Avia, hanaraka Ahy
30 martsa–12 aprily. Paska: “Izy … dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany”


“30 martsa–12 aprily. Paska: -Izy … dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany-”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“30 martsa–12 aprily. Paska,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
I Kristy nitsangana tamin’ny maty sy ireo apôstôliny

I Kristy sy ireo Apôstôly, nataon’i Del Parson

30 martsa–12 aprily

Paska

“Izy … dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany”

Ny alahadin’ny Paska dia fahafahana tena tsara ho an’ny olona ao amin’ny kilasinao mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty—ary hifanampy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny tsirairay. Ataovy ao an-tsaina izany rehefa mandalina ireo soratra masina ao amin’ny fanomanana ity lesona ity ianao. Mikatsaha fitarihana ara-panahy momba izay hikasika ny fon’ireo olona ao amin’ny kilasinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mety ho nanana traikefa manan-danja ireo olona ao amin’ny kilasinao nandritra ireo roa herinandro lasa namakiany izay ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny Sorompanavotany. Omeo minitra vitsy izy ireo hitadiavana ireo andininy izay nanaitra azy ireo, dia asao izy ireo avy eo mba hizara izay hitan’izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Nefia 9:7–15; Almà 11:41–45; 40:21–23

Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fampiraisana indray ny vatana sy ny fanahy ka tsy hisaraka intsony izany.

  • Mety ho fomba mahomby hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara ny fampitahana. Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hamaky ny 2 Nefia 9:7–15 sy ny Almà 11:41–45 ka hitady ireo teny sy andian-teny ao anatin’ireo andininy ireo izay mampianatra momba ny fitsanganana amin’ny maty. Ampitahaina amin’ny inona ny fahafatesana? Ahoana no fomba namaritana ny fitsanganana amin’ny maty? Nahoana isika no mila vatana nitsangana tamin’ny maty? (Jereo koa ny F&F 93:33–34). Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mifampiresaka ny fomba mety hampiasan’izy ireo ireo fampitahana ireo mba hampianarana ny olona iray momba ny fitsanganana amin’ny maty. Eo am-pizaran’izy ireo ny heviny amin’ny iray kilasy dia azonao atao ny mifanakalo hevitra amin’izy ireo ny antony maha-manan-danja ireo fahamarinana momba ny fitsanganana amin’ny maty ireo ho azy ireo.

  • Asao ny olona ao amin’ny kilasy hizara ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo ho feno fankasitrahana noho ny fahalalana ananany momba ny fitsanganana amin’ny maty. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika amin’ny fomba mitohy toy ny ahoana izany fahalalana izany? Azonao atao ny manampy ny olona ao amin’ny kilasinao hamaly io fanontaniana io amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hamaky ny 2 Nefia 9:7–15; Almà 11:41–45; na ny Almà 40:21–23 ka hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitan’izy ireo momba ny Fitsanganana amin’ny maty. Dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe avy eo ireto fehezan-teny roa manaraka ireto ary angataho ny olona ao amin’ny kilasy mba hisaintsaina mandritra ny minitra vitsy mialoha ny hizarana ny fomba hamenoan’izy ireo izany: Raha toa ka tsy nahafantatra ireo zavatra ireo aho… sy Satria fantatro ireo zavatra ireo….

Sary
I Kristy mivavaka ao amin’ny Sahan’i Getsemane

Getsemane, nataon’i Michael T. Malm

Môsià 3:5–7; 15:5–9; Almà 7:11–13

Nentin’i Jesoa teo Aminy ny fahotantsika, sy ny fanaintainantsika, ary ny fahalementsika.

  • Ny fisaintsainana sy fifanakalozana hevitra mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy ho antsika dia afaka manasa ny Fanahy sy mitaona ireo fahatsapana fitiavana sy fankasitrahana ho an’ny Mpamonjy. Mba hanentanana ny fisaintsainana sy fifanakalozana hevitra toy izany dia azonao atao ny manao tabilao iray mitovy amin’ilay naroso ao amin’ny ridran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia Hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eny amin’ny solaitrabe ary asao ireo olona ao amin’ny kilasy mba hameno izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny Môsià 3:5–7; 15:5–9; sy ny Almà 7:11–13 ary ny zavatra niainan’izy ireo manokana. Rehefa mitarika ny Fanahy, dia azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo momba izay nataon’i Jesoa Kristy ho azy ireo.

  • Ny mozika masina dia afaka manasa ny Fanahy sy manamafy ny fotopampianarana ampianarinao. Azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ohatra ny mamerina mijery ny Môsià 3:5–7; 15:5–9; sy ny Almà 7:11–13 ka mitady sy mihira ireo hira izay tsapan’izy ireo fa mifandray amin’ireo hafatra ao amin’ireo andininy ireo (azonao atao ihany koa ny manasa olona iray mba hihira na hitendry ireo hira). Ny tovana ho an’ny soratra masina any amin’ny fiafaran’ny fihirana dia afaka manampy, ary misy hira hafa natolotra ho soso-kevitra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Amporisiho ireo mpianatra mba hizara fehezan-teny avy ao amin’ireo hira sy ireo soratra masina izay manampy azy ireo hankasitraka lalina kokoa ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Enôsa 1:1–19; Môsià 5:1–2; 27:8–28:4; Almà 24:7–19

Manadio antsika sy manampy antsika ho lavorary ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.

  • Fomba mahomby iray hianarana momba ny herin’ny Mpamonjy mba hanova ny fiainantsika ny mandalina ireo ohatra ny amin’ny fomba nanovany ny fiainan’ny hafa rehefa nibebaka sy nanatona Azy izy ireo. Ahitana ohatra maro toy izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ohatra ny manome andraikitra ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy mba hamaky momba ny iray amin’ireto ohatra ireto, toa an’i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:1–19), ny vahoakan’i Mpanjaka Benjamina (jereo ny Môsià 5:1–2), i Almà zanany (jereo ny Môsià 27:8–28:4), na ireo Antia-Nefia-Lehia (jereo ny Almà 24:7–19), na afaka mieritreritra ohatra hafa avy ao amin’ny soratra masina izy ireo. Dia afaka mamintina izay novakiany ny olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy avy eo. Mety ho tian’ny olona ao amin’ny kilasinao ny manao izany amin’ny alalan’ny fanomezana famantarana mba hanampiana ny iray kilasy hamantatra ny olona izay fariparitan’izy ireo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mifampiresaka toy izao: Niova tamin’ny fomba ahoana ny olona tao amin’ireo ohatra ireo? Inona no anjara asan’ny Mpamonjy tao amin’ny fiovan’izy ireo? Azon’ny olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy atao angamba ny miresaka momba ny fomba nanaovan’ny Mpamonjy “fiovana mahery vaika … tao am-pon[‘izy ireo]” (Môsià 5:2). Mba hianarana bebe kokoa momba ny fomba hanovan’ny Mpamonjy antsika—sy ny antony maha-tena manan-danja an’io fiovana io—dia azonao atao ny mizara amin’ny iray kilasy ilay fanoharana nomen’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ny olona ao amin’ny kilasy hamaky ny Môsià 1–3, dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina ny fotoana iray izay nahatsapany faniriana hifaly rehefa avy namaky na nandre hafatra iray momba ny filazantsara. Asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay azon’izy ireo hifaliana eo am-pamakiany ny Môsià 1–3.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Hira momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

  • “Oui, je crois en Christ,”Cantiques,no. 71

  • Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76

  • Thy Will, O Lord, Be Done,” Hymns, no. 188

  • Ce matin-là,” Cantiques, no. 120

Ireo horonan-tsary ahitana ny Amboaram-peon’ny Tabernakely mihira ny sasany amin’ireo hira ireo dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Fanoharana: Tokony ho mihoatra noho ny madio isika.

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nizara fanoharana iray mba hanazavana ny fomba hanomanan’ny Mpamonjy antsika mba hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra:

“Matetika isika no mieritreritra momba ireo vokatry ny fibebahana ho fanadiovana tsotra antsika amin’ireo fahotana, kanefa fijery tsy feno izany. … Ny olona iray izay manota dia tahaka ny hazo iray izay mora aforitry ny rivotra. Amin’ny andro mandrivotra sy manorana be, ireo hazo dia miforitra tokoa mikasika ny tany ka manjary rakotra fotaka ireo ravina, tahaka ny fahotana. Rehefa mifantoka fotsiny amin’ny fanadiovana ireo ravina isika dia mety hitoetra ny fahalemen’ilay hazo izay mahatonga azy hiforitra ka handoto ny raviny. Toy izany koa, ny olona iray izay zara raha manenina fa voatasin’ny fahotana dia hanota indray amin’ny rivo-mahery manaraka. Mitohy ny mety hiverimberenan’izany mandra-pahazoan’ilay hazo tanjaka.

“Rehefa nandalo ilay dingana izay miafara amin’ilay antsoin’ny soratra masina hoe -fo torotoro sy fanahy manenina- ny olona iray, dia manao mihoatra noho ny manadio izany olona izany amin’ny fahotana ny Mpamonjy. Manome tanjaka vaovao ho azy Izy. Manan-danja izany fampatanjahana izany mba hahafantarantsika ny tanjon’ny fanadiovana, dia ny hiverenana amin’ny Raintsika any An-danitra. Tokony ho mihoatra noho ny madio isika mba havela ho eo anatrehany. Isika ihany koa dia tsy maintsy novaina avy tamin’ny hoe olona iray malemy ara-pitondrantena izay nanota mankamin’ny olona iray matanjaka manana ny fenitra ara-panahy hijoroana eo anatrehan’ Andriamanitra” (“The Atonement and Faith,” Ensign, Apr. 2010, 33–34).

Manatsara ny fampianarantsika

Manàna fiainana izay mendrika ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Rehefa miaina ny filazantsara ianao, dia mendrika ny hanana ny Fanahy Masina, izay tena mpampianatra, mba ho namanao. Rehefa mikatsaka ny fitarihany ianao, dia hanome anao eritreritra sy fahatsapana ny Fanahy Masina momba ny fomba hanomezana izay zavatra ilain’ ireo izay ampianarinao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5.)