Institiota
Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaraka ireo mpaminany velon’ny Tompo


“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Manaraka ireo mpaminany velon’ny Tompo,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (2019)

“Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 10, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Manaraka ny mpaminany velon’ny Tompo

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson mifandray tanana amin’ny zatovo

Eritrereto hoe ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy eo ny fitarihana sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona. Eo am-pandalinanao dia eritrereto ny fomba hitondran’ny fanarahana ireo mpaminanin’ny Tompo fitarihana sy fitahiana lehibe kokoa eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Afaka mitahy ny fiainako amin’ny fomba ahoana ny fisafidianana ny hanaraka ny mpaminanin’ny Tompo?

Tamin’ny andro nananganana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nanambara ny Tompo fa i Joseph Smith dia “[antsoina] … ho mpahita ho mpandika teny ho mpaminany ho apostolin’ i Jesoa Kristy, ho loholon’ ny fiangonana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1).

Sary
Joseph Smith mijoro eo anoloan’ny mpiangona

Avy eo ny Tompo dia nanome didy ho an’ny Olomasina mikasika ny fanarahana ny mpaminaniny ary nanoritsoritra ireo fitahiana izay ho avy raha nanao izany izy ireo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6.

Herin-taona taorian’izay dia nanamafy ny fifandraisana misy eo amin’ny feony sy ny feon’ireo mpaminaniny ny Tompo. Tao anatin’ny fahitana iray izay lasa sasintenin’ny Bokin’ny Didy, izay ho lasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana taty aoriana, dia mbola nampianatra indray ny Tompo fa “na dia levona aza ny lanitra sy ny tany ny teniko dia tsy ho levona fa ho tanteraka avokoa na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko dia iray ihany izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38).

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. Mampahafantatra ireo fampanantenana sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny olon’izy ireo izy ireo. …

Rehefa manaraka [ny mpaminanin’ny Tompo] isika dia hisy fifaliana kokoa sy tsy dia ho sarotra ny fiainantsika, mora kokoa ny mizaka ireo olantsika, ary manorina fitaovam-piarovana ara-panahy manodidina antsika izay hiaro antsika amin’ireo fanafihan’ny fahavalo amin’izao androntsika izao isika. (Ulisses Soares, “Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo mpaminany,” Liahona, mey 2018, 99)

Sary
tanora mandalina lahateny tamin’ny fihaonambe
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianarana sy ny torohevitry ny mpaminany?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mandray ny temin’ireo mpaminanin’ny Tompo “amin’ ny faharetana sy ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5)?

Mety hisy fotoana hahatsapanao fa sarotra ny manaiky sy manaraka ny torohevitra sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny Tompo. Mety hitranga izany rehefa tsy mahatakatra tanteraka ny antony nilazany ny zavatra izay noteneniny ianao. Na mety mifanohitra amin’ny hevitry ny besinimaro sy ny fomba fanaon’ny fiarahamonina na amin’ny hevitrao manokana sy ny fomba fanao mahazatra ny fianakaviana ny fampianarany.

Nanome ity torohevitra sy fampanantenana manaraka ity ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Aza gaga raha indraindray ny sasany amin’ireo fomba fijerinao manokana dia tsy mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny mpaminanin’ny Tompo any am-boalohany. Fotoana hianarana sy hanetrena tena ireny, raha toa isika mandohalika mivavaka. Mandroso am-pinoana isika, matoky an’ Andriamanitra, mahalala fa rehefa mandeha ny fotoana dia handray fahazavana ara-panahy misimisy kokoa avy amin’ny Ray any An-danitra isika. …

… Nahita aho fa rehefa mandalina amim-bavaka ny tenin’ny mpaminanin’ Andriamanitra aho ary mampifanaraka ara-panahy amim-pitandremana sy amim-paharetana ny sitrapoko amin’ireo fampianarany azo avy amin’ny fanentanam-panahy, dia mitombo hatrany ny finoako an’i Jesoa Kristy Tompo. Rehefa misafidy ny tsy hiraharaha ny toroheviny isika, ary mitono-tena ho mahay kokoa, dia mijaly ny finoantsika ary ho semban-drahona ny fomba fijerintsika ny mandrakizay. Mampanantena anao aho fa raha mitoetra ho mahatoky ianao eo amin’ny fanarahana ny mpaminany dia hitombo ny finoanao ny Mpamonjy. (Neil L. Andersen, “Ny mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 26–27)

Nampianatra Rahavavy Carol F. McConkie, izay mpanolotsaina voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany hoe:

Rehefa mankatò sy miaro ary manohana ny tenin’ny mpaminany isika dia mijoro ho vavolombelona fa manana finoana hanaiky amim-panetrentena ny sitrapon’ny Tompo sy ny fahendreny ary ny fotoany.

Mankatò ny tenin’ny mpaminany isika na dia mety hentitra sy hafahafa ary sarotra tanterahina aza izany. Raha eo anatrehan’ny fenitra arahan’izao tontolo izao dia mety ho halan’ny olona rehefa manaraka ny mpaminany na mety ho fihetsika diso ara-pôlitika izany na mety tsy ho ekena eo amin’ny fiarahamonina. Saingy tsara foana ny fanarahana ny mpaminany. …

Rehefa mankatò ny tenin’ireo mpaminany isika dia manorina ny tokantranontsika sy ny fiainantsika eo amin’ny fototra iray azo antoka mandrakizay, “ilay vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy ilay Zanak’Andriamanitra” [Helamàna 5:12]. Carol F. McConkie, “Miaina araka ny tenin’ireo mpaminany,” Liahona, nôv. 2014, 78–79.)

Sary
Ny Fiadidiana Voalohany

Ity ohatra manaraka avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana ity dia afaka manampy mba hanehoana ny dikan’ny hoe mandray ny tenin’ireo mpaminany velon’ny Tompo amin’ny faharetana sy finoana. Rehefa niresaka momba ilay fahitana ireo fanjakam-boninahitra, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 (jereo koa ny “La vision (D&A 76),” ChurchofJesusChrist.org) ny Filoha Brigham Young dia nitantara hoe:

“Rehefa nanambara tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon Andriamanitra fa nisy toerana iray nomanina ho an’ny rehetra, arakaraka ny hazavana izay noraisiny sy ny fandavany ny ratsy ary ny fanaovany ny tsara, dia fitsapana lehibe ho an’ny maro izany. Ary nivadika ny sasany satria tsy nandefa ireo izay tsy nino an’i Kristy sy ny zazakely any amin’ny famaizana mandrakizay Andriamanitra, fa nanana toeram-pamonjena ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana mahamety izany, ka hitahy ny marin-toetra sy ny tsara toetra ary ny tia ny marina, na mpikambana ao amin’ny fiangonana iray izy na tsia. Fotopampianarana vaovao izany ho an’ity taranaka ity ka maro no sahirana tamin’ny fanekena izany. (Enseignements des présidents de l’Eglise: Brigham Young [1997], 292)

Na i Brigham Young aza dia sahirana tamin’ny fanekena io fotopampianarana io tamin’ny voalohany. Hoy izy hoe: “Tahaka izany ny zavatra efa nahazatra ahy, ka raha vao tonga teo amiko ilay Fahitana, dia nifanohitra sy nifanipaka avy hatrany tamin’ny fampianarana nomena ahy teo aloha izany. Dia hoy aho hoe, andraso kely aloha. Tsy nandà an’ilay izy aho, saingy tsy afaka nahatakatra izany. … Tsy [maintsy] nandinika sy nivavaka aho, namaky izany sy nieritreritra, mandra-pahafantarako sy nahatakarako tanteraka izany” (ao amin’ny Journal of Discourses, 6:281).

Sary
sary famantarana, fifanakalozan-kevitra

Mifanakaloza hevitra amin’ny hafa dia miomàna hizara izany ao an-dakilasy

Hevero ny hizara amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na amin’ny namana iray ny zavatra nianaranao momba ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo amin’ny faharetana sy finoana. Dia manontania avy eo hoe: “Inona no nanampy anao hanaraka ny mpaminanin’ny Tompo tamin’ny faharetana sy finoana?” Tongava mianatra amim-pahavononana hizara ny zavatra nianaranao.

Fizarana 3

Inona no anjara asan’ireo mpaminany amin’ny fampianarana ahy fotopampianarana marina?

Tany am-piandohana tao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana dia nitady ny fanampian’ny Tompo i Joseph Smith mahakasika ireo mpikamban’ny Fiangonana izay voafitaky ny fotopampianarana diso.

[Volana maro taorian’ny nananganana ny Fiangonana] dia nahare [i Joseph Smith] fa i Hiram Page, izay iray tamin’ireo Vavolombelona Valo[n’ny Bokin’i Môrmôna] sy mpampianatra tao amin’ny Fisoronana Aharôna dia nanomboka nitady fanambarana ho an’ny fiangonana tamin’ny alalan’izay noheveriny fa vato mpahita iray. Olomasina … maro no nino fa avy amin’ Andriamanitra ireo fanambarana ireo.

Fantatr’i Joseph fa niatrika fotoana tena sarotra izy. Nampiasa fiteny mitovy amin’izay hita ao amin’ny soratra masina ireo fanambarana azon’i Hiram. Niresaka mikasika ny fananganana an’i Ziona sy ny fananganana ny fiangonana izany, saingy indraindray izany dia nifanohitra tamin’ny Testamenta Vaovao sy ireo fahamarinana nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph.

Noho izy tsy nahafantatra izay tokony hataony dia tsy nandry indray alina nivavaka mba hitalaho fitarihana i Joseph. (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 [2018], 97)

Ho setrin’ny vavaka nataon’i Joseph Smith, dia nanome ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28 ny Tompo, izay nanazava ny anjara asa tsy manam-paharoa notanan’i Joseph amin’ny maha Mpaminanin’ny Fiangonana azy.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2, 7.

Nanambara ihany koa ny Tompo fa ireo zavatra nosoratan’i Hiram Page dia tsy avy amin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:11). Fotoana fohy taorian’ny nanomezana io fanambarana io dia “nitsipaka ireo fanambarana azon’i Hiram ny Olomasina ary niombom-peo nanohana an’i Joseph ho ilay hany olona afaka mandray fanambarana ho an’ny fiangonana” (Saints, 1:98).

Noho ireo mpaminany velon’ny Tompo mihazona ny fanalahidy hahazoana fanambarana ho an’ny Fiangonana, dia andraikitr’izy ireo ihany koa ny mampianatra sy manazava ny fotopampianarana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ao amin’ ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’ i Kristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ny fanambarana masina izay azon’ireo nomen’ny Tompo fahefana ho apôstôly. …

Izy ireo dia manana ny zo sy ny hery ary ny fahefana mba hanambara ny saina sy ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny olony, ary eo ambanin’ny hery sy fahefana faran’izay lehibe ananan’ny Filohan’ny Fiangonana. …

Ahoana no fomba hanambaran’ny Mpamonjy ny sitrapony sy ny fotopampianarany amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara? Mety ataony amin’ny fampiasana mpitondra hafatra iray izany na ataon’ny tenany manokana. Afaka miteny amin’ny alalan’ny feony manokana Izy na amin’ny alalan’ny feon’ny Fanahy Masina … (jereo ny 1 Nefia 17:45; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8). Afaka mifandray manokana amin’ny mpanompony Izy na mifandray amin’izy ireo ao anatin’ny filankevitra ataon’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 27:1–8). …

… Tokony hotsaroana fa tsy izay zavatra rehetra nolazain’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na mpitarika taloha izany na ankehitriny akory dia voatery ho fotopampianarana. Iarahan’ny rehetra mahalala ato amin’ny Fiangonana fa ny zavatra nolazain’ny mpitarika iray tao anatin’ny fotoana iray manokana dia matetika raisina ho hevitry ny tenany manokana izay na dia avy tamin’ny fisainana tsara aza, dia tsy natao ho lasa zavatra ôfisialy na hoe tsy maintsy arahin’ny Fiangonana iray manontolo. (D. Todd Christofferson, “Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 86–88)

Nanazava ny Loholona Andersen fa ny fotopampianarana marina dia ampianarin’ireo mpaminany voafidin’ny Tompo sady velona tsy tapaka.

Misy olona vitsivitsy izay miahiahy ny amin’ny finoan’izy ireo rehefa mahita fanambarana iray nataon’ny mpitarika iray tato amin’ny Fiangonana am-polon-taonany maro lasa izay, izay toa tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarantsika. Misy fitsipika iray manan-danja izay mitantana ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Ampianarin’ireo mpikambana 15 ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izany fotopampianarana izany. Tsy miafina ao anatin’ny andalan-tsoratra iray saro-takarina ao anaty lahateny iray izany. Ampianarina imbetsaka ary ampianarin’ny olona maro ny fitsipika marina. Tsy sarotra hita ny fotopampianarantsika. (Neil L. Andersen, “Fitsapana ny finoanao,” Liahona, nôv. 2012, 41)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao rehefa nanaraka ny fampianarana sy ny torohevitr’ireo mpaminanin’ny Tompo amin’izao androntsika izao ianao?