Avia, hanaraka Ahy
13–19 aprily. Môsià 1–3: “Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra”


“13–19 aprily. Môsià 1–3: -Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra-”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna (2020)

“13–19 aprily. Môsià 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
mampianatra ny vahoakany ny Mpanjaka Benjamina

Minerva K. Teichert (1888–1976), King Benjamin’s Farewell Address, 1935, sary hosodoko eo amin’ny masonite, 91 x 122 sentimetatra. Oniversiten’ny Tao-java-kanto an’i Brigham Young

13–19 aprily

Môsià 1–3

“Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra”

Misy fitsipika maro izay azonao hifanakalozana hevitra miaraka amin’ny olona ao amin’ny kilasy ao amin’ny Môsià 1–3. Mangataha fitarihana amin’ny alalan’ny vavaka mba hahafantarana ireo fitsipika izay hanan-danja indrindra amin’ireo izay ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ny olona ao amin’ny kilasy hiresaka momba ny fandalinana nataon’izy ireo manokana na nataon’ny fianakaviany ny Môsià 1–3, dia asao izy ireo mba hifampizara andininy iray izay hitan’izy ireo fa manentana ny fanahy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Môsià 2:1–9

Mitaky fiomanana ny fandraisana ny tenin’ Andriamanitra.

  • Mety ho fomba iray hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fiomanana handray ny tenin’ Andriamanitra ny firesahana momba ireo vokatry ny fiomanana—na ny tsy fiomanana—amin’ny zavatra hafa. Ohatra, azon’ny olona ao amin’ny kilasy atao ny mizara traikefa momba ny fomba fiantraikan’ny fiomanany na ny tsy fahampian’ny fiomanany teo amin’ny zavatra niainany tany an-tsekoly na tany am-piasana sa tamin’ny atrik’asa hafa. Rehefa avy mizara hevitra izy ireo dia azonao atao ny manasa ny antsasaky ny kilasy mba hamaky ny Môsià 2:1–9, ka hitady ireo zavatra nataon’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina mba hiomanana handray ny tenin’ Andriamanitra. Ilay antsasany iray hafa dia afaka mamaky ireo andininy ireo ihany ka hitady ireo zavatra nataon’ny Mpanjaka Benjamina izay nampiseho ny fahatsapany momba ny tenin’ Andriamanitra sy ny antony hizarana izany. Avy eo dia asao ny vondrona tsirairay hizara ny hevitra hitan’izy ireo. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy antsika handray ny tenin’ Andriamanitra?

Môsià 2:10–26

Rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’ Andriamanitra ihany koa.

  • Mpanompon’ Andriamanitra sy ireo manodidina azy tena niavaka ny Mpanjaka Benjamina. Inona no azon’ny olona ao amin’ny kilasinao ianarana momba azy mba hanampiana azy ireo ao amin’ireo ezaka ataony amin’ny fanompoana ny hafa? Atombohy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fangatahana ireo olona ao amin’ny kilasy mba hitanisa ireo sakana atrehan’ny olona rehefa manompo ny hafa—toy ireo antony tsy hanompoantsika na ireo antony mahatonga ny fanompoantsika tsy tena manampy araka ny tokony ho izy. Dia afaka mandalina ny Môsià 2:10–26 izy ireo avy eo ary mitanisa ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina momba ny fanompoana ny hafa izay afaka manampy azy ireo handresy ireo olana notanisain’izy ireo. Inona no azon’ny isam-batan’olona na ny fianakaviana atao mba hifantohana amin’ny fanompoana eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro? Hevero ny hizara ilay tantara notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” entina atao soso-kevitra iray.

  • Ny hira toy ny “Je rencontrais sur mon chemin” (Cantiques, no. 17) dia afaka manamafy ilay hafatra hita ao amin’ny Môsià 2:17—rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’ Andriamanitra ihany koa. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny loharano toy ireo mba hanamafisana ny hafatry ny Mpanjaka Benjamina? Angamba ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mizara zavatra niainana rehefa nanompo ny hafa izy ireo na nandray asa fanompoana araka ny nataon’i Kristy avy tamin’ny olona iray. Mandritra ny fifanakalozanareo hevitra dia hevero ny hizara ity teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring ity: “Rehefa manampy olona iray isika dia tsapan’ny Mpamonjy izany, toy ny hoe manolo-tanana hanampy Azy isika” (“Tsy izao va no fifadian-[kanina] izay ankasitrahako?Liahona, mey 2015, 22). Nahoana araka ny eritreritrareo no manompo an’ Andriamanitra isika rehefa manompo ny olona hafa?

Sary
vehivavy roa mifamihina

Manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ny fanompoana ny hafa.

Môsià 2:38–41

Tonga avy amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra ny fahasambarana.

  • Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy “hisaintsaina ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra” dia mety hanampy ny manomboka amin’ny famaritana ny fahasambarana. Ahoana no fomba hamaritan’ny olona ao amin’ny kilasy ny fahasambarana izay tonga avy amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra? Azon’izy ireo atao angamba ny maka sary an-tsaina fa manana namana iray izay milaza ho sambatra kanefa tsy mitandrina ireo didy izy ireo. Asao izy ireo hamaky ny Môsià 2:38–41 ary hifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo manampy ny namany hahatakatra ny fahasamihafana eo amin’ny fahasambarana araka izao tontolo izao sy ny fahasambarana mandrakizay. Inona ireo traikefa na ohatra avy amin’ny fiainan’ny olona hafa izay azon’ny olona ao amin’ny kilasy zaraina ka maneho ny fahasambarana mandrakizay?

Môsià 3:1–20

Ny famonjena dia tonga “amin’ny anaran’i Kristy Tompo” irery ihany.

  • Ny hafatry ny Mpanjaka Benjamina dia ahitana faminaniana mahery vaika sy mamariparitra ny fahaterahana sy ny asa fanompoana ary ny sorom-panavotan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mangataka ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara andininy avy ao amin’ny Môsià 3:1–20 izay manaitra azy ireo manokana sy manampy azy ireo hahatakatra ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy. Anontanio azy ireo ny antony mahatonga ireo andininy ireo hanaitra azy ireo.

  • Ny fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ilay boky dia “manoritsoritra ny drafitry ny famonjena.” Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahita ny fomba hanatontosan’ny toritenin’ny Mpanjaka Benjamina an’io tanjon’ny Bokin’i Môrmôna io, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Mahatonga ny famonjena ho tanteraka i Jesoa Kristy. Ny olona ao amin’ny kilasy dia afaka mamerina mijery ny Môsià 3:1–20, dia azonao atao na azon’izy ireo atao avy eo ny mitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana nianaran’izy ireo momba ny drafitry ny famonjena. Anontanio ny olona ao amin’ny kilasy izay nianaran’izy ireo momba ny fomba hanatanterahan’i Jesoa Kristy ny drafitry ny famonjena. Dia omeo fotoana ny olona ao amin’ny kilasy avy eo hamerenany mijery ny Môsià 3:18–19 ka hizara izay tsy maintsy ataontsika mba ho tonga olomasina sy hahazo famonjena. Ahoana no fomba hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika mba hanatanterahana izany? Angataho ny olona ao amin’ny kilasy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ny drafitry ny famonjena.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Efa nisy fotoana ve niainan’ny olona ao amin’ny kilasinao fiovana teo amin’izy ireo noho ny fotopampianarana iray nampianarina tao anatin’ny lahateny, na lesona, na soratra masina iray. Lazao azy ireo fa hamaky mikasika vokatra goavana naterak’ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina teo amin’ny vahoakany izy ireo ao amin’ny Môsià 4–6.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fanompoana ny hafa.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Taona vitsivitsy lasa izay dia namaky lahatsoratra iray nosoratan’i Dokotera Jack McConnell,  aho. Lehibe tao amin’ireo havoanan’i Virginie atsimo andrefana tao Etazonia izy ka iray tamin’ireo zanaka fiton’ny mpitandrina Metodista iray sy ny reny mpikarakara tokantrano iray. Tena tsotra ny toe-piainan’izy ireo. Nitantara izy fa nandritra ny fahazazany, rehefa nipetraka manodidina ny latabatra fisakafoana ny fianakaviana isan’andro, dia nanontanian’ny rainy tsirairay ny rehetra: -Ary inona no zavatra nataonao ho an’ny hafa androany?- Ny ankizy dia tapa-kevitra ny hanao zavatra tsara isan’andro mba hahafahan’izy ireo manao tatitra amin’ny rainy fa nanampy olona iray izy ireo. Nantsoin’i Dr. McConnell hoe ny lova sarobidy indrindra navelan’ny rainy io asa atao io, satria io zavatra andrasana sy ireo teny ireo dia nitaona azy sy ireo iray tampo aminy mba hanampy ny hafa nandritra ny androm-piainan’izy ireo. Rehefa niha-lehibe sy matotra izy ireo dia nanjary niova ho faniriana voajanahary mba hanampy ny hafa ilay fahazotoana hanompo noho ny antony iray.

“Ankoatra ny asa fitsaboana niavaka nataon’i Dr. McConnell … dia namorona fikambanana iray izay antsoiny hoe Volunteers in Medicine (Mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny sehatry ny fitsaboana) izy, izay manome fahafahana ho an’ireo mpiasa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana efa misotro ronona hilatsaka an-tsitrapo ao amin’ireo toeram-pitsaboana maimaim-poana izay miasa ho an’ireo tsy manana fiantohana. Nilaza i Dr. McConnell fa ny fotoana fakany aina hatramin’ny nisotroany ronono dia -nanjavona tao anatin’ny herinandro maro nanaovana asa tsy nahazoana vola nandritra ny 60 ora isan-kerinandro, kanefa ny tahan’ny tanja[ny] dia nitombo ary misy fahafaham-po, izay tsy nisy teo aloha, eo amin’ny fiaina[ny].- [Jack McConnell, “And What Did You Do for Someone Today?” Newsweek, 18 jona 2001, 13.] …

“Mazava ho azy fa tsy afaka ny hitovy amin’ny Dr McConnells avokoa isika rehetra ka hanorina toeram-pitsaboana hanampiana ireo mahantra; kanefa, ny fanampiana ilain’ny hafa dia misy tokoa ary isika tsirairay avy dia afaka manao zavatra entina hanampiana olona iray. …

“Ry rahalahy sy anabavy, voahodidin’ireo olana izay mila ny fifantohantsika, ny famporisihantsika, ny fanohanantsika, ny fampiononantsika, ny hatsaran-toetrantsika isika—mety ho olona ao amin’ny fianakaviana izy ireo, na namana, na olom-pantatra, na olona hafa mihitsy. Isika no tanan’ny Tompo eto ambonin’ny tany ary manana ilay fahefana nomena mba hanompoana sy hanomezana hery ny zanany. Miantehitra amintsika tsirairay Izy. … Enga anie isika hanontany tena amin’ilay fanontaniana novantanin’ny Dr. Jack McConnell sy ireo iray tampo aminy isan-kariva tamin’ny fotoam-pisakafoana hoe: -Inona no zavatra nataoko ho an’ny hafa androany?-” (“Inona no zavatra nataoko ho an’ny hafa androany?Ensign na Liahona, nôv. 2009, 84–87).

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho fitaovan’ny Fanahy. Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia tsy ny hanao famelabelarana fa hanampy ny hafa kosa handray ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ilay tena mpampianatra. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10.)