Institiota
Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Bokin’i Môrmôna—vato ifaharan’ny fivavahantsika


“Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny Bokin’i Môrmôna—vato ifaharan’ny fivavahantsika,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (2019)

“Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Lesona 6, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Bokin’i Môrmôna —vato ifaharan’ny fivavahantsika

Sary
Fampidirana ny Teny, nataon’i Jeffrey Hein

Inona no fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna? Inona no azonao atao mba hampatanjahana izany hatrany? Eo am-pandalinanao ity tahirin-kevitra ity dia tokony ho afaka hanazava tsaratsara kokoa ny antony mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika sy ny fijoroana ho vavolombelontsika ianao.

Fizarana 1

Inona avy ireo porofo sasany izay maneho ny fahamarinana sy lanjan’ny Bokin’i Môrmôna?

Fotoana fohy taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny martsa 1830 dia nandidy an’i Joseph ny Tompo mba hanorina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Nanomboka nivarotra tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ny misiônera rehefa nandeha nitory izy ireo. Nanomboka nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fanangonana ny olona ho ao amin’ny Fiangonana ilay boky.

Tamin’io taona namoahana ny Bokin’i Môrmôna io dia nahazo fitaomam-panahy hivarotra ny toeram-pambolena sy fiompiany tao Ohio ny tanora iray antsoina hoe Parley P. Pratt mba hahafahany mitory ny Baiboly. Fotoana fohy taorian’ny nivarotany ny toeram-pambolena sy fiompiany dia nanao dia niatsinanana i Parley sy i Thankful vadiny. Rehefa akaiky ho tonga tao Palmyra New York izy ireo dia nahatsapa fitaomam-panahy hiala ny sambo i Parley. Dia niala ny sambo izy fa i Thankful kosa dia nanohy ny diany. Avy eo i Parley dia nandeha an-tongotra 16 kilaometatra nankany amin’ny tranon’ny diakona Batista iray. Nilaza taminy momba ny boky iray vao azony izay nadika avy tamina takela-bolamena ilay diakona. Taty aoriana dia noraketin’i Parley an-tsoratra izao manaraka izao:

Nosokafako tamim-paharisihana [ny Bokin’i Môrmôna], ary novakiako ny pejin-dohateniny. Avy eo aho dia namaky ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona maromaro izay mifandray amin’ny fomba nahitana sy nandikana izany. Taorian’izay dia nanomboka namaky ny votoatiny hatramin’ny voalohany aho. Namaky izany aho nandritra ny tontolo andro, enta-mavesatra tamiko izany hoe hisakafo izany, tsy naniry ny hihinan-kanina mihitsy aho; enta-mavesatra tamiko izany hoe handeha hatory izany rehefa tonga ny alina satria naleoko namaky ilay boky toy izay natory.

Rehefa namaky aho, dia tao amiko ny fanahin’ny Tompo, ary fantatro sy takatro fa marina ilay boky, amin’ny fomba mazava sy miharihary izay mety hahatakaran’olona sy hahafantarany fa misy izy. (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 37)

Sary
zatovovavy mihazona soratra masina

Hatrany am-boalohandohan’ny niorenan’ny Fiangonana dia olona an-tapitrisany maro no nianatra ny zavatra izay nampianarin’ny Fanahy Masina an’i Parley io alina io, dia ny hoe marina ny Bokin’i Môrmôna. Mirakitra ny tenin’ Andriamanitra izany.

Rehefa nahavita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith tamin’ny jona 1829, dia ny Tompo mihitsy no nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6.

Taty aoriana dia nanamafy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo ary nanome ireo antony nanomezany izany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:8–12, 14.

Taona maro taty aoriana tamin’ny alahady iray tamin’ny 1841 dia nanatrika filankevitra niaraka tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo nandritra ny iray andro tany an-tranon’i Brigham Young, izay filohan’io kôlejy io tamin’izany fotoana, ny Mpaminany Joseph Smith. Raha niresaka tamin’izy ireo mikasika ana lohahevitra isan-karazany i Joseph dia nampianatra ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna izy:

Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa. (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 64)

Halalino ireto fizarana manaraka ireto mba hianarana bebe kokoa momba ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith.

Fizarana 2

Inona no dikan’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany satria izany dia mifantoka amin’ny Fahamarinana (jereo ny Jaona 14:6; 1 Nefia 13:40), dia i Jesoa Kristy, ary koa mamerina amin’ny laoniny ireo zavatra mazava sy sarobidy izay nesorina tao amin’ny filazantsara marina (jereo ny 1 Nefia 13:26, 28–29, 32, 34–35, 40). Ny fanakambanana miavaka an’ireo lafin-javatra roa ireo—ny fifantohana amin’ny Mpamonjy sy ny fampianarana tsotra—dia manasa amin-kery ny fanamafisan’ny tenivavolombelona avy amin’ny mpikambana fahatelon’ Ny Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina izany. Ka noho izany, ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka amin’ny fanahy sy ny fon’ireo mpamaky mihoatra noho ny boky soratra masina hafa. (David A. Bednar, “Miambena amin’ny faharetana rehetra,” Liahona, mey 2010, 41)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no fahamarinana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nankahery ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny?

Fizarana 3

Ahoana no maha vato ifaharan’ny fivavahantsika ny Bokin’i Môrmôna?

Rehefa aorina ny andohalambo iray, dia atsangana miaraka amina fihazonana azy ivelany ny sisiny anankiroa mba hijoroany mahitsy tsara. Refesina tsara ilay elanelana eo amin’ny tampon’ny andohalambo, ary tapahana amin’izay refy izay ny vato ifaharana mba ho antonona tsara an’ilay elanelana. Rehefa voapetaka ny vato ifaharana ary mitoetra eo aminy ny vesatr’ireo vato hafa dia mijoro tsara tsy misy mpanohana ilay andohalambo.

Sary
sary maneho andohalambo

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanazava ny mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika:

Misy antony telo mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho vato ifaharan’ny fivavahantsika. Vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy izany. Vato ifaharan’ny fotopampianarantsika izany. Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona izany.

Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Kristy. … Maro amin’ireo Kristiana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no mandà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy. Mametra-panontaniana mikasika ilay Fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay Fiainany tonga lafatra ary ilay Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra izay tena nisy marina. Mampianatra mikasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireo mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Manolotra fanazavana feno tsara mikasika ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana koa izany. …

Ny Bokin’i Môrmôna koa dia vato ifaharan’ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty. … Manolotra zavatra maro izay mampivelatra ny fahatakarantsika ny fotopampianaran’ny famonjena ny Bokin’i Môrmôna. Raha tsy nisy izany dia maro tamin’ireo zavatra nampianarina any amin’ireo soratra masina hafa no tsy ho mazava sy tsy ho sarobidy kokoa. …

… Vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna. Toy ny firodanan’ny andohalambo rehefa esorina ny vato ifaharana dia ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa no mampijoro na maharava ny Fiangonana. … Raha marina ny Bokin’i Môrmôna … dia tsy azo lavina ireo zavatra takian’ny Famerenana amin’ny laoniny sy izay zavatra rehetra miaraka amin’izany. (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nov. 1986, 5–6; nampiana soramandry)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Amin’ny fomba ahoana ny hijoroan’ny Fiangonana na haharavan’izany amin’ny alalan’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna? Ahoana no maha-vato ifaharan’ny fijoroanao ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna?

Fizarana 4

Ahoana no hanampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

Azonao asiana marika ireo teny na andian-teny ato amin’ity teny nambara manaraka ity izay mampianatra ny fomba hanampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy hitahian’izany ny fiainantsika.

Sary
zatovolahy mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Nampianatra ny Filoha Benson hoe:

Misy hery ao anatin’[ny Bokin’i Môrmôna] izay hanomboka hirotsaka eo amin’ny fiainanao raha vao manomboka mandalina tsara ilay boky ianao. Hahita hery lehibe kokoa ianao hanoherana ny fakam-panahy. Hahita hery ianao hialana amin’ny famitahana. Hahita hery ianao hijanonana eo amin’ilay lalana ety sy tery. Antsoina hoe -tenin’ny fiainana- (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85) ny soratra masina ary tena marina tokoa izany raha ho an’ny Bokin’i Môrmôna mihoatra noho ny boky hafa. Rehefa manomboka noana sy mangetaheta ireo teny ireo ianao, dia hahita fiainana lehibe sy fahasoavana lehibe kokoa. (Ezra Taft Benson, “The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” 7)

Nijoro ho vavolombelona ihany koa ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Ny vokatry ny Bokin’ i Môrmôna eo amin’ny toetranareo sy ny herinareo, ary ny herimponareo ny mba ho vavolombelon’ Andriamanitra dia azo antoka. Hankahery sy hitarika ary hanome fahatokiana ho anareo ny fotopampianarana sy ireo ohatra mifono herimpo ao amin’io boky io. … Ny fandalinana amim-bavaka ny Bokin’i Môrmôna dia hanorina finoana an’ Andriamanitra Ray, ny Zanaka Malalany, ary ny Filazantsarany. Hanorina ny finoanareo an’ireo mpaminanin’ Andriamanitra fahiny sy ankehitriny izany. Afaka mampanatona anareo akaikikaiky kokoa an’ Andriamanitra izany boky izany mihoatra noho ireo boky hafa. Afaka manova ny fiainana ho amin’ny tsaratsara kokoa izany. … Miangavy aho ny mba handalinanareo matetika avy amin’ny pejin’io boky io. (Henry B. Eyring, “Vavolombelona iray,” Liahona, nôv. 2011, 69–71)

Ary ny Filoha Russell M. Nelson dia nampanantena hoe:

Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vanin’andro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza. (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62–63)

Sary
zatovolahy mamaky teny
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao

Nanampy anao hanakaiky an’ Andriamanitra kokoa tamin’ny fomba ahoana ny fandalinana sy fiainana ireo fampianarana hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna? Inona avy ireo andalan-tsoratra masina sasantsasany avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy anao ho lasa tahaka Azy kokoa? Raketo an-tsoratra ao amin’ny toerana natokana ho amin’izany ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Miomàna hizara ao an-dakilasy ny zavatra tonga tao an-tsainao.