Institiota
Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Jesoa Kristy: Mpanavotra Masintsika


“Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Jesoa Kristy: Mpanavotra Masintsika,” Fototry ny Famerenana amin’ny laoniny: Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (2019)

“Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fototry ny Famerenana aminʼny laoniny: Bokin’ny mpampianatra

Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Jesoa Kristy: Mpanavotra Masintsika

Sary
sombin-tsary avy amin’ny I Kristy sy ilay tanora mpanan-karena, nataon’i Heinrich Hofmann

Ny olona sasany dia mandray an’i Jesoa Kristy ho toy ny ohatra tsara tokony harahina fotsiny, ny sasany dia mandray Azy ho toy ny mpaminany fahiny, ary ny sasany dia mandray Azy ho ny Mpamonjy an’izao tontolo izao. Inona avy ireo zavatra inoana sy fihetsika iraisan’ny besinimaro indrindra mikasika ny Tompo any amin’ny toerana hipetrahanao? Inona avy ny zavatra inoanao sy tena maharesy lahatra anao momba Azy? Rehefa mandalina ny fahitana sy ny fanambarana ary ny soratra masina voarain’ny Mpaminany Joseph Smith momba an’i Jesoa Kristy ianao dia eritrereto ny fomba ahafahan’izy ireny mampitombo ny finoanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy amin’ny maha-Mpanavotra masinao Azy.

Fizarana 1

Inona no maha-manan-danja an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny amin’ny fahatakarako ny amin’i Jesoa Kristy Tompo?

Nanomboka tany amin’ny faha-zatovon’i Joseph Smith ny fifandraisany manokana tamin’ny Tompo. Nanoratra izy fa tany ho any amin’ny faha-12 taonany dia “lasa sahiran-tsaina tokoa aho satria lasa nahatsapa ho meloka ny amin’ireo fahotako. … Tsapako fa tokony ho ory noho ny fahotako manokana sy ny ny fahotan’izao tontolo izao aho.”

Sary
I Joseph mivavaka, nataon’i Brian Call

Taoriana kelin’izay dia “nitalaho famindram-po tamin’ny Tompo” i Joseph kely, dia niresaka taminy tao anatin’ny fahitana ny Tompo nanao hoe: “Ry Joseph zanako lahy, voavela ny fahotanao. Tohizo ny lalanao, araho ny lalako, ary tandremo ny didiko. Indro, Izaho no Tompon’ny voninahitra. Nohomboina ho an’izao tontolo izao Aho, mba hahazoan’ireo rehetra izay mino ny anarako ny fiainana mandrakizay.”

Tamin’ny alalan’io fiainana ny Fahitana Voalohany io dia lasa nahafantatra manokana i Joseph fa mpamindra fo sy mpamela heloka i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra. Rehefa avy niresaka tamin’ny Tompo izy ary voavela ny helony, dia nijoro ho vavolombelona i Joseph hoe: “Heniky ny fitiavana ny fanahiko, ary afaka nifaly tamin’ny fifaliana lehibe tokoa aho nandritra ny andro maro. Niaraka tamiko ny Tompo” (“Joseph Smith’s Accounts of the First Vision,” Circa Summer 1832 History, josephsmithpapers.org).

Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao olana tahaka ny an’i Joseph. Mety ho afaka ny hampifandray ny tenanao amin’ny faniriany mba ho voavela heloka sy amin’ny fifaliany tamin’ny nahafantarany fa niaraka taminy ny Tompo ianao.

Ireo fahitana maro hitan’i Joseph Smith momba ny Mpamonjy dia namela azy hanompo tamin’ny naha-vavolombelona lehibe momba an’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany azy. Tamin’ny 16 febroary 1832, raha iny teo am-panaovana ireo fanitsiana ny Baiboly avy amin’ny fitaomam-panahy (izay fantatra amin’ny hoe Dikantenin’i Joseph Smith) iny, dia nahita fahitana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon, ka tao anatin’izany izy ireo dia “[nahatazana] ny voninahitry ny Zanaka eo an-tanana ankavanan’ ny Ray.” Rehefa niresaka ny amin’i Jesoa Kristy izy ireo dia nijoro ho vavolombelona fa: “Velona Izy!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:20, 22–23).

Jereo hoe inona ireo fahamarinana hafa momba an’i Jesoa Kristy izay naseho an’ny Mpaminany ao amin’io fahitana io.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:23–24.

Sary
Miseho ao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Tompo, nataon’i Del Parson

Efa-taona taty aoriana dia nijoro ho vavolombelona indray ny Mpaminany fa nahita ny Mpamonjy tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary nanambara fa “ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:3).

Nampianarin’ny Tompo an’ny Olomasina fa rehefa mandalina ireo fanambarana nomena tamin’ny alalan’ny Fanahy izy ireo dia “afaka mijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko sy mahafantatra ny teniko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:36).

Rehefa nisaintsaina ny anjara biriky nentin’i Joseph Smith tamin’ny fahatakarantsika ny amin’i Jesoa Kristy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe:

Tamin’ny fiarahany niasa manokana tamin’ny Tompo, tamin’ny fandikana sy famoahana ny Bokin’i Môrmôna, sy ny fanasiany tombokase ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny fandatsahany ny rany mba ho maritiora, dia i Joseph smith no lasa mpanambara amin’ny fomba tsara indrindra an’i Jesoa Kristy amin’ny toetra marina ananany amin’ny maha-Mpanavotra masina Azy. (D. Todd Christofferson, “Ateraka indray,” Liahona, mey 2008, 79)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Noho ireo fahitana, fanambarana, ary soratra masina nomena an’i Joseph Smith dia manana fahatakarana misimisy kokoa momba ny toetran’ny Mpamonjy isika.

  • Inona no fahalalana momba ny Mpamonjy izay tsy ho nisy raha tsy teo ny Mpaminany Joseph Smith? Inona no ho fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao raha tsy nisy izany fahalalana izany? (Ataovy ao an-tsaina hatrany ireo fanontaniana ireo eo am-panohizanao mandalina.)

Fizarana 2

Inona no fahamarinana naverina tamin’ny laoniny momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay afaka mampitombo ny finoako Azy?

Fanamarihana: Rehefa mamaky ireto soratra masina sy fampianaran’ny mpaminany ireto ianao dia hevero ny hanisy marika ireo fahamarinana mifandray amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay manan-danja aminao.

Maro ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy momba ny filazantsara sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny fandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 1 Nefia 13:34, 40).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Almà 34:10, 12, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Amioleka izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna an’ny andiana Zôramita iray mikasika ny sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava ny antony maha-tsy misy fetra ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy:

Tsy misy fetra, tsy manam-piafarana ny Sorompanavotany [jereo ny 2 Nefia 9:7; 25:16; Almà 34:10, 12, 14]. Tsisy fetra koa izany mba hahafahan’ny olona rehetra ho voavonjy amin’ilay fahafatesana tsy manam-piafarana. Tsisy fetra izany raha ilay fijaliany lehibe no jerena. Tsisy fetra izany eo amin’ny lafin’ny fotoana satria namarana ilay fomba arahana hanaovana sorona biby taloha. Tsisy fetra izany raha eo amin’ny halehibeny. Natao mba hotanterahina indray mandeha ho an’ny rehetra izany [jereo ny Hebreo 10:10]. Ary tsy hoe mipaka hatrany amin’ny olona maro tsy tambo isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa mipaka ihany koa hatrany amin’ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariany [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:24; Mosesy 1:33]. Izany dia tsisy fetra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’ny olombelona na ny fahatakaran’ny olombelona.

I Jesoa Kristy no hany afaka nanolotra sorompanavotana tsy misy fetra toy izany satria nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty Izy. Noho izany lova tsy manan-tsahala izany dia Olona tsy misy fetra i Jesoa. (Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, Nov. 1996, 35)

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ny mpaminany Almà ihany koa dia nampianatra fahamarinana manan-danja tamin’ny olon’i Gideona momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Vakio ny Almà 7:11–13.

Rehefa avy nindrana teny avy tao amin’ny Alma 7 ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Tsy misy fanaintainana ara-nofo, tsy misy ratra ara-panahy, tsy misy fangirifirian’ny fanahy na aretim-po, tsy misy kilema na fahalemena izay mety hatrehako sy hatrehanao ety an-tany ka tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Ao anatin’ny fotoana mampahalemy antsika dia mety hiantsoantso isika hoe: “Tsy misy mahafantatra hoe manao ahoana izany. Tsy misy afaka mahatakatra izany.” Kanefa ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra tanteraka sy mahatakatra tsara, satria efa nahatsapa sy nitondra ny enta-mavesatsika tsirairay Izy. Ary noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony (jereo ny Almà 34:14), dia manana fangorahana tanteraka Izy ary afaka manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony. Afaka manolo-tanana Izy, mikasika, manampy, manasitrana ary mampatanjaka antsika. (David A. Bednar, “Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 90)

Naharay fanambarana izay nampifandray ny fijaliana tsy takatry ny saina niainan’ny Tompo tamin’ny hasarobidin’ny olona i Joseph Smith. Rehefa avy niantso an’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer mba hitory fibebahana ny Tompo dia nampianatra azy ireo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11, 13.

Sary
I Kristy mandohalika ao amin’ny sahan’i Getsemane

Namelabelatra misimisy kokoa momba ny sorompanavotany ny Tompo ao amin’ny fanambarana iray nomena an’i Martin Harris. Nanahirana an’i Martin Harris ny mety hamerezany ny toeram-pamboleny sy fiompiany mba handoavana ny saran’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Ao amin’ilay fanambarana ny Tompo dia nandidy an’i Martin mba hibebaka ary avy eo dia nanambara fifantarana mivantana tamin’ny fomba miavaka momba ny fijaliany.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19.

Rehefa misaintsaina ny fijaliana niaretan’i Jesoa Kristy teo amin’ny toeranao ianao dia hevero ny hamaky na hihaino ny tonon’ny fihirana “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44).

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Ahoana no ahafahako mahafantatra tsaratsara kokoa an’i Jesoa Kristy?

Soraty ao amin’ny diarinao na eo amin’ny faritra malalaka ny fahamarinana vitsivitsy izay manan-danja aminao avy amin’ireo soratra masina sy fampianarana ato amin’ity fizarana ity sy izay mety ho eritreritra sy fanontaniana hafa anananao momba ny sorompanavotan’ny Mpamonjy. Tongava mianatra miaraka amin’ny fahavononana hizara ireo fahamarinana hitanao sy izay hevi-baovao hitanao.