Avia, hanaraka Ahy
23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony


“23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna: Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“23–29 martsa. Enôsa–Tenin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Enôsa fony izy ankizilahy niaraka tamin’ny rainy sy i Jakôba ary ny reniny

I Jakôba sy i Enôsa, nataon’i Scott Snow

23–29 martsa

EnôsaTenin’i Môrmôna

Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony

Miomàna hampianatra amin’ny famakiana ny EnôsaTenin’ i Môrmôna sy famoronana drafitra fampianarana (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 18–19). Afaka manome hevitra anao ihany koa ireo sosokevitra sy fotopampianarana ato anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ny olona ao amin’ny kilasy hizara ny zavatra ianaran’izy ireo any an-trano dia azonao zaraina ho vondrona maromaro izy ireo ary asaivo mamaky toko avy ao amin’ny EnôsaTenin’ i Môrmôna ny vondrona tsirairay. Asaivo manolotra andininy avy amin’izany toko izany izy ireo izay tsapany fa tokony horesahina ao amin’ny kilasy. Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo andininy ireo ary misafidiana vitsivitsy mba horesahina.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Enôsa 1:1–17

Afaka mahazo famelana ny fahotantsika isika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Indreto misy fanontaniana vitsivitsy azonao hanasana ny olona ao amin’ny kilasy mba hosaintsaininy sy hifanakalozany hevitra rehefa mandalina ny Enôsa 1:1–17 ianao: Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Enôsa momba ny fahazoana famelana ny fahotantsika? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Enôsa ny finoany an’i Jesoa Kristy? Tamin’ny fomba ahoana io zavatra niainany io no niantraika tamin’i Enosa ary ahoana ny fijeriny ny tenany sy ny hafa?

Enôsa 1:4–17

Hovaliana ireo vavaka avy ao am-po ataontsika.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hanamafy ny fahatakarany momba ny vavaka dia azonao zaraina ho vondrona kely maromaro izy ireo ary asaivo mandalina ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Enôsa 1 ireto ny vondrona tsirairay: andininy 2–8, na 9–11, na 12–17. Dia asao ny vondrona tsirairay mba hampianatra ny ambin’ny kilasy zavatra ny izay nianarany momba ny vavaka avy amin’ireo andininy nomena azy ireo. Ohatra, azonao asaina hizara teny na andian-teny manoritsoritra ny fomba nivavahan’i Enôsa ianao.

  • Ankoatra ny fianarana momba ny fomba nivavahan’i Enôsa dia afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ny zavatra nivavahan’i Enôsa ihany koa isika. Angamba azon’ireo olona ao amin’ny kilasy fantarina hoe iza na inona no nivavahan’i Enôsa ao amin’ny Enôsa 1:4–17. Araka ireo andininy ireo, nahoana i Enôsa no naniry hivavaka ho an’ny hafa? Inona ny fahamarinana hafa ianarantsika momba ny vavaka avy amin’i Enôsa?

JarômaÔmnia

Rehefa mitandrina ny didy isika dia hiroborobo.

  • I Jarôma sy ireo mpanoratra ny Ômnia dia nanoratra momba ny firenena Nefita, fa mihatra amin’ny isam-batan’olona ihany koa ny hafatr’izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ny bokin’i Jarôma sy Ômnia momba ny fomba hitarihan’ny fahamarinan-toetra ho amin’ny firoboroboana? (ohatra jereo ny Jarôma 1:7–12 sy ny Ômnia 1:5–7, 12–18). Mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasy ny mamaritra ny hoe firoboroboana amin’ny fampiasana rakibolana na soratra masina (ohatra jereo ny Almà 37:13; 48:15). Inona no maha-samy hafa ny famaritana omen’izao tontolo izao sy ny famaritan’ny Tompo? Ahoana no hanampian’ny Tompo ny vahoakany mba hiroborobo?

  • Tahaka ny niasan’ireo mpaminany Nefita tamim-pahazotoana hampianatra ny didy tamin’ny vahoaka no ampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany antsika ihany koa ny didy. Rehefa avy mamaky ny Jarôma 1:9–12 ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mifanakalo hevitra momba ireo fampianarana vao tsy ela nataon’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mitaona azy ireo hitandrina ny didy. Mety hanampy ny olona ao amin’ny kilasy ny mamerina mijery ireo hafatra avy tamin’ny fihaonambe vao haingana ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana na ny application Bibliothèque de l’Evangile. Na afaka mijery ireo fitsipika resahina ao amin’ny Jeunes soyez forts izy ireo. Raha ilaina dia afaka miresaka ireo hafatra voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianao. Amin’ny fomba ahoana ny fankatoavana ny didy no manampy antsika “hiroborobo” amin’ny fiainantsika?

Ômnia

Nitondra vahoaka maro nankany amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo.

  • Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra tantara sarotra, ary ny fanarahana ireo vondron’olona isan-karazany resahin’izany dia mety ho sarotra. Ny fomba iray mety hianarana ny tsirairay amin’ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny fanaovana tabilao eny amin’ny solaitrabe sy ny fanasana ny olona ao amin’ny kilasy hameno izany amin’ny fampahalalana momba ny vondron’olona tsirairay (tahaka ny Nefita, Lamanita, ary ny vahoakan’i Zarahemlà). Ohatra, azo asiana ireto lohateny ireto ilay tabilao: Anaran’ny vondrona, Fotoana sy fomba nahatongavany, ary Zava-nitranga tamin’izy ireo. Ifampiresaho miaraka ny hoe nahoana no manampy ny mahatakatra ireo zavatra nianaranao momba ny vondrona tsirairay. Afaka manampy ireto lohahevitra ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ireto (ChurchofJesusChrist.org): “Koriantomira,” “Jaredita,” “Lamanita,” “Mioleka,” “Nefita,” ary “Zarahemla.”

Tenin’i Môrmôna 1:1–8

Hiasa amin’ny alalantsika Andriamanitra raha manaraka ny fitarihany isika.

  • Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny Tenin’ i Môrmôna dia afaka manasa olona iray ao amin’ny kilasy ianao mba ho vonona hizara ny antony nahatonga an’i Môrmôna ho nentanim-panahy hampiditra ireo takelaka kely (1 Nefia–Ômnia) ho ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io olona ao amin’ny kilasy io dia afaka miomana amin’ny famakiana ny Tenin’ i Môrmôna sy ireo loharanom-pitaovana hafa toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:8–19, 39–45 sy ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.   Amporisiho ireo olona ao amin’ny kilasy mba hampiditra ireo antsipiriany manan-danja momba ny fahaverezan’ireo pejy 116 tamin’ny Bokin’i Môrmôna vita sora-tanana sy ny antony nilana ireo takelaka kely mba hanoloana ireo pejy very. Inona no fahamarinana ianaran’ireo olona ao amin’ny kilasy avy amin’io momba ny fomba hiasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny olona? Inona ny zavatra hitan’ny olona ao amin’ny kilasy ao amin’ny Tenin’i Môrmôna 1:1–8 izay mitaona azy ireo hanaraka ny fitarihana avy amin’ Andriamanitra na dia tsy mahatakatra tanteraka ny anton’izany aza izy ireo?

    Sary
    I Môrmôna manambatra ireo takela-bolamena.

    I Môrmôna manambatra ireo takelaka, nataon’i Jorge Cocco

  • Nitahy fiainan’olona an-tapitrisany i Môrmôna noho ny fanarahany ny bitsiky ny Fanahy momba ireo takelaka kely (jereo ny Tenin’ i Môrmôna 1:7). Mieritrereta fomba ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny kilasinao hahatakatra fa afaka mitahy ny hafa ihany koa izy ireo rehefa mikatsaka ny ho fitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina. Tamin’ny fomba ahoana Andriamanitra no niasa tamin’ny alalan’i Môrmôna? Inona no efa hitan’ireo olona ao amin’ny kilasy fa nataon’ny Tompo tamin’izy ireo na ny hafa rehefa nanaraka ny Fanahy sy nikatsaka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra izy ireo? Ilay tantara momba ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia manome ohatra izay afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra ohatra avy amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ho avy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ny Paska afaka herinandro vitsivitsy, amporisiho ireo olona ao amin’ny kilasy mba hihaino hafatra izay izaran’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona manokana an’i Jesoa Kristy.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna miresaka momba an’i Enôsa.

Mitadiava horonan-tsary izay maneho ireo tantara ao amin’ny bokin’i Enôsa ao amin’ny fanangonana ireo horonan-tsary mikasika ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Hafatra avy amin’ny fihaonambe maneran-tany momba ny fitandremana ireo didy.

“Mandray tanana ny ankizy tsirairay”

Fony Filoha Thomas S. Monson mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka tamin’ny fivorian’ny ankizy tao amin’ny Kilonga tao amin’ny tanàna iray tao Samoa izy. Avy eo izy dia naharay bitsika mba hiarahaba manokana ireo kilonga miisa 247 izay nanatrika. Fantany anefa fa tsy hanam-potoana izy. Niezaka nanala ilay eritreritra hiarahaba ireo ankizy tao an-tsainy izy fa tsy afaka izany.

Nitodika tany amin’ny mpampianatra ny kilonga izy nony farany ary nilaza hoe: “Tena te handray tanana ny ankizilahy sy ny ankizivavy tsirairay aho. Mety ho azo atao ve izany?”

Nitsiky ilay mpampianatra ary niresaka tamin’ireo ankizy tamin’ny fiteny Samoana. Faly ery izy ireo nanetsika ny lohany nanaiky. Nilaza tamin’ny Loholona Monson avy eo ilay mpampianatra fa rehefa nandre izy ireo fa hisy iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo hitsidika an’i Samoa dia nampanantena ireo ankizy izy fa raha mivavaka amin-kitsimpo izy ireo sy manam-pinoana dia ny Loholona Monson no hitsidika ny tanànan’izy ireo ary hobitsihan’ny Fanahy Masina izy handray tanana ny ankizy tsirairay (jereo ny Thomas S. Monson, “Friend to Friend: Talofa Lava,” Friend, May 1972, 12–13).