Institiota
Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fiangonana tany Andrefana


“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Fiangonana tany Andrefana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokinʼny mpampianatra (2019)

“Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Sary
Engraving of Salt Lake City in 1853 (Sarinʼi Salt Lake City taminʼny 1853), nataonʼi Frederick Piercy

Engraving of Salt Lake City in 1853 (Sarinʼi Salt Lake City taminʼny 1853), nataonʼi Frederick Piercy

Lesona 26, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Fiangonana tany Andrefana

Ny Olomasina izay nivondrona tao amin’ny lohasahan’ny Salt Lake Lehibe sy ireo faritra nanodidina izany dia niaritra olana maromaro taorian’ny nahatongavan’izy ireo tany. Tafiditra tao anatin’izany ny toetrandro mavaivay, ny valala mpihinam-bokatra, ny hain-tany, ary ny hanohanana. I Brigham Young anefa dia “tsy dia niahiahy kokoa ny amin’ny fahazoana vokatra sy vola mihoatra noho ny amin’ny fanampiana ny olony ho lasa firenena masina.

Fantany avy amin’ireo zavatra niainany fa hiroborobo izy ireo avy amin’ny fiasana mafy sy ny fanekena andraikitra. -Ity dia toerana tsara hamolavolana Olomasina- hoy izy tamina mpikambana nivory tao Salt Lake City tamin’ny 1856 (DNW [Deseret News Weekly], 10 Sept. 1856, 5)” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 9). Ny ankamaroan’ireo Olomasina dia nampiseho finoana lehibe an’ny Tompo nandritra ireo taona tany am-boalohandohany ireo, na dia teo aza ireo fitsapana. Mampalahelo anefa fa izany vanim-potoana teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany dia nahitana ihany koa ilay tranga mahatsiravin’ny Fandripahana tany Mountain Meadows, izay afaka mampianatra antsika lesona manan-danja azontsika ampiarina amin’ny androntsika.

Fizarana 1

Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo Olomasina mpamaky lay tany am-piandohana momba ny fanompoana ny Tompo sy ny fanorenana ny fanjakany amin’izao fotoana izao?

Nandritra ny ririnina 1848–49 raha nangatsiaka ny toetrandro sy zara raha nisy ny sakafo, dia naniry ny hifindra tany Californie sy hitrandraka volamena ny Olomasina sasantsasany. Naminany ny Filoha Brigham Young hoe:

Sary
Filoha Brigham Young

“Ny sasany dia nangataka handeha [any Californie]. Nolazaiko izy ireo fa nanendry ity toerana [ny Lohasaha Lehibe] ity Andriamanitra ho fanangonana ny Olomasiny, ary hahavita tsaratsara kokoa ianareo ety noho ny hoe hitrandraka volamena.… Nampiseho tamiko Andriamanitra fa ity no toerana hametrahana ny olony, ary ety izy ireo no hiroborobo; … Hanalefaka ny toetrandro sy ny toetry ny tany Andriamanitra ary hanangana tanàna sy tempoly ho an’ Andriamanitra Tsitoha eto amin’ity toerana ity isika. Hampivelatra ny fiorenam-ponenantsika isika avy any atsinanana ka hatrany andrefana, avy any avaratra ka hatrany atsimo, ary hanangana tanàna an-jatony isika ka Olomasina an’arivony no hiangona avy amin’ireo firenen’ny tany.” (Ao amin’ny James S. Brown, Life of a Pioneer: Being the Autobiography of James S. Brown [1900], 121–22)

Nahita ny fahatanterahan’izany faminaniana izany tamin’ny fomba mahagaga ireo Olomasina tamin’ny fotoana nahafatesan’i Brigham Young tamin’ny 1877. Ny finoan’izy ireo ny Tompo sy ny mpaminaniny dia nanentana Olomasina mpamaky lay 60.000 ka hatramin’ny 70.000 hifindra monina hankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake, izay nanorenan’izy ireo fiaraha-monina teo anelanelan’ny 350 sy 400 tao Utah, Arizona, Californie, Idaho, Nevada, ary Wyoming.

Ny Vatsim-bola Maharitra hanampiana amin’ny Fifindramonina izay naorina mba hanampiana ireo Olomasin’ny Andro Farany mpifindra monina mahantra dia nanampy tamin’ny famatsiana ny dian’ny Olomasina miisa 30.000 avy ao amin’ireo Nosy Britanika, Scandinavie, Soisa, Alemana, ary ny Pays-Bas. Nitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao ireo misiônera. Nanokana ny fotoany hananganana tempoly tao Salt Lake City, Logan, ary St. George ny Olomasina. Fa indrindra indrindra, ireo Olomasina dia namela lova faka tahaky ny finoana sy fahafoizan-tena ary fanolorantena ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. (Jereo ny “Brigham Young,” Newsroom Topics, newsroom.churchofjesuschrist.org.)

Misafidiana ny iray amin’ireto tantara ana Olomasina mahatoky manaraka ireto izay niangona tao Utah tany am-piandohan’ny Fiangonana. Vakio ilay tantara ary miomàna hizara ao an-dakilasy lesona na fitsipika izay nianaranao avy amin’izany mikasika ny fanompoana ny Tompo sy ny fanorenana ny fanjakany amin’izao andro izao.

Famonjena ireo mpandeha sarety notarihan-tanana

Vakio ny momba ny fangoraham-po nananan’ireo Olomasina izay nandeha namonjy ireo mpamaky lay mpandeha sarety notarihan-tanana ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Église: Gordon B. Hinckley (2016), 91–94.

John Moyle

Vakio ny tantara manentana fanahin’i John Moyle, izay nandeha nankany Salt Lake mba hiasa amin’ny fanamboarana ny tempoly isan-kerinandro na dia tsy nanana tongotra intsony aza izy noho ny loza nitranga taminy, ao amin’ny lahatenin’i Dieter F. Uchtdorf manao hoe “Édifiez là où vous êtes” (Liahona, Nov. 2008, 55–56). Vakio ilay fizarana manao hoe “L’exemple de John Rowe Moyle.”

 

Charles Walker sy Charles Rich

Vakio ny momba ny finoan’ny lehilahy anankiroa sy ny fianakavian’izy ireo namaly ny antso hanorina toeram-ponenana ho an’ireo Olomasina tafangona, ao amin’ Ny lovantsika: Tantara fohy mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (1996), 88–89. Vakio ny ao amin’ny pejy 108, manomboka amin’ny andiam-pehezan-teny manomboka amin’ny hoe “Tamin’ny fivorian’ny fihaonambe, no namakian’ny filoha Brigham Young … ,” ka hatramin’ny andiam-pehezan-teny ao amin’ny pejy 109 izay manomboka amin’ny hoe “Maro ny zava-tsarotra …”

Fizarana 2

Inona no nitondra ho amin’ilay Fandripahana tany Mountain Meadows?

Teo anelanelan’ny 1850 sy 1860 dia nahitana fa ny tsy fitovian-kevitra sy faharatsiam-pifandraisana no niteraka ny fitomboan’ny disadisa nisy teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny manam-pahefan’ny governemantan’i Etazonia. Vokatry ny finoana diso fa tao anatin’ny fikomiana ny Olomasina dia nandefa andiana miaramila teo amin’ny 1.500 teo ho eo i James Buchanan Filohan’i Etazonia mba hifehy ilay fikomiana niahiahiana.

Nandritra ny toritenin’ny Filoha Young sy ny mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana ho an’ny Olomasina dia namariparitra ny fiavian’ny andiana miaramila ho fahavalo izy ireo. Natahotra izy ireo sao handroaka azy ireo hiala ny faritanin’i Utah ireo miaramila ireo, tahaka ny nandroahana azy ireo niala avy tany Ohio sy Missouri ary Illinois teo aloha. Ny Filoha Young dia nanome torolalana ireo Olomasina mba hitahiry voa mba hananan’izy ireo sakafo hohanina raha ilaina ny mandositra ireo andiana miaramila. Tamin’ny maha governoran’ny faritr’i Utah azy dia nanome baiko ny milisy ihany koa izy mba hiomanan’izy ireo hiaro ny faritra misy azy ireo. Mba tsy hisian’ny fandatsahan-drà dia nomanina hiala tampoka ny tranony sy ny taniny ka hamotika izany raha ilaina ny Olomasina ambiny.

Nandritra izany fotoana izany dia niditra an’i Utah ny andian-tsarety mpitatitra mpifindra monina izay nandeha niankandrefana avy tany Arkansas hankany Californie. Ny sasany tamin’ireo olona tao amin’ilay andian-tsarety dia lasa sorena satria nanahirana ny fividianana ny voa atao sakafo izay tena nilaina tamin’ny Olomasina.

Sary
Sarintan’ny Fandripahana tany Mountain Meadows

Nihamafana ny fifanolanana tao Cedar City, izay toeram-ponenana farany tao Utah teo amin’ny lalana mankany Californie. Nisy ny fifandonana ary ny sasany tamin’ireo olona tao amin’ilay andian-tsarety dia nampitahotra ny hiaraka amin’ireo andiana miaramilan’ny governemanta an-dalana mba hiady amin’ireo Olomasina. Nandao ny tanàna adiny iray fotsiny taorian’ny nahatongavany ilay andian-tsarety, saingy ny sasany tamin’ireo mponina sy mpitarika tao Cedar City anefa dia naniry ny hanenjika sy hanasazy ireo lehilahy izay nandrahona sy nahatezitra azy ireo.

I Isaac Haight, ben’ny tanànan’i Cedar City, sy lehiben’ny milisy ary filohan’ny tsatòka dia nitaky fahazoan-dalana avy amin’i William Dame, mpanapaky ny milisy izay monina teo akaikin’i Parowan, mba hangataka ny hifandonan’ny milisy amin’ireo olona nanafintohina avy amin’ilay andian-tsarety. I Dame anefa dia nandà ny fangatahan’izy ireo ary nanome torolalana azy ireo tsy hiraharaha ny fandrahonan’ireo mpifindra monina.

Tsy nanaraka io toromarika io i Isaac Haight sy ireo mpitarika hafa tao Cedar City fa nanao drafitra kosa ny handresy lahatra ireo Indiana Paiute teo an-toerana mba hanafika an’ilay andian-tsarety sy handroba ny biby fiompiny ary hamono ny lehilahy sasany na rehetra tany. Nangataka an’i John D. Lee, mpikamban’ny Fiangonana tao an-toerana sy lehiben’ny milisy i Isaac Haight mba hitarika ny Paiute amin’izany fanafihana izany. Niray tsikombakomba izy ireo hanomezana tsiny ny Paiute ny amin’ny fanaovana izany zavatra izany.

Nandroso ny drafiny teo anoloan’ny filankevitry ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, fiaraha-monina ary milisy teo an-toerana i Isaac Haight. Ny mpikambana tao amin’ny filankevitra sasany dia tena nitsipaka mafy ny drafitr’i Haight ary nanontany raha efa nila hevitra tany amin’ny Filoha Brigham Young mikasika izany izy. Rehefa niteny izy fa tsy nanao izany dia nanaiky handefa iraka i Haight mba handeha any Salt Lake City niaraka tamin’ny taratasy manazava ny zava-miseho sy ny fangatahana ny amin’ny fanapahan-kevitra tokony raisina. Nitaky herinandro teo ho eo ho an’ny mpitondra hafatra ny hahatongavana ao Salt Lake City sy ny fiverenana miaraka amin’ny torolalana avy amin’ny Filoha Young.

Fotoana fohy taorian’ny nanirahana ilay mpitondra hafatra anefa dia nanafika mialoha ilay tobin’ny mpifindra monina tany amin’ny toerana nantsoina hoe Mountain Meadows i John D. Lee sy ny andiana Indiana. Nataon’i Lee izay ninoana fa ireo Paiute tao an-toerana ihany no nandray anjara tamin’ilay fanafihana. Ny sasany tamin’ireo mpifindra monina dia maty na naratra, ary ireo sisa tavela dia nanohitra ireo mpanafika ka nanery an’i Lee sy ireo Paiute mba hihemotra. Ireo mpifindra monina dia nanosika haingana ny kalesin’izy ireo hanao faribolana hety mba ho fiarovana.

Nisy fotoana nahitan’ny lehilahy mpifindra monina roa an’ireo lehilahin’ny milisin’i Cedar City. Nitifitra azy ireo ny lehilahin’ny milisy ka nahafaty ny iray. Nandositra ilay lehilahy iray hafa.

Tamin’ny fikasana ny hanakana ny fiparitahan’ny vaovao fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia nandray anjara tamin’ny fanafihana no nanaovan’i Isaac Haight sy i John D Lee sy ny mpikamban’ny Fiangonana tany an-toerana ary ny mpitarika ny milisy ny drafitra hamonoana ireo mpifindra monina ambiny ankoatran’ny zazakely. “Nikatsaka fahazoan-dalana avy tamin’i Dame indray izy ireo handefasana ny milisy, ka i Dame dia nampiantso … filan-kevitra indray, izay nanapahana ny handefasana lehilahy hanampy ireo mpifindra monina natao fahirano hanohy ny lalany amim-pitoniana. Taty aoriana dia nilaza tamin-kalahelo i Haight hoe: -Ho nafoiko izao tontolo izao raha afaka nanao izany aho, inay anie izahay nanaraka ny fanapahan-kevitr’ilay filan-kevitra” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, Sept. 2007, 18).

Taorian’ny fivorian’ny filan-kevitra dia nahavita nandresy lahatra an’i Dame i Isaac Haight hamerina hieritreritra indray mikasika ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitra, ary rehefa nandeha i Haight dia nino izy fa nanana fahazoan-dalana hampiasa ny milisy mba hanatontosana ny drafiny. Nanatona ireo mpifindra monina i John D. Lee niaraka tamin’ny saina fotsin’ny fampiatoan’ady ka nilaza tamin’izy ireo fa ny milisy dia hiaro azy ireo amin’ny fanafihana hafa amin’ny fitarihana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Cedar City.

Rehefa nandeha nankany Cedar City ny mpifindra monina dia nitodika ny lehilahin’ny milisy ary nitifitra azy ireo. Nisy Indiana sasany izay nalain’ireo mpiorim-ponenana tao an-toerana nipoitra avy tamin’ny fiafenany no nanatevin-daharana ny fanafihana. Mpifindra monina teo amin’ny 140 teo ho eo no tao amin’ilay andian-tsarety ary zazakely 17 ihany no tsy maty.

Roa andro taorian’ilay fandripahana dia tonga ny valinteny avy tamin’ny Filoha Young, dia ny toromarika hamela ny andian-tsarety handeha am-pilaminana. “Rehefa namaky ny tenin’i Young i Haight dia nitomany toy ny zazakely izy ary tsy tafateny afa-tsy ny hoe: -Tara loatra, tara loatra-” (Richard E. Turley Jr., “The Mountain Meadows Massacre,” Ensign, Sept. 2007, 20).

Nitarika ho amin’ilay fandripahana mahatsiravina tao amin’ny Mountain Meadows ireo safidy nataon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana sasany sy ireo mponina tao amin’ny faritany atsimon’i Utah. Nifanohitra tamin’izany ny fomba namahan’ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ny mpitariky ny faritra tao Salt Lake City ny disadisa nisy tamin’ny governemantan’i Etazonia izay nilamina tamin’ny alalan’ny firesadresahana momba ny filaminana sy ny fifanarahana natao tamin’ny taona 1858. Nandritra io fifandirana io —izay nantsoina taty aoriana hoe ny Ady tany Utah—, dia nanao fihetraketrahana ny miaramilan’i Etazonia sy ny lehilahin’ny milisy tao Utah fa tsy tonga velively tamin’ny ady akory.

Sary
toerana fahatsiarovana ny Fandripahana tany Mountain Meadows

Raha niresaka tao amin’ny toerana fahatsiarovana ny Fandripahana tany Mountain Meadows tamin’ny 11 septambra 2007 ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay noraisintsika dia mankahala tanteraka ny famonoana an-kitsirano ny lehilahy, vehivavy sy ankizy. Azo lazaina araka izany fa ny filazantsara dia mamporisika ny hisian’ny filaminana sy ny famelana. Ny zavatra nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana teto taona maro lasa izay dia maneho fialana mahatsiravina sy tsy azo ekena amin’ny fampianarana sy fitondrantena Kristiana. … Maneho alahelo lehibe noho ny famonoana mahatsiravina natao teto amin’ity lemaka ity … izahay ary noho ny fijaliana lehibe sy goavana izay niainan’ireo niharan-doza tamin’izany sy ireo havany amin’izao fotoana izao. (Henry B. Eyring, “150th Anniversary of Mountain Meadows Massacre,” newsroom.ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona avy ireo lesona sasany azontsika ianarana avy amin’ireo fanapahan-kevitra ratsy nitarika tamin’ny Fandripahana tany Mountain Meadows? Vakio ny Ohabolana 28:13 sy ny 3 Nefia 12:24–25, 43–44, ary mitadiava fitsipika izay mety ho nisoroka ny fitrangan’io zava-nitranga mahatsiravina io raha toa ka narahina izany fitsipika izany. Diniho hoe ahoana no hahafahan’ny fampiharana ireo fitsipika ireo misoroka ny fisian’ny zavatra hanenenana na mampalahelo tsy ilaina eo amin’ny fiainanao?