Institiota
Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manafaingana ny asany ny Tompo


“Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manafaingana ny asany ny Tompo,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Bokinʼny mpampianatra (2019)

“Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Sary
ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe

Lesona 28, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manafaingana ny asany ny Tompo

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Andro mampientanentana izao andro izao. Manafaingana ny asany eo ambanin’ny masontsika ny Tompo. Tena manentana ny fanahy izany. Ary tena mafy ihany koa. Takina betsaka ny tsirairay avy amintsika—mihoatra noho ny hatrizay. Ary betsaka ihany koa ny zavatra omena antsika” (“A Personal Invitation to Participate in Seminary and Institute,” 4 feb. 2019, ChurchofJesusChrist.org). Eo am-pandalinanao an’ity tahirin-kevitra ity dia mitadiava fomba hahafahanao mitondra anjara biriky, eo am-panafainganan’ny Tompo ny asany ho fanomanana ny Fiaviany fanindroany

Fizarana 1

Inona no hoavin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Tamin’ny 6 Aprily 1830, dia tomefy olona 50 teo ho eo ny tao anatin’ny trano hazon’i Peter Whitmer tao Fayette New York sy ny manodidina izany. Tao i Joseph Smith, teo ambany fitarihan’i Jesoa Kristy, no nampijoro indray ny Fiangonan’ny Tompo eto an-tany. Na dia kely aza no niantombohan’ny Fiangonana dia ny hameno ny tany manontolo no hoaviny

Sary
trano hazon’i Peter Whitmer

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia nanonofy i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nahita “vato [izay] nendahana tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana” (Daniela 2:45) izy. Io vato io dia nitombo habe mandrapahatonga izany ho “tendrombohitra lehibe nameno ny tany” (Daniela 2:35). Tamin’izy nanome ny hevitr’ilay nofy dia naminany ny mpaminany Daniela fa amin’ny andro farany dia hanorina fanjakana Andriamanitra izay tsy ho rava mihitsy fa hitoetra mandrakizay kosa (jereo ny Daniela 2:28, 44).

Namerina nilaza indray ny faminanian’i Daniela tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo 18 volana taorian’ny nananganana ny Fiangonana, tamina fotoana naha 600 isa monja an’ireo Olomasin’ny Andro Farany tety an-tany. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2 dia mamaky isika hoe: “Ankinina amin’ny olona eto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ary hatreo dia hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo.”

Roa taona sy tapany taty aoriana, tamin’ny aprily 1834, dia nanome faminaniana tena miavaka iray momba ny hoavin’ny Fiangonana tamina andiana mpihazona ny fisoronana tao Kirtland Ohio ny Mpaminany Joseph Smith.

Ny Filoha Wilford Woodruff, izay nanatrika izany fivoriana izany dia nahatsiaro ny hoe:

Sary
Ny filoha Wilford Woodruff

Nanao antso avo tamin’ny olona rehetra izay nihazona ny Fisoronana ny Mpaminany mba hivondrona tao anatin’ilay trano fianarana vita tamin’ny vatan-kazo izay nisy teo. Trano kely izy io, angamba teo amin’ny 4 metatra mahery kely teo ny lafiny. Kanefa dia nisy ny fisoronan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao amin’ny tanàna kelin’i Kirtland. … Hoy ny Mpaminany hoe: “Ry rahalahy, … tiako ny milaza aminareo eto anoloan’ny Tompo, fa tsy mahafantatra izay hiafaran’ity Fiangonana ity sy ny fanjakana mihoatra ny zazakely eo ampofoan-dreniny ianareo. Tsy takatrareo izany.” Somary gaga ihany aho. Nilaza izy fa, “Olona vitsy kely ao amin’ny fisoronana fotsiny no tazanareo eto anio hariva, kanefa ity Fiangonana ity dia hanenika an’i Amerika Avaratra sy Atsimo—hameno an’izao tontolo izao izy ity.” (Wilford Woodruff, ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 137)

Jereo ilay horonan-tsary hoe “The Gospel Shall Roll Forth” (2:47), dia saintsaino ny hoe ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia porofon’ny fanirian’ny Ray any An-danitra hitahy izao tontolo izao manontolo.

160 taona mahery taty aoriana, taorian’ny nitomboan’ny Fiangonana ho mihoatra ny mpikambana miisa 11 tapitrisa sy manerana ny ankamaroan’izao tontolo izao dia nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Ry rahalahiko sy anabaviko, azonareo an-tsaina ve ny zavatra ananantsika? Moa ve ianareo mahafantatra ny toerana misy antsika ao amin’ilay tantara an-tsehatra lehibe eo amin’ny tantaram-piainan’ny olombelona? Io no ivon’ny zavatra rehetra lasa teo aloha. Izao no vanim-potoan’ny fanonerana. Izao no andron’ny famerenana amin’ny laoniny. … Izao no famintinana ireo taon-jato rehetra nanomboka tamin’ny nahaterahan’i Kristy ka hatramin’izao andro ankehitriny sy mahafinaritra izao. (Gordon B. Hinckley, “At the Summit of the Ages,” Ensign, Nov. 1999, 74)

Ary teo amin’ny folo taona latsaka kely taorian’izay dia nilaza ny Filoha Hinckley hoe:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Fahagagana lehibe no mitranga eo ambanin’ny masontsika. …

Ary vao fiantombohany fotsiny izao. Ity asa ity dia hitombo sy hiroborobo ary hivelatra hatrany manerana ny tany manontolo. (Gordon B. Hinckley, “The Stone Cut Out of the Mountain,” Ensign na Liahona, Nov. 2007, 83–84)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny mahatakatra sy manana fijoroana ho vavolombelona momba ny hoavin’ny Fiangonan’ny Tompo?

Fizarana 2

Ahoana no hanafainganan’ny Tompo ny asany ankehitriny?

Raha niresaka mikasika ny fitomboan’ny Fiangonan’ny Tompo haingana sy ny fitaomana ananan’izany ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra izy hoe:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Ny antony mampiroborobo ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia satria ny Tompo no nilaza fa hiroborobo izany. Hoy Izy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73].

Amin’ny maha-zanaka ara-panahin’ny Raintsika any An-danitra antsika dia nalefa tety an-tany isika amin’izao fotoana izao mba hahafahantsika mandray anjara amin’ny fanafainganana ilay asa lehibe. (Thomas S. Monson, “Manafaingana ilay asa,” Liahona, jona 2014, 4)

Ireto ohatra manaraka ireto dia vitsy fotsiny amin’ireo fomba hanasan’ny Tompo sy ireo mpanompony anao mba handray anjara amin’ny fanafainganana ny asa famonjena. Azonao asiana marika izay fitsipika na hevitra rehetra manaitra anao, dia aoka ianao ho vonona hizara ny hevitrao momba izany mandritra ny fotoam-pianarana.

Fanangonana an’i Isiraely

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4, 7, izay ampahany amin’ny fanambarana iray efa azo hatrany am-boalohany avy amin’ny Tompo ho an’ireo loholona ao amin’ny Fiangonana.

Raha niresaka momba ity fanangonana ity ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampianatra izy hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ry rahalahy sy ranabavy tanora malalako isany, izao tokoa no andro farany, ary ny Tompo dia manafaingana ny asany amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Izany fanangonana izany no zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. …

Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra izao isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny handre ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manapa-kevitra manokana izy ireo raha toa te hahafantatra misimisy kokoa. (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], fanampin-dahatsoratra ao amin’ny Ensign sy ny New Era, 8, ChurchofJesusChrist.org; ny sora-mandry dia efa hatrany am-boalohany)

Mizara ny Filazantsara

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith momba ireo maro izay hajambain’ny “hafetsena misokon’ny olona.”

Eritrereto ny fampianarana ao amin’io andininy io eo am-pisaintsainanao momba ity fanasana avy amin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay mamporisika antsika hanampy amin’ny asa famonjena amin’ny alalan’ny fomba vaovao:

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny Tompo dia manafaingana ny asany, ary tsy mahagaga araka izany ny hipoiran’ireo fitaovam-piseraserana vaovao sy fitaovana maoderina ireo amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana. Ireo tambazotra ifaneraserana dia fitaovana azo ampiasana amin’ny ankapobeny izay afaka miantraika amin’ny fomba manokana sy tsara amina olona sy fianakaviana marobe. Ary mino aho fa tonga ny fotoana ho antsika mpianatr’i Kristy hampiasana ireo fitaovana tena tsara ireo araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba mahomby kokoa mba hijoroana ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay, sy ny drafitry ny fahasambarana ho an’ny zanany ary momba ny Zanany, dia i Jesoa Kristy, amin’ny maha-Mpamonjy an’izao tontolo izao Azy; mba hitoriana ny maha-tena misy ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’ny andro farany; ary hanatanterahana ny asan’ny Tompo. (David A. Bednar, “To Sweep the Earth as with a Flood” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 19 aog. 2014], ChurchofJesusChrist.org)

Ny fanompoana

Nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy fa “tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo” Izy (Matio 20:28). Nanao fanompoana Izy rehefa “nandehandeha nanao soa” (Asan’ny Apostoly 10:38). Tao amin’ny fanambarana iray ho an’i Joseph Smith dia nanasa an’i Frederick G. Williams mba hanompo ny hafa ny Tompo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5.

Isika ihany koa dia voantso hanompo tahaka izany. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa ireo fanambarana ireo [ny fanovana ny fampianarana sy famangiana isan-tokantrano ho fanompoana] … dia mbola porofo fa manafaingana ny asany ny Tompo amin’ny fotoany. …

… Enga anie isika hiara-hiasa mifanila amin’ny Tompon’ny tanim-boaloboka [jereo ny Jakôba 5:70–72], manome an’ Andriamanitra sady Raintsika rehetra fanampiana amin’ny andraikiny mavesatra amin’ny famaliana vavaka, fitondrana fankaherezana, famafana ranomaso, ary fampatanjahana ireo lohalika mitolefika [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5]. Rehefa manao izany isika, dia ho lasa tena mpanara-dia marina an’i Kristy izay tokony hahatongavantsika. (Jeffrey R. Holland, “Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy,” Liahona, mey 2018, 101, 103)

Ny Rahavavy Linda K. Burton, izay Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia nilaza hoe:

Sary
Rahavavy Linda K. Burton

Alaivo sary an-tsaina miaraka amiko ireo takela-pamantaran-javatra ara-panahy azo heverina, izay misy soratra hoe “fanampiana tadiavina” ka mifandray amin’ny asa famonjena:

  • Fanampiana tadiavina: ray aman-dreny mitaiza ny zanany ao anatin’ny fahazavana sy fahamarinana

  • Fanampiana tadiavina: zanakavavy sy zanakalahy, rahavavy sy anadahy, nenitoa sy dadatoa, zanaky ny mpiray tampo, ray aman-drenibe ary tena namana mpanoro hevitra sy manolotra tanana enti-manampy eny amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana

  • Fanampiana tadiavina: ireo izay mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina sy manao asa mifanaraka amin’ireo fahatsapana azony

  • Fanampiana tadiavina: ireo izay miaina ny filazantsara isan’andro amin’ny fomba madinika sy tsotra

  • Fanampiana tadiavina: olona manao asa momba ny tantaram-pianakaviana sy manao asa atao any amin’ny tempoly mba hampiraisana ny fianakaviana mandrakizay

  • Fanampiana tadiavina: misiônera sy mpikambana hampiely ny “vaovao mahafaly”—ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

  • Fanampiana tadiavina: mpanavotra natao mba hitady ireo izay very

  • Fanampiana tadiavina: mpitandrina fanekempihavanana izay mijoro mafy amin’ny fahamarinana

  • Fanampiana tadiavina: mpianatra marin’i Jesoa Kristy Tompo …

… Tsy maninona raha toa isika ka tsy mbola tanteraka sy feno. … Afaka miaraka mandeha toy ny iray ihany isika, amin’ny maha-mpianatra sy mpanompo miaraka amin’ny fo sy tanana feno fahavononana mba hanafaingana ny asa famonjena. Ho lasa hitovy amin’ny Mpamonjy isika rehefa manao izany. (Linda K. Burton, “Mitady: Tanana sy fo vonona hanafaingana ny asa,” Liahona, mey 2014, 124)

Manaja ny andro Sabata

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–10 mba hianarana momba izay nampianarin’ny Tompo ireo Olomasina mikasika ny fitandremana ny andro Sabata ho masina.

Nanazava izao manaraka izao ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo mikasika ny herin’ny fanajana ny andro Sabata:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Raha ireo fanovana ara-pitantanana na fiovam-penitra na fanofanana ara-potopampianarana rehetra izay afaka manafaingana ny asa famonjena amin’izao fotoana izao no jerena, dia azo lazaina fa ny fanandratana ny fanahy sy herin’ny andro Sabata no tena handresy lahatra indrindra amin’ny fanakaikezana ny mpikambana sy ny fianakaviana ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy Tompo. (M. Russell Ballard, ao amin’ny Chad H. Webb, “The Sabbath Day” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ny fanofanana ho an’ny seminera sy Institiota, 4 aog. 2015], ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Inona koa no porofo hafa fanampiny hahitantsika fa manafaingana ny asany amin’izao andro izao ny Tompo? Inona avy ireo fomba sasantsasany voafaritra tsara izay irianao handraisana anjara misimisy kokoa ao amin’ny asan’ny Tompo? Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diarinao na eo amin’ny faritra malalaka etsy ambany ny zavatra ao an-tsainao.