihana ao amin’ireto andalana manaraka ireto ireo izay niseho tamin’i Joseph sy i Oliver sy ny fanalahidy natolotr’izy ireo teo an-tanan’ireo mpitarika ny Fiangonana:

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11.

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nitazona ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely i Mosesy. Nitarika an’i Isiraely niala avy tao Egypta nankany amin’ny tany Kanana izy. Fanendrena azy ho an’ity fotoampitantanana ity ny ho tonga sy hamerina amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fanangonana maoderina. (Joseph Fielding Smith, Church History and Modern Revelation [1953], 2:48)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12.

“Ny lehilahy iray nantsoina hoe Elià dia toa hoe niaina teto an-tany nandritra ny vanim-potoana niainan’i Abrahama, ary izy dia nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. … Tsy manana fampahalalana manokana amin’ny antsipiriany mikasika ny fiainany teto an-tany na ny asa fanompoany isika” (Bible Dictionary, “Elias”).

Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nanazava ny antony nisehoan’i Elià tao amin’ny Tempolin’i Kirtland:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Ilay lehilahy hoe Elià dia namerina “ny filazantsaran’i Abrahama,” ilay fanekempihavanana lehiben’i Abrahama izay ahazoan’ny mahatoky ireo fampanantenan’ny fitomboana mandrakizay, fampanantenana fa amin’ny alalan’ny fanambadiana selestialy dia ho maro isa tahaka ny fasi-dranomasina eny amoron-tsiraka na tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranany mandrakizay. (Bruce R. McConkie, “The Keys of the Kingdom,” Ensign, May 1983, 22)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16.

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding hoe:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Io hery famehezana nomena an’i Elia io, no ilay hery mamehy ny mpivady, sy ny zanaka amin’ny ray aman-dreny mandritra izao fiainana izao sy ho amin’ny mandrakizay. Izany no ilay hery mamatotra izay misy ao amin’ny ôrdônansin’ny Filazantsara rehetra. … Amin’izany hery izany no hamatorana na hamehezana ireo ôrdônansy rehetra mifandraika amin’ny famonjena, ary asa nanirahana an’i Elia ny ho tonga sy hamerina izany amin’ny laoniny. (Joseph Fielding Smith, Elijah the Prophet and His Mission [1957], 5)

Ny fisehoan’i Elia mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha dia nahatanteraka ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany Malakia ary naverimberin’i Môrônia tamin’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa niseho voalohany tao amin’ny efitranon’i Joseph tamin’ny 21 septambra 1823 izy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2 (jereo koa ny Malakia 3:24).

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Amin’ny fomba ahoana avy no itahiana anao amin’ny alalan’ireo fanalahidy sy herin’ny fisoronana izay natolotr’i Mosesy, i Elià ary i Elia tamin’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland? Mety ho toy ny ahoana ny fiainanareo raha tsy naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo?