Avia, hanaraka Ahy
20–26 aprily. Môsià 4–6: “Fiovana mahery vaika”


“20–26 aprily. Môsià 4-6: -Fiovana mahery vaika-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“20–26 aprily. Môsià 4–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
i Benjamina Mpanjaka mampianatra ny vahoakany

Eo am-panompoana ny Andriamanitrareo, nataon’i Walter Rane

20–26 aprily

Môsià 4–6

“Fiovana mahery vaika”

Halalino ny Môsià dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Rehefa mahazo fitaomam-panahy ianao dia afaka mametraka ilay fanontaniana naroson’ny Loholona Richard G. Scott ianao hoe: “Mbola misy hafa tokony ho fantatro ve?” (“Mahazo fitarihana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2009, 8).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Azonao atomboka amin’ny fangatahana ireo olona ao amin’ny kilasy hizara ny iray amin’ireo fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Mosiah 4–5 izay tian’izy ireo hampiharina bebe kokoa amin’ny fiainany ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Môsià 4:1–12

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo sy mitana ny famelana ny fahotantsika.

  • Ny olona sasany dia manana ilay hevitra diso hoe mila ezaka kely fotsiny ny fibebahana, ny olona hafa dia mino fa mitaky ezaka be loatra izany. Mba hanampiana ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra bebe kokoa ny zavatra takiana mba hahazoana ny famelana ny fahotana dia azonao asaina izy ireo mba hikaroka ao amin’ny Môsià 4:1–12 hitadiavana ireo fepetra hahafahan’ny Ray any An-danitra manome ny famelana ny fahotantsika. Azon’ireo olona ao amin’ny kilasy tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany. Asaivo mieritreritra ohatra manampy amin’ny fanazavana ny zavatra hitany izy ireo. Ohatra, afaka mampitaha ny famelana ny fahotana amin’ny mpitrosa iray izay mamela na manafoana ny trosany izy ireo. Na afaka mampitaha ny fitanana ny famelana ny fahotantsika amin’ny fikarakarana zavatra izay mila fikirakirana tsy tapaka toy ny zaridaina na trano iray izy ireo.

  • Anontanio ny olona ao amin’ny kilasy hoe inona no zavatra holazainy ny olona iray izay manontany tena raha toa ka mendrika hanaovana ezaka ny fibebahana. Ahoana no hanampian’izy ireo olona izay kivy sy mahatsapa fa tsy vita ny mandresy ny fahotana sy ny fahalemena? Azonao ampiana ireo olona ao amin’ny kilasy hiomana amin’ny resaka toy izany amin’ny fangatahana azy ireo mba handany minitra vitsy hitadiavana ao amin’ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Môsià 4:1–12 ireo fahamarinana izay afaka manampy olona iray ao anatin’ireo toe-javatra ireo. Afaka mizara ireo fahamarinana hitany amin’ny olona mipetraka eo akikiny avy eo ny olona ao amin’ny kilasy.

Môsià 4:11–27

Rehefa mibebaka isika dia ho heniky ny fitiavan’ Andriamanitra.

  • Ahoana no ahafantarantsika fa nahazo ny famelana ny fahotantsika isika? Namariparitra ny vokatra sasany an’ny tena fibebahana marina ny Mpanjaka Benjamina. Asao ny olona ao amin’ny kilasinao hikaroka izany ao amin’ny Môsià 4:13–16. Azonao asaina ihany koa izy ireo hisaintsaina ny fiainan’izy ireo ary hijery hoe manao ahoana ny fiainany ny fampianarana ao anatin’ireo andininy ireo. Inona ny fambara hitan’ireo olona ao amin’ny kilasy izay maneho fa miova fo izy ireo? Miova amin’ny fomba ahoana ny fifandraisantsika amin’ny hafa rehefa manatona an’i Kristy isika amin’ny alalan’ny fibebahana? Angamba afaka mizara ny fomba nitrangan’izany tamin’ny fiainan’izy ireo ny olona ao amin’ny kilasy.

  • Ny Môsià 4:11–12 sy 14–16 dia mety hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra mahatonga ny maha-ray aman-dreny marina. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hahatongavana ho ray aman-dreny tsara kokoa?

  • Raha entanim-panahy hifanakalo hevitra momba ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina momba ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana ianao dia azonao asaina ireo olona ao amin’ny kilasy mba hifandimby hamaky andininy avy ao amin’ny Môsià 4:16–27. Isaky ny voavaky ny andininy tsirairay dia azon’ilay olona namaky atao ny mamintina amin’ny fiteniny manokana ny zavatra nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina. Ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland’s “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” (Liahona, nôv. 2014, 40–42) dia azo ampiasaina mba hanohanana io fifanakalozan-kevitra io. Ahoana no hanarahantsika ny torohevitry ny Mpanjaka Benjamina mba tsy “[hihazakazahantsika] haingana kokoa noho izay tratry ny [herintsika]”? (Môsià 4:26–27). Inona no ifandraisan’ilay didy mba “[hizarantsika] amin’ ny [fananantsika] amin’ ny mahantra” amin’ny famelana ny fahotantsika?

Môsià 4:29–30

Tsy maintsy mitandrina ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika isika.

  • Indraindray dia toa ho mora kokoa raha toa ka manome antsika ny lisitry ny fahotana misy ny Tompo. Tsy izany anefa fa miteny amintsika Izy hoe: “[Tandremo] ny tenanareo … [ary mitozoa] amin’ ny finoana an’ izay efa renareo momba ny fiavian’ ny Tompontsika” (Môsià 4:30). Mba hanampiana ny kilasinao hifanakalo hevitra momba an’io fitsipika io dia afaka manontany azy ireo fanontaniana tahaka ireto ianao: Amin’ny fomba ahoana ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika no miantraika amin’ny tenantsika sy ny hafa? Inona no dikan’ny hoe “mitozo amin’ny finoana”? Inona ny torohevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana antsika hitandrina ny tenantsika?

Môsià 5:1–7

Afaka miteraka fiovana mahery vaika ao am-pontsika ny Fanahin’ny Tompo.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ilay fiovana tsy misy toa azy izay entin’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy amin’ny fiainantsika dia azonao asaina ireo olona ao amin’ny kilasy mba hizara antony vitsivitsy maha-sarotra matetika ny fiovana maharitra eo amin’ny fiainantsika. Dia asao izy ireo hamaky ny Môsià 5:1–5 hitadiavana ilay “fiovana mahery vaika” niainan’ireo vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina. Fahamarinana inona momba ny fiovam-po no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo? Mangataha olona vitsivitsy ao amin’ny kilasy hizara ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo hiova fo. Afaka mijery horonan-tsary iray amin’ireo natolotra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ihany koa ianao.

    Sary
    I Kristy manasitrana vehivavy iray marary

    Afaka manova ny fontsika sy ny fiainantsika ny Mpamonjy. Tanana manasitrana, nataon’i Adam Abram

  • Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ireo fahamarinana ao amin’ny Môsià 5:1–7 dia mety hanontany tena ny olona sasany ao amin’ny kilasy hoe nahoana ny fiovampon’izy ireo no tsy goavana be sy eo no ho eo tahaka ny niainan’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina. Ilay teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia miresaka momba an’io fanontaniana io. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Loholona Christofferson momba ny fiovam-po?

Môsià 5:5–15

Manasa antsika hanao fanekempihavanana Aminy Andriamanitra.

  • Ny Môsià 5:5–15 dia afaka manampy ny olona ao amin’ny kilasy hahatakatra ireo fitahiana azon’izy ireo rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izy ireo. Azonao asaina hamerina hijery ireo andininy ireo miaraka amin’ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo ao an-tsaina izy ireo ary hizara ny zavatra ianarany. (Jereo koa ny FF 20:77, 79.)

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mety miaina na vao tsy ela no niaina olana na fitsapana manokana ny maro amin’ireo olona ao amin’ny kilasinao. Teneno izy ireo fa ao amin’ny Môsià 7–10 izy ireo dia hamaky momba ny vondron’olona izay nianatra ny fomba hatokisana ny Tompo mandritra ny fotoan’ny fitsapana azy ireo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matetika ny fiovana dia dingana.

Ny Loholona D. Todd Christofferson dia niresaka momba ny fiovam-po mahery vaika voalaza ao amin’ny soratra masina:

“Mety hanontany ianao hoe nahoana no tsy haingana kokoa noho izao ny fitrangan’ity fiovana mahery vaika ity amiko? Tokony hotsaroanao fa ny ohatra niavaka an’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina, an’i Almà, sy ny hafa ao amin’ny soratra masina dia izao fotsiny— miavaka fa tsy zava-misy mahazatra. Mandeha tsikelikely kokoa sy miandalana ny fiovana ho an’ny ankamaroantsika. Ny ateraka indray, izay tsy mitovy amin’ny fahaterahantsika ara-batana, dia dingana fa tsy zava-mitranga amin’ny fotoana iray. Ary ny fidirana ao anatin’izany dingana arahana izany no tanjona lehiben’ny fiainana eto an-tany.

“Ankoatra izany koa dia aoka isika tsy hanamarin-tena amin’ny ezaka zara raha vita. Aoka isika tsy hanao izay hitazonana ny faniriana sasany mba hanao ny ratsy. Aoka isika handray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo isan’Alahady ary hanohy hanakaiky ny Fanahy Masina mba hamongotra ireo fahalotoana sisa tavela ao anatintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manohy ao anatin’ilay lalan’ny fahaterahana indray ara-panahy ianao, dia hanala ny fahotanao sy ny pentimpentin’ireo fahotana ao aminao ny fahasoavan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ka tsy afaka ny hisarika intsony ireo fakam-panahy, ary ho tonga masina ianao amin’ny alalan’i Kristy, toy ny maha-masina Azy sy ny Raintsika” (“Ateraka indray,” Liahona, mey 2008, 78).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitadiava ohatra ao amin’ny soratra masina. Rehefa mamaky ny lahatenin’ny Mpanjaka Benjamina tamin’ny vahoakany ianao dia mitadiava lesona ao amin’ny ohatra nasehony izay afaka manampy anao ho lasa mpampianatra tsaratsara kokoa. Ohatra, inona no nataon’ny Mpanjaka Benjamina mba hahafantarana raha toa ka takatry ny vahoakany ny zavatra nampianariny?